Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nandefa voromailala avy teo amin’ny sambo fiara i Noa, taorian’ny Safodrano, ary niverina nitondra “ravin’oliva” ilay vorona. Taiza no nakany an’io ravina io?

Lazain’ny Baiboly amintsika fa “nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ny lanitra rehetra.” (Genesisy 7:19) Intelo i Noa no nandefa voromailala, rehefa nihena ny rano, ary nifanelanelana herinandro avy izany. Niverina nitondra “ravin’oliva maitso teo am-bavany” ilay voromailala rehefa nalefa fanindroany, ka “izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ny tany.”​—Genesisy 8:8-11.

Tsy isalasalana fa niova ny endriky ny tany, taorian’iny Safodrano iny. Tsy misy fomba ahafantarantsika àry ankehitriny hoe hafiriana ny tany no safotry ny rano tao. Azo inoana fa nandrakotra maharitra ny ankamaroan’ny tany ny rano, ka nahafaty ny hazo. Toa mbola velona ihany anefa ny hazo sasany, ka nisy solofony nitsimoka rehefa nihena ny rano.

Hoy Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly (anglisy) momba ny hazo oliva: “Misy solofo mitsiry avy amin’ny fakany rehefa kapaina izy, ka mety hisy vatan-kazo hatramin’ny dimy haniry avy amin’izany. Toy izany koa no itsimohan’ny hazo oliva efa ho faty.” Hoy koa ny Rakipahalalana Ara-pivavahana Vaovaon’i Schaff sy Herzog (anglisy): “Toy ny hoe tsy mety maty” ilay hazo. Tsy misy olombelona mahafantatra ny tsipiriany momba ilay Safodrano ankehitriny, anisan’izany ny hafanan’ny rano sy ny sira tao anatiny. Tsy azontsika antoka àry ny mety ho vokatr’ireo rano teo amin’ny hazo oliva sy ny zavamaniry hafa.

Tsy afa-mivelona ao anaty hatsiaka, toy ny any amin’ireo tendrombohitra avo, anefa ny hazo oliva. Toerana latsaka ny 1 000 metatra no anirian’io hazo io, ary hafanana maherin’ny 10 degre eo ho eo no ilainy. Hoy ny boky Nodinihina Indray Ilay Safodrano (anglisy): “Hitan’i Noa avy tamin’ilay ravina vao avy notapahina àry, fa tsy nisy rano intsony teo amin’ireo lohasaha.” Tsy niverina intsony ilay vorona rehefa nalefan’i Noa, herinandro taorian’io. Midika izany fa maro ny zavamaniry hitany, ary maro ny toerana azony nialana sasatra.​—Genesisy 8:12.