Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miovaova ny Sehatr’ity Tontolo Ity”

“Miovaova ny Sehatr’ity Tontolo Ity”

“Miovaova ny Sehatr’ity Tontolo Ity”

‘Izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa kely sisa ny fotoana tavela.’​—1 KORINTIANINA 7:29.

1, 2. Inona avy no fiovana hitanao nandritra ny androm-piainanao?

INONA no fiovana hitanao nandritra ny androm-piainanao? Azonao tanisaina ve ny sasany aminy? Mandroso, ohatra, ny siansa ara-pitsaboana. Noho ny fikarohana teo amin’io sehatra io, dia mahatratra 70 taona mahery izao ny androm-piainan’ny olona any amin’ny tany sasany, raha latsaka ny 50 taona izany, tany am-piandohan’ny taonjato faha-20! Eritrereto koa ny soa raisintsika rehefa ampiasaina amin’ny fomba tsara ny radio, televiziona, telefaonina entin-tanana, ary milina fandefasana fax. Tsy latsa-danja noho izany koa ny fandrosoana eo amin’ny lafiny fampianarana, sy fitaterana, ary fiarovana ny zon’olombelona. Nanatsara ny fiainan’ny olona maro izany rehetra izany.

2 Mazava ho azy fa tsy mahasoa daholo akory ny fiovana rehetra. Tsy azo odian-tsy hita ny voka-dratsin’ny firongatry ny heloka bevava, ny fiharatsian’ny fitondran-tena, ny fitomboan’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisaraham-panambadiana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ary ny fandrahonan’ny mpampihorohoro. Na ahoana na ahoana, dia azo inoana fa hiaiky ny fahamarinan’ireto teny nosoratan’ny apostoly Paoly hatry ny ela ireto ianao: “Miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.”​—1 Korintianina 7:31.

3. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nanoratra izy fa “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity”?

3 Nampitaha ity tontolo ity tamin’ny sehatra i Paoly eo. Miakatra eo ambony sehatra ireo mpilalao, izany hoe ny mpanao politika sy mpitondra fivavahana ary olo-malaza. Manao ny anjarany izy ireo, ary avy eo dia soloan’ny olon-kafa indray. Izany no mitranga efa hatramin’ny taonjato maro. Nety ho naharitra am-polo na an-jato taona teo amin’ny fitondrana mihitsy aza ny tarana-mpanjaka fahiny, ary ela vao nisy fiovana. Tsy toy izany intsony anefa ankehitriny. Mety hitsimbadika tampoka ny tantara, rehefa misy mamono ho faty ny mpitondra malaza iray! Feno hotakotaka tokoa ny androntsika, ka tsy hay izay havoakan’ny ampitso.

4. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny zava-mitranga eto amin’ity tontolo ity? b) Inona ireo porofo roa hodinihintsika izao?

4 Raha ity tontolo ity no sehatra, ary ny mpitondra eo aminy no mpilalao, dia ny Kristianina kosa no mpijery. * “Tsy anisan’izao tontolo izao” anefa izy ireo, ka tsy mifantoka be loatra amin’ilay fampisehoana, na ny mombamomba an’ireo mpilalao. (Jaona 17:16) Tsy andriny kosa ny hahitana famantarana fa hifarana ilay fampisehoana an-tsehatra. Loza no hiafaran’izy io, satria fantatr’izy ireo fa tsy maintsy ho ringana ity tontolo ity, alohan’ny hitondran’i Jehovah ilay tontolo vaovao sy marina. * Andeha àry isika handinika porofo roa mampiseho fa miaina amin’ny andro farany isika, ary efa antomotra ny tontolo vaovao. Ireto avy izany: 1) ny datin’ny fisehoan-javatra ara-baiboly, ary 2) ny fiharatsian’ny toe-piainana eran-tany.​—Matio 24:21; 2 Petera 3:13.

Niharihary ihany ilay zava-miafina tamin’ny farany!

5. Inona ilay “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ary nahoana izany no mahaliana antsika?

5 Nilaza i Jesosy fa ireo mpitondra eto amin’ity tontolo ity ihany no ho eo ambony sehatra, mandritra ny fotoana voafetra. Tsy hiditra an-tsehatra ny Fanjakan’Andriamanitra mandritra io “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” io. (Lioka 21:24) Rehefa hifarana izy io, dia hanomboka hanapaka any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka i Jesosy no ho Mpanjaka ara-dalàna ao aminy. Hanapaka ‘eo amin’ny fahavalony’ aloha izy. (Salamo 110:2) ‘Hanorotoro sy handevona’ ny fanjakan’olombelona rehetra ilay Fanjakana aorian’izay, araka ny voalazan’ny Daniela 2:44, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.

6. Oviana no nanomboka ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”? Naharitra hafiriana izy io, ary oviana no nifarana?

6 Rahoviana no hifarana “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ka handray fahefana ny Fanjakan’Andriamanitra? Manampy antsika hamantatra izany ny datin’ny fisehoan-javatra ara-baiboly, na dia “voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro farany” aza ny valin’io fanontaniana io. (Daniela 12:9) Nahariharin’i Jehovah tamin’ny mpianatra ny Baiboly vitsivitsy nanetry tena izany, rehefa nanakaiky io “andro” io. Nanampy azy ireo ny fanahin’Andriamanitra, ka takany fa “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” dia nanomboka tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 Talohan’i Kristy ( T.K.), ary naharitra 2 520 taona. Izany no nahafahan’izy ireo nanatsoaka hevitra fa nifarana tamin’ny 1914 “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” Nanjary takany koa fa nanomboka tamin’io taona io ny andro faran’ity tontolo ity. Raha mpianatra ny Baiboly ianao, hainao hazavaina avy ao amin’ny Soratra Masina ve ny fomba hahatongavana ho amin’ny 1914? *

7. Inona avy ireo andinin-teny manampy antsika hamantatra ny fiandohan’ireo fetr’andro fito ao amin’ny bokin’i Daniela, sy ny faharetany ary ny fiafarany?

7 Manampy antsika hamaly izany ny bokin’i Daniela. Nampiasa an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, i Jehovah mba handrava an’i Jerosalema teo am-piandohan’ny “fe-potoana voatondro”, tamin’ny 607 T.K. Nasehony tamin’ny alalan’io mpanjaka io fa havelany hitondra ireo firenena mandritra ny fetr’andro fito, ary tsy hiditra an-tsehatra mihitsy izy. (Ezekiela 21:31, 32; Daniela 4:13, 20-22) Haharitra hafiriana ireo fetr’andro fito ireo? Araka ny Apokalypsy 11:2, 3 sy 12:6, 14, dia maharitra 1 260 andro ny fe-potoana na fetr’andro telo sy tapany. Ampitomboina roa io mba ho fetr’andro fito, izany hoe 2 520 andro. Izay anefa ve no faharetan’izy io? Tsia, satria nomen’i Jehovah fitsipika hamantarana ny faharetan’ireo fetr’andro fito ireo i Ezekiela, mpaminany niara-belona tamin’i Daniela. Hoy izy: “Ny indray andro no nataoko solon’ny herintaona ho anao.” (Ezekiela 4:6) Midika izany fa haharitra 2 520 taona, ireo fetr’andro fito. Raha miainga avy eo amin’ny taona 607 T.K. isika no manisa 2 520 taona, dia hanatsoaka hevitra fa nifarana tamin’ny 1914 ny fe-potoana voatondro.

Voamarina fa “andro farany” izao

8. Porofoy fa niharatsy ny toe-piainana eran-tany nanomboka tamin’ny 1914.

8 Manamarina ny fanazavana nodinihintsika teo aloha ny zava-nitranga eran-tany, nanomboka tamin’ny 1914. Nilaza i Jesosy fa hisy ady sy mosary ary aretina, ho famantarana “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3-8; Apokalypsy 6:2-8) Izany tokoa no nitranga nanomboka tamin’ny 1914. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa hiova be ny fomba ifampitondran’ny olona. Ary tena marina ny nolazainy, satria hitantsika rehetra izany fiovana izany.​—2 Timoty 3:1-5.

9. Inona no nolazain’ny manam-pahaizana sasany momba ny toe-piainana eran-tany nanomboka tamin’ny 1914?

9 Tena niova be tokoa ve “ny sehatr’ity tontolo ity” nanomboka tamin’ny 1914? Hoy ny Profesora Robert Wohl ao amin’ilay bokiny hoe Ny Taranaka Tamin’ny 1914 (anglisy): “Tsy afaka tao an-tsain’ireo olona tsy maty tamin’ilay ady mihitsy, fa nisy tontolo iray nifarana tamin’ny Aogositra 1914, ary nisy iray hafa indray nanomboka.” Manamarina izany ny Dr. Jorge Costa e Silva, lehiben’ny sampan-draharaha mitsabo aretin-tsaina ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Hoy izy: “Haingana be mihitsy ny fiovana mitranga amin’izao andro izao, hany ka miteraka ahiahy sy tebiteby mbola tsy nisy toy izany mihitsy, hatramin’izay nisian’ny olombelona.” Tsy izany koa ve no tsapanao?

10. Ahoana no anazavan’ny Baiboly ny antony nahatonga ny toe-piainana hiharatsy nanomboka tamin’ny 1914?

10 Iza no fototr’izany fiharatsian’ny toe-piainana izany? Manala sarona azy io ny Apokalypsy 12:7-9, manao hoe: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: Mikaela [Jesosy Kristy] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona [Satana Devoly]. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, . . . izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” I Satana Devoly àry no tena mahatonga izao fikorontanana izao. Ny fandroahana azy avy tany an-danitra tamin’ny 1914, dia nitondra “loza ho an’ny tany sy ny ranomasina.” ‘Nidina atỳ amintsika mantsy ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.’​—Apokalypsy 12:10, 12.

Ny hiafaran’ilay tantara

11. a) Inona avy no fomba ampiasain’i Satana mba hamitahana “ny tany rehetra misy mponina”? b) Inona ilay ezaka manokana hataon’i Satana, araka ny nolazain’i Paoly?

11 Nanomboka tamin’ny 1914, dia manao izay ho afany i Satana mba hamitahana “ny tany rehetra misy mponina”, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany. Tsy miseho sehatra mivantana mihitsy io mpamitaka raindahiny io, fa ny mpitondra sy ireo olo-malaza ataon’ny olona ho modely no ampiasainy. (2 Timoty 3:13; 1 Jaona 5:19) Anisan’ny tanjony ny hamitaka ny olombelona, ka hahatonga azy ireo hieritreritra fa ny fomba fitondrany no hahazoan’izy ireo ny tena fiadanana. Azo lazaina fa nahomby ny fampielezan-keviny, satria mbola be fanantenana foana ny olona, na dia miharihary aza fa miharatsy hatrany ny toe-piainana. Nilaza ny apostoly Paoly fa hisy hevitra miavaka haelin’i Satana, alohan’ny haharavan’ity tontolo ity. Hoy izy: “Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza.”​—1 Tesalonianina 5:3; Apokalypsy 16:13.

12. Inona no ezaka efa natao mba hisian’ny fiadanana ankehitriny?

12 Matetika no nampiasa ilay teny hoe “fandriampahalemana sy filaminana” ny mpanao politika tato anatin’ireo taona faramparany, mba hilazana ireo tetik’asa isan-karazany narahiny hanatratrarana ny tanjony. Nantsoiny hoe Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fandriampahalemana mihitsy aza ny taona 1986, na dia tsy izany akory aza no nitranga. Ireo ezaka ireo ve no tena manatanteraka ny 1 Tesalonianina 5:3, sa i Paoly te hilaza fisehoan-javatra iray miavaka aoka izany, ka hanaitra an’izao tontolo izao?

13. Nampitahain’i Paoly tamin’ny inona ilay fandringanana hanaraka ilay antso hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!”, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

13 Tsy maintsy miandry isika mba hahafantarana ny valin’izany, satria matetika no tsy mazava tsara ny faminanian’ny Baiboly raha tsy rehefa tanteraka, na eo an-dalam-pahatanterahana. Tsara homarihina anefa fa nampitahain’i Paoly tamin’ny fanaintainan’ny vehivavy mihetsi-jaza, ny fandringanana tampoka hanaraka ilay antso hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!” Mandritra ny sivy volana eo ho eo, dia mihatsapan’ny reny mitondra vohoka fa mitombo ilay zanany. Mety ho reny ny fitepon’ny fon’ilay zaza, na henony fa mihetsika izy ao an-kibony ao. Mety handaka azy mihitsy aza izy. Vao mainka hitombo ny famantarana hahalalany fa efa ho teraka izy, mandra-pahatongan’ilay andro hahatsapany fanaintainana mafy. Ho tsapany amin’izay fa tonga ihany ilay nandrasany. Koa na ahoana na ahoana fomba hahatanterahan’ilay antso hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!”, dia hisy fisehoan-javatra tampoka aorian’izy io. Azo lazaina hoe hampanaintaina ilay izy, nefa hitondra fitahiana koa. Ho ringana mantsy ny ratsy fanahy ary hanomboka ny tontolo vaovao.

14. Tanisao araka ny filaharany ny zavatra hitranga amin’ny hoavy, ary lazao izay hiafarany.

14 Tena ho raiki-tahotra ny Kristianina mahatoky, hijery ilay fandringanana ho avy. Voalohany aloha, dia hanafika sy handringana ny mpanohana an’i Babylona Lehibe (na ireo fivavahana anisan’ny fandaminan’i Satana) ny mpanjakan’ny tany (na ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity). (Apokalypsy 17:1, 15-18) Hitsimbadika tampoka ny toe-javatra avy eo, satria hizarazara ny fanjakan’i Satana. Hifamely izy ireo, ary tsy hanan-kery hisakanana izany izy. (Matio 12:25, 26) Hataon’i Jehovah ao am-pon’ny mpanjakan’ny tany ny “hanatanteraka ny heviny”, dia ny hamongorana ireo mpivavaka mpanohitra azy. Rehefa rava ny fivavahan-diso, dia ho avy i Jesosy Kristy sy ny tafiky ny lanitra, mba handresy tanteraka izay sisa tavela amin’ny fandaminan’i Satana, izany hoe ny lafiny ara-barotra sy ara-politika. Farany, dia hogadraina i Satana, ary hifarana hatreo ilay fampisehoana, izay naharitra ela tokoa.​—Apokalypsy 16:14-16; 19:11-21; 20:1-3.

15, 16. Tokony hahatonga antsika hanao inona ilay fampahatsiahivana fa “efa kely sisa ny fotoana tavela”?

15 Rahoviana izany rehetra izany no hitranga? Tsy fantatsika ny andro sy ny ora hitrangan’izany. (Matio 24:36) Fantatsika kosa anefa fa “efa kely sisa ny fotoana tavela.” (1 Korintianina 7:29) Tena ilaina àry ny mampiasa tsara an’io fotoana io. Amin’ny fomba ahoana? Nanazava ny apostoly Paoly fa tsy maintsy ‘manararaotra tsara ny fotoana’ isika. Tokony hampiasaintsika hanaovana zavatra lehibe kokoa àry ny fotoana lanintsika amin’ny zavatra tsy dia ilaina loatra. Hisy heviny ny androntsika tsirairay amin’izay. Nahoana isika no mila manao izany? Satria “ratsy izao andro izao.” Tsy handanilany foana ny fotoana sarobidy sisa tavela koa isika, satria ‘fantatsika izay sitrapon’i Jehovah’ ho antsika.​—Efesianina 5:15-17; 1 Petera 4:1-4.

16 Inona àry no tokony hataontsika tsirairay, satria fantatsika fa ho rava tanteraka ity tontolo ity? Nanoratra ho antsika ny apostoly Petera hoe: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra?” (2 Petera 3:11) Tokony ho toy izany mihitsy isika! Araka ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Petera, dia tokony 1) hitandrina tsara isika mba ho masina hatrany ny fitondran-tenantsika, ary 2) tokony ho ny fitiavana lalina an’i Jehovah foana no hahatonga antsika hazoto hanompo azy.

17. Inona avy ireo fandrik’i Satana tsy maintsy ialan’ny Kristianina mahatoky?

17 Raha tia an’Andriamanitra isika, dia tsy ho voasariky ny zavatra atolotr’ity tontolo ity, ka hanjary ho tia azy io. Rehefa heverina tokoa izay hanjo an’ity tontolo ity, dia mety hidiran-doza isika raha voasariky ny fomba fiainan’izao tontolo izao sy ny an’ny olona tsy manao afa-tsy ny mitady fahafinaretana. Fahendrena ny miezaka ny tsy ho revo amin’ity tontolo ity, na dia miaina sy miasa eo anivony aza isika. (1 Korintianina 7:31) Tsy maintsy mitandrina mafy araka izay fara herintsika isika, mba tsy ho voafitaky ny fampielezan-keviny. Tsy hahavita hamaha ny olana mianjady aminy ity tontolo ity, no sady tsy haharitra mandrakizay. Nahoana isika no mahazo antoka ny amin’izany? Satria milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”​—1 Jaona 2:17.

Mbola tsara lavitra ny hoavy!

18, 19. Inona avy no fiovana andrandrainao ao amin’ny tontolo vaovao, ary nahoana no tsy maty antoka ianao miandry an’izany?

18 Horinganin’i Jehovah tsy ho ela i Satana sy ny mpanohana azy. Hiditra an-tsehatra àry ireo olona mahatoky tsy ringana niaraka tamin’ity tontolo ity. Hahazo ny fitahian’Andriamanitra izy ireo, ka hitondra fiovana maharitra mandrakizay. Tsy hisy intsony ny ady, satria ‘hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany’ Andriamanitra. (Salamo 46:9) Tsy hisy intsony koa ny mosary, satria “hahavoka-bary betsaka ny tany.” (Salamo 72:16) Tsy hisy intsony ny fonja, paositry ny polisy, aretina azo avy amin’ny firaisana, varotra rongony, fisaraham-panambadiana, bankirompitra, ary asa fampihorohoroana.​—Salamo 37:29; Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3-5.

19 Ho foana ny fasana, ary olona an’arivo tapitrisa no hatsangana amin’ny maty eto an-tany. Ho fifaliana re izany, rehefa ho tafaray indray ireo mpianakavy tafasaraka hatry ny ela, ka hifamihina amim-pitiavana! Hanompo an’i Jehovah ny rehetra amin’ny farany. (Apokalypsy 5:13) Paradisa eran-tany no ho eo anoloan’ny masontsika, rehefa ho vita tanteraka ireo fiovana ireo. Inona no ho tsapanao eo am-pijerena izany sehatra vaovao izany? Tsy isalasalana fa ho voatosika ianao hilaza hoe: ‘Efa ela no niandrasako an’izao, nefa tsy maty antoka mihitsy aho niandry!’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Milaza i Paoly ao amin’ny andinin-teny hafa, fa toy ny “fampisehoana an-tsehatra hojeren’izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona”, ny Kristianina voahosotra.​—1 Korintianina 4:9.

^ feh. 4 Mba hamantarana, ohatra, hoe iza no “mpanjakan’ny avaratra” resahin’ny Daniela 11:40, 44, 45, dia jereo ny boky Faminanian’i Daniela, pejy 280, 281.

^ feh. 6 Ny Baiboly mihitsy no milaza fa resy i Jerosalema, 70 taona talohan’ny niverenan’ireo Jiosy avy tany an-tsesitany, tamin’ny 537 T.K. (Jeremia 25:11, 12; Daniela 9:1-3) Mba hahitana tsipiriany momba “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, dia jereo ny pejy 93-95 ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Porofoy fa “miovaova” araka ny tenin’ny apostoly Paoly tokoa “ny sehatr’ity tontolo ity” ankehitriny.

• Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika mba hamantarana ny faran’ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”?

• Nahoana ny fiovan’ny toe-piainana eran-tany no manamarina fa nanomboka tokoa ny “andro farany” tamin’ny 1914?

• Inona no tokony hataontsika, satria fantatsika fa “efa kely sisa ny fotoana tavela”?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Niharihary ihany ilay zava-miafina tamin’ny farany!