Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?

Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?

Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?

BE DIA be ny boky nivoaka momba ny anjara asan’ny fivavahana eo amin’ny asa. Maherin’ny 300, ohatra, ny boky nosoratana momba izany nandritra ireo folo taona lasa, araka ny gazety Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy). Hita taratra amin’izany fa maro ny olona any amin’ny tany manan-karena no mitodika any amin’ny fivavahana, mba hahazoana tari-dalana momba ny fiainana. Hoy ny gazety Fiofanana sy Fivoarana (anglisy): “Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainantsika ny siansa sy ny fahalalana ankehitriny, nefa mbola manontany tena ihany isika hoe misy zavatra hafa afaka ny hampisy heviny kokoa ny fiainantsika ve? Inona no zava-kendren’ny fiainana, ary inona no hitondra fahafaham-po kokoa ho antsika?”

Aiza anefa no ahitana tari-dalana mahafa-po momba izany? Nankany amin’ireo antokom-pivavahana ny olona taloha, mba hahalalana hoe inona no hampisy heviny kokoa ny fiainany, ary inona no zava-kendren’ny fiainana. Maro anefa ankehitriny no tsy miraharaha ireo fivavahana ireo intsony. Araka ilay gazety Fiofanana sy Fivoarana, dia nisy mpandraharaha 90 nadinadinina nilaza fa “tena miavaka tsara amin’ny finoana an’Andriamanitra ny fivavahana.” Amin’izy ireo, dia “mangeja sy mampisara-bazana” ny fivavahana, fa “afaka ny hifanaraka amin’ny zavatra rehetra inoan’ny olona” kosa ny finoana an’Andriamanitra.

Miavaka tsara amin’ny finoana an’Andriamanitra koa ny fivavahana, araka ny hevitry ny tanora maro any amin’ireo firenena tsy dia mpivavaka, toa an’i Aostralia, Nouvelle-Zélande, Royaume-Uni, ary Eoropa. Milaza toy izao ny Profesora Ruth Webber, ao amin’ilay gazety hoe Fandinihana ny Tanora any Aostralia (anglisy): “Mino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny tanora, na mino izy fa misy hery lehibe any ho any. Araka ny hevitr’izy ireo anefa, dia tsy ilaina ny eglizy, sady tsy afaka manampy azy haneho ny finoany.”

Mampirisika ny olona hanana ny fihevitr’Andriamanitra ny fivavahana marina

Tsy mahagaga raha tsy matoky ny fivavahana ny olona. Fivavahana maro no mandray anjara lehibe amin’ny politika. Maro amin’izy ireo no ahitana mpiangona mihatsaravelatsihy sy maloto fitondran-tena. Ao koa ny fivavahana mivesatra trosan-dra, noho izy ireo nandray anjara tamin’ny ady maro be. Noho izany, dia misy olona tsy mety miditra amin’ny fivavahana feno fihatsarambelatsihy sy famitahana. Lasa tsy mino ny Baiboly koa anefa izy ireo, satria heveriny fa manala tsiny an’ireo fanao ratsy ireo izy io.

Diso hevitra anefa izy ireo, satria melohin’ny Baiboly ny fihatsarambelatsihy sy ny fandikan-dalàna, raha ny marina. Hoy i Jesosy tamin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay tsara tarehy erỳ etỳ ivelany, nefa ao anatiny feno taolam-paty sy izao karazam-pahalotoana rehetra izao. Tahaka izany koa ianareo: Miseho ho olo-marina amin’ny olona ianareo etỳ ivelany, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna.”​—Matio 23:27, 28.

Mampitandrina ny Kristianina mba tsy hitsabaka amin’ny politika mihitsy koa ny Baiboly. Tsy mitaona ny mpino hifamono izy io, fa mandidy azy ireo kosa mba ho vonona hamoy ny ainy ho an’ny hafa. (Jaona 15:12, 13; 18:36; 1 Jaona 3:10-12) Manaiky ny olona avy amin’ny firazanana rehetra ny fivavahana marina, izay manaraka ny Baiboly, fa tsy ‘mangeja na mampisara-bazana.’ Hoy ny apostoly Petera: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”​—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Manampy antsika hanatona an’Andriamanitra ny Baiboly

Milaza amintsika ny Baiboly fa noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona. (Genesisy 1:26, 27) Tsy midika izany hoe mitovy bika aman’endrika aminy ny olombelona. Ny tiana holazaina eo kosa dia hoe afaka maka tahaka ny toetrany izy ireo, ary nataony tao anatin’izy ireo ny faniriana hanatona azy.

Noho izany, dia azo inoana fa hanampy antsika hanatona azy Andriamanitra, sady hanoro antsika hoe inona no mety hanatsara na hanimba ny fihavanantsika aminy. Nomen’ilay Mpamorona rafi-kery fanefitra mahatalanjona isika, mba hiadiana amin’ny aretina sy ho salama tsara foana. Nomeny feon’ny fieritreretana koa isika, mba handraisantsika fanapahan-kevitra tsara sy hisakanana antsika tsy hanao zavatra mety hiteraka fahavoazana ho antsika, na hanimba ny fihavanantsika aminy. (Romanina 2:14, 15) Fantatsika fa tsy maintsy mihinana sakafo mahavelona isika, mba hiadiana amin’ny aretina. Toy izany koa ny feon’ny fieritreretana. Mila misakafo tsara ara-panahy isika, mba hahatonga azy io hiasa tsara.

Nampiseho ny sakafo ara-panahy tokony horaisintsika i Jesosy, rehefa niteny hoe: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Voarakitra ao amin’ny Baiboly ny tenin’i Jehovah, ary ‘mahasoa mba hampianarana, hananarana, ary hanitsiana izay diso.’ (2 Timoty 3:16) Mila miezaka handray io sakafo ara-panahy io àry isika. Hifandray tsara kokoa amin’Andriamanitra isika, sady handray soa hafa, rehefa mahalala tsara ny Baiboly, sy miezaka mampihatra ny toro lalana hita ao.​—Isaia 48:17, 18.

Tsy ho very maina ny ezaka ataonao

Marina fa sarotra indraindray ny mahita fotoana hianarana ny Baiboly, mba hanatonana an’Andriamanitra. Tsy very maina velively anefa izany ezaka izany! Manamarina izany ireto mpiasa be atao ireto. Hazavainy hoe nahoana no tsapany fa tena ilaina ny maka fotoana hanatonana an’Andriamanitra.

Hoy i Marina, dokotera: “Tsy dia nieritreritra firy momba ny fifandraisako tamin’Andriamanitra aho, raha tsy rehefa nanomboka niasa tao amin’ny hopitaly, ka nahatsapa tsara ny fijalian’ny olona. Tsapako tamin’izay fa nila an’Andriamanitra sy nila niezaka hanatona azy aho, raha te hahazo fahafaham-po sy fiadanan-tsaina. Ho an’ny olona toa ahy mantsy, dia mety hahatrotraka ny rotoroton’ny fiainana sy ny fikarakarana ny hafa.”

“Mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho izao. Izany dia manampy ahy handinika ny zavatra ataoko sy ny antony hanaovako izany. Manazatra ny saiko hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra koa ilay fianarana, hany ka milamin-tsaina kokoa aho. Marina fa tena mahafa-po ahy ny asako, nefa ny fianarako Baiboly no manampy ahy hiady amin’ny fahakiviana sy ny tebiteby, ary hanam-paharetana sy hahay hangoraka kokoa. Nahatsara ny tokantranoko koa ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Ary ny tena mahafaly ahy, dia hoe mahafantatra an’i Jehovah aho izao, ary tsapako fa mandrotsaka ny fanahiny amiko izy, ka misy heviny kokoa ny fiainako.”

Hoy i Nicholas, mpanao mari-trano: “Tsy nieritreritra ny hifandray tamin’Andriamanitra aho, tamin’izaho mbola tsy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny ho tafita tamin’ny asako ihany no tanjoko. Nianarako tao amin’ny Baiboly anefa fa misy zava-dehibe kokoa noho izany, ary ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah no mitondra ny tena fahasambarana maharitra.”

“Tena mahafa-po ahy ny asako, nefa hitako tao amin’ny Baiboly fa mahasoa ny fananana fiainana tsotra, satria afaka mifantoka amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ianao amin’izay. Izany no ataonay mivady, ka afaka amin’ny tebiteby manjo ny olona matimatin-karena izahay. Nahazo namana tsara maro be koa izahay, rehefa nifanerasera tamin’ny olona mifantoka amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra.”

Hoy i Vincent, mpisolovava: “Azo lazaina hoe mahafa-po ny asa, nefa hitako fa misy zavatra hafa ilaina mba hahazoana fahasambarana sy fahafaham-po. Tamin’izaho mbola tsy nahalala izay lazain’ny Baiboly momba izany, dia tadidiko fa takatro tampoka hoe tsy misy dikany tokoa ny fiainana. Rehefa teraka mantsy ny olona, dia mihalehibe, manambady, ary miasa mba hamelomana ny zanany. Mampiofana ny zanany mba hamerina ireo zavatra nataony ireo ihany izy avy eo, ary mihantitra sy maty amin’ny farany.”

“Rehefa avy nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, vao nahafantatra ny zava-kendren’ny fiainana. Nanjary fantatro fa tena misy i Jehovah, ary nihalalina ny fitiavako azy. Izany no manampy ahy hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra, sady hampifanaraka ny fiainako amin’ny sitrapony. Samy afa-po izahay mivady izao, satria fantatray fa mampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fotoana iainanay izahay.”

Hanjary hisy heviny koa ny fiainanao, raha mianatra Baiboly ianao. Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Toa an’i Marina sy Nicholas ary Vincent, dia afaka ny hahita fahafaham-po ianao, rehefa mianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany ho an’ny olombelona rehetra sy ho anao koa. Ho faly ianao amin’izay, satria ho afaka hanatona an’Andriamanitra, sady ho afaka hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fahasalamana tonga lafatra. Izay “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra” ihany mantsy no nampanantenaina izany.​—Matio 5:3.

Ny vavaka no fomba iray hanatonana an’Andriamanitra. Naka fotoana hampianarana ny mpianany hivavaka i Jesosy. Nanoro azy ireo ilay Vavaka Modely izy. Inona no hevitr’io vavaka io ho anao ankehitriny? Inona no soa azonao raisina avy amin’izy io? Ho hitanao ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka ny valin’izany.

[Sary, pejy 6]

Marina

[Sary, pejy 7]

Nicholas

[Sary, pejy 7]

Vincent