Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fivavahana ve no Fototry ny Zava-manahirana ny Olombelona?

Ny Fivavahana ve no Fototry ny Zava-manahirana ny Olombelona?

Ny Fivavahana ve no Fototry ny Zava-manahirana ny Olombelona?

‘NA MAMPIRISIKA hiady ny fivavahana, na izy io toy ny zava-mahadomelina manadonto ny feon’ny fieritreretana, ka mahatonga ny olona hanonofinofy mba hanadinoana ny zava-misy. Izy io koa dia mahatonga ny olona ho tery saina, hinohino foana, ary ho feno fankahalana sy tahotra.’ Misionera metodista taloha no nanoratra izany, ary hoy koa izy: “Marina izany. Misy fivavahana tsara sy ratsy.”​—Manàna ny Fivavahanao Manokana (anglisy).

Hisy hilaza angamba hoe: ‘Tsy rariny kosa izany fanakianana izany e!’ Toa manamarina izany anefa ny tantara. Manafintohina tokoa ny zava-bitan’ny fivavahana, amin’ny ankapobeny. Ny fivavahana dia faritana ho ny ‘fanajana sy fanompoana an’Andriamanitra na izay heverina ho andriamanitra.’ Tokony hampianatra sy hampahery antsika àry izy io. Ny zavatra hita anefa matetika dia hoe miteraka ady sy tsy fandeferana ary fankahalana izy io. Fa nahoana?

“Anjelin’ny mazava” mamitaka

Tena tsotra ny valiny omen’ny Baiboly. Miseho ho toy “ny anjelin’ny mazava” i Satana Devoly, hany ka voafitany ny olona an-tapitrisa, ary lasa manaraka ny fampianarany fa tsy ny an’Andriamanitra. (2 Korintianina 11:14) Nasehon’ny apostoly Jaona fa manan-kery lehibe tokoa i Satana, rehefa nilaza izy fa ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Fantatr’i Jaona fa “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” izy.​—Apokalypsy 12:9.

Inona no vokatr’izany? Namorona fivavahana mody miseho ho masina i Satana. Manana “ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana” izy ireny, nefa hita amin’ny voa ratsy vokariny ny tena maha izy azy. (2 Timoty 3:5, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara; Matio 7:15-20) Tsy mandamina ny zava-manahirana ny olombelona izy ireny, fa miteraka olana indray.

Aza tonga dia manatsoaka hevitra hoe sarotra inoana sy tsy mitombina izany. Tadidio fa tsy fantatry ny olona voafitaka hoe voafitaka izy. Nanome ohatra ny amin’izany ny apostoly Paoly, rehefa nilaza hoe: “Izay zavatra atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an’ny demonia, fa tsy ho an’Andriamanitra.” (1 Korintianina 10:20) Azo inoana fa ho nahatezitra mafy an’ireo olona ireo ny nahare hoe nivavaka tamin’ny demonia izy. Nihevitra mantsy izy ireo fa andriamanitra tsara no nivavahany. Raha ny marina anefa, izy ireo dia voafitaky ny “fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra”, izay miray tetika amin’i Satana mba hamitahana ny olombelona.​—Efesianina 6:12.

Maro be, ohatra, ny olona nitonona ho Kristianina, no tsy niraharaha ny fampitandreman’ny apostoly Jaona momba ny fitaoman’ireo demonia. Andeha àry hodinihintsika ny fomba namitahan’i Satana azy ireo.​—1 Korintianina 10:12.

Avy amin’Andriamanitra ny fampianaran’i Jesosy

Hoy i Jesosy Kristy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Avy amin’Andriamanitra, ilay Hery Fara Tampony, ny fampianarany. Noho izany, dia nisy heriny lehibe teo amin’ny mpihaino azy izany, sady nahatonga azy ireo ho tsara kokoa. Tsy ‘nanadonto ny feon’ny fieritreretan’izy ireo’ izany, ‘ka hoe nahatonga azy hanonofinofy mba hanadinoana ny zava-misy.’ Ny fampianaran’i Jesosy kosa dia nanafaka ny olona tamin’ny fivavahan-diso sy ny filozofian’olombelona, izay avy amin’ity tontolo “maizin-tsaina” ity, noho izy voafitaky ny Devoly.​—Efesianina 4:18; Matio 15:14; Jaona 8:31, 32.

Tsy izay nilaza azy ho mpivavaka akory dia tena Kristianina. Ny finoany kosa no namantarana azy ireo, ka hita taratra teo amin’ny toetra tsara novokarin’ny fanahy masin’Andriamanitra teo aminy izany. (Galatianina 5:22, 23; Jakoba 1:22; 2:26) Ny fitiavana no toetra miavaka indrindra amin’izany, sy marika amantarana ny Kristianisma marina.​—Jaona 13:34, 35.

Mariho anefa ity hevi-dehibe ity: Na i Jesosy, na ny apostoliny, dia samy tsy nisy nanantena fa hitovy toy ny tamin’izy vao naorina foana ny fiangonana kristianina. Fantatr’izy ireo fa hisy ny fivadiham-pinoana, ary ho takona mandritra ny fotoana kelikely ny fivavahana marina.

Takona nandritra ny fotoana kelikely ny fivavahana marina

Nilaza i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary, fa ho takona mandritra ny fotoana kelikely ny fivavahana marina. Vakio ange ny Matio 13:24-30, 36-43 e! Namafy vary na “voa tsara” tany an-tanimbary i Jesosy. Ny vary dia ireo mpianany nahatoky nahaforona ny fiangonana kristianina voalohany. Nampitandrina izy fa rehefa mandeha ny fotoana, dia hisy “fahavalo”, i Satana Devoly, hamafy “tsimparifary” eo amin’ny vary. Ireo olona mihambo ho mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, nefa mandà ny fampianarany, no nantsoiny hoe “tsimparifary.”

Taoriana kelin’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy, dia nipoitra ny “tsimparifary”, izany hoe ireo olona tia kokoa ny fampianarana naolan’ny olombelona, toy izay “ny tenin’i Jehovah.” (Jeremia 8:8, 9; Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Izany no niandohan’ny Kristianisma sandoka teto amin’ity tontolo ity. Ilay antsoin’ny Baiboly hoe “tsy tan-dalàna” no mifehy azy io, izany hoe ireo mpitondra fivavahana ratsy fitondran-tena vonton’ny “famitahana tsy marina rehetra.” (2 Tesalonianina 2:6-10) Nilaza i Jesosy fa hiova izany amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hangonina ireo Kristianina oharina amin’ny vary, fa ny “tsimparifary” kosa haringana.

Io Kristianisma sandoka io no tompon’andraikitra amin’ireo “habibiana natao nandritra ny taonjato maro” sy ny haizina ara-panahy nanarona ny Kristianisma Anarana tatỳ aoriana. Tsinjon’ny apostoly Petera mialoha izany, mbamin’ireo asa ratsy sy herisetra rehetra hatao amin’ny anaran’ny fivavahana. Nilaza àry izy fa ‘noho [ireny mitonona ho Kristianina ireny] no hanevatevana ny lalan’ny fahamarinana’, ary izany tokoa no nitranga.​—2 Petera 2:1, 2.

‘Fivavahana mampirisika ny olona hahery setra sy hifankahala’

Tsy ny Kristianisma Anarana ihany akory no nampahalaza ratsy ny fivavahana. Eritrereto, ohatra, ireo fivavahana mahery fihetsika noho ny hafanam-po tafahoatra. Misy an’izany ao “amin’ny fivavahana lehibe rehetra”, hoy i Karen Armstrong, masera taloha. Nilaza izy fa mba hamantarana raha marina ny fivavahana iray, dia tokony “ho hita taratra amin’ny ataony ny fangoraham-pony.” Inona no azo lazaina momba ireo fivavahana mahery fihetsika? Hoy izy: ‘Tsy mety ho marina ny fivavahana iray, na jiosy io, na kristianina na silamo, raha mampirisika ny olona hahery setra sy hifankahala.’ Ireo fivavahana mahery fihetsika ihany anefa ve no tsy maneho fangoraham-po, fa ‘mampirisika ny olona hahery setra sy hifankahala’? Nanao toy izany koa ny fivavahana hafa, raha ny tantara no jerena.

Raha ny marina, dia nanorina fivavahan-diso maneran-tany i Satana. Mampiavaka azy io ny herisetra sy ny fankahalana ary ny fandatsahan-dra tsy misy farany. Antsoin’ny Baiboly hoe ‘Babylona Lehibe, renin’ny zava-maharikoriko amin’ny tany’ izy io, ary asehony ho toy ny mpivaro-tena mitaingina bibidia, izany hoe ny fitondram-panjakana. Tsara homarihina fa hampamoahina noho ‘ny ran’izay rehetra naripaka tetỳ ambonin’ny tany’ i Babylona Lehibe.​—Apokalypsy 17:4-6; 18:24.

Tsy ny rehetra no voafitaka

Porofoin’ny tantara anefa fa tsy ny rehetra no voafitaka. Na dia nandritra ireo fotoana nanjombona indrindra aza, dia “maro ny olona tsara fanahy no nanao soa, na dia ratsy fanahy aza ny ankamaroan’ny mpiara-belona taminy”, hoy i Melvyn Bragg. Mbola ‘nivavaka [tamin’Andriamanitra] araka ny fanahy sy ny fahamarinana’ foana ny tena Kristianina. (Jaona 4:21-24) Nihatahan’izy ireo tanteraka ilay fivavahana naneran-tany, izay toy ny nivaro-tena satria “nanohana ny tafika.” Tsy nanaiky niara-niasa tamin’ny Fitondrana, toy ny nataon’ny Eglizy koa izy ireo. Ary nasehon’ny tantara fa avy amin’i Satana fa tsy avy amin’i Jesosy avy any Nazareta, ny fiheverana fa afaka miara-miasa ny Eglizy sy ny Fitondrana.

Malaza ho mitondra soa ho an’ny hafa, ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’izao andro izao. Mba tsy ho voaloton’ny fivavahan-diso, dia ny Tenin’Andriamanitra ihany no ataony fototra iorenan’ny zavatra inoany sy ataony. (2 Timoty 3:16, 17) Mankatò ny baikon’i Jesosy mba tsy ho “anisan’izao tontolo izao” koa izy ireo, toy ny Kristianina voalohany. (Jaona 15:17-19; 17:14-16) Tsy nampandefitra ny toro lalana kristianina izy ireo, ohatra, tany Alemaina, hany ka tsy nankasitrahan’ny Nazia. Nankahalain’i Hitler izy ireo noho izany. Hoy ny boky fianarana iray: ‘Nankatò izay nampianarin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy nanaiky handray fiadiana mihitsy. Tsy nanaiky hanao miaramila na nifandray tamin’ny Nazia àry izy ireo. Namaly faty ny miaramila SS, ka nisy fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah iray manontolo nogadrain’izy ireo. Novonoina tany amin’ny toby fitanana ny ampahatelon’ny Vavolombelon’i Jehovah [tany Alemaina].’​—Alemaina​1918-1945 (anglisy).

Mazava ho azy fa nijaly noho ny zavatra ninoany koa ny olon-kafa be herim-po avy amin’ny fivavahana samihafa. Ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fitambarany anefa no nijaly toy izany. Nanaraka hatrany ity toro lalan’ny Soratra Masina ity ny ankamaroan’izy ireo: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”​—Asan’ny Apostoly 5:29; Marka 12:17.

Ny fototry ny zava-manahirana

Tsy marina tanteraka àry ny hoe ny fivavahana no fototry ny zava-manahirana ny olombelona. Ny fivavahan-diso no tena fototr’izany. Mikasa hamongotra ny fivavahan-diso rehetra anefa Andriamanitra, tsy ho ela. (Apokalypsy 17:16, 17; 18:21) Mandidy izay olona tia ny rariny sy ny fahitsiana izy hoe: “Mivoaha ao aminy [izany hoe Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso maneran-tany] ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy. Fa efa niavosa hatrany amin’ny lanitra ny fahotany, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny tsy rariny nataony.” (Apokalypsy 18:4, 5) Tena mampahatezitra mafy an’Andriamanitra ny fivavahana ‘mampirisika ny olona hiady sy manadonto ny feon’ny fieritreretany, ka mahatonga azy hanonofinofy mba hanadinoana ny zava-misy, na mahatonga ny olona ho tery saina, hinohino foana, ary ho feno fankahalana sy tahotra’!

Mandra-pahatongan’izany, dia angonin’Andriamanitra ho ao amin’ny fivavahana marina, ny olona tia ny fahamarinana. Izany dia ny fivavahana manaraka ny toro lalana sy fampianaran’ilay Mpamorona be fitiavana, sy tia ny rariny ary mangoraka. (Mika 4:1, 2; Zefania 3:8, 9; Matio 13:30) Afaka ny ho anisan’izy io ianao. Raha tianao ho fantatra bebe kokoa ny fomba amantarana ny fivavahana marina, dia aza misalasala manoratra amin’ireo mpampanonta an’ity gazety ity, na mangataha fanampiana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 7]

Mahita fifaliana eo anivon’ny fivavahana marina ny olona avy amin’ny fiaviana rehetra