Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilaina ve ny Finoana Raha te ho Sitrana?

Ilaina ve ny Finoana Raha te ho Sitrana?

Ilaina ve ny Finoana Raha te ho Sitrana?

TE HO maivamaivana sy ho sitrana isika, rehefa marary. Angamba efa hitanao tao amin’ny Baiboly fa imbetsaka i Jesosy Kristy no nanasitrana aretina isan-karazany, ka nanamaivamaivana ny marary maro. Ahoana no nahavitany izany fanasitranana izany? Noho ny ‘herin’Andriamanitra’, hoy ny Baiboly. (Lioka 9:42, 43; Asan’ny Apostoly 19:11, 12) Ny fanahy masin’Andriamanitra àry no nahasitrana ilay olona, fa tsy ny finoany fotsiny. (Asan’ny Apostoly 28:7-9) Izany no antony tsy nitakian’i Jesosy ny hanehoan’ny olona finoana azy, raha te ho sitrana izy ireo.

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Tsy misy fanasitranana mahagaga intsony ve ankehitriny, sa mbola hisy indray ny fanasitranana toy ny nataon’i Jesosy? Inona no fanantenan’ireo mijaly noho ny aretina mampanaintaina sy tsy misy fanafany?’

Milaza ny Baiboly fa hisy indray ny fanasitranana mahagaga toy ny nataon’i Jesosy, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hanjakan’ny fahamarinana. Ny herin’Andriamanitra no hahatanteraka izany. Tsy hahavita hanafoana tanteraka ny aretina rehetra sy ny fahafatesana ny mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana. Andriamanitra ihany no hahatanteraka izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah ao an-tanànanao, hampiseho aminao hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana Andriamanitra no hanao izany. Eny, ‘hofoanan’Andriamanitra tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.’​—Isaia 25:8.