Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miadia ny Ady Tsaran’ny Finoana”

“Miadia ny Ady Tsaran’ny Finoana”

“Miadia ny Ady Tsaran’ny Finoana”

IZA amin’ny miaramila any an’ady no tsy ho faly rehefa homena baiko hoe: “Modia any an-tranonao ianao, ary miaraha amin’ny vady aman-janakao”?

Nomena baiko mitovy amin’izany i Oria Hetita, miaramila tamin’ny andron’i Davida, mpanjakan’ny Israely. Ny mpanjaka mihitsy no nampiantso azy, ary nanasa azy hody tany an-tranony. Tsy nety nandeha anefa izy. Rehefa nanontaniana momba io fihetsika tsy mahazatra io izy, dia namaly fa tsy handeha hody izy, satria teo amin’ny sahan’ady ny tafika israelita sy ny fiaran’ny fanekena, izay manondro ny fanatrehan’Andriamanitra. Nanontany izy avy eo hoe: “Izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko?” Tsy neken’ny sain’i Oria mihitsy ny hanao zavatra toy izany, tao anatin’io fotoan-tsarotra io.​—2 Samoela 11:8-11.

Mampipoitra fanontaniana lehibe ny fihetsik’i Oria, satria ao anatin’ny fotoan’ny ady koa isika. Misy ady ifanaovana amin’izao fotoana izao, fa tsy ady mitovy amin’izay nifanaovan’ireo firenena. Toa tsinontsinona ireo ady lehibe roa, raha oharina amin’izy io. Manao io ady io koa ianao. Mety hamoy ny ainao ianao ao, satria mahery be ilay fahavalo. Tsy misy fitifirana na fandatsahana baomba amin’io ady io, nefa kosa misy paikady tsy maintsy arahina.

Alohan’ny hirotsahana amin’ilay ady, dia tokony ho fantatrao raha ara-drariny izy io. Toy izany koa, hoe inona no tanjona amin’izy io. Mendrika ny hamoizana aina ve ilay ady? Nohazavain’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty ny zava-kendren’io ady hafakely io. Hoy izy: “Miadia ny ady tsaran’ny finoana.” Tsy tanàna mimanda no arovana fa ny “finoana”, dia ny fahamarinana kristianina manontolo, izay aseho ao amin’ny Baiboly. Mazava ho azy, fa tsy maintsy miaiky ianao hoe marina io “finoana” io, vao ho afaka hiady sy handresy amin’izany.​—1 Timoty 6:12.

Miezaka hamantatra ny fahavalony ny miaramila mailo. I Satana no fahavalo amin’io ady io. Za-draharaha amin’ny fampiasana tetikady izy, satria taona maro no efa nanaovany izany. Manana fitaovam-piadiana lehibe koa izy, sady mahery noho ny olombelona. Masiaka sy mahery setra izy, sady maty eritreritra. (1 Petera 5:8) Tsinontsinona ny fitaovam-piadiana sy ny fahaizan’ny olombelona, raha oharina amin’io fahavalo io. (2 Korintianina 10:4) Inona no fitaovana azonao ampiasaina amin’ilay ady?

“Ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra” no fitaovam-piadiana lehibe indrindra. (Efesianina 6:17) Asehon’ny apostoly Paoly toy izao ny herin’izy io: “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Hebreo 4:11, 12) Toy ny fiadiana maranitra be ny Baiboly, ka afaka mamantatra ny eritreritra sy ny antony manosika ny olona iray. Tsy maintsy ampiasaina amim-pahakingana sy amim-pitandremana àry izy io.

Fantatrao angamba fa tsy hisy ilana azy ny fitaovam-piadiana maoderina ananan’ny tafika, raha tsy hain’ny miaramila ny mampiasa tsara azy ireny. Mila toromarika koa ianao, mba ho hainao ny hampiasa tsara ny sabatrao. Soa ihany fa afaka mahazo fampiofanana avy amin’ireo mpiady za-draharaha indrindra ianao. Antsoin’i Jesosy hoe “mpanompo mahatoky sy malina” izy ireo. Nankinina tamin’io mpanompo io, ny andraikitra hanome ara-potoana ny sakafo ara-panahy na fampianarana ho an’ny mpanara-dia an’i Jesosy. (Matio 24:45) Ho fantatrao hoe iza io mpanompo io, rehefa dinihinao ny fahazotoany mampianatra sy ireo fampitandremana ara-potoana omeny momba ny paikady ampiasain’ny fahavalo. Asehon’ny porofo, fa io mpanompo io dia ireo voahosotry ny fanahy, anisan’ny fiangonana kristianin’ny Vavolombelon’i Jehovah.​—Apokalypsy 14:1.

Tsy ny hanome toromarika ihany no asan’io mpanompo io. Ananany koa ny toe-tsain’ny apostoly Paoly, izay nanoratra toy izao ho an’ny fiangonana tany Tesalonika: “Nalemy fanahy teo aminareo kosa izahay, tahaka ny reny mampinono izay manolokolo amim-pitiavana ny zanany naterany. Koa satria tena maminay ianareo, dia sitrakay tokoa ny hanome anareo, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.” (1 Tesalonianina 2:7, 8) Anjaran’ny miaramila kristianina tsirairay, ny mampiasa ny fampiofanana nomena azy tamim-pitiavana.

Fiadiana fiarovana rehetra

Nomena mba hiarovana anao ny fiadiana fiarovana rehetra. Tanisaina ao amin’ny Efesianina 6:13-18 izy ireo. Tsy ho sahin’ny miaramila malina ny hisetra loza, raha misy tsy ao, na koa mila fanamboarana, ny sasany amin’ireo fiadiany ara-panahy.

Ilain’ny Kristianina ny fiadiany rehetra. Ny finoana, izay ampinga lehibe anefa, no tena ilainy. Izany no antony nanoratan’i Paoly hoe: “Ary ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.”​—Efesianina 6:16.

Ny finoana no ampinga lehibe, ka maharo ny vatana manontolo. Tsy maintsy mino mafy ny fitarihan’i Jehovah ianao, ka tena hanaiky fa ho tanteraka ny fampanantenany rehetra. Ataovy toy ny hoe efa tanteraka izy ireny. Aza isalasalana mihitsy ireto: Ho ringana tsy ho ela ny tontolon’i Satana iray manontolo, hovana ho paradisa ny tany, ary ho lavorary indray ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra.​—Isaia 33:24; 35:1, 2; Apokalypsy 19:17-21.

Mila namana anefa ianao amin’izao “ady tsaran’ny finoana” ataonao izao. Mifandray akaiky kokoa ny mpiray tafika any an’ady, rehefa mifampahery sy mifampiaro ary mifamonjy amin’ny fahafatesana mihitsy aza indraindray. Marina tokoa fa sarobidy ny namana. Mba hahatafavoaka velona anao amin’io ady io anefa, dia i Jehovah mihitsy no ilainao hatao namana. Izany indrindra no nolazain’i Paoly rehefa namarana ny fitanisany momba ireo fiadiana fiarovana rehetra izy. Hoy izy: “Ary mivavaha mandrakariva na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy, sady manaova vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra.”​—Efesianina 6:18.

Tiantsika ny miaraka amin’ny namana akaiky, ary manao ezaka isika mba hiara-mandany fotoana aminy. Lasa tena misy amintsika i Jehovah, sady ho namana mendri-pitokisana ho antsika izy, rehefa mivavaka tsy tapaka aminy isika. Mampirisika antsika toy izao i Jakoba mpianatra: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”​—Jakoba 4:8.

Paikady ampiasain’ny fahavalo

Toy ny hoe mamakivaky toerana misy vanja milevina ianao, rehefa miady amin’ity tontolo ity. Mety ho avy amin’ny toerana rehetra ny fanafihana, ary miezaka ny hamely tampoka anao ilay fahavalo. Matokia anefa, fa nanome anao ny fiarovana rehetra ilainao i Jehovah.​—1 Korintianina 10:13.

Ny fahamarinana ara-baiboly izay iankinan’ny finoanao no mety hokendren’ilay fahavalo. Mety hampiasa teny malefaka sy fandokafana ary fanazavana voaolana ny mpivadi-pinoana, mba handresen-dahatra anao. Tsy ny hahasoa anao anefa no tadiaviny. Hoy ny Ohabolana 11:9: “Ny vavan’ny mpihatsaravela-tsihy no animbany ny namany; fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.”

Diso hevitra ianao raha mieritreritra fa mila mihaino ny mpivadi-pinoana na mamaky ny zavatra nosoratany ianao, vao ho afaka ny hanaporofo hoe diso ny hevitra arosony. Hanimba ny ara-panahinao sy ny finoanao, ny fisainany miolakolaka sy mampidi-doza toy ny poizina, izay miely haingana toy ny fery mandoaka. (2 Timoty 2:16, 17) Tahafo kosa ny fomba fijerin’i Jehovah ny mpivadi-pinoana. Hoy i Joba momba an’i Jehovah: “Ny mpihatsaravelatsihy [na mpivadi-pinoana] tsy sahy mankeo anatrehany.”​—Joba 13:16.

Mety hanandrana paikady mahomby samihafa ilay fahavalo. Hikorontana ny tafika handeha ho any an’ady raha mitsoaka an-daharana ny miaramilany mba hanao firaisana maloto.

Fandrika mahomby ampiasain’ilay fahavalo ny fialam-bolin’ity tontolo ity sy ny fandaharana ao amin’ny televiziona ary ny mozika alefa mafy be. Misy milaza fa tsy mampaninona azy ny mijery fandaharana maloto na mamaky boky misy fahalotoam-pitondran-tena. Tena niaiky toy izao anefa ny lehilahy iray, izay nijery tsy tapaka sarimihetsika mampiseho mivantana firaisana maloto: “Tsy hohadinoinao mihitsy ireny sary mampiseho firaisana maloto ireny, sady arakaraka ny hieritreretanao momba azy ireny, no hanirianao hanao toy izay hitanao tao koa. . . . Mahatonga anao hieritreritra ilay sarimihetsika fa maty antoka ianao satria tsy manao toa an’ireo olona ao.” Fahendrena ve ny hanekena ho voan’io fandrika an-kolaka io?

Fitaovam-piadiana hafa ampiasain’ilay fahavalo ny fandriky ny fitiavan-karena. Saro-pantarina ilay loza, satria manan-javatra ilaina eo amin’ny fiainana daholo isika. Mila trano sy sakafo ary fitafiana isika. Tsy ratsy koa ny manan-javatra tsara. Ny fomba fijerin’ny olona ny harena no mety hitera-doza. Mety ho lasa zava-dehibe kokoa noho ny zavatra ara-panahy ny vola. Mety hanjary ho tia vola isika. Tokony hotsaroantsika foana, fa tsy tokony hitady harena tafahoatra isika. Mihelina fotsiny izy ireny, fa ny harena ara-panahy no maharitra mandrakizay.​—Matio 6:19, 20.

Mety ho resy ny tafika iray raha kivy. “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Fitaovana mahomby ampiasain’i Satana ny fahakiviana. Handresy ny fahakiviana ianao, raha mitafy ny “fanantenana famonjena ho toy ny fiarovan-doha.” (1 Tesalonianina 5:8) Miezaha foana hanana finoana matanjaka, toy ny an’i Abrahama. Tsy nisalasala izy, rehefa nasaina nanolotra an’i Isaka zanany lahitokana mba hatao sorona. Nino izy fa hanatanteraka ny fampanantenany hitahy ny firenena rehetra, amin’ny alalan’ny taranany, Andriamanitra. Nino koa izy fa ho natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty i Isaka, raha nilaina mba hanatanterahana an’io fampanantenana io izany.​—Hebreo 11:17-19.

Aza milavo lefona amin’ilay ady

Mety ho reraka ny olona sasany, izay nazoto tamin’ilay ady ara-panahy nandritra ny taona maro, ka tsy ho mailo toy ny taloha intsony. Tokony hanana fomba fijery tsara foana izay manao ilay ady tsaran’ny finoana. Afaka manampy azy ireo amin’izany ny ohatr’i Oria, voalaza teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Maro amin’ireo miaramila kristianina namantsika no voatery miaritra ny fahantrana. Maro amin’izy ireo koa no miatrika loza, na mijaly noho ny hanoanana sy ny hatsiaka. Toa an’i Oria, dia tsy irintsika ny hieritreritra momba ireo zavatra tsara mety ho azontsika ankehitriny, na koa ny haniry fiainana mampiadana. Irintsika kosa ny hijanona ao amin’ny tafik’ireo mpiady mahatokin’i Jehovah. Hanohy hiady hatrany koa isika mandra-pahazoantsika ireo fitahiana mahatalanjona miandry antsika.​—Hebreo 10:32-34.

Hidiran-doza isika raha mampihena ny fiambenantsika, ka angamba hanjary hihevitra fa mbola ho ela be ilay fanafihana farany. Manamafy ny fisian’io loza io ny ohatr’i Davida Mpanjaka. Tsy tany an’ady niaraka tamin’ny tafiny izy. Nanao fahotana lehibe àry izy, ka nahatonga azy halahelo sy hijaly nandritra ny androm-piainany izany.​—2 Samoela 12:10-14.

Ho very maina ve ny ezaka natao raha mandray anjara amin’io ady io, ka miatrika zava-tsarotra, miaritra fanesoana, ary tsy mandray anjara amin’ireo fialam-boly tsy mendrika ny Kristianina? Miaiky ireo mahavita miatrika an’io ady io, fa toa manintona toy ny taratasy manjelatra ny zavatra atolotr’ity tontolo ity, nefa tsy misy vidiny ireny rehefa jerena akaiky. (Filipianina 3:8) Matetika koa ireny fahafinaretana ireny no miafara amin’ny alahelo sy fahadisoam-panantenana.

Mifankahazo am-po tsara amin’ireo tena namany ny Kristianina manao io ady ara-panahy io, sady manana fieritreretana madio sy fanantenana mahatalanjona. Manantena fiainana mandrakizay any an-danitra miaraka amin’i Kristy Jesosy ny Kristianina voahosotra. (1 Korintianina 15:54) Manantena fiainana lavorary eto an-tany zary paradisa kosa ny ankamaroan’ny mpiady kristianina. Tena mendrika ny hanaovana ezaka tokoa izany loka izany. Azo antoka ny fandresentsika amin’io ady io raha mahatoky foana isika, fa tsy tahaka ny amin’ireo ady eo amin’izao tontolo izao. (Hebreo 11:1) Fandringanana tanteraka no miandry an’ity tontolo fehezin’i Satana ity.​—2 Petera 3:10.

Tadidio àry izao tenin’i Jesosy izao, eo am-panaovanao an’io ady io: “Mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:33) Mailo hatrany sy tsy nivadika izy tao anatin’ny fisedrana, ka nandresy tamin’ilay ady. Afaka manao toy izany koa isika.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Tsy misy fitifirana na fandatsahana baomba, nefa kosa misy paikady tsy maintsy arahina

[Teny notsongaina, pejy 30]

Azo antoka ny fandresentsika amin’io ady io raha mahatoky foana isika

[Sary, pejy 26]

Manampy antsika handresy ny fahakiviana ny fiarovan-dohan’ny famonjena

Ampiasao ilay ampinga lehibe, mba hiarovan-tena amin’ny “zana-tsipìka mirehitra” alefan’i Satana

[Sary, pejy 28]

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy”

[Sary, pejy 29]

Tokony hino isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra