Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Feon’ny Fieritreretana Tsara

Feon’ny Fieritreretana Tsara

Feon’ny Fieritreretana Tsara

INDRAY andro, dia very ny telefaonin’i Charles, mpiasan’ny oniversite iray any Kenya, rehefa nody avy niasa izy. Mbola lafo be sady haitraitra ireny telefaonina entin-tanana ireny any Kenya.

“Tsy nino aho hoe mbola hisy hamerina ilay izy”, hoy i Charles. Gaga anefa izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, satria niantso azy an-telefaonina ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kenya, ka nilaza taminy mba ho avy haka ny telefaoniny. Saika tsy nino izy rehefa nandre izany! Nolazaina taminy fa nisy mpitory manontolo andro Vavolombelon’i Jehovah nandray ilay fiara nandehanany, ka nahita ilay telefaonina. Nentin’ilay mpitory tany amin’ny biraon’ny sampana ilay telefaonina, mba hahitana ny tompony. Afaka nifandray tamin’i Charles ny mpiasa an-tsitrapo tao tamin’ny farany, rehefa nampiasa ny nomerao hitan’izy ireo tao amin’ilay telefaonina.

Izao no nosoratan’i Charles ho an’ny biraon’ny sampana: “Misaotra anareo indrindra aho, satria niezaka nitady ahy ianareo, na dia nanahirana aza izany. Tena isaorako koa ny mpikambana ao aminareo, izay nahita an’ilay telefaonina sy nitady izay tompony, ary namerina izany. Sarotra ny mahita olo-marina amin’izao andro izao. Mampahery anefa fa misy olona vitsivitsy izay hita fa tena Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra tokoa.”

Malaza ho manao ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah hatraiza hatraiza. Manahaka ny apostoly Paoly izy ireo. Hoy mantsy izy: ‘Matoky izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.’ (Hebreo 13:18; 1 Korintianina 11:1) Fantatr’izy ireo fa manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra izany fihetsiny izany, araka ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’​—Matio 5:16.