Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Izay Ilaintsika Isan’andro i Jehovah

Manome Izay Ilaintsika Isan’andro i Jehovah

Manome Izay Ilaintsika Isan’andro i Jehovah

‘Aza be fanahiana intsony, [satria] ny Rainareo mahalala fa mila izany ianareo.’​—LIOKA 12:29, 30.

1. Ahoana no ameloman’i Jehovah ny biby?

EFA nandinika fody na vorona hafa mitsaingotsaingoka tany ve ianao? Nanontany tena angamba ianao hoe mba inona àry no sakafo hitany ao? Nilaza i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, fa afaka manatsoaka lesona avy amin’ny fomba ameloman’i Jehovah ny vorona isika. Hoy izy: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitahirizana ireny, nefa manome sakafo azy ny Rainareo any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” (Matio 6:26) Manome hanina ny zavaboariny rehetra amin’ny fomba mahavariana tokoa i Jehovah.​—Salamo 104:14, 21; 147:9.

2, 3. Nampianarin’i Jesosy hivavaka mba hahazo ny hanina sahaza antsika isan’andro isika. Inona no lesona tsoahintsika avy amin’izany?

2 Nahoana àry isika no nasain’i Jesosy hivavaka hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”? (Matio 6:11) Misy lesona lehibe azontsika tsoahina avy amin’io fangatahana tsotra io. Voalohany, ampahatsiahivina isika fa i Jehovah no loharanon’ny sakafo rehetra ilaintsika. (Salamo 145:15, 6) Afaka mamboly ny olombelona, nefa Andriamanitra irery ihany no afaka mampitombo, na ny voan-javamaniry izany, na ny voan’ny fahamarinana. (1 Korintianina 3:7) Fanomezana avy aminy ny zavatra hanintsika sy sotrointsika. (Asan’ny Apostoly 14:17) Rehefa mangataka aminy mba hanome izay ilaintsika isan’andro àry isika, dia mampiseho fa tena mankasitraka ny zavatra omeny. Mazava ho azy fa tsy manala ny andraikitsika hiasa izany, raha mbola afaka miasa koa isika.​—Efesianina 4:28; 2 Tesalonianina 3:10.

3 Faharoa, ny fangatahana ny ‘hanina sahaza antsika anio’, dia manondro fa tsy tokony hanahy loatra ny amin’ny hoavy isika. Nilaza koa i Jesosy hoe: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany. Koa aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.” (Matio 6:31-34) Ny fangatahana ny ‘hanina sahaza antsika anio’ àry dia mampiseho fa tokony hanana fiainana tsotra sy ‘fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ary fahaiza-mianina’ isika.​—1 Timoty 6:6-8.

Sakafo ara-panahy isan’andro

4. Inona no zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy sy ny Israelita, ka manasongadina fa ilaina ny misakafo ara-panahy?

4 Ny fangatahana ny hanina sahaza isan’andro, dia tokony hampahatsiahy antsika koa fa mila sakafo ara-panahy isika isan’andro. Nalain’i Satana fanahy i Jesosy, rehefa avy nifady hanina ela be, ka nasainy nanova ny vato ho mofo. Nanohitra azy anefa i Jesosy, na dia noana mafy aza, ary nilaza hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.’” (Matio 4:4) Namerina ny tenin’i Mosesy tamin’ny Israelita izy teo. Hoy io mpaminany io: “Nampanetry tena anao [i Jehovah] ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” (Deoteronomia 8:3) Sady sakafo ho an’ny Israelita ny mana nomen’i Jehovah, no nandraisany lesona ihany koa. Tokony “hanangona izay sahaza hohaniny isan-andro” izy ireo, fa raha nanangona mihoatra an’izay, dia nihamaimbo sy nisy olitra ny ambiny. (Eksodosy 16:4, 20) Tsy nitranga kosa anefa izany ny andro fahenina, rehefa tsy maintsy nanangona indroa torak’izay nangoniny isan’andro izy ireo, mba hisy hohanina ny Sabata. (Eksodosy 16:5, 23, 24) Ny fisian’ny mana àry dia nampahatsiahy azy ireo fa tsy maintsy nankatò izy, ary tsy mofo ihany no nivelomany, fa “izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah” koa.

5. Ahoana no anomezan’i Jehovah antsika ny sakafo ara-panahy ilaintsika isan’andro?

5 Ilaintsika koa ny mihinana isan’andro ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany. Nanendry “mpanompo mahatoky sy malina” àry i Jesosy, mba hanome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ny mpianakavin’ny finoana. (Matio 24:45) Manome antsika sakafo ara-panahy tondraka amin’ny alalan’ny boky fianarana Baiboly io mpanompo mahatoky io, no sady mampirisika antsika koa hamaky ny Baiboly isan’andro. (Josoa 1:8; Salamo 1:1-3) Afaka mahazo hery toa an’i Jesosy isika, rehefa miezaka mafy isan’andro mba hianatra ny sitrapon’i Jehovah sy hanao izany.​—Jaona 4:34.

Famelan-keloka

6. Inona no angatahantsika famelana, ary inona no tokony hatao mba hamelan’i Jehovah izany?

6 Izao no fangatahana manaraka ao amin’ilay vavaka modely: “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” (Matio 6:12) Niresaka ny amin’ny famelana ny fahotana i Jesosy eto. Izao no ilazan’i Lioka an’io vavaka modely io: “Mamelà ny helokay, fa izahay koa mba mamela izay nanota taminay.” (Lioka 11:4) Mpanota daholo isika rehetra. Vonona ny ‘hamono’ ny fahotantsika anefa ilay Raintsika be fitiavana, raha tena mibebaka sy ‘miverina’ isika ary mangataka famelan-keloka miorina amin’ny finoana ny vidim-panavotan’i Kristy.​—Asan’ny Apostoly 3:19; 10:43; 1 Timoty 2:5, 6.

7. Nahoana isika no tokony hangataka famelan-keloka isan’andro?

7 Lazaina fa manota isika rehefa tsy mahavita manaraka ny fitsipika marin’i Jehovah. Noho isika nandova ota, dia miteny sy manao ary mieritreritra zavatra tsy mety isika rehetra, na tsy manao izay tokony hataontsika. (Mpitoriteny 7:20; Romanina 3:23; Jakoba 3:2; 4:17) Tokony hangataka famelan-keloka foana àry isika rehefa mivavaka isan’andro, na tsaroantsika fa nanota isika tao anatin’ny andro iray, na tsia.​—Salamo 19:12; 40:12.

8. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fangatahana famelan-keloka, ary inona no soa entin’izany?

8 Rehefa avy mandini-tena amim-pahatsorana sy mibebaka ary miaiky ny fahotantsika isika, dia tokony hivavaka mba hahazo famelan-keloka, satria mino isika fa manavotra antsika ny ran’i Kristy. (1 Jaona 1:7-9) Tsy maintsy ‘hasehontsika amin’ny ataontsika fa nibebaka isika’, mba hanaporofoana fa vokatry ny fo ilay vavaka ataontsika. (Asan’ny Apostoly 26:20) Afaka mino isika amin’izay fa vonona hamela ny fahotantsika i Jehovah. (Salamo 86:5; 103:8-14) Hahazo fiadanan-tsaina tsy manam-paharoa isika, dia “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” Izany no ‘hiambina ny fontsika sy ny saintsika amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.’ (Filipianina 4:7) Misy zavatra hafa koa anefa ampianarin’i Jesosy antsika ao amin’ilay vavaka modely, mba hahazoantsika famelan-keloka.

Tsy maintsy mamela heloka isika, mba ho voavela ny helotsika

9, 10. a) Inona no fanazavana nomen’i Jesosy taorian’ilay vavaka modely, ary inona no asongadin’izany? b) Inona no fanoharana nolazain’i Jesosy ampisehoana fa ilaintsika ny mamela heloka?

9 Mahaliana fa tsy nisy nohazavain’i Jesosy ireo fangatahana ao amin’ilay vavaka modely, afa-tsy ilay hoe “mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” Rehefa namarana ilay vavaka izy, dia nilaza hoe: “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra, fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.” (Matio 6:14, 15) Nasehon’i Jesosy mazava tsara àry fa miankina amin’ny fahavononantsika hamela ny heloky ny hafa, no amelan’i Jehovah ny helotsika.​—Marka 11:25.

10 Nanao fanoharana i Jesosy indray mandeha mba hampisehoana fa ilaintsika ny mamela heloka, raha tiantsika havelan’i Jehovah ny helotsika. Nisy mpanjaka iray, hoy izy, nahafoy ny trosa be nananany tamin’ny mpanompony. Nosaziny mafy io rangahy io tatỳ aoriana, satria tsy nety nahafoy ny trosan’ny mpanompo namany, nefa kely lavitra noho ny azy ilay izy. Izao no namaranan’i Jesosy ilay fanoharany: “Toy izany koa no hitondran’ny Raiko any an-danitra anareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.” (Matio 18:23-35) Mazava ilay lesona: Lehibe lavitra noho izay mety ho fahadisoana nataon’ny olona tamintsika ny fahotantsika tsirairay avy, nefa mamela antsika isan’andro i Jehovah. Tena tokony hamela ny fahadisoana ataon’ny olona tsindraindray amintsika àry isika.

11. Inona no torohevitry ny apostoly Paoly tiantsika harahina, mba hamelan’i Jehovah ny helotsika, ary inona no ho vokany?

11 Hoy ny apostoly Paoly: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.’ (Efesianina 4:32) Mampihavana ny Kristianina ny fifamelan-keloka. Nampirisika koa i Paoly hoe: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po, satria olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina no tiana. Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kolosianina 3:12-14) Izany rehetra izany no voafaoka ao amin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy hoe: “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.”

Fiarovana rehefa alaim-panahy

12, 13. a) Tsy midika ho inona akory ilay fangatahana mialoha ny farany ao amin’ilay vavaka modely? b) Iza ilay Mpaka fanahy, ary inona no hevitr’ilay vavaka hoe aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy?

12 Izao no fangatahana mialoha ny farany, ao amin’ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.” (Matio 6:13) Te hilaza ve i Jesosy fa tokony hangataka amin’i Jehovah isika mba tsy haka fanahy antsika izy? Tsia, satria nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Hoy koa ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Tsy mitsingoloka ny fahadisoantsika i Jehovah, no sady tsy maka fanahy antsika mihitsy. Koa inona àry no hevitr’io tapany amin’ilay vavaka modely io?

13 I Satana Devoly no mitady haka fanahy antsika, sy manao izay hahasolafaka antsika amin’ny teti-dratsiny, ary handrapaka antsika mihitsy aza. (Efesianina 6:11) Izy ilay Mpaka fanahy. (1 Tesalonianina 3:5) Rehefa mivavaka amin’i Jehovah mba tsy hitondra antsika amin’ny fakam-panahy isika, dia mangataka aminy mba hanampy antsika tsy ho resin’izany, ary tsy ho “voafitak’i Satana.” (2 Korintianina 2:11) Mivavaka isika mba hitoetra ao amin’ny “fierena izay an’ny Avo Indrindra”, ka hahazo ny fiarovana omena an’ireo manaiky amin’izay rehetra ataony fa manana zo hitondra i Jehovah.​—Salamo 91:1-3.

14. Inona no toky omen’ny apostoly Paoly antsika fa tsy hahafoy antsika i Jehovah, raha mitady ny fanampiany isika rehefa alaim-panahy?

14 Raha izany no tena faniriantsika, ka asehontsika amin’ny vavaka sy ny ataontsika, dia afaka matoky isika fa tsy hahafoy antsika mihitsy i Jehovah. Manome toky antsika ny apostoly Paoly hoe: “Tsy misy fakam-panahy mihatra aminareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona. Mahatoky anefa Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.”​—1 Korintianina 10:13.

“Manafaha anay amin’ilay ratsy”

15. Nahoana no vao mainka tena ilaina ny mivavaka mba hanafahana antsika amin’ilay ratsy?

15 Araka ny soratra tany am-boalohany, dia mifarana toy izao ilay vavaka modely: “Manafaha anay amin’ilay ratsy.” * (Matio 6:13) Vao mainka mila harovana amin’ny Devoly isika amin’izao andro farany izao. I Satana sy ny demoniany mantsy dia miady amin’ny sisa voahosotra ‘izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy’, ary amin’ny “vahoaka be” namany. (Apokalypsy 7:9; 12:9, 17) Nananatra ny Kristianina ny apostoly Petera hoe: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka. Tohero anefa izy, ka manàna finoana matanjaka ianareo.” (1 Petera 5:8, 9) Te hampitsahatra ny fitoriantsika i Satana, ka miezaka hampitahotra antsika amin’ny alalan’ny solontenany, na ny eo amin’ny sehatry ny fivavahana izany, na ny varotra na ny politika. Hanafaka antsika anefa i Jehovah raha miorina mafy isika. Hoy i Jakoba mpianatra: “Maneke an’Andriamanitra ianareo, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.”​—Jakoba 4:7.

16. Iza no azon’i Jehovah ampiasaina mba hanampiana ny mpanompony iharam-pisedrana?

16 Navelan’i Jehovah halaim-panahy ny Zanany. Rehefa avy nanohitra ny Devoly anefa i Jesosy, sady nampiasa ny Tenin’Andriamanitra ho fiarovan-tena, dia naniraka anjely i Jehovah hampahery azy. (Matio 4:1-11) Hampiasa ny anjeliny koa i Jehovah hanampiana antsika, raha mivavaka amim-pinoana isika sady manao azy ho fiarovana. (Salamo 34:7; 91:9-11) Hoy ny apostoly Petera: “Hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana, ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana mba horinganina.”​—2 Petera 2:9.

Akaiky ny fanafahana tanteraka

17. Asehoy fa nalahatr’i Jesosy araka ny tokony ho izy, ireo hevitra ao amin’ilay vavaka modely.

17 Nalahatr’i Jesosy araka ny tokony ho izy, ireo hevitra ao amin’ilay vavaka modely. Ny fanamasinana ny anarana lehibe sy masin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika, ary ny Fanjakan’ny Mesia no hahavita izany. Koa mivavaka àry isika mba ho tonga izy io, ka handringana ny fanjakan’olombelona rehetra tsy lavorary, ary hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra rehetra etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra. Ny fanantenantsika hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa, dia miankina amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanekena eran’izao rehetra izao fa izy no manana ny zo hitondra. Rehefa avy mivavaka momba ireo zavatra tena lehibe ireo isika, dia afaka mangataka izay ilaintsika isan’andro, sy famelan-keloka, ary fanafahana amin’ny fakam-panahy sy ny fitak’ilay ratsy, dia i Satana Devoly.

18, 19. Hazavao fa manampy antsika ho mailo hatrany sy ‘hihazona mafy ny fanantenantsika hatramin’ny farany’ ilay vavaka modely.

18 Tsy ho ela isika dia hafahana tanteraka amin’ilay ratsy sy ny tontolo ratsiny. Fantatr’i Satana fa “fohy ny fotoana” ahafahany mampihatra ny ‘fahatezerany mafy’ etỳ an-tany, indrindra fa amin’ny mpanompon’i Jehovah mahatoky. (Apokalypsy 12:12, 17) Nilaza zavatra mampientam-po i Jesosy tao amin’ilay famantarana momba “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, ary ho tanteraka tsy ho ela ny lafiny sasany amin’izy io. (Matio 24:3, 29-31) Vao mainka isika hatoky ny fanafahana antsika, rehefa hahita ny fahatanterahan’izany. Hoy i Jesosy: “Rehefa manomboka mitranga izany, dia mitrakà ka asandrato ny lohanareo, fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.”​—Lioka 21:25-28.

19 Ilay vavaka fohy nampianarin’i Jesosy dia manoro antsika tsara izay tokony hatao antom-bavaka, amin’izao fahantomoran’ny farany izao. Enga anie isika hatoky hatramin’ny farany, fa hanome antsika hatrany ny zavatra ara-nofo sy ara-panahy ilaintsika isan’andro i Jehovah. ‘Hihazona hatramin’ny farany ny toky nananantsika tamin’ny voalohany’ isika, raha mailo hatrany ka tsy manao tsirambina ny vavaka.​—Hebreo 3:14; 1 Petera 4:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Araka ny Baiboly sasany, toy ny Fandikan-teny Protestanta, dia mifarana amin’izao teny fiderana an’Andriamanitra izao ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo: “Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.” (fanamarihana ambany pejy) Hoy ilay boky hoe Fanazavan’i Jérôme ny Baiboly (anglisy): ‘Tsy hita ao amin’ny sora-tanana tany am-boalohany ilay teny fiderana.’

Ho Famerenana

• Inona avy no tiana hambara amin’ilay fangatahana hoe omeo anay anio “ny hanina sahaza anay anio”?

• Hazavao ny dikan’ilay fangatahana hoe “mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.”

• Inona no tiantsika holazaina rehefa mangataka amin’i Jehovah isika mba tsy hitondra antsika ho amin’ny fakam-panahy?

• Nahoana isika no mila mangataka mba ‘hafahana amin’ilay ratsy’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Tsy maintsy mamela heloka isika, raha te ho voavela heloka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Lydekker