Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriambe Tany “Afovoan’ny Tany”

Fivoriambe Tany “Afovoan’ny Tany”

Fivoriambe Tany “Afovoan’ny Tany”

Efa renao ve ny hoe “Te Pito o Te Henua”? Midika hoe “Afovoan’ny Tany” ireo teny ireo, amin’ny teny rapa nui, fiteny ampiasain’ny olona any amin’ny Nosin’ny Paka. Inona no mahatonga ny fivoriambe eto hiavaka?

MITOKANA, mahagaga, miavaka. Izany no anisan’ny teny ampiasain’ny olona mba hilazana ny Nosin’ny Paka, na Rapa Nui, araka ny iantsoan’ny mponin’io nosy io azy. Mitokana tokoa izy io, satria lavitra be any amin’ny Oseana Pasifika Atsimo no misy azy, dia any amin’ny 3 790 kilaometatra avy eo Santiago, Silia. Lasa anisan’ny faritanin’i Silia izy io, nanomboka tamin’ny 9 Septambra 1888.

Volkano telo efa maty io nosy io, ary miendrika telolafy sy mirefy 166 kilaometatra toradroa. Toa an’ireo nosin’i Pasifika hafa, dia tendron-tendrombohitra avo any ambany ranomasina izy io. Nambara ho faritra arovana ilay nosy manontolo. Ireo tsangambatony mahagaga, antsoina hoe moai, no tena mampahalaza azy. *

Maro ny sakafo hafakely any amin’ny Nosin’ny Paka, ankoatra ny toerana manintona sy manan-tantara. Anisan’izany ny voankazo toy ny mananasy, ny zavokà, ny papay, ary ny karazana akondro sivy. Ahitana trondro isan-karazany sy hazan-dranomasina hafa koa any.

Afaka mifoka rivotra madio sy mahita lanitra tsara tarehy ny mpitsidika ny Nosin’ny Paka, satria tsara ny toetrandro, izany hoe, misy orana sy avana mandavantaona. Misy 3 800 eo ho eo izao ny mponina any. Nifangaro tamin’ny Eoropeanina sy Silianina ary olona hafa, ireo Polinezianina nipetraka tany voalohany, ka nanome ny mponina any amin’izao fotoana izao. Mitsidika any ny mpizaha tany an-jato avy any Eoropa sy Azia, ka mahatonga ny fizahan-tany hanana anjara toerana lehibe eo amin’ny toe-karen’ilay nosy.

Voan’ilay Fanjakana voalohany nambolena

Hoy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1982 (frantsay): “Mpitory iray monja no tany amin’ny Nosin’ny Paka, tamin’ny voalohany. Anabavy misionera avy eto amin’ny sampana [Silia] no nampianatra Baiboly azy, tamin’ny alalan’ny fifanoratana. Niverina ho eto Silia izy, nefa voamarikay fa mbola nisy mpanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana ihany tany amin’ilay nosy. Gaga izahay naharay antso an-telefaonina (avy lavitra) avy tamin’ny olona liana iray, tamin’ny Aprily 1980. Tiany ho fantatra ny daty hankalazana ny Fahatsiarovana. Nisy mpivady avy any Valparaiso, nifindra tany amin’ilay nosy, taorian’izay, ary nampianatra Baiboly ny olona liana. Tamin’ny Aprily 1981 no nankalazaina voalohany teo amin’ilay nosy ny Fahatsiarovana, ary 13 ny mpanatrika. Faly erỳ izahay fa notorina tany amin’io faritra mitokana io ny ‘vaovao tsara!’”

Nirahin’ny sampana ho any amin’ilay nosy i Dario sy Winny Fernandez, mpivady mpisava lalana manokana, tamin’ny 30 Janoary 1991. Hoy ny Rahalahy Fernandez: “Tonga teo amin’ilay toerana mitokana indrindra eto an-tany izahay, rehefa avy nandeha fiaramanidina adiny dimy. Feno zava-miafina ilay kolontsaina tao.” Nalamina avy hatrany ny fivoriana sy ny fitoriana, ka nanampy tamin’izany ny rahalahy iray teo an-toerana sy anabavy iray tonga vao haingana niaraka tamin’ny zanany roa. Nitahy ny ezaka nataon’izy ireo i Jehovah, na dia teo aza ny faneren’ny fianakaviana sy ny fanoheran’ireo mpivavaka mafana fo loatra, ary ny fomba fiaina sasany fahita teo amin’ny Polinezianina. Tsy mpisava lalana manokana intsony izao ny Rahalahy sy Anabavy Fernandez, nefa mbola any amin’ilay nosy izy ireo, mitaiza ny zanany lahy, izay teraka tany. Misy mpitory falifaly 32 any izao. Anisan’izy ireny ny tera-tany rapa nui sy ireo tonga mba hanorim-ponenana, na nifindra nankany amin’izay nila mpitory maro kokoa.

Fiomanana ho amin’ny fivoriamben’ny faritra

Noho ny elanelana misy eo amin’ilay nosy sy ny kontinanta, dia nalaina video ny fandaharan’ny fivoriambe manokana sy faritra ary vondrom-paritra, ary nalefa tany amin’ny fiangonan’ilay nosy. Nodinihin’ny Komitin’ny Sampan’i Silia anefa ny hanaovana ny fivoriambe voalohany tao amin’ilay nosy, tamin’ny faran’ny taona 2000. Tapaka àry ny hevitra, fa hatao amin’ny Novambra 2001 ny fivoriamben’ny faritra, ary hisy rahalahy sy anabavy vitsivitsy avy amin’ny faritra samy hafa amin’i Silia hasaina ho any. Hatao ny alahady sy ny alatsinainy ilay fivoriambe, noho ny fandaharan’ny kompaniam-pitaterana ana habakabaka.

Tsy andrin’ireo solontena 33 izay hanaovana ilay dia, mba hanatrehana an’ilay fivoriamben’ny faritra voalohany natao tany amin’io toerana mitokana io. Nahatsiaro ho maivamaivana ireo solontena, na dia teo aza ilay fisidinana naharitra teo ambonin’ny Oseana Pasifika, satria notsenain’ireo rahalahy teny amin’ny seranam-piaramanidina. Nasiana felam-boninkazo tsara tarehy natao vakana ny vozon’ireo vahiny, mba hiarahabana azy ireo tonga soa. Mampiavaka ilay nosy io fanomezana io. Nentina ho any amin’ny trano handraisana azy, izy ireo, taorian’izany. Nihaona tao amin’ny Efitrano Fanjakana, avy eo, ireo rehetra manana anjara amin’ny fandaharana, rehefa avy nijery vetivety ny manodidina.

Fampahalalana nataon’ny olona iray tsy nampoizina

Gaga ireo solontena, raha mbola teny an-dalana hamonjy ilay fivoriambe, nandre ny pretra teo an-toerana niresaka tao amin’ny radio, momba ny fitsidihan’izy ireo. Nolazainy fa misy mpizaha tany tonga mitsidika isan-trano, mba hiresaka momba ny faran’izao tontolo izao. Nampirisihiny mafy ny mpiangona ao aminy, mba tsy hihaino an’ireo mpitsidika. Vao mainka anefa izy tamin’izany, nampahafantatra ny fisian’ny Vavolombelon’i Jehovah maro teo amin’ilay nosy, ka nahatonga ny olona hiandry azy ireo mafy. Nitandrina tsara ireo solontena, rehefa nitory ny vaovao tsara mampahery, tao anatin’ireo andro nanaraka.

Nanomboka ilay fivoriambe

Niandry teo am-bavahadin’ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy teo an-toerana ny alahady maraina, andro voalohany tamin’ny fivoriambe, mba hiarahaba an’ireo solontena. “Iorana Koe! Iorana Koe!”, “Tonga soa e!” Nisy anabavy nanao fitafiana nentim-paharazana sy nampihaingo ny volony tamin’ny voninkazo tsara tarehy, araka ny fomba polinezianina.

Nampiara-peo tamin’ilay hira hoe “Miorena tsara, aza miova!” ny olona zato, rehefa avy nihaino feon-kira mahafinaritra mialoha ny fandaharana. Sambany teo amin’ilay nosy no nandrenesana io hira io, nohirain’ny olona maro be toy izany. Latsa-dranomaso ireo rahalahy teo an-toerana, rehefa nandre ny fiarahabana mafana nataon’ny mpitari-draharaha tamin’ny teny rapa nui, tenin-drazan’izy ireo. Vavolombelona vaovao telo no nanolo-tena ho an’Andriamanitra, ka nampiseho izany tamin’ny batisa, nandritra ny fiatoana tamin’ny antoandro. Nahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy ny fianakavian’ny mpirahalahy ny rehetra, rehefa nifarana ny fandaharana, tamin’iny andro iny.​—1 Petera 5:9.

Fitoriana maraina

Natomboka taorian’ny sakafo antoandro ny fandaharan’ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe, noho ny toe-javatra manokana teo amin’ilay nosy. Nohararaotin’ireo solontena izany, ka nitory izy ireo ny maraina. Inona no hitan’izy ireo tamin’izany?

Nilaza tamin’ny Vavolombelona ny vehivavy zokiolona iray manan-janaka valo, fa tsy afaka ny hiresaka tamin’izy ireo izy, satria Katolika. Nanaiky hihaino anefa izy, rehefa nilazana fa tian’izy ireo ny hiresaka aminy momba ny olana mahazo ny olona rehetra, toy ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny olana ara-pianakaviana.

Tsy nandray tsara ny vehivavy zokiolona iray hafa, rehefa nisy mpivady Vavolombelona tonga teo aminy. Nasainy nandeha nitory tamin’ireo olona tsy mifaditrovana any Amerika Atsimo ilay mpivady. Nolazain’izy mivady taminy, fa resahina amin’ny olona rehetra ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana.” Noresahiny koa fa tonga teo amin’ilay nosy izy ireo mba hanatrika fivoriambe, izay manampy ny rehetra hampitombo ny fitiavany an’Andriamanitra. (Matio 24:14) Nanontanian’izy ireo ilay vehivavy, raha tiany ny ho ela velona, ka hiaina ao amin’ny paradisa, toy ny eo amin’ilay nosy, saingy tsy hisy aretina sy fahafatesana. Nampisaintsaininy koa izy hoe firy taona izay no efa nisian’ireo vava volkano teo amin’ilay nosy. Takatr’ilay vehivavy, fa fohy ny fiainan’ny olona, ka hoy izy: “Nahoana no vetivety monja toy izany no iainantsika?” Gaga izy rehefa namaky ny Salamo 90:10.

Nisy niantsoantso tamin’izay, avy tao amin’ny trano manaraka. Na dia tsy azon’izy mivady aza ilay antsoantso, dia nolazain’ilay vehivavy taminy, fa nompan’ireo mpifanila trano izy ireo. Nahariharin’ireo mpifanila trano koa fa tsy te hotsidihin’ny Vavolombelona izy ireo. Ilay vehivavy niresaka tamin’izy ireo anefa no nua na vavimatoa, tao amin’ilay fianakaviana. Adidiny ny manapa-kevitra ny amin’izay tsara indrindra ho an’ilay fianakaviana, satria efa maty ny rainy. Niteny rapa nui tamin’ireo havany izy, niaro an’ireo Vavolombelona. Noraisiny tsara koa ireo boky natolotra azy. Nasainy najanon’ny anadahiny ny fiarany, rehefa nandalo an’ireo Vavolombelona izy ireo, andro vitsivitsy taorian’io. Nanao veloma ireo Vavolombelona izy, sady nirary ny hahombiazan’izy ireo eo amin’ny fanompoany, na dia hita aza fa tsy faly ilay anadahiny.

Toa nanda ny hafatra notorin’ny Vavolombelona ny mponina sasany tamin’ny voalohany. Niharihary tamin’ireo mpitsidika anefa, fa olona tsara fanahy sy sariaka ny Rapa Nui. Faly nihaino ny vaovao tsara ny ankamaroan’izy ireo. Mponina avy eo an-toerana tokoa ny 6 amin’ireo Vavolombelona 20 vita batisa eo amin’ilay nosy. Izao no nahalalan’ny iray taminy ny fahamarinana: Nihaino tao amin’ny efitra ilany izy rehefa nianatra Baiboly ny vadiny. Vavolombelona vita batisa izao izy mivady, ary mpanampy amin’ny fanompoana izy.

Nitohy ilay fivoriamben’ny faritra

Nanomboka ny fandaharan’ny andro faharoa, taorian’ny sakafo antoandro, ka tafaraka indray ireo rahalahy sy anabavy 32 teo an-toerana sy ireo solontena 33, mbamin’ny olona liana vitsivitsy. Efa ho zato no nihaino ilay fandaharana, anisan’izany ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Ny Fomba Andresen’ny Fitiavana sy ny Finoana An’izao Tontolo Izao.” Hitan’ireo mpanatrika mihitsy ny porofo velon’ny fitiavana manjaka eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, na dia teo aza ny fahasamihafan’ny kolontsaina.​—Jaona 13:35.

Nitarika fivoriana manokana ho an’ny mpisava lalana ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vondrom-paritra, tamin’ilay fivoriambe. Niaraka tamin’ireo mpisava lalana maharitra telo avy eo amin’ilay nosy, ny mpisava lalana maharitra na manokana tamin’ireo solontena. Nahazo fampaherezana ny rehetra.

Mpitondra mpizaha tany no asan’ny sasany amin’ireo rahalahy teo an-toerana, ka nentiny nizaha ilay nosy ireo solontena. Ireto no anisan’ny notsidihin’izy ireo: Fakana vato ahitana ny tsangambato moai, toerana misy volkano, izay nanaovana fifaninanana fahiny, ary ny torapasika mivolombolamena ao Anakena, toerana niantsonan’ireo tonga voalohany teo amin’ilay nosy. *

Nandritra ny Fianarana Boky no niarahan’izy ireo farany tamin’ireo rahalahy teo an-toerana. Nanomana sakafo mampahalaza an’ilay nosy ireo rahalahy, ka narosony azy ireo taorian’ilay fivoriana. Tena tsy nampoizin’ireo vahiny izany! Nanao akanjo fanao eo an-toerana ry zareo taorian’izany, ary nampiseho dihy nentim-paharazana. Nino ireo solontena, sy ireo rahalahy sy anabavy rapa nui, fa tsy very maina ireo ezaka ho fanomanana ilay fivoriambe.

Niraiki-po tamin’ireo rahalahy sy anabavy teo an-toerana, izay niarahany nandritra iny herinandro nampientam-po iny, ireo rehetra tonga tany amin’ilay nosy. Nampalahelo ny fandaozana an’ilay nosy. Ho sarobidy amin’izy ireo foana ireo namany vaovao sy ilay fampaherezana azony. Nampanaovin’ireo rahalahy teo an-toerana vakana vita tamin’ny akorandriaka ireo solontena, teny amin’ny seranam-piaramanidina.

Hoy ny fampanantenan’ireo solontena, teo am-pandehanana: “Iorana! Iau he hoki mai e Rapa Nui ee”, izay midika hoe: “Veloma e! Mbola hiverina eto aminao aho, Rapa Nui.” Te hiverina tokoa izy ireo, mba hitsidika ireo namany vaovao sy ny havany ara-panahy ao amin’ny Nosin’ny Paka!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Mifohaza! 8 Jolay 2000, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 27 Betsaka vato misy soratra eo amin’ny vavan’ny volkano Rano Raraku. Teo no niaingan’ireo nifaninana ho mpitondra ilay nosy. Izao avy no natao tamin’izany: Nidina teo amin’ilay hantsam-bato, nilomano ho eny amin’ny nosy kely iray, naka atodim-borona, nilomano mba hiverina ho etỳ amin’ilay nosy lehibe, ary nianika ilay hantsam-bato indray sady nitandrina mba tsy ho vaky ilay atody.

[Efajoro, pejy 24]

Fitoriana eo Amin’ny Nosin’ny Paka

Nitsidika ilay nosy ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny, roa taona talohan’ilay fivoriambe tsy hay hadinoina, ary nahita zavatra maro nahafinaritra. Alao sary an-tsaina, ohatra, ny hafalian’izy mivady, rehefa nilaza ilay anabavy nitondra azy ho any amin’ny trano handraisana azy ireo, fa izy mivady no nampianatra Baiboly azy, 16 taona lasa izay. Mbola zatovo io anabavy io tamin’izany fotoana izany, ary tany atsimon’i Silia izy no nipetraka. Namokatra ilay voa, rehefa tonga tao Rapa Nui.

Izy mivady koa no niaina ity zavatra nampihomehy ity: Nanaiky handray Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, izay samy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny olona iray mpivarotra zavatra fanao fahatsiarovana. Nilazan’ilay olona izy mivady rehefa niverina, fa tsy afaka namaky ilay Baiboly izy. Baiboly tamin’ny teny frantsay no napetrak’izy ireo taminy, fa tsy tamin’ny teny espaniola! Voalamina haingana ilay izy, ka tsy ela dia hitany fa hay tsy sarotra loatra ny mahatakatra ny Baiboly, rehefa ampian’ireo Vavolombelona eo an-toerana izy, sady nahazo Baiboly tamin’ny fiteniny.

[Sarintany, pejy 22]

(Jereo ny gazety)

NOSIN’NY PAKA

SILIA

[Sary, pejy 23]

Roa tamin’ireo natao batisa nandritra ilay fivoriambe

[Sary, pejy 25]

Tehezan’ny volkano Rano Raraku; sary kely: guayaba: voankazo misy ao amin’ilay nosy