Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa sa Manimba ny Fivavahana?

Mahasoa sa Manimba ny Fivavahana?

Mahasoa sa Manimba ny Fivavahana?

“MANKASITRAKA ny Kristianisma aho noho ny soa nataony tamiko. Heveriko fa tokony hankasitraka azy io koa izao tontolo izao, noho ny herin’izy io teo aminy nandritra ireo 2 000 taona lasa.”​—Sasin-teny ao amin’ny boky iray.

An-tapitrisa ny olona mitovy hevitra amin’i Melvyn Bragg, ilay Anglisy nanoratra an’ireo teny ireo sady mpiteny ao amin’ny tele. Tena mankasitraka ny fivavahana sy mafana fo amin’izany izy ireo, ary miaiky fa tena mahasoa azy izy io. Milaza, ohatra, ny mpanoratra iray fa ny fivavahana silamo dia ‘nahatonga ny fiforonan’ny sivilizasiona lehibe, izay nitondra soa ho an’izao tontolo izao.’

Tsara sa ratsy ny anjara asan’ny fivavahana?

Rehefa dinihina anefa ny tohin’ny tenin’i Bragg, dia tena mampisalasala raha mahasoa tokoa ny fivavahana amin’ny ankapobeny. Hoy izy: “Tokony hanome fanazavana ahy koa anefa ny Kristianisma.” Fanazavana momba ny inona? Fanazavana momba “ireo lafiny nampiavaka ny ‘tantarany’, dia ny tsy fandeferana, haratsiam-panahy, habibiana, ary finiavana tsy hanaiky ny zava-misy”, hoy izy.

Maro no manaiky fa nampiavaka ny tantaran’ny ankamaroan’ny fivavahana tokoa ny tsy fandeferana, haratsiam-panahy, habibiana, ary finiavana tsy hanaiky ny zava-misy. Ary mihevitra izy ireo fa miseho ho mpanasoa ny olombelona fotsiny ny fivavahana, izany hoe miseho ho tsara sy masina, nefa feno fihatsarambelatsihy sy lainga, raha ny marina. (Matio 23:27, 28) Hoy ny rakipahalalana iray: “Ny hevitra miverimberina indrindra ao amin’ireo haisoratra avoakantsika, dia ny hoe mitondra soa lehibe ho an’ny olombelona ny fivavahana. Porofoin’ny zava-nitranga teo amin’ny tantara anefa, fa mifanohitra tanteraka amin’izany no izy.”

Maro ny gazety ankehitriny no miresaka ny amin’ny mpitondra fivavahana, izay mitory fitiavana sy fiadanana ary fangoraham-po, nefa mandrisika ny olona hifankahala. Miantso ny anaran’Andriamanitra mihitsy aza izy ireo mba hanamarinana ny ady tsy mifaditrovana ataony. Tsy mahagaga àry raha maro no mihevitra fa manimba ny fiainan’ny olona ny fivavahana amin’ny ankapobeny!

Hihatsara ve ny fiainana raha tsy misy ny fivavahana?

Misy aza manatsoaka hevitra, toa an’ilay filozofa anglisy atao hoe Bertrand Russell, fa tsara raha “tsy hisy intsony ny karazana fivavahana rehetra” any aoriana any. Ny fanafoanana ny fivavahana no hitan’izy ireo fa hany vahaolana maharitra ho an’ny zava-manahirana rehetra mianjady amin’ny olombelona. Odian’izy ireo tsy fantatra angamba fa na ireo olona mandà ny fivavahana aza, dia mety ho feno fankahalana sy tsy fandeferana toy ny mpivavaka mafana fo ihany. Mampahatsiahy antsika toy izao i Karen Armstrong, mpanoratra boky momba ny fivavahana: ‘Hita tamin’ny Famonoana Tambabe tamin’ny andron’ny Nazia, fa mety hiteraka vonoan’olona koa ny fandavana ny fivavahana, tsy misy hafa amin’ireo ady nataon’ny fivavahana ihany.’

Mahasoa tokoa àry ve ny fivavahana, sa izy io no tena fototry ny zava-manahirana ny olombelona? Ny fanafoanana ny fivavahana rehetra ve no vahaolana amin’ireo zava-manahirana ireo? Diniho izay lazain’ny Baiboly momba izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Mety hahagaga anao ny valiny.