Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandroso Tsara ny Tena Kristianisma

Mandroso Tsara ny Tena Kristianisma

Mandroso Tsara ny Tena Kristianisma

NANAN-KERY be teo amin’izao tontolo izao ny fanompoan’i Jesosy Kristy tamin’ny taonjato voalohany. Nampitolagaga ny olona ny hafatra notoriny, satria namelombelona, sy nitondra fanazavana sy fampaherezana ho azy ireo. Nanohina lalina ny fon’ny ankamaroan’ny olona nihaino azy ny teniny.​—Matio 7:28, 29.

Tsy neken’i Jesosy ny hitsabaka tamin’ny raharahan’ireo mpitondra fivavahana sy mpitondra fanjakana, izay samy nampahory ny vahoaka. Navelany hanatona azy kosa anefa ny olon-tsotra. (Matio 11:25-30) Tsy nafeniny fa manan-kery hatraiza hatraiza eto an-tany ny fanahy ratsy, ary nasehony fa nomen’Andriamanitra hery hifehezana azy ireny izy. (Matio 4:2-11, 24; Jaona 14:30) Nohazavain’i Jesosy tsara koa fa ny fahotana no anton’ny fijaliana. Nasehony tamim-pitiavana koa fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanafaka antsika amin’izany. (Marka 2:1-12; Lioka 11:2, 17-23) Efa hatramin’ny ela no toa nisy haizina nandrakotra an’Andriamanitra ka tsy fantatry ny olona ny tena toetrany. Nesorin’i Jesosy anefa izany haizina izany ka nampahafantariny an’izay rehetra te hihavana amin’Andriamanitra ny anaran’Andriamanitra.​—Jaona 17:6, 26.

Tsy mahagaga àry raha nahavita nanaparitaka haingana ilay hafatra mafonja nasain’i Jesosy notoriny ny mpianany, na dia nanenjika mafy azy ireo aza ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana. Tao anatin’ny 30 taona monja teo ho eo, dia nanjary nisy fiangonana kristianina be zotom-po tany Afrika sy Azia ary Eoropa. (Kolosianina 1:23) Nanohina ny fon’ny olona nanetry tena sy tso-po eran’ny Fanjakana Romanina ny fahamarinana tsotra nampianarin’i Jesosy.​—Efesianina 1:17, 18.

Samy hafa ny fari-piainan’ireo mpianatra vaovao ireo, ary toy izany koa ny kolontsainy, ny fiteniny, ary ny fivavahana narahiny taloha. Koa ahoana àry no hahatonga azy ireo ho tena tafaray ao amin’ny ‘finoana iray’ araka ny tenin’ny apostoly Paoly? (Efesianina 4:5) Inona no hahatonga azy ireo ‘hifanaraka tsara amin’izay lazainy’, ka tsy hisara-bazana? (1 Korintianina 1:10) Tokony hodinihintsika ny zavatra nampianarin’i Jesosy, satria misaratsaraka be ny olona milaza ho Kristianina ankehitriny.

Ny fototry ny firaisan-tsaina kristianina

Niresaka momba ny fototry ny firaisan-tsaina kristianina i Jesosy, rehefa notsaraina teo anatrehan’i Pontio Pilato. Hoy izy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.” (Jaona 18:37) Araka izany, dia tena manan-kery hampiray saina an’ireo tena mpianatr’i Kristy ny fanekena ny fampianarany sy izay voasoratra ao amin’ny Baiboly.​—1 Korintianina 4:6; 2 Timoty 3:16, 17.

Marina aloha fa indraindray mety hisy fanontaniana hanitikitika ny sain’ny mpianatr’i Jesosy, ary mety tsy hifanaraka koa izy ireo. Inona àry no tokony hataon’izy ireo amin’izay fotoana izay? Nanazava i Jesosy hoe: “Rehefa tonga . . . ny fanahin’ny fahamarinana, dia hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra, satria tsy araka ny nahim-pony no hitenenany, fa izay reny no holazainy, ary hambarany aminareo ny zavatra ho avy.” (Jaona 16:12, 13) Midika izany fa ny fanahy masin’Andriamanitra no hanampy ny tena mpianatr’i Jesosy hahatakatra ny fahamarinana, izay hahariharin’Andriamanitra tsikelikely. Izy io koa no hanampy azy ireo haneho ny vokatry ny fanahy, toy ny fitiavana, fifaliana, ary fiadanana, izay hampiray saina azy ireo.​—Asan’ny Apostoly 15:28; Galatianina 5:22, 23.

Tsy neken’i Jesosy ny hisian’ny fisaratsarahana na fitsitokotokoana teo anivon’ny mpianany. Tsy nekeny koa ny hanovan’izy ireo ny fanazavana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, mba hifanaraka amin’ny kolontsain’ny olona na ny fanao ara-pivavahana narahiny. Nivavaka mafy toy izao kosa izy ny alina talohan’ny nahafatesany: ‘Tsy ho an’ireto ihany no angatahako fa ho an’izay mino ahy noho ny teniny, mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo, ka hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy.’ (Jaona 17:20, 21) Ny fivavahana amin’Andriamanitra araka ny fanahy sy ny fahamarinana no mampiavaka ny mpianatr’i Kristy hatrany am-boalohany ka mandraka ankehitriny, sy mampiray saina azy ireo. (Jaona 4:23, 24) Misara-bazana anefa ireo fivavahana ankehitriny, fa tsy miray saina. Inona no anton’izany?

Nahoana no misara-bazana ny fivavahana?

Nahoana tokoa moa no samy hafa ny fomba sy ny zavatra inoan’ny olona milaza ho Kristianina? Raha tsorina, dia satria tsy manaraka ny fampianaran’i Jesosy izy ireo. Hoy ny mpanoratra iray: “Toy ny taloha, dia izay hevitra ao amin’ny Baiboly mifanaraka amin’izay ilainy ihany matetika no raisin’ny Kristianina ankehitriny. Raha misy andinin-teny tsy mifanaraka amin’ny fomba ara-pivavahana nentim-paharazana, dia tsy miraharaha izany izy.” Efa nilaza ny hitrangan’izany indrindra i Jesosy sy ny apostoliny.

Izao, ohatra, no nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty, izay mpiandraikitra toa azy: ‘Ho avy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy, fa hivily kosa ho amin’ny tantara tsy marina.’ Ny Kristianina rehetra ve no ho voafitaka? Tsia. Hoy koa i Paoly: “Fa ianao kosa, aoka ianao ho mailo foana amin’ny zava-drehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.” (2 Timoty 4:3-5; Lioka 21:8; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Petera 2:1-3) Nanaraka an’io torohevitra avy amin’Andriamanitra io i Timoty sy ny Kristianina nahatoky hafa.

Mbola tafaray foana ny tena Kristianina

Mailo foana toa an’i Timoty ny tena Kristianina ankehitriny, ka ny Soratra Masina ihany no mamaritra ny foto-pampianarany, ary tsy manaiky ny fihevitr’olombelona izy. (Kolosianina 2:8; 1 Jaona 4:1) Toy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia manatanteraka ny fanompoany any amin’ny tany 230 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitondra ilay hafatra nasain’i Jesosy notorina amin’ny olona hatraiza hatraiza izy ireo, dia ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Misy zava-dehibe efatra ataon’izy rehetra ireo, mba hanahafana an’i Jesosy sy hanarahana ny tena Kristianisma, na aiza na aiza misy azy.

Mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra inoany. (Jaona 17:17) Nanoratra toy izao momba azy ireo ny pretra iray any Belzika: “Izao no zavatra azontsika ianarana amin’izy ireo [Vavolombelon’i Jehovah]: Ny fahavononany hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy ny fananany herim-po hitory azy io.”

Ny Fanjakan’Andriamanitra no antenainy hanaisotra ny zava-manahirana eran-tany. (Lioka 8:1) Tany Barranquilla, any Kolombia, dia nisy Vavolombelona niresaka tamin’i Antonio, izay nafana fo tamin’ny politika. Tsy niandany taminy ilay Vavolombelona, no sady tsy nampirisika azy hanaraka firehan-kevitra politika hafa. Nasainy hianatra Baiboly maimaim-poana kosa i Antonio sy ny anabaviny. Tsy ela dia nazava tamin’i Antonio fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azon’ny olo-mahantra any Kolombia sy eran’izao tontolo izao antenaina.

Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra izy ireo. (Matio 6:9) Nihaona tamin’i Maria, izay Katolika nafana fo any Aostralia, ny Vavolombelon’i Jehovah. Navelany hampiseho taminy ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly izy ireo. Inona no tsapany tamin’izay? Hoy izy: “Nitomany aho, raha vao nahita ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. Tena nampihetsi-po ahy ny nahafantatra ny anarany, sy ny nahafantatra hoe afaka miantso azy amin’ny anarany aho.” Nanohy ny fianarany Baiboly i Maria. Sambany izy izao vao mahalala ny toetran’i Jehovah, ka afaka miezaka hihavana aminy hatrany.

Ampiraisin’ny fitiavana izy ireo. (Jaona 13:34, 35) Izao no voalaza tao amin’ny gazety iray tany Kanada: “Na inona na inona fivavahanao, ary na tsy manana fivavahana koa aza ianao, dia tokony hidera an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 4 500, izay niasa andro aman’alina nandritra ny herinandro mahery, mba hanorenana Efitrano Fivoriambe mirefy 2 300 metatra toradroa any Cassidy . . . Nanao izany tamim-pifaliana izy ireo, tsy nisy fifandirana, na tsy fifanarahana, na fanirian-daza, ary izany no mampiavaka ny tena Kristianisma.”

Diniho tsara àry ny zava-misy. Miady mafy ny teolojianina sy ny misionera ary ny mpivavaka ao amin’ny Kristianisma Anarana, mba hisoroka ilay fifandirana efa ampoizina hitranga eo anivon’izy ireo. Mandroso tsara kosa anefa ny tena Kristianisma eran-tany. Manohy ny fanompoana nankinina taminy ny tena Kristianina, dia ny fitoriana sy fampianarana ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Moa ve ianao anisan’ireo “misento sy mitaraina” noho ny fahavetavetana misy ankehitriny? Mahavery hevitra anao ve ny fisaraham-bazana eo anivon’ny fivavahana? Raha izany no izy, dia asaina ianao hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tafaray ao amin’ny fivavahana kristianina manompo an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina.​—Ezekiela 9:4; Isaia 2:2-4.