Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fifandraisanao Amin’Andriamanitra sy ny Fahasambaranao

Ny Fifandraisanao Amin’Andriamanitra sy ny Fahasambaranao

Ny Fifandraisanao Amin’Andriamanitra sy ny Fahasambaranao

AZO inoana fa maka fotoana hikarakarana ny fahasalamanao ianao. Matory adiny valo eo ho eo angamba ianao isan’andro, maka ora maromaro koa handrahoana sakafo sy hisakafoanana, ary miasa adiny valo na mahery, mba handoavana ny hofan-trano sy hividianana sakafo. Raha sendra marary ianao, dia tsy mitsisy fotoana sy vola hijerena dokotera na hitadiavana raokandro. Manadio trano sy mandro ary manao fanatanjahan-tena tsy tapaka mihitsy aza angamba ianao, mba ho salama tsara.

Tsy ireo ihany anefa no ilaina hokarakaraina, mba hitandrovana ny fahasalamana. Misy zavatra hafa tena ilaina mba hahasambatra anao. Nasehon’ny fikarohana nataon’ny mpitsabo, fa misy vokany eo amin’ny fahasalamanao ny fiezahanao hifandray amin’Andriamanitra.

Misy akony eo aminao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

“Hita tamin’ny ankamaroan’ny fikarohana, fa toa salama kokoa ny olona, rehefa mafana fo kokoa amin’ny fivavahany”, hoy ny Profesora Hedley Peach, avy amin’ny Oniversiten’i Melbourne, any Aostralia. Niresaka momba ny vokatr’izany fikarohana izany koa Ny Gazety Aostralianina Momba ny Fitsaboana (anglisy). Voalaza ao hoe: ‘Raha oharina amin’ny olon-kafa ny olona mpivavaka, dia ambany kokoa ny tosidrany, kely kokoa ny kolesterola ao amin’ny vatany, ary tsy atahorana loatra ho voan’ny kanseran’ny tsinay izy.’

Toy izany koa ny vokatry ny fikarohana nataon’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Etazonia, tamin’ny 2002. Olona 6 545 no nodinihina, ary hita fa “ela velona kokoa ireo nandeha niangona indray mandeha isan-kerinandro, raha oharina tamin’ireo tsy nazoto niangona loatra, na ireo tsy niangona mihitsy.” Nilaza i Doug Oman, manam-pahaizana nitarika an’ilay fikarohana, hoe hita fa ela velona kokoa ny olona niangona, na manao ahoana na manao ahoana fifandraisany amin’ny hafa, na fiaimpiainany, anisan’izany ny hoe mifoka sigara izy na tsia, na ampy fanatanjahan-tena izy na tsia.

Ambaran’ilay gazety aostralianina koa fa misy soa hafa azon’ireo miezaka ny hifandray amin’Andriamanitra. Izao no lazain’izy io: “Hita tamin’ny fandinihana natao teto Aostralia, fa milamina kokoa ny tokantranon’ny olona mpivavaka. Vitsy amin’izy ireo no mpimamo na mpidoroka zava-mahadomelina. Vitsy koa no mamono tena, na mieritreritra hanao izany. Tsy mitebiteby na ketraka loatra izy ireo, raha oharina amin’ny olon-kafa, ary mazoto kokoa manao soa olona.” Hoy koa ny gazety BMJ (anglisy): “Raha oharina amin’ireo tsy mino an’Andriamanitra, dia mahay mionona haingana kokoa ny olona manana finoana matanjaka, raha sendra idonam-pahoriana, ary misinda haingana kokoa ny alahelony.”

Tsy mitovy ny fiheveran’ny olona ny atao hoe tena mpivavaka. Tena misy akony eo amin’ny fahasalaman’ny vatanao sy ny sainao anefa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Izany no nasehon’i Jesosy Kristy, rehefa nilaza toy izao izy, 2 000 taona lasa izay: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Koa satria misy vokany eo amin’ny fahasalamanao sy ny fahasambaranao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, dia tsara ny manontany tena hoe: ‘Aiza no ahitako tari-dalana azo itokisana mba hanatonana azy? Ary inona no tena atao hoe mpivavaka?’

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Sary: Pejy 18: Mao Tse-tung sy Golda Meir: Hulton/Archive by Getty Images; Francis Ferdinand: From the book The War of the Nations; Hirohito, Lindbergh, & Einstein: U.S. National Archives photo; Staline: U.S. Army photo; Roosevelt: Franklin D. Roosevelt Library; Churchill: The Trustees of the Imperial War Museum (MH 26392)