Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arovy ny Fonao mba Hadio Fitondran-tena Hatrany Ianao

Arovy ny Fonao mba Hadio Fitondran-tena Hatrany Ianao

Arovy ny Fonao mba Hadio Fitondran-tena Hatrany Ianao

“Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.”​—OHABOLANA 4:23.

1-3. a) Ahoana no ahitana fa tsy mihevitra ny fitondran-tena madio ho sarobidy ny olona? Manomeza ohatra. b) Nahoana no ilaina ny mieritreritra momba ny hasarobidin’ny fitondran-tena madio?

TOY ny efa tranainy be angamba ny fahitana an’ilay sary hoso-doko, na tsy nifanaraka tamin’ny fomba nandravahana ilay trano. Tsy nisy nilana azy ilay izy, araka ny fiheveran’ilay tompony, ka namidiny mora be. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, dia fantatra fa maherin’ny 1 000 tapitrisa ariary no tena vidin’ilay sary hoso-doko! Hay sangan’asa tsy manan-tsahala ilay izy! Eritrereto ange izay tsapan’ilay tompony taloha, noho izy nanamaivana an’io harena sarobidy io e!

2 Matetika no hamaivanin’ny olona toy izany koa ankehitriny ny fitondran-tena madio, ka heverin’ny maro ho tsy dia misy vidiny firy. Misy mieritreritra fa efa nilaozan’ny toetrandro izany hoe madio fitondran-tena izany, sady tsy mifanaraka amin’ny fiainana maoderina. Noho izany, dia tsy mampaninona azy ny manary ny fitondran-tena madio mba hahazoana tombontsoa kely. Atakalon’ny sasany fahafinaretan’ny nofo vetivety ny fitondran-tena madio. Ny hafa manao izany, mba hanaja azy kokoa ny namany na ilay olon-tiany.​—Ohabolana 13:20.

3 Efa tara loatra vao tsapan’ny maro fa sarobidy ny fitondran-tena madio. Matetika no miteraka fahavoazana lehibe ny fitondran-tena maloto. Toy ny poizina, sady “mangidy tahaka ny hazo mahafaty” ny vokany, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 5:3, 4) Koa satria ratsy fitondran-tena ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ahoana no hampisehoanao fa sarobidy aminao ny fitondran-tena madio, ary inona no tokony hataonao mba hihazonana azy io foana? Misy dingana telo mila arahina, ary ireo no hodinihintsika izao.

Arovy ny fonao

4. Inona ilay fo resahina ao amin’ny Ohabolana 4:23, ary nahoana isika no tokony hiaro azy io?

4 Mila miaro ny fonao ianao, raha te hadio fitondran-tena hatrany. Hoy ny Baiboly: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23) Inona ilay “fonao” resahina eto? Tsy ny fo ara-bakiteny izy io, fa manondro ny maha ianao anao. Tafiditra amin’izany ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao ary ny antony manosika anao hanao zavatra. Hoy ny Baiboly: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Deoteronomia 6:5) Nambaran’i Jesosy fa io no didy lehibe indrindra. (Marka 12:29, 30) Tena sarobidy àry io fontsika io, ka mila arovana.

5. Nahoana no lazaina fa sarobidy ny fo, nefa mety hampidi-doza koa?

5 Milaza koa anefa ny Baiboly fa “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9) Fa nahoana no hoe mamitaka ny fo, ka mety hampidi-doza antsika? Azo oharina amin’ny fiara izy io. Mahasoa tokoa ny fiara, ary mety hahafahana hamonjy aina mihitsy aza, rehefa misy toe-javatra ilana vonjy. Mety hahafaty koa anefa izy io, raha tsy voafehin’ilay mpamily, izany hoe tsy entiny amin’ny lalana tokony hizorana. Raha tsy arovanao àry ny fonao, dia hofehezin’ny fanirianao sy ny fihetseham-ponao rehetra ianao, ka hahita loza. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” (Ohabolana 28:26) Afaka mandeha amim-pahendrena sy misoroka loza ianao, raha manaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra, toy ny olona mijery sarintany, alohan’ny hanaovana dia lavitra.​—Salamo 119:105.

6, 7. a) Inona no atao hoe fahamasinana, ary nahoana izy io no zava-dehibe amin’ny mpanompon’i Jehovah? b) Ahoana no ahalalantsika fa afaka manahaka ny fahamasinan’i Jehovah ny olombelona tsy lavorary?

6 Tsy mandeha ho azy manaraka fitondran-tena madio ny fontsika, fa isika no tsy maintsy ‘mamily’ azy io. Afaka manao izany isika, rehefa mieritreritra momba ny tena hasarobidin’ny fitondran-tena madio. Izy io dia mifandray akaiky amin’ny fahamasinana, izay midika hoe fahadiovana, na fihatahana amin’ny fahotana. Anisan’ny toetra sarobidy maha izy an’i Jehovah Andriamanitra ny fahamasinana. Andinin-teny maro no manamarina izany. I Jehovah mihitsy aza no milaza hoe: “Masina Aho.” (Levitikosy 11:44) Nahoana anefa no tokony hahaliana antsika olombelona tsy lavorary io toetra tsara io?

7 Hoy i Jehovah ao amin’ny Teniny: “Tsy maintsy masina ianareo, satria masina aho.” (1 Petera 1:16) Afaka manahaka ny fahamasinan’i Jehovah tokoa isika, ka hadio eo anatrehany, izany hoe hadio fitondran-tena hatrany. Raha mifehy tena tsy haloto fitondran-tena àry isika, dia midika izany fa miezaka hahazo tombontsoa lehibe isika, dia ny hanahaka ny toetra iray mahatehotia ananan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra! (Efesianina 5:1) Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy ho vitantsika izany, satria Tompo hendry sy mahay mandanjalanja i Jehovah, ka tsy hangataka zavatra tsy ho vitantsika mihitsy. (Salamo 103:13, 14; Jakoba 3:17) Marina fa mila miezaka isika mba hanana fitondran-tena madio hatrany sy tsy hanaraka ny fanaon’ny fivavahan-diso. Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa ‘mendrika an’i Kristy ny fahatsorana sy ny fahadiovana.’ (2 Korintianina 11:3) Koa moa ve i Kristy sy ny Rainy tsy mendrika ny hanaovantsika izay azontsika atao mba ho madio fitondran-tena hatrany isika? Nanehoan’izy ireo fitiavana lehibe tokoa mantsy isika, ary tsy ho voavalintsika na oviana na oviana izany. (Jaona 3:16; 15:13) Ara-dalàna àry raha miezaka hadio fitondran-tena hatrany isika, mba hampisehoana ny fankasitrahantsika. Ho sarobidy amintsika ny fitondran-tena madio, raha heverintsika ho fomba anehoana fankasitrahana azy ireo. Ho voaro ny fontsika amin’izay.

8. a) Ahoana no azontsika amahanana ny fontsika ara-panoharana? b) Inona no asehon’ny resaka ataontsika?

8 Tandremantsika koa izay sakafo hanintsika, mba hiarovana ny fontsika. Mba hamahanana ny fontsika sy ny saintsika àry, dia mila mandray sakafo ara-panahy tsara tsy tapaka isika, ary mila mifantoka amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Kolosianina 3:2) Tokony ho hita taratra izany, na dia amin’ny resaka ataontsika aza. Raha malaza ho mpiresadresaka momba ny firaisana sy zavatra vetaveta isika, dia ho hita miharihary hoe manao ahoana ny toe-pontsika. (Lioka 6:45) Aoka kosa isika halaza ho mpiresaka raharaha ara-panahy sy mampahery. (Efesianina 5:3) Misy loza lehibe hafa tsy maintsy halavirintsika, mba hiarovana ny fontsika. Handinika ny roa amin’izy ireo isika izao.

Mandosira ny fijangajangana

9-11. a) Nahoana no atahorana kokoa haloto fitondran-tena ny olona tsy miraharaha ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintianina 6:18? Manomeza ohatra. b) Inona no halavirintsika, raha mandositra ny fijangajangana isika? d) Inona no ohatra tsara navelan’i Joba, lehilahy nahatoky?

9 Nomen’i Jehovah ny fanahiny ny apostoly Paoly mba hanoratra torohevitra, izay nanampy olona maro hiaro ny fony sy hadio fitondran-tena hatrany. Hoy i Paoly: “Mandosira ny fijangajangana.” (1 Korintianina 6:18) Mariho fa tsy nilaza fotsiny izy hoe: “Aza mijangajanga.” Mihoatra noho izany no tokony hataon’ny Kristianina. Tokony handositra izany fitondran-tena maloto izany izy ireo, toy ny fandosirana loza mety haningotra ny ainy. Tena mety haloto fitondran-tena isika, raha tsy miraharaha io torohevitra io, ary tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra intsony.

10 Indro misy ohatra: Avy nampandro sy nampiakanjo ny zanany lahy kely ny renim-pianakaviana iray, satria misy fanasana hovonjen’izy ireo. Manontany azy ilay zanany raha afaka mandeha milalao any an-tokotany izy, alohan’ny hiaingan’izy ireo. Manaiky ny reniny, fa izao no fepetra apetrany: “Aza manakaiky an’io ranom-potaka io mihitsy. Voasazy ianao raha feno fotaka eo!” Vetivety eo anefa dia efa iny ilay zaza fa mininginingina eo amoron’ilay ranom-potaka. Mbola tsy feno fotaka aloha izy, nefa efa tsy miraharaha ilay fampitandreman-dreniny hoe aza manakaiky an’ilay ranom-potaka, ka kely fotsiny no tsy nahavoaloto azy. (Ohabolana 22:15) Manao fahadisoana toy izany ny tanora sy olon-dehibe maro, na dia efa tokony hahay hitandrina kokoa aza. Nahoana isika no milaza izany?

11 Maro tokoa ankehitriny no voatarika hanaraka “ny filan’ny nofo mahafa-baraka”, ary raharaham-barotra lehibe mihitsy ny fanelezana boky sy gazety mampirisika ny olona hanao ny karazana firaisana raran’Andriamanitra. (Romanina 1:26, 27) Mitobaka ny sary vetaveta hita amin’ny boky sy video ary ao amin’ny Internet. Tsy mandositra ny fijangajangana mihitsy ny olona minia mijery izany, fa vao mainka manatona aza. Tsy miraharaha ny fampitandreman’ny Baiboly izy ireo, ka toy ilay ankizy manamorona an’ilay ranom-potaka. Tsy miaro ny fony izy ireo, fa manapoizina azy io amin’ny sary izay mety tsy ho afaka ao an-tsainy raha tsy afaka taona maro. (Ohabolana 6:27) Aoka kosa isika handray lesona avy amin’i Joba. Nanao fifanekena tamin’ny masony izy, mba tsy hijery zavatra izay haka fanahy azy. (Joba 31:1) Tena tokony hanahaka azy mihitsy isika!

12. Raha misy Kristianina mikasa hivady, ahoana no azony atao mba ‘handosirana ny fijangajangana’, mandritra ny fiarahany?

12 Ny olon-droa mikasa hivady no tena mila “mandositra ny fijangajangana”, mandritra ny fiarahany. Tokony hahafinaritra sy hahavelom-panantenana io fotoana io, nefa tanora maro no manimba izany, satria manara-morony, na dia tsy mandika fitsipika aza. Noho izany, dia tsy tsara fototra ny fanambadiany. Ny fototra tsara indrindra ho an’ny fanambadiana vanona mantsy dia ny fitiavana tsy mitady valiny sy ny fifehezan-tena ary ny fankatoavana an’i Jehovah Andriamanitra. Naloto fitondran-tena ny Kristianina roa tamin’izy ireo vao niaraka. Rehefa nivady izy ireo, dia niaiky ilay anabavy fa nanenjika azy ny eritreriny, ary tsy nahafinaritra azy na dia ilay andron’ny mariaziny aza. Hoy izy: “Efa imbetsaka aho no nifona tamin’i Jehovah, nefa mbola manameloka ahy foana ny eritreritro, na dia efa fito taona aza izay no lasa.” Tena mila mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy ny olona nanao fahotana toy izany. (Jakoba 5:14, 15) Kristianina maro kosa anefa no maneho fahendrena, ka mahavita misoroka izany loza izany mandritra ny fiarahany. (Ohabolana 22:3) Feran’izy ireo ny fifanehoany fitiavana. Mitondra olon-kafa izy rehefa miaraka, ary mitandrina tsara mba tsy ho irery any amin’ny toerana mitokana.

13. Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hikasa hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah?

13 Azo inoana fa hahita olana lehibe ny Kristianina, izay mikasa hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah. Ahoana tokoa moa no hanambadianao olona tsy tia an’i Jehovah Andriamanitra? Tsy tokony hiray zioga afa-tsy amin’ny olona tia an’i Jehovah sy manaja ny fitsipiny momba ny fitondran-tena ny Kristianina. Milaza amintsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?”​—2 Korintianina 6:14.

14, 15. a) Inona no hevi-diso ananan’ny sasany momba ny dikan’ny hoe “fijangajangana”? b) Inona avy no tafiditra amin’ny hoe “fijangajangana”, ary inona no azon’ny Kristianina atao mba ‘handosirana azy io’?

14 Tena ilaina koa ny fahalalana. Tsy afaka mandositra ny fijangajangana mantsy isika, raha tsy mahalala tsara hoe inona marina moa izany. Diso hevitra momba ny atao hoe “fijangajangana” ny olona sasany eto amin’ity tontolo ity. Mihevitra izy ireo fa raha mbola tsy tena firaisana no ataony, dia afaka manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo izy, na dia tsy manambady aza. Misy toeram-pitsaboana manan-kaja aza mampirisika ny tanora hanao karazana firaisana ara-nofo hafa, mba hampihenana ny isan’ny zatovo bevohoka. Mampalahelo fa mamitaka izany torohevitra izany. Ny hoe madio fitondran-tena akory tsy midika hoe manao izay tsy hahabevohoka ivelan’ny fanambadiana fotsiny, ary tsy voafetra ho amin’izany fotsiny koa ny hoe “fijangajangana.”

15 Milaza zavatra maromaro ilay teny grika hoe por·neiʹa, izay adika hoe “fijangajangana.” Midika ho fanaovana firaisana amin’ny olona tsy vadin’ny tena izy io, sady manasongadina ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny filahiana na ny fivaviana. Anisan’ny por·neiʹa ny fanaovana firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana, ary ny fikasikasihana ny filahiana na ny fivavian’olon-kafa. Fanaon’ny mpivaro-tena ny toy izany. Koa mamita-tena sy voafandrik’i Satana àry izay mieritreritra fa tsy “fijangajangana” ireo fanao ireo. (2 Timoty 2:26) Ankoatra izany, dia tsy ampy ny tsy mijangajanga, mba hananana fitondran-tena madio hatrany. Mba ‘handosirana ny fijangajangana’, dia tsy maintsy halavirintsika koa ny karazana fahalotoana sy fitondran-tena mahamenatra rehetra mety hitarika ho amin’ny por·neiʹa, izay fahotana lehibe. (Efesianina 4:19) Hadio fitondran-tena hatrany isika amin’izay.

Halaviro ny loza entin’ny filalaovana fitia

16. Rahoviana no mety ny mifaneho fitiavana, ary inona no ohatra manamarina izany ao amin’ny Soratra Masina?

16 Misy loza hafa tsy maintsy halavirintsika, raha te hadio fitondran-tena hatrany isika. Tsy inona izany fa ny filalaovana fitia. Mety hanizingizina ny sasany hoe mahafinaritra ny milalao fitia, sady tsy misy voka-dratsiny. Ekena aloha fa misy fotoanany ny fanehoam-pitiavana, ary misy toerana sahaza an’izany koa. Hitan’ny olona “nisangy” tamin’i Rebeka, ohatra, i Isaka, ka fantatr’izy ireo avy hatrany hoe tsy mpianadahy izy roa. (Genesisy 26:7-9) Tsy nisy naha ratsy ny fifanehoany fitiavana anefa, satria efa mpivady izy. Zavatra hafa kosa ny hoe milalao fitia.

17. Inona no atao hoe milalao fitia, ary inona no ilaina mba hisorohana izany?

17 Ny hoe milalao fitia dia hoe miseho ho raiki-pitia amin’ny olona iray na mijejojejo aminy, nefa tsy tena mikasa hanambady azy. Be dia be ny endrika isehoan’ny filalaovana fitia, ary mety ho tsy tonga dia hiharihary hoe milalao fitia ny olona iray. (Ohabolana 30:18, 19) Tsy afaka mametraka fitsipika hentitra mahakasika izany àry isika. Zava-dehibe kokoa no ilaina, dia ny mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra sy miezaka mafy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.

18. Inona no mahatonga ny olona hijejojejo amin’ny hafa, ary nahoana izany no ratsy?

18 Azo inoana fa hiaiky ny ankamaroantsika hoe mahafinaritra ny mahatsapa fa misy olona raiki-pitia amintsika, ary ara-dalàna izany fihetseham-po izany. Kanefa jejojejo amin’ny hafa ve isika, mba hahatonga azy ho raiki-pitia amintsika, satria mba te hahatsiaro tena ho misy vidiny kokoa isika, na tiantsika hihevitra ilay anankiray hoe mba manintona ny hafa koa izy? Raha izany no izy, moa ve isika efa nieritreritra ny ratram-po mety haterak’izany? Milaza, ohatra, ny Ohabolana 13:12 hoe: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo.” Raha jejojejo amin’ny hafa ianao, dia angamba tsy tena fantatrao akory hoe inona no vokatr’izany eo amin’ilay olona. Mety hanantena izy hoe hiaraka ianareo, ka hivady mihitsy any aoriana any. Ho diso fanantenana anefa izy, ary mety hamoy fo mihitsy. (Ohabolana 18:14) Ratsy fanahy izay mody miseho ho raiki-pitia, ka tsy miraharaha ny vokatr’izany eo amin’ny fihetseham-pon’ny hafa.

19. Nahoana ny filalaovana fitia no mety hanimba ny tokantranon’ny Kristianina?

19 Tena ilaina ny mitandrina mba tsy hilalao fitia, indrindra amin’ny olona manambady. Tsy mety ny manao teny na fihetsika mampiseho an-kolaka fa tia olona manambady ianao, ary tsy mety amin’ny olona manambady koa ny manao izany amin’olon-kafa tsy vadiny. Mampalahelo fa misy Kristianina diso hevitra, satria mieritreritra hoe tsy mampaninona ny raiki-pitia amin’ny lehilahy na vehivavy tsy vadiny. Lazainy fa “namany” fotsiny io olona io, ary ambarany aminy ny zavatra tena mampanahy azy, eny fa na dia ny eritreriny lalina izay tsy lazainy akory amin’ny vadiny aza. Noho izany, dia lasa miraiki-po be amin’ilay olona izy. Mety hanimba ny tokantrano, na handrava azy mihitsy izany. Tsara hotadidin’ny Kristianina manambady àry ny fampitandreman’i Jesosy momba ny fanitsakitsaham-bady. Nilaza izy fa manomboka ao am-po izany. (Matio 5:28) Aoka àry isika hiaro ny fontsika sy hanalavitra ny toe-javatra mety hitera-pahavoazana toy izany.

20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

20 Ekena fa tsy mora ny miezaka hadio fitondran-tena hatrany eto amin’ity tontolo ratsy fitondran-tena ity. Tadidio anefa fa mora lavitra ny miezaka hadio fitondran-tena hatrany, toy izay hiarina avy amin’ny fitondran-tena maloto. Marina fa ‘mamela heloka dia mamela heloka tokoa’ i Jehovah, ary afaka ny hadio indray eo anatrehany ny olona izay tena mibebaka. (Isaia 55:7) Tsy miaro an’ireo naloto fitondran-tena tsy hizaka ny vokatry ny nataony anefa izy. Mety hiaritra izany mandritra ny taona maro na mandra-pahafatiny mihitsy ilay olona. (2 Samoela 12:9-12) Koa arovy àry ny fonao mba hadio fitondran-tena hatrany ianao. Tadidio fa harena sarobidy ny fitondran-tena madio eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra, ary aza avela ho voaloto mihitsy!

Ahoana no Havalinao?

• Inona no atao hoe madio fitondran-tena, ary nahoana izany no tena zava-dehibe?

• Ahoana no azontsika iarovana ny fontsika?

• Inona avy no tafiditra amin’ny hoe mandositra ny fijangajangana?

• Nahoana isika no tsy tokony hilalao fitia?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

Mety hampidi-doza ny fiara raha tsy voafehin’ilay mpamily azy tsara

[Sary, pejy 12]

Inona no mety hitranga, raha tsy miraharaha fampitandremana isika?

[Sary, pejy 13]

Ho faly sy hanome voninahitra an’Andriamanitra ireo mikasa hivady raha madio fitondran-tena