Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana ho An’ny Ory

Fampiononana ho An’ny Ory

Fampiononana ho An’ny Ory

NIVAVAKA mafy tamin’Andriamanitra ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky fahiny, rehefa niharam-pahoriana, mba hahazoana tari-dalana. Nanao zavatra hanamaivanana ny fahoriany koa anefa izy ireo, toy ny fitadiavana tetika mba hialana tamin’ny fahavalo. Ohatra amin’izany i Davida. Sady niezaka izy no nitoky tamin’Andriamanitra, ka nahavita niaritra ny zava-nanahirana azy. Ary isika?

Azo inoana fa manao zavatra ianao mba handaminana ny zava-manahirana anao, rehefa mandia fahoriana ianao. Ohatra: Raha tsy an’asa ianao, moa ve ianao tsy hitady asa mendrika mba hamelomana ny tenanao sy ny fianakavianao? (1 Timoty 5:8) Na moa ve ianao tsy hitady fitsaboana mety, raha marary? Nahazo hery avy tamin’Andriamanitra i Jesosy, mba hanasitranana ny karazan’aretina rehetra. Na izany aza, dia mahaliana fa niaiky izy hoe: ‘Mila dokotera ny marary.’ (Matio 9:12) Mety hila ny hiaritra anefa ianao indraindray, satria mety tsy ho afaka foana ny fahorianao.

Nahoana raha entina amim-bavaka eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra ilay raharaha? Ohatra: Mahatohitra ny fakam-panahy hanao asa mifanipaka amin’ny toro lalan’ny Baiboly isika, rehefa miantehitra amin’Andriamanitra sady mivavaka aminy, eo am-pitadiavantsika asa. Amin’izay koa isika, dia tsy ho ‘voavily hiala amin’ny finoana’, noho ny faniriana tsy mety afa-po sy ny fitiavam-bola. (1 Timoty 6:10) Azontsika atao ny manaraka ity fananaran’i Davida ity, rehefa manao fanapahan-kevitra lehibe momba ny asa, ny fianakaviana, na ny fitsaboana, isika: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”​—Salamo 55:22.

Tsy hanavesatra antsika koa ny fahoriantsika, raha mivavaka amim-pahatsorana isika, satria manampy antsika mba hahay handanjalanja izany. Hoy ny apostoly Paoly, izay tena Kristianina: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” Ahoana no ampiononan’ny vavaka toy izany antsika? “Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” ny fiadanan’Andriamanitra. Afaka mampitony antsika àry izy io, rehefa kivy isika. ‘Hiambina ny fontsika sy ny saintsika’ izy io, ka hanampy antsika tsy hanao zavatra maimaika na tsy mampiseho fahendrena, izay mety hanampy trotraka ny fahoriantsika.

Manova be dia be ny fizotran’ny toe-javatra ny vavaka. Nigadra tany Roma ny apostoly Paoly. Nanetry tena anefa izy, ary nangataka ny Kristianina hafa mba hivavaka ho azy. Nahoana izy no nangataka toy izany? Hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Iangaviako mafy kokoa ianareo mba hivavaka ho anay. Amin’izay dia mba ho tafaverina haingana kokoa any aminareo aho.” (Hebreo 13:19) Midika izany hoe fantatr’i Paoly fa hisy heriny eo amin’ny fotoana hanafahana azy, ny vavaka amim-paharetana ataon’ny mpino namany.​—Filemona 22.

Hisy heriny amin’izay mety ho fiafaran’ny fahoriantsika ve ny vavaka? Mety ho izany. Tokony ho takatsika anefa, fa mety tsy ho araka izay aniriantsika azy no hamalian’i Jehovah Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Nivavaka imbetsaka momba ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony’ (angamba aretina) i Paoly. Tsy nesorin’Andriamanitra anefa ny fahoriany, fa hoy izy taminy: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.”—2 Korintianina 12:7-9.

Mety tsy ho afaka avy hatrany àry ny fahoriantsika. Ho azontsika atao anefa ny hanaporofo, fa miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra isika. (Jakoba 1:2-4) Matokia fa na tsy hanala ny fahoriantsika aza i Jehovah Andriamanitra, dia ‘hasiany lalan-kivoahana kosa, mba hahazakantsika izany.’ (1 Korintianina 10:13) Mariho fa antsoina hoe “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, ary ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.’ (2 Korintianina 1:3, 4) Afaka manome izay ilaintsika izy mba hiaretantsika, ary manana ny fanantenana fiainana mandrakizay isika.

Mampanantena ny Baiboly, fa “[hofafan’i Jehovah] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:3, 4) Tsara loatra ve ka tsy mampino ny hoe tontolo tsy hisian’ny fahoriana? Toa tsy mampino izany, raha zatra niaina tao anatin’ny fahoriana ianao. Mampanantena anefa Andriamanitra fa hanafaka antsika amin’ny tahotra sy ny loza izy, ary tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany.​—Isaia 55:10, 11.

[Sary, pejy 9]

Kivy taloha, nefa maivamaivana ankehitriny