Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Amin’ny Famitahana

Mitandrema Amin’ny Famitahana

Mitandrema Amin’ny Famitahana

“Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny . . . famitahana poakaty.”​—KOLOSIANINA 2:8.

1-3. a) Manomeza ohatra mampiseho fa saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana andavanandro no ahitana famitahana. b) Nahoana no tsy tokony hahagaga antsika ny fisian’ny famitahana eto amin’ity tontolo ity?

“IZA aminareo no mbola tsy nandaingan’olona nifampiraharaha taminareo?” Io no fanontaniana napetraky ny mpampianatra lalàna iray tamin’izy nanao fanadihadiana, taona vitsivitsy lasa izay. Inona no valin-teny azony? Hoy izy: “Tamin’ireo mpisolovava an’arivo nadinadinina, dia iray monja no nilaza hoe mbola tsy nisy nandainga taminy ny olona nifampiraharaha taminy.” Fa nahoana? “Vao nanomboka niasa ho an’ny orinasa lehibe iray izy, ary mbola tsy nisy olona nifampiraharaha taminy.” Asehon’izany fa fahita eto amin’ity tontolo ity ny lainga sy ny famitahana, ary mampalahelo tokoa izany.

2 Maro ny endrika isehoan’ny famitahana, ary saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana no ahitana azy. Betsaka ny ohatra manamarina izany ao amin’ny fampitam-baovao. Ao ny mpanao politika mandainga, ny mpanao vola sandoka, ny orinasa manao hosoka hampihenana ny hetrany, ary ny mpanao dokam-barotra mamitaka ny mpividy. Vao ohatra vitsivitsy monja anefa ireo. Tsy hadino koa ny famitahana ara-pivavahana. Mamitaka ny sarambabem-bahoaka ny mpitondra fivavahana, rehefa mampianatra zavatra diso, toy ny fanahy tsy mety maty, ny afobe, ary ny Andriamanitra telo izay iray.​—2 Timoty 4:3, 4.

3 Tokony hahagaga antsika ve izany famitahana rehetra izany? Tsia, satria efa nilaza ny Baiboly fa mandritra “ny andro farany”, ‘dia vao mainka hiharatsy kokoa hatrany ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.’ (2 Timoty 3:1, 13) Mila mitandrina isika Kristianina mba tsy ho voafitak’ireo hevitra mety hitarika antsika hiala amin’ny fahamarinana. Mipetraka àry ireto fanontaniana roa ireto: Nahoana no be dia be ny famitahana ankehitriny, ary inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaka?

Nahoana no be dia be ny famitahana ankehitriny?

4. Araka ny Baiboly, nahoana no anjakan’ny famitahana eto amin’ity tontolo ity?

4 Lazain’ny Baiboly mazava tsara ny antony anjakan’ny famitahana eto amin’ity tontolo ity. ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo’, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 5:19) I Satana Devoly io “ratsy” io. Hoy i Jesosy momba azy: ‘Tsy nifikitra tamin’ny marina izy, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.’ Koa mahagaga ve raha manahaka ny toe-tsaina sy ny toetran’ilay mpitondra azy ity tontolo ity, sady mamitaka toa azy?​—Jaona 8:44; 14:30; Efesianina 2:1-3.

5. Asehoy fa vao mainka miezaka mafy hamitaka ny olona i Satana amin’izao andro farany izao, ary lazao hoe iza no tena ataony lasibatra.

5 Vao mainka miezaka mafy hamitaka ny olona i Satana amin’izao andro farany izao. Nazera tetỳ an-tany izy, ary fantany fa fotoana fohy sisa no ananany, ka “tezitra mafy” izy. Tapa-kevitra ny handripaka olona betsaka araka izay azony atao izy, ka “mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” (Apokalypsy 12:9, 12) Tsy hoe tsindraindray ihany i Satana vao mamitaka ny olombelona, fa tsy an-kiato. * Ampiasainy daholo izay tetika rehetra fantany, anisan’izany ny hafetsena sy ny fitaka, mba hanajambana ny sain’ny tsy mino sy hanakanana azy ireo tsy hanatona an’Andriamanitra. (2 Korintianina 4:4) Ny olona mivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” no tena tian’io mpamitaka raindahiny io harapaka. (Jaona 4:24; 1 Petera 5:8) Aza hadinoina na oviana na oviana fa toy ny nihambo i Satana hoe: ‘Mahavita mitarika na iza na iza hiala amin’Andriamanitra aho.’ (Joba 1:9-12) Hodinihintsika izao ny sasany amin’ny ‘teti-dratsiny’ sy ny fomba iarovan-tena amin’izany.​—Efesianina 6:11.

Mitandrema amin’ny famitahan’ny mpivadi-pinoana

6, 7. a) Inona no fihamboan’ny mpivadi-pinoana? b) Inona no lazain’ny Soratra Masina fa tanjon’ny mpivadi-pinoana?

6 Efa hatry ny ela i Satana no nampiasa ny mpivadi-pinoana, mba hamitahana ny mpanompon’Andriamanitra. (Matio 13:36-39) Mety hihambo ho manompo an’i Jehovah sy mino ny Baiboly izy ireo, nefa tsy manaiky ny fandaminany eto an-tany. Misy aza miverina indray amin’ireo fampianarana manala baraka an’Andriamanitra, sy avy amin’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso eran-tany. (Apokalypsy 17:5; 2 Petera 2:19-22) Nasain’Andriamanitra nampiasa teny mahery ireo mpanoratra ny Baiboly, mba hanalana sarona ny fanaon’ireny mpivadi-pinoana ireny sy ny antony hanaovany izany.

7 Inona no tanjon’izy ireo? Mandà ny finoana ny ankamaroan’izy ireo, dia ilay finoana izay nety ho efa noheveriny ho marina taloha. Tsy vitan’izany anefa fa mitaona olona hanaraka azy koa izy ireo. Tsy miezaka mitady olon-kafa hataony mpianany izy, fa mitady ‘hitaona ny mpianatra [izany hoe ny mpianatr’i Kristy] hanaraka azy.’ (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Nilaza izao fampitandremana maika izao momba ny mpampianatra sandoka ny apostoly Paoly: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny.” (Kolosianina 2:8) Moa ve izany tsy mahalaza tsara ny zavatra iezahan’ny mpivadi-pinoana hatao? Toy ny mpaka an-keriny izy ireo. Ny olona tsy manampo na inona na inona no alain’ny mpaka an-keriny sy sarahiny amin’ny fianakaviany. Toy izany no ataon’ny mpivadi-pinoana, satria izay matoky azy eo anivon’ny fiangonana no hararaotiny sy tadiaviny hoentina lavitra ny andian’ondry.

8. Ahoana no fomba fiasan’ny mpivadi-pinoana, mba hanatratrarany ny tanjony?

8 Ahoana no fomba fiasan’ny mpivadi-pinoana mba hanatratrarany ny tanjony? Matetika no amboamboariny ny filazany ny zava-misy, na misy marina kely ny zavatra lazainy, na mandainga mihitsy izy. Fantatr’i Jesosy fa hisy olona ‘hamorona lainga’ isan-karazany mba hamelezana ny mpanara-dia azy. (Matio 5:11) Milaza zavatra tsy marina ireo fahavalo ratsy fanahy ireo, mba hamitahana ny olona. Nampitandrina ny apostoly Petera fa hisy mpivadi-pinoana hampiasa “teny mamitaka”, hampiely “fampianarana mamitaka” ary ‘hanolana ny Soratra Masina’, mba hanatratrarany ny tanjony. (2 Petera 2:3, 13; 3:16) Mampalahelo fa mahavita ‘mandrava ny finoan’ny sasany’ izy ireo.​—2 Timoty 2:18.

9, 10. a) Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaky ny mpivadi-pinoana? b) Nahoana isika no tsy gaga raha mila ahitsy ny fahatakarantsika ny fikasan’Andriamanitra?

9 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaka? Mila manaraka ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra isika. Izao no voalaza ao: ‘Araho maso ireo mahatonga fisaratsarahana sy mampisy toe-javatra manafintohina, fa mifanohitra amin’ny fampianarana efa noraisinareo izany. Halaviro ireny.’ (Romanina 16:17) ‘Manalavitra azy ireny’ isika, rehefa mandà ny fomba fiheviny, na ampitainy am-bava izany, na amin’ny boky, na ao amin’ny Internet. Nahoana isika no manao izany? Voalohany, dia satria ny Tenin’Andriamanitra no mandidy antsika hanao izany, ary matoky isika fa miahy izay hahasoa antsika foana i Jehovah.​—Isaia 48:17, 18.

10 Faharoa, dia tiantsika ilay fandaminana izay mampianatra antsika ireo fahamarinana sarobidy mampiavaka tsara antsika amin’i Babylona Lehibe. Ekentsika koa anefa fa tsy tonga lafatra ny fahalalantsika ny fikasan’Andriamanitra, ary efa nasiam-panitsiana ny fahatakarantsika ny hevitry ny Baiboly tao anatin’ireo taona maro lasa. Miandry an’i Jehovah hanao izany fanitsiana rehetra izany ny Kristianina mahatoky. (Ohabolana 4:18) Eo am-piandrasana izany, dia tsy miala amin’ilay fandaminana ampiasain’Andriamanitra isika, satria hitantsika miharihary fa mitahy azy io izy.​—Asan’ny Apostoly 6:7; 1 Korintianina 3:6.

Mitandrema amin’ny famitahan-tena

11. Nahoana ny olombelona tsy lavorary no mora mamita-tena?

11 Mirona hamita-tena ny olombelona, ary mailaka erỳ i Satana manararaotra izany. “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”, hoy ny Jeremia 17:9. Hoy koa i Jakoba: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany.’ (Jakoba 1:14) Raha voafandrika ny fontsika, dia mety hieritreritra isika fa toa mahafinaritra sy tsy misy voka-dratsiny ny fahotana, hany ka tsy haharitra ny mena miraviravy isika. Mamitaka anefa izany fomba fihevitra izany, satria hidiran-doza izay resin’ny fakam-panahy, ka manota.​—Romanina 8:6.

12. Rahoviana isika no mety ho voafandriky ny famitahan-tena?

12 Mora voafandrika isika rehefa mamita-tena. Mamitaka ny fo, ka mety hitady hanala tsiny ny toetra ratsy, na hanamaivana ny fahotana lehibe. (1 Samoela 15:13-15, 20, 21) Mety hahatonga antsika hitady fomba hanamarinana ny zavatra tsy mety ataontsika koa ny fontsika. Misy, ohatra, ny fialam-boly mahasoa sy mahafinaritra. Vetaveta sy mampiseho fitondran-tena maloto kosa anefa ny ankamaroan’ny fialam-boly atolotr’ity tontolo ity amin’ny sarimihetsika sy ny televiziona ary ny Internet. Mora erỳ ny mieritreritra hoe tsy mampaninona ny fialam-boly tsy mendrika. Misy aza mihevitra hoe: “Tsy manenjika ahy ny eritreritro mijery an’ilay izy, ka inona no olana?” ‘Mamita-tena amin’ny fiheveran-diso’ anefa izy ireo.​—Jakoba 1:22.

13, 14. a) Manomeza ohatra ara-baiboly mampiseho fa tsy voatery ho azo itokisana foana ny feon’ny fieritreretana. b) Inona no hanampy antsika tsy hamita-tena?

13 Inona àry no hanampy antsika tsy hamita-tena? Voalohany, dia mila mitadidy isika fa tsy voatery ho azo ianteherana foana ny feon’ny fieritreretana. Nanenjika ny mpanara-dia an’i Kristy, ohatra, ny apostoly Paoly, fony mbola tsy Kristianina. (Asan’ny Apostoly 9:1, 2) Mety ho tsy nanenjika azy ny eritreriny tamin’izany fotoana izany, nefa tsy araka ny tokony ho izy izany eritreriny izany. Hoy mantsy i Paoly: “Noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany.” (1 Timoty 1:13) Koa raha miala voly àry isika, nefa tsy manenjika antsika ny eritreritsika eo am-panaovana ilay izy, dia tsy voatery hidika izany hoe mety ny ataontsika. Ny feon’ny fieritreretana nampiofanina tsara tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra ihany no tari-dalana azo itokisana.

14 Ankoatra izany, dia misy hevitra tsara hotadidintsika, mba tsy hahatonga antsika hamita-tena. Mandiniha tena, ary mivavaha eo am-panaovana izany. (Salamo 26:2; 2 Korintianina 13:5) Mety ho tsapanao fa mila manova ny fisainanao na ny fanaonao ianao, raha mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra. Henoy ny olon-kafa. (Jakoba 1:19) Izay tiantsika ho hita ihany matetika no hitantsika, rehefa mandini-tena isika. Noho izany, dia fahendrena ny mihaino ny tenin’ny Kristianina matotra, izay mahita tsara kokoa ny zava-drehetra momba antsika. Raha mihevitra ny Kristianina matotra sasany fa tsy mety ny fanapahan-kevitra raisinao na ny zavatra ataonao, dia tsara ny manontany tena hoe: ‘Sao dia tsy tsara ofana àry ny feon’ny fieritreretako, na mamitaka ahy ny foko?’ Vakio tsy tapaka ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly. (Salamo 1:2) Raha manao izany ianao, dia hahay hampifanaraka ny eritreritrao sy ny zavatra ataonao ary ny fihetseham-ponao amin’ny toro lalan’Andriamanitra.

Mitandrema amin’ny laingan’i Satana

15, 16. a) Inona no lainga aelin’i Satana hamitahana antsika? b) Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitak’ireny lainga ireny?

15 Mampiely lainga isan-karazany i Satana hamitahana antsika. Miezaka handresy lahatra antsika izy hoe ny vola aman-karena no mahasambatra sy mahafa-po, nefa ny mifanohitra amin’izany matetika no marina. (Mpitoriteny 5:9-11) Tiany isika hino hoe haharitra mandrakizay ity tontolo ratsy ity, na dia efa miharihary aza fa miaina amin’ny “andro farany” isika. (2 Timoty 3:1-5) Ataony koa izay hinoan’ny olona fa tsy mampidi-doza ny fitondran-tena maloto, nefa matetika ny olona fatra-pitady fahafinaretana no mijinja vokatra mangidy. (Galatianina 6:7) Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitak’ireny lainga ireny?

16 Mandraisa lesona avy amin’ny ohatra ao amin’ny Baiboly. Mirakitra ohatra fampitandremana izy io, izany hoe ny tantaran’ny olona voafitaky ny laingan’i Satana. Tao ny matimatin-karena. Ny hafa tsy niraharaha ny fahantomoran’ny fandringanana. Nisy koa naloto fitondran-tena. Samy nizaka ny voka-dratsin’ny nataony izy rehetra. (Matio 19:16-22; 24:36-42; Lioka 16:14; 1 Korintianina 10:8-11) Mandraisa lesona avy amin’ny ohatra amin’ny androntsika. Mampalahelo fa indraindray misy Kristianina manadino hoe efa akaiky ny farany, ary manjary mieritreritra fa matiantoka satria manompo an’Andriamanitra. Mety hiala amin’ny fahamarinana izy, mba hikatsahana izay heveriny fa fahafinaretana. “Eo amin’izay mahasolafaka” anefa izy ireo, satria tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fitondran-tena ratsiny, na ho ela na ho haingana. (Salamo 73:18, 19) Hendry isika raha maka lesona avy amin’ny fahadisoan’ny hafa.​—Ohabolana 22:3.

17. Nahoana i Satana no mampiely lainga hoe tsy tia antsika i Jehovah sady tsy misy dikany eo imasony isika?

17 Misy lainga hafa tena mandaitra koa aelin’i Satana. Mandainga izy hoe tsy tia antsika i Jehovah sady tsy misy dikany eo imasony isika. Efa an’arivo taona i Satana no nandinika ny olombelona tsy lavorary, ka fantany tsara fa mety hampihena ny finoantsika ny fahakiviana. (Ohabolana 24:10) Mampiely lainga àry izy hoe tsy misy vidiny eo imason’Andriamanitra isika. Raha ketraka isika, ka mahatsiaro ho ‘nazera’, ary mihevitra fa tsy miahy antsika i Jehovah, dia mety halaim-panahy hanao hoe: “Tsy mahavita intsony aho!” (2 Korintianina 4:9) Izany mihitsy no tadiavin’ilay Mpamitaka raindahiny! Inona àry no tokony hataontsika, mba tsy ho voafitak’io laingany io?

18. Ahoana no anomezan’ny Baiboly toky antsika fa tia antsika i Jehovah?

18 Saintsaino izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fitiavany antsika. Manome toky antsika ireo sarin-teny mampihetsi-po ao amin’izy io, fa miahy sy tia antsika isam-batan’olona i Jehovah. Ataony ao anatin’ny ‘tavoahanginy’ ny ranomasonao, izany hoe hitany sy tadidiny ny ranomaso alatsakao, rehefa miady mafy ianao mba tsy hivadika. (Salamo 56:8) Fantany rehefa manana “fo mangorakoraka” ianao, ary eo akaikinao izy amin’ireny fotoana ireny. (Salamo 34:18) Fantany ny tsipiriany rehetra momba anao, anisan’izany ny isan’ny ‘volon-dohanao.’ (Matio 10:29-31) ‘Nanome ny Zanany lahitokana’ mihitsy aza izy hamonjena anao. (Jaona 3:16; Galatianina 2:20) Mety ho sarotra aminao indraindray ny hino hoe mihatra aminao ireo andinin-teny ireo. Tsy maintsy mino izay lazain’i Jehovah anefa isika. Tiany ny hinoantsika fa isika isam-batan’olona mihitsy no tiany, fa tsy ny vahoakany amin’ny fitambarany fotsiny.

19, 20. a) Nahoana ianao no tsy tokony hino ilay laingan’i Satana hoe tsy tia anao i Jehovah? b) Ahoana no nanampian’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray ny olona kivy?

19 Fantaro ny lainga ary aza inoana. Tsy ho voafitaka ianao raha fantatrao fa mandainga ny olona iray. Tena hanampy be anao àry ny fahalalana fa i Satana no mitady hampino lainga anao hoe tsy tia anao i Jehovah. Nilaza toy izao ny Kristianina iray, rehefa avy namaky lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, izay nampitandrina ny amin’ny fomba fiasan’i Satana: “Tsy takatro mihitsy hatramin’izay hoe miezaka mampiasa ny fihetseham-poko i Satana hanakiviana ahy. Mampirisika ahy handresy ireny fihetseham-po ireny ny fahafantarana izany.”

20 Diniho ny zavatra hitan’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, any Amerika Atsimo. Rehefa mitsidika ny mpiray finoana aminy kivy izy, dia matetika no manontany azy ireo hoe: ‘Mino ny Andriamanitra telo izay iray ve ianao?’ Mazàna ilay olona no mamaly hoe: ‘Mazava ho azy fa tsy mino aho’, satria fantany fa laingan’i Satana izany. Manontany io anti-panahy io avy eo hoe: ‘Ary mino ny afobe ve ianao?’ Mamaly indray ilay olona hoe: ‘Mazava ho azy fa tsy mino aho!’ Milaza àry ilay rahalahy fa mbola misy lainga iray hafa aelin’i Satana, nefa mazàna izy io no tsy fantatry ny olona. Asehony azy ny fehintsoratra faha-21, ao amin’ny pejy faha-249 amin’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. * Miharihary tsara ao fa lainga tokoa ny hoe tsy tia antsika isam-batan’olona i Jehovah. Milaza io mpiandraikitra mpitety faritany io fa nandray soa tokoa ireo olona kivy, izay nampiany hamantatra an’io laingan’i Satana io, sy tsy hino izany.

Miarova tena amin’ny famitahana

21, 22. Nahoana no tsy miafina amintsika ny fomba famitahan’i Satana, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

21 Azo inoana fa mbola hampiely lainga maro be sy hamitaka foana i Satana, amin’izao tapany farany amin’ny andro farany izao. Soa ihany fa tsy nafenin’i Jehovah antsika ny fomba famitahany. Mampiseho mazava tsara ny teti-dratsin’ny Devoly ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Efa nampitandremana isika, ka tsy ho voafitaka.​—2 Korintianina 2:11.

22 Aoka àry isika hitandrina hatrany mba tsy ho voafitaky ny hevitra aelin’ny mpivadi-pinoana. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hiala ilay fandrika an-kolaka, dia ny famitahan-tena. Aoka isika hamantatra ny lainga rehetra avy amin’i Satana, sady tsy hino izany. Raha manao izany isika, dia ho tsara fihavanana foana amin’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana”, izay mankahala ny famitahana.​—Salamo 31:5; Ohabolana 3:32.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Misy boky milaza fa ny endrik’ilay matoanteny hoe “mamitaka” ao amin’ny Apokalypsy 12:9, dia “manondro fanaovan-javatra mitohy, izay lasa toetra raiki-tampisaka.”

^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no be dia be ny famitahana eto amin’ity tontolo ity?

• Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaky ny mpivadi-pinoana?

• Inona no hanampy antsika tsy hamita-tena?

• Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaky ny laingan’i Satana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Aza mamita-tena rehefa miala voly

[Sary, pejy 18]

Raha tsy te hamita-tena isika, dia mila mandini-tena sy mivavaka eo am-panaovana izany, mihaino ny hafa, ary mamaky ny Baiboly tsy tapaka