Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maneho ny Fitiavantsika An’Andriamanitra ve Isika?

Maneho ny Fitiavantsika An’Andriamanitra ve Isika?

Maneho ny Fitiavantsika An’Andriamanitra ve Isika?

TSY ampy ny mianatra momba an’Andriamanitra raha tiantsika ny hanana fitiavana azy. Araka ny hitan’ireo mpanompon’Andriamanitra eran-tany, dia ilaintsika koa ny mahafantatra tsara ny toetrany. Hihalalina kokoa aza ny fitiavantsika azy, raha miezaka hamantatra tsara izay tiany sy tsy tiany ary takiny isika.

Tia antsika i Jehovah ka nanome antsika ny Teniny, dia ny Baiboly. Ao amin’izy io mantsy no anomezany antsika ny mombamomba azy sy ianarantsika ny fomba niatrehany ny toe-javatra isan-karazany. Finaritra erỳ isika rehefa maharay taratasy avy amin’ny havan-tiana iray. Toy izany koa amin’ny Baiboly. Tena mahafaly antsika ny mahita lafiny vaovao amin’ny toetran’i Jehovah, izay ahariharin’izy io.

Voamaritsika anefa indraindray eny amin’ny fanompoana, fa tsy mahatonga ny olona ho tia an’Andriamanitra foana ny fianarana momba azy. Hoy i Jesosy tamin’ireo Jiosy sasany tsy nahay nankasitraka: “Mikaroka ao amin’ny Soratra Masina ianareo, noho ny fiheverana fa amin’ny alalan’izy io no hanananareo fiainana mandrakizay, . . . Fantatro tsara anefa fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao anatinareo.” (Jaona 5:39, 42) Mbola tsy manam-pitiavana firy an’i Jehovah ny olona sasany, na dia nandany taona maro hianarana momba ny asany mampiseho fitiavana aza. Nahoana? Satria tsy nofakafakain’izy ireo tsara izay tao ambadik’ilay zavatra nianarany. An-tapitrisa kosa ny olona miara-mianatra Baiboly amintsika no mahatsapa fa mihamitombo hatrany ny fitiavany an’Andriamanitra. Nahoana? Satria toy ny nataontsika, dia manaraka ny ohatra navelan’i Asafa izy ireo. Inona izany ohatra izany?

Misaintsaina sy mankasitraka

Tapa-kevitra ny hanana fitiavana an’i Jehovah tao am-pony i Asafa. Hoy ny nosoratany: “Te-hidinidinika amin’ny foko aho, . . . Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 77:6, 11, 12) Hitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra, raha misaintsaina ny lalany, toy izay nataon’ilay mpanao salamo, isika.

Mihamafy koa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, rehefa mitadidy ireo zavatra nahafaly niainantsika teo am-panompoana azy isika. “Mpiara-miasa” amin’Andriamanitra isika, hoy ny apostoly Paoly, ary tena miavaka ny fisakaizana misy eo amin’ny mpiara-miasa. (1 Korintianina 3:9) Mankasitraka i Jehovah rehefa maneho ny fitiavantsika azy isika, ary mampifaly ny fony izany. (Ohabolana 27:11) Amin’izay, rehefa mila vonjy isika ka ampiany handamina ny zava-tsarotra atrehintsika, dia fantatsika fa momba antsika izy ary mihalalina ny fitiavantsika azy.

Manjary mpinamana ny olon-droa rehefa mifaneho fihetseham-po. Mihamafy koa ny fitiavantsika an’i Jehovah rehefa lazaintsika aminy hoe nahoana isika no manolo-tena ho azy. Hisaintsaina momba an’ity tenin’i Jesosy ity isika: “Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:30) Inona no hataontsika mba hahazoana antoka fa hanohy ho tia an’i Jehovah, amin’ny fontsika manontolo sy ny tenantsika manontolo ary ny herintsika manontolo, isika?

Tiavo amin’ny fonao manontolo i Jehovah

Tsy ny fontsika ara-bakiteny no resahin’io andininy io, fa ny toetrantsika anaty, na ny faniriantsika sy ny toe-tsaintsika ary ny fihetseham-pontsika. Ny hoe tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo àry, dia midika indrindra hoe, maniry ny hampifaly azy. (Salamo 86:11) Asehontsika fa tia azy amin’ny fo manontolo isika, raha ataontsika izay hahatsara ny toetrantsika mba ho azony ekena. Miezaka hanahaka azy isika, ka ‘hankahala ny ratsy sy hifikitra amin’ny tsara.’​—Romanina 12:9.

Manan-kery eo amin’ny fihetseham-pontsika momba ny zavatra rehetra, ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Mety hahavariana na haharevo antsika ohatra, ny asantsika, nefa tsy any ny fontsika. Koa satria tia an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo isika, dia mpanompon’Andriamanitra isika voalohany indrindra. Irintsika koa ny hampifaly ny ray aman-drenintsika sy ny vadintsika, ary ny mpampiasa antsika. Ny hampifaly an’i Jehovah anefa no tadiavintsika voalohany indrindra, satria tiantsika hoporofoina fa tia azy amin’ny fontsika manontolo isika. Mendrika ny hahazo ny toerana voalohany ao am-pontsika tokoa izy.​—Matio 6:24; 10:37.

Tiavo amin’ny tenanao manontolo i Jehovah

Ny hoe ‘tena’ ao amin’io andininy io, dia manondro ilay olona manontolo sy ny fiainany. Izao àry no dikan’ny hoe tia an’i Jehovah amin’ny tenantsika manontolo: Mampiasa ny fiainantsika hiderana an’i Jehovah sy hanaporofoana ny fitiavantsika azy.

Mazava ho azy, fa mety hisy zavatra hafa hahaliana antsika, toy ny fianarana asa, ny fanaovana raharaham-barotra, na ny fitaizan-janaka. Izao koa anefa no anaporofoantsika fa tia an’i Jehovah amin’ny tenantsika manontolo isika: ‘Mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany aloha’ isika, ka manao zavatra araka ny fombany, ary mametraka ny zavatra hafa eo amin’ny toerana sahaza azy avy. (Matio 6:33) Ny hoe manompo an’Andriamanitra amin’ny tena manontolo koa dia midika hoe be zotom-po. Asehontsika fa tia an’i Jehovah isika, raha izao no ataontsika: mitory amin-jotom-po ny hafatra momba ilay Fanjakana, manome valin-teny mampahery any am-pivoriana, na manampy an’ireo rahalahy sy anabavintsika kristianina. Amin’ny zavatra rehetra, dia “manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo manontolo” hatrany isika.​—Efesianina 6:6.

Nasehon’i Jesosy fa tia an’i Jehovah tamin’ny tenany manontolo izy, rehefa nolaviny ny tenany. Napetrany teo amin’ny toerana voalohany ny sitrapon’Andriamanitra, ary tany amin’ny faharoa kosa ireo zavatra nilainy. Nanasa antsika hanahaka azy i Jesosy, ka hoy izy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Matio 16:24, 25) Manolo-tena ho an’i Jehovah no dikan’ny hoe mandà ny tena. Midika izany hoe tiantsika tokoa Andriamanitra, ka avelantsika ho izy no ho tompon’ny tenantsika. Izany no nataon’ny Israelita tamin’ny andron’ny Baiboly, rehefa tsy nahafoy ny tompony izy, ka nanolotra ny tenany ho mpanompony mandrakizay. (Deoteronomia 15:16, 17) Ny fanolorantsika ny fiainantsika ho an’i Jehovah dia porofo mampiaiky fa tia azy isika.

Tiavo amin’ny sainao manontolo i Jehovah

Ny hoe tia an’i Jehovah amin’ny saintsika manontolo, dia midika hoe ataontsika izay ezaka rehetra ilaina hatao mba hahatakarana ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany ary ny zavatra takiny. (Jaona 17:3; Asan’ny Apostoly 17:11) Izao koa no ampisehoantsika fa tia an’i Jehovah isika: Mampiasa ny fahaiza-misaina rehetra ananantsika isika, mba hanampiana ny olona ho tia an’i Jehovah. Hohatsaraintsika koa ny fahaizantsika mampianatra. Hoy ny fampirisihan’ny apostoly Petera: “Hatanjaho hiatrika asa ny sainareo.” (1 Petera 1:13) Miezaka koa isika mba hanisy fiheverana ny olona, indrindra fa ireo mpiara-manompo amintsika. Mihevitra ny tarehin-javatra misy azy ireo isika, ka manome teny fiderana rehefa mety ny hanaovana izany, na fampiononana koa rehefa ilaina.

Asehontsika fa tia an’i Jehovah amin’ny saintsika manontolo isika, ka hanaiky hofeheziny ny saintsika. Miezaka hanana ny fomba fijeriny isika, sy hanisy fiheverana azy rehefa mandray fanapahan-kevitra, ary hatoky fa ny lalany no tsara indrindra. (Ohabolana 3:5, 6; Isaia 55:9; Filipianina 2:3-7) Ahoana kosa no hampiasantsika ny herintsika, rehefa mampiseho foana ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika?

Tiavo amin’ny herinao manontolo i Jehovah

Maro ny tanora eo anivon’ny fiangonana kristianina no mampiasa ny heriny mba hiderana an’i Jehovah. (Ohabolana 20:29; Mpitoriteny 12:1) Fomba iray anaovany izany ny fandraisany anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, dia ny fanompoana manontolo andro. Renim-pianakaviana maro koa no mandray anjara amin’ny fanompoana rehefa mankany am-pianarana ny zanany. Asehon’ny anti-panahy mahatoky fa tia an’i Jehovah amin’ny heriny manontolo izy, rehefa mikarakara tsara izay ilain’ny fianakaviany sady miandry ny andian’ondry. (2 Korintianina 12:15) Omen’i Jehovah hery ny olona manantena azy, ka afaka mampiseho ny fitiavany, rehefa mampiasa ny hery mety hananany mba hiderana an’i Jehovah.​—Isaia 40:29; Hebreo 6:11, 12.

Hitombo ny fitiavana rehefa kolokoloina tsara. Noho izany, dia manokana fotoana foana isika mba hisaintsainana. Hotsaroantsika izay nataon’i Jehovah ho antsika sy ny antony mahatonga azy ho mendrika ny fanoloran-tenantsika. Tsy mendrika an’ireo “zavatra nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia azy” mihitsy isika, noho isika taranak’i Adama tsy lavorary. Azontsika atao anefa ny mampiseho amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ananantsika, fa tia an’i Jehovah isika. Aoka àry isika hanao toy izany hatrany!​—1 Korintianina 2:9.

[Sary, pejy 20]

Asehontsika amin’ny asa ny fitiavantsika an’Andriamanitra