Nahoana no Avelan’Andriamanitra ho Faty ny Ankizy?
Nahoana no Avelan’Andriamanitra ho Faty ny Ankizy?
MAIVAMAIVANA erỳ ny ray aman-dreny maro nidonam-pahoriana rehefa mahafantatra, fa hay tsy nalain’Andriamanitra, araka ny ampianarin’ny fivavahana sasany, ny zanany maty. Mbola eo foana anefa, ilay zava-misy mampieritreritra hoe: Nahoana no avelan’Andriamanitra hitranga ny fahafatesana, nefa manana hery hisakanana izany izy?
Mety halahelo mafy àry ny ray aman-dreny rehefa maty ny zanany, ka hitomany hoe: “Nahoana no avelan’Andriamanitra hitranga izany?” Toa tsy ara-drariny foana ny fahafatesana, na voina na aretina na herisetra no nahatonga izany. Toa marina indrindra aza io filazana io, rehefa ankizy no maty. Nahitana izao soratra mampalahelo izao teo amin’ny tsangambatom-pasana iray: “Mbola kely loatra, nahafatifaty loatra, aloha be loatra.”
Tena mangoraka anao ny Mpamorona
Nahoana tokoa no avelan’Andriamanitra hitranga ny zavatra mampalahelo toy izany? Na ny fanazavana azon’ny saina ekena indrindra aza, dia tsy ho afaka hanala eo no ho eo ny alahelonao, raha vao haingana no maty anaka ianao. Ory dia ory koa, na dia ireo lehilahy nanam-pinoana be tamin’ny andron’ny Baiboly aza, rehefa tojo ny loza tsy ara-drariny izy ireo. Nanontanian’izy ireo an’Andriamanitra, ny antony namelany ny zavatra toy izany. (Ampitahao amin’ny Habakoka 1:1-3.) Misy valin-teny omen’ny Baiboly afaka hampionona antsika anefa, rehefa ela ny ela.
Fantaro aloha fa tsy maniry ny hahafatesan’ny zanakao Andriamanitra. Tsy sitrak’Andriamanitra na dia ny handringanana ny ratsy fanahy aza, mainka fa ny hahafatesan’ny ankizy. (Ampitahao amin’ny 2 Petera 3:9.) Azo antoka àry fa malahelo mafy izy rehefa misy ankizy maty. Moa tokoa ve tsy noho isika afaka ho tia sy halahelo an’ilay niharan’ny fahafatesana, no mahatonga antsika hihevitra fa tena loza ny fahafatesana? Matoa anefa isika afaka ho tia, dia noho isika noforonina araka ny endrik’Andriamanitra. Tonga lafatra ny fahaizan’Andriamanitra ho tia, ary maneho taratr’izany isika, fa amin’ny fomba tsy lavorary. (Genesisy 1:26; 1 Jaona 4:8) Manome toky antsika ny Baiboly, fa hain’Andriamanitra vakina ny fihetseham-po ao am-pontsika lalina ao. Hainy koa ny manisa ny volon-dohantsika, ary fantany na dia rehefa misy fody iray milatsaka avy amin’ny hazo aza. Izany no antony iantsoana azy hoe: “Rain’ny fangorahana.”—2 Korintianina 1:3; Matio 10:29-31.
Mazava àry fa tsy maniry ny hahafatesan’ny zavaboariny manan-tsaina Andriamanitra. Ny hanafoana ny fahafatesana tsy hisy mandrakizay no fikasany. (Isaia 25:8) Raha izany no fikasany, nahoana no mbola avelany hisy foana ny fahafatesana, indrindra fa ny fahafatesan’ny ankizy?
Oviana no nanomboka maty ny olona?
Mitovy ihany ny antony amelan’Andriamanitra ny ankizy sy ny olon-dehibe ho faty. Efa fantatr’i Adama sy Eva tsara, na dia talohan’ny nanotany tamin’ny Mpamorona aza, fa napetrak’Andriamanitra ho sazy noho ny ota ny fahafatesana. Mbola afaka ny ho velona izy ireo ankehitriny, raha nisafidy ny tsy hivadika tamin’Andriamanitra. Nanao hadalana anefa izy ireo, ka nanary ilay lova sarobidy indrindra azony nampitaina tamin’ny taranany, dia ny zo hanana fiainana lavorary sy mandrakizay eto an-tany. Tsy lavorary intsony izy ireo rehefa nanota. Ny ota sy fahafatesana no hany azony nampitaina tamin’ny taranany.—Genesisy 3:1-7; Romanina 5:12.
Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Nahoana no navelan’Andriamanitra hanota i Adama sy Eva, raha lafo be toy izany ny vidiny? Ary
nahoana izy no tsy namarana ny fikomian’izy ireo, talohan’ny namindrany tamin’ny zanany, sy tamin’ny zanatsika ny fahafatesana sy ny fijaliana?’Raharaha mahakasika an’izao rehetra izao
Navelan’Andriamanitra tsy hankatò ireo ray aman-drenintsika voalohany, satria tsy tiany ny hamorona milina mandeha ho azy, izay ho azony baikoina mialoha mba hanompo azy. Fanirian’ny ray aman-dreny rehetra ny hankatoavan’ny zanany noho ny fatokisana sy ny fitiavana, fa tsy noho ny fanerena. Izany koa no irin’Andriamanitra hataon’ny zanany, dia ny olombelona. Tena tokony ho natoky sy tia an’Andriamanitra i Adama sy Eva, fa izy ireo mihitsy no tsy nankatò sy nanda ny fitondrany.—Genesisy 1:28, 29; 2:15-17.
Nahoana anefa Andriamanitra no tsy namono avy hatrany an’ireo mpikomy? Efa nolazain’Andriamanitra fa ny fikasany dia ny hameno ny tany amin’ny taranak’i Adama sy Eva. Tanteraka foana ny fikasany. (Isaia 55:10, 11) Kanefa nipoitra tany Edena ity fanontaniana lehibe ity: Manana zo hitondra ny olona ve Andriamanitra, ary izany ve no tsara indrindra, sa aleo ny fitondran’olombelona? Izao no fomba tsara indrindra namaliana tanteraka an’io fanontaniana io: Navela hitondra ny olona. Toa hita hatraiza hatraiza anefa ny vokatra mampalahelo naterak’izany. Be loatra ny faharatsiana, ka tsy manaitra ny olona intsony, na dia ny fahafatesan’ny ankizy tsy manan-tsiny aza. Voaporofo tao anatin’ny enina arivo taona fa marina ity voalaza ity: Ratsy noho ny nofinofy mampalahelo ilay hevitra hoe afaka mitondra samirery tsy misy an’Andriamanitra ny olona. Lainga tanteraka izany. Hiaina sy ho faty ao anatin’ny fahoriana foana ny olona, raha mbola izany no lalana arahiny. Tsara kokoa ilay safidin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina sy be fitiavana. Avelan’ny ray aman-dreny hodidiana ny zanany malalany, na dia hanaintaina aza, mba hahasambatra sy hahasalama azy. Toy izany koa fa navelan’Andriamanitra hijaly noho ny fitondrany ny tenany samirery ny olona, mba hahasambatra azy ireo mandrakizay, any aoriana. Tsy maharitra mandrakizay ny fanaintainan’ny olona didiana. Toy izany koa, fa hifarana tsy hoe ela ny tsy rariny sy ny fitondran’olombelona. Ankizy an-tapitrisa no hatsangana amin’ny maty, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ray aman-dreny maro amin’izay fotoana izay no ho ‘faly tsy misy ohatra izany’, toa an’ireo ray aman-dreny tamin’ny taonjato voalohany izay nandray ny zanany natsangan’i Jesosy tamin’ny maty. (Marka 5:42; Lioka 8:56; Jaona 5:28, 29) Tsy hisy olona na ankizy ho faty intsony, rehefa ho lavorary toa an’i Adama sy Eva tamin’izy ireo mbola tsy nanota, ny olombelona.—Apokalypsy 21:3, 4.