Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Mpanompon’Andriamanitra no toy ny Hazo?

Nahoana ny Mpanompon’Andriamanitra no toy ny Hazo?

Nahoana ny Mpanompon’Andriamanitra no toy ny Hazo?

HOY ny mpanao salamo momba ny olona tia ny toro lalan’ny Baiboly sy mampihatra izany eo amin’ny fiainany: “Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:1-3) Nahoana izany fampitahana izany no mety tsara?

Mety ho velona mandritra ny fotoana lava be ny hazo. Voalaza, ohatra, fa efa arivo na roa arivo taona ny hazo oliva sasany any amin’ny faritr’i Mediterane. Ela velona koa ny hazo baobaba atsy Afrika Afovoany. Voalaza koa fa efa 4 600 taona eo ho eo ny karazana hazo kesika iray any Kalifornia. Mahasoa ny manodidina azy mazàna ny hazo lehibe any an’ala. Manome alokaloka ho an’ny zana-kazo, ohatra, ny hazo avo be. Mahatonga ny tany hahavokatra koa ny ravina mihintsana eo aminy.

Matetika no mifanakaiky ny hazo avo indrindra eran-tany rehefa maniry, ary any an’ala no ahitana azy. Azo lazaina hoe mifanohana ny hazo rehetra any an’ala satria mety hifamatopatotra ny fakany, ka mahatohitra rivo-doza kokoa izy, raha oharina amin’ny hazo tokana eny an-tsaha. Misandrahaka be koa ny fakan’ny hazo, ka afaka mahazo rano sy sakafo ampy tsara avy amin’ny tany izy. Lasa lalina any anaty tany ny fakan’ilay hazo indraindray, ka mety ho lava noho izy. Mety ho lava kokoa noho ny rantsana sy ny ravin’ilay hazo koa izy io, satria mety hisandrahaka lavitra be.

Toa niresaka momba ny hazo ny apostoly Paoly, rehefa nilaza fa ny Kristianina dia tokony “ho tafaray foana aminy [Kristy], ary hamaka sy hiorina hatrany eo aminy ary tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” (Kolosianina 2:6, 7) Hifahatra tsara toy ny hazo manana fakany matanjaka ny Kristianina, raha matanjaka ny finoany an’i Kristy.​—1 Petera 2:21.

Nahoana koa ny mpanompon’Andriamanitra no azo ampitahaina amin’ny hazo any an’ala? Satria tohanan’ny mpiray finoana aminy ireo rehetra mitoetra ho akaikin’ny fiangonana kristianina. (Galatianina 6:2) Azo ampitahaina amin’ny hazo efa manana fakany misandrahaka be ny Kristianina mahatoky sy matotra. Manampy ny Kristianina vaovao hiorina tsara amin’ny finoana izy ireo, na dia tonga aza ny fanoherana mafy toy ny rivo-doza. (Romanina 1:11, 12) Manjary toy ny hazo miroborobo, izany hoe mandroso tsara, ny Kristianina vaovao, rehefa mahazo “alokaloka” na fanampiana avy amin’ny mpanompon’Andriamanitra za-draharaha kokoa. (Romanina 15:1) Ankoatra izany, dia mandray soa amin’ny sakafo ara-panahy mampahatanjaka, omen’ny “hazon’ny fahamarinana”, dia ny sisa voahosotra, ny rehetra eo anivon’ny fiangonana kristianina maneran-tany.​—Isaia 61:3.

Tena mahafaly ny mahafantatra fa afaka ny hahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana ao amin’ny Isaia 65:22 ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. Izao no voalaza ao: “Ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

Godo-Foto