Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Koa satria tsy nanana anjara lova teo amin’ny Israely fahiny ny Levita, ahoana no nahafahan’i Hanamela nivarotra saha tamin’i Jeremia zana-drahalahin-drainy, araka ny Jeremia 32:7?

Hoy i Jehovah tamin’i Arona mahakasika ny Levita: “Tsy mba hanana lova eo amin’ny tany hianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy [Zanak’Israely].” (Nomery 18:20) Nomena tanàna 48 nanerana ilay Tany Nampanantenaina anefa ny Levita. Nomena azy ireo koa ny kijana nanodidina ireny tanàna ireny. Iray amin’ireny tanàna nomena “ny taranak’i Arona mpisorona” ireny i Anatota, tanàna nipetrahan’i Jeremia.​—Josoa 21:13-19; Nomery 35:1-8; 1 Tantara 6:54, 60.

Mazava tsara ny toromarik’i Jehovah ao amin’ny Levitikosy 25:32-34, momba ny fahazoana mividy ny fananan’ny Levita. Toa nanan-jo hihazona, hampiasa, na hivarotra ny anjara lovany ny fianakaviana Levita. Mazava ho azy fa tafiditra amin’izany ny fivarotana sy fividianana tany. * Tamin’ny lafiny maro àry, dia nanana fananana sy nampiasa izany koa ireo Levita, toy ny foko hafa rehetra teo amin’ny Israely ihany.

Mety ho lovan’ny Levita ireny fananana ireny. Ny samy Levita ihany anefa no afaka nifanao raharaham-barotra, toy ny fividianana fananana. Toa ny zara-taniny tao anatin’ny manda ihany koa no azony namidy sy novidina. “Lovany mandrakizay” mantsy “ny tany manodidina ny tanànany”, ka tsy azony namidy.​—Levitikosy 25:32, 34.

Koa ilay tany novidin’i Jeremia tamin’i Hanamela àry, dia karazan’ilay azo namidy. Angamba tao anatin’ny mandan’ny tanàna izy io. I Jehovah mihitsy no nilaza fa afaka mividy an’io ‘sahan’i Hanamela’ io i Jeremia. (Jeremia 32:6, 7) Nampiasa an’io raharaham-barotra io i Jehovah mba hanamafisana fa hiverina ho eo amin’ilay tany lovany indray ny Israelita, aorian’ny sesitany any Babylona.​—Jeremia 32:13-15.

Tsy misy mihitsy filazana fa azon’i Hanamela tamin’ny fomba tsy ara-dalàna io saha tao Anatota io. Tsy nandika ny lalàn’i Jehovah mihitsy koa izy rehefa nivarotra izany tamin’i Jeremia, ary tsy nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny zony i Jeremia, rehefa nividy an’io saha io.​—Jeremia 32:8-15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nivarotra ny taniny i Barnabasy Levita tamin’ny taonjato voalohany, mba hanampiana ireo Kristianina nahantra tany Jerosalema. Mety ho tany Palestina na tany Sipra io tany io, na koa saha fandevenana azon’i Barnabasy tao amin’ny faritr’i Jerosalema.​—Asan’ny Apostoly 4:34-37.