Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanohana Ahy ny Fahaiza-mianina

Nanohana Ahy ny Fahaiza-mianina

Tantaram-piainana

Nanohana Ahy ny Fahaiza-mianina

NOTANTARAIN’I BENJAMIN IKECHUKWU OSUEKE

Nitsidika ny ray aman-dreniko aho, taoriana kelin’ny nanombohako ny fanompoana manontolo andro. Raha vao hitan’i Dada aho, dia noraisiny tamin’ny akanjoko, ary niantsoantso izy hoe: “Mpangalatra!” Naka sabatra izy ka nokapohiny tamin’ny lelan’iny aho. Nitangorona ny mpiray tanàna taminay rehefa nandre ilay tabataba. Fa inona no nangalariko? Avelao aho hanazava.

TERAKA tany Umuariam, any atsimoatsinanan’i Nizeria, aho tamin’ny 1930. Fito mianadahy izahay ary izaho no lahimatoa. Maty ny anabaviko vavimatoa tamin’izy 13 taona. Anglikanina ny ray aman-dreniko. Tantsaha i Dada, ary i Neny nivarobarotra. Nandeha an-tongotra 30 kilaometatra nankany an-tsena izy mba hividy menaka palmie eran’ny boaty, ary efa hariva vao niverina. Ny ampitso maraina be indray izy dia nandeha an-tongotra 40 kilaometatra mba hivarotra izany tany amin’ny tanàna iray misy garan-dalamby. Nividy sakafo ho anay izy rehefa nahazo tombony, izay matetika tsy nihoatra ny 15 cents (900 FMG eo ho eo). Nody ny androtr’iny ihany izy. Izany foana no nataony nandritra ny 15 taona teo, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1950.

Tao amin’ny sekoly anglikanina tany aminay aho no nanomboka nianatra. Mba hamitako ny fanabezana fototra anefa, dia tsy maintsy nipetraka tao amin’ny tranom-bahiny, 35 kilaometatra avy tany aminay, aho. Nitady asa aho rehefa tsy nanam-bola hanohizako ny fianarako ny ray aman-dreniko. Lehilahy iray mpiasan’ny lalamby tany Lagos, any amin’ny faritra andrefan’i Nizeria, no niasako voalohany, ary avy eo tamin’ny mpiasam-panjakana iray tany Kaduna, any avaratra. Nahita asana mpitan-tsoratra ho an’ny mpisolovava iray aho, tany Benin City, any afovoany andrefan’i Nizeria. Tatỳ aoriana, dia niasa tao amin’ny orinasa mpanatsofa hazo aho. Nankany Cameroun aho tamin’ny 1953 mba hiara-mipetraka tamin’ny havanay iray, izay nahita asa ho ahy tany amin’ny toeram-pambolena hazo fingotra. Nikarama 9 dolara teo ho eo (54 000 FMG eo ho eo) isam-bolana aho. Asa “ambany” ilay izy, nefa tsy nampaninona ahy izany, rehefa ampy sakafo aho.

Harena ara-panahy avy tamin’ny olona tena mahantra

Vavolombelon’i Jehovah i Silvanus Okemiri, mpiara-niasa tamiko. Nanararaotra niresaka tamiko izay fantany tao amin’ny Baiboly izy rehefa nanapaka bozaka hatao manodidina ireo hazo izahay. Nihaino ihany aho, saingy tsy nanao zavatra avy hatrany. Nanao araka izay fara heriny anefa ilay havanay mba tsy hiarahako tamin’ny Vavolombelona, rehefa fantany fa nifanerasera tamin’izy ireo aho. Nampitandrina izy hoe: “Benji a, aza mankany amin’Atoa Okemiri. Mpivavaka ao amin-dry Jehovah iny sady tena mahantra. Hitovy aminy izay miaraka aminy.”

Mafy be ny asa tao amin’ilay orinasa, ary tsy tantiko intsony, ka nody aho tany am-piandohan’ny 1954. Hentitra ihany ny fitsipi-pitondran-tena narahin’ny Eglizy Anglikanina tamin’izany fotoana izany. Halako ny fitondran-tena maloto, rehefa nihalehibe aho. Tsy ela anefa dia nahatsapa rikoriko aho rehefa nahita ny fihatsarambelatsihin’ireo mpiara-mivavaka tamiko. Nanizingizina izy ireo hoe tsy maintsy arahina ny toro lalan’ny Baiboly, nefa nifanohitra tamin’izany ny fomba fiainany. (Matio 15:8) Niady hevitra imbetsaka tamin’i Dada aho, ary tena nanimba ny fihavananay izany. Koa niala tao an-trano àry aho, indray alina izay.

Nifindra tany Omoba, tanàna iray andalovan’ny fiarandalamby, aho. Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray aho tany. I Priscilla Isiocha, olom-pantatro tany aminay, no nanome ahy ilay bokikely hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” sy ilay hoe Aorian’ny Hara-magedona ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra. * May erỳ aho namaky azy ireo, ary niaiky fa nahita ny fahamarinana. Tsy nianatra Baiboly izahay tany amin’ilay eglizy nisy ahy, fa lovantsofin’olombelona kosa no nifantohana. Naka teny matetika avy tao amin’ny Baiboly kosa anefa ny bokin’ny Vavolombelona.

Nanontaniako ny Rahalahy sy Anabavy Isiocha, iray volana tatỳ aoriana, hoe rahoviana izy no mankany amin’ny egliziny. Tsy nisy azoko ny fivoriana voalohany natrehiko tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Momba an’i ‘Gogan’i Magoga’, ao amin’ny bokim-paminanian’i Ezekiela, ny lahatsoratra nianarana tamin’ny Tilikambo Fiambenana. (Ezekiela 38:1, 2) Teny maro no vaovao tamiko. Nampiaiky ahy anefa ny fahaizan’izy ireo nandray vahiny ka tapa-kevitra ny hiverina aho ny Alahady nanaraka. Nandre momba ny fitoriana aho nandritra ny fivoriana faharoa natrehiko. Koa nanontany an’i Priscilla aho hoe rahoviana ry zareo no hitory. Ny Alahady fahatelo, dia nanaraka an-dry zareo aho, ary Baiboly kely izay no nentiko. Tsy nanana kitapo nentina nitory aho, na boky ara-baiboly. Lasa mpitory ilay Fanjakana anefa aho, ary namerina tatitra tamin’ny faran’iny volana iny!

Tsy nisy nampianatra ahy Baiboly, nefa isaky nankany amin-dry Isiocha aho, dia mba nahazo hery sy finoana avy tamin’ny Soratra Masina, sady nahazo boky ara-baiboly. Nanamarika ny fanoloran-tenako tamin’ny alalan’ny batisa aho ny 11 Desambra 1954, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Aba. Tsy nanome ahy sakafo sy fiofanana intsony ilay havanay niarahako nipetraka sy nianarako asa, sady tsy nanome ahy karama na dia ariary aza. Tsy nanana lolompo taminy anefa aho. Faly aloha aho fa manana fifandraisana amin’Andriamanitra. Nampionona ahy sy nampilamina ny saiko izany. Nanampy ahy koa ireo Vavolombelona teo an-toerana. Nomen-dry Isiocha sakafo aho, ary ny hafa nampindrana vola mba hanaovako varotra kely. Nividy bisikileta efa nampiasaina aho teo antenatenan’ny 1955, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny Martsa 1956. Nandoa ny trosako aho, fotoana fohy taorian’izay. Kely dia kely ny tombony azoko tamin’ilay varotra, nefa nahavelon-tena aho. Ampy ahy izay nomen’i Jehovah ahy.

“Nangalatra” ny iray tam-po amiko aho

Ny hanampy ny mpiray tam-po amiko eo amin’ny ara-panahy no tao an-tsaiko voalohany, raha vao nahaleo tena aho. Nitsara an-tendrony sy fatra-piahiahy loatra i Dada ka notoheriny ny hahatongavako ho Vavolombelona. Ahoana àry no hanampiako ny iray tam-po amiko hianatra ny fahamarinana ara-baiboly? Nilaza tamin’i Dada aho fa afaka mandray an’i Ernest zandriko lahy, koa navelany hiara-mipetraka tamiko izy. Vetivety dia nanaiky ny fahamarinana i Ernest, ary natao batisa tamin’ny 1956. Vao mainka nanamafy ny fanoheran’i Dada ny fiovana nataony. Nandray ny fahamarinana koa anefa ny anabaviko sy ny vadiny. Nanaiky tsy satry i Dada rehefa nisy fandaharana nataoko mba ho tonga hanao vakansy tany amiko i Felicia zandriko vavy faharoa. Tsy ela koa izy dia lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.

Naka an’i Bernice, zandriko vavy fahatelo, tany aminay, aho tamin’ny 1959, mba hiarahany hipetraka amin’i Ernest. Tamin’izay no namelezan’i Dada ahy, ka niampangany ahy ho nangalatra ny zanany. Tsy takany fa safidin’izy ireo manokana ny hanompo an’i Jehovah. Nanizingizina izy fa tsy hamela an’i Bernice hiaraka amiko mihitsy. Tsy fohy anefa ny tanan’i Jehovah, satria nanao vakansy tany amin’i Ernest ihany izy ny taona nanaraka. Nanaiky ny fahamarinana toy ireo rahavaviny izy, ary natao batisa.

“Nianatra” ny hahay hianina

Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana manokana aho tamin’ny Septambra 1957, ka nanokana 150 ora isam-bolana tamin’ny asa fitoriana. Nanompo tany amin’ny faritany midadasik’i Akpu-na-abuo, any Etche, izahay sy i Sunday Irogbelachi. Nisy 13 ny olona avy tany aminay no natao batisa tamin’ny fivoriambe voalohany natrehinay tany. Faly erỳ izahay fa misy fiangonana 20 any amin’iny faritra iny ankehitriny!

Nifankahalala izahay sy i Christiana Azuike, mpisava lalana tao amin’ny fiangonana Aba Atsinanana, tamin’ny 1958. Nahafinaritra ahy ny zotom-pony, ary nivady izahay ny volana Desambra tamin’iny taona iny. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany aho tany am-piandohan’ny taona 1959, ka nitsidika sy nanatanjaka ny fiangonana nisy ireo rahalahintsika ara-panahy. Saika notsidihinay mivady daholo ny fiangonan’ny vahoakan’i Jehovah rehetra tany amin’ny faritra atsinanana sy afovoany andrefan’i Nizeria, nanomboka teo ka hatramin’ny 1972.

Nifanalavitra be ireo fiangonana, ary bisikileta no fitaovam-pitaterana tena nampiasainay. Naka taxi hitondra anay ho any amin’ny fiangonana manaraka ireo rahalahy rehefa nitsidika fiangonana tany an-tanàn-dehibe izahay. Indraindray ny trano nipetrahanay, dia tsy nisy gorodona fa tany, sady tsy nisy valindrihana, ary fandriana vita amin’ny hazo rofia no natorianay. Ny sasany misy kidoro mololo norakofana tsihy, fa ny hafa kosa tsy misy kidoro mihitsy. Tsy olana ho anay ny hatsaran’ny sakafo sy ny habetsahany. Efa nianatra nianina tamin’ny sakafo kely mantsy izahay tamin’ny lasa ka nahafaly anay foana izay naroso anay, ary nahafaly an’ireo mpampiantrano izany. Nitondra jiro solitany foana izahay satria tsy nisy herinaratra ny tanàna sasany tamin’izany fotoana izany. Na dia teo aza anefa ny zava-tsarotra, dia maro ny zava-nahafinaritra anay rehefa niaraka tamin’ny fiangonana.

Tsapanay, nandritra ireny taona ireny, ny hasarobidin’ilay fananaran’ny apostoly Paoly, manao hoe: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka ho afa-po amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Niana-javatra i Paoly noho ny fahoriana nodiaviny, ka nanampy azy hahay hianina izany. Tamin’ny fomba ahoana? Hoy izy: “Haiko tsara ny hoe ao anatin’ny tsy fisiana, ary haiko tsara koa ny hoe manam-be. Tamin’ny zava-drehetra sy tao anatin’ny toe-javatra rehetra, dia efa nianatra ny ho voky sy ho noana aho, ary ny hanam-be sy hihafy.” Nianatra izany koa izahay. Hoy koa i Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay [Andriamanitra] manome hery ahy.” (Filipianina 4:12, 13) Tena marina mihitsy izany teo aminay! Afa-po izahay, ary finaritra amin’ny asa kristianina ataonay sady milamin-tsaina.

Mitsidika fiangonana izahay mianakavy

Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1959 i Joel, zanakay voalohany, ary avy eo i Samuel, tamin’ny 1962. Nanohy ny asa fitetezam-paritany izahay sy Christiana ka nitsidika fiangonana niaraka tamin’izy mirahalahy. Nipoaka ny ady an-trano tany Nizeria tamin’ny 1967. Nakatona ny sekoly noho ny fanafihana ana habakabaka tsy an-kijanona. Mpampianatra ny vadiko talohan’ny niarahany tamiko teo amin’ny asa fitetezam-paritany. Nampianatra ny zanakay tao an-trano àry izy nandritra ny ady. Nahay namaky teny sy nanoratra i Samuel rehefa enin-taona. Nihoarany kilasy roa ireo nitovy taona taminy, rehefa niditra nianatra izy taorian’ny ady.

Tamin’izany fotoana izany, dia tsy tena tsapanay ny maha sarotra ny fitaizan-janaka, fony izahay mbola tao amin’ny asa fitetezam-paritra. Nahasoa anay anefa ny nanendrena anay ho mpisava lalana manokana, tamin’ny 1972. Afaka nijanona teo amin’ny toerana iray izahay, ka afaka nikarakara tsara ny ara-panahin’ny fianakavianay. Mbola kely ny zanakay dia efa nampianarinay hahay hianina. Natao batisa i Samuel tamin’ny 1973, ary i Joel nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra tamin’io taona io ihany. Nanambady vehivavy kristianina mahafinaritra ireo zanakay mirahalahy, ary mitaiza ny ankohonany ao amin’ny fahamarinana.

Fahoriana vokatry ny ady an-trano

Mpiandraikitra ny faritra aho rehefa nipoaka ny ady an-trano. Nitsidika fiangonana tany Onitsha niaraka tamin’ny fianakaviako aho tamin’izay. Vao mainka nampiaiky anay ilay ady fa zava-poana ny manangona na miantehitra amin’ny harena. Nahita olona nandositra mba hamonjy ny ainy aho. Navelan’izy ireny teny an-dalana ny fananany sarobidy.

Nantsoina ho miaramila ny vatan-dehilahy rehetra rehefa nihamafy ny ady. Rahalahy maro no nampijalina rehefa nanda. Tsy afaka nivezivezy izahay. Niteraka korontana ny tsy fahampian-tsakafo. Ny mangahazo antsasa-kilao izay 7 cents (400 FMG) dia lasa 14 dolara (85 000 FMG), ary ny sira eran’ny kaopy izay 8 dolara (48 500 FMG) dia lasa 42 dolara (255 000 FMG). Tsy nisy intsony ny ronono sy ny dibera ary ny siramamy. Mba hitanana aina, dia totoinay ny papay manta ary afangaronay amin’ny koba mangahazo. Nihinana valala, sy hodi-mangahazo, sy ravina voninkazo hibiscus, ary farinomby, izahay. Nohaninay daholo izay ravin-javatra rehetra hitanay. Misambotra androngo mba hohanin’ny ankizy aho, satria lafo be ny hena. Nanome izay nilainay foana anefa i Jehovah, na mafy aza ny fiainana.

Ny tsy fahampian’ny sakafo ara-panahy vokatry ny ady anefa no nitera-doza kokoa. Maro tamin’ireo rahalahy no nandositra ny toerana nisy ady, ka nankany anaty ala na tany an-tanàna hafa. Izany no nahavery ny ankabeazan’ny boky sy gazety ara-baibolin’izy ireo, raha tsy izy rehetra mihitsy aza. Tsy tody tany Biafra koa ny boky sy gazety ara-baiboly vaovao noho ny fahirano nataon’ny tafi-panjakana. Natahorana ny fahasalamana ara-panahin’ireo rahalahy, na dia niezaka nanao fivoriana aza ny ankamaroan’ny fiangonana. Tsy tonga tany amin’izy ireo mantsy ny tari-dalana avy amin’ny biraon’ny sampana.

Fiadiana tamin’ny mosary ara-panahy

Nanao araka izay fara heriny ny mpiandraikitra mpitety faritany mba hitohizan’ny fitsidihana ny fiangonana tsirairay. Na dia nandositra niala ny tanàn-dehibe aza ny rahalahy maro, dia nitady azy tany amin’izay nisy azy aho. Indray mandeha, dia navelako tamin’ny toerana iray azo antoka ny vady aman-janako, fa izaho kosa nandeha irery tany amin’ny tanàna kely maro sy tany anaty ala, nandritra ny enim-bolana, mba hitady an’ireo rahalahy.

Reko tamin’izaho nitsidika fiangonana tany Ogbunka fa nisy Vavolombelona maro be tany amin’ny faritr’i Isuochi, any Okigwe. Koa nandefa hafatra nampitampitaina tamin’izy ireo àry aho, mba hahatongavany hivory any amin’ny toerana iray fambolena mahabibo, any amin’ny tanànan’i Umuaku. Nandeha 15 kilaometatra tamin’ny bisikileta izaho sy ny rahalahy iray be taona mba ho any amin’ilay toeram-pambolena. Vavolombelona 200 teo ho eo no tafavory, anisan’izany ny zaza amam-behivavy. Nisy Vavolombelona hafa 100 teo ho eo nialokaloka tany amin’ny alan’i Lomara, ka afaka nahita azy ireo aho, noho ny fanampian’ny anabavy mpisava lalana iray.

Anisan’ireo rahalahy be herim-po tany amin’ny tanànan’i Owerri rotidrotiky ny ady, i Lawrence Ugwuegbu. Nampahafantariny ahy fa misy Vavolombelona maro any amin’ny faritr’i Ohaji, saingy tsy afaka nivezivezy izy ireo fa teo am-pelatanan’ny miaramila ilay faritra. Nanararaotra ny alina izahay roa lahy ka nandeha bisikileta nankany, ary dia nifankahita tamin’ny Vavolombelona 120 teo ho eo tao an-tokotanin’ny rahalahy iray. Nohararaotinay notsidihina tany amin’izay niafenany koa ireo Vavolombelona hafa.

Nanao vivery ny ainy ny rahalahy Isaac Nwagwu rehefa nanampy ahy hahita izay nisy ireo rahalahy hafa nandao ny fonenany. Nentiny tamin’ny lakana niampita ny reniranon’i Otamiri aho, mba hihaona tamin’ireo Vavolombelona 150 mahery, izay nivory tany Egbu-Etche. Hoy ny rahalahy iray: “Ity ny andro nahasambatra ahy indrindra teo amin’ny fiainako! Tsy nanampo mihitsy aho hoe mbola ho velona ka hahita mpiandraikitra ny faritra indray. Efa afa-po aho, na dia ho faty amin’izao ady mafotaka izao aza.”

Efa saika nalaina ho miaramila aho, kanefa matetika no tsapako ny fiarovan’i Jehovah. Nosakanan’ny miaramila nanao barazy aho, indray tolakandro, raha avy nivory niaraka tamin’ny rahalahy 250 teo ho eo ka iny handeha hody iny. “Nahoana ianao no tsy nirotsaka ho miaramila?”, hoy izy ireo nanontany. Nohazavaiko tamin’izy ireo fa misionera mitory ny Fanjakan’Andriamanitra aho. Hitako fa tapa-kevitra ny hisambotra ahy izy ireo. Nivavaka nangina haingana aho, ka nilaza tamin’ilay kapiteny hoe: “Mba avelao re aho handeha e!” Nahagaga fa namaly izy hoe: “Te hilaza ve ianao hoe tokony hamela anao handeha izahay?” “Eny”, hoy aho, “avelao aho handeha.” Dia hoy izy: “Mahazo mandeha ianao”, ary tsy nisy niteny ny miaramila hafa.​—Salamo 65:1, 2.

Mitondra fitahiana fanampiny ny fahaiza-mianina

Nanohy ny asa fitetezam-paritra aho, rehefa vita ny ady tamin’ny 1970. Nanana tombontsoa nandamina indray ireo fiangonana aho. Avy eo dia nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana izahay sy Christiana hatramin’ny 1976, ary voatendry ho mpiandraikitra ny faritra indray aho tamin’io taona io. Nasaina nanao ny asan’ny vondrom-paritra aho, tamin’ny tapatapak’io taona io. Nasaina hiasa eto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Nizeria izahay mivady, fito taona tatỳ aoriana, ary mbola eto izahay izao. Fifaliana lehibe ho anay, amin’izao eto amin’ny sampana izao, ny mifankahita indray amin’ireo rahalahy sy anabavy efa nihaona taminay nandritra ilay ady an-trano sy tamin’ny fotoana hafa. Mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana foana izy ireny.

Nandritra ireny fotoana rehetra ireny, dia nanampy ahy betsaka i Christiana, sady tena namako mahatoky. Nanampy ahy hiantsoroka ny andraikitro ny toe-tsainy tia mijery lafy tsaran-javatra sy feno fikirizana, na dia tsy salama matetika aza izy nanomboka tamin’ny 1978. Tsapanay ny fahamarinan’ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy.”​—Salamo 41:3.

Rehefa mieritreritra an’ireo taona nanompoana an’i Jehovah aho, dia tsy haiko ny tsy hisaotra azy noho ireo fitahiany. Sambatra tokoa aho satria nahay nianina tamin’izay nomeny. Fitahiana tsy manan-tsahala ilay fifaliana mahita ny iray tam-po amiko sy ny zanako, ary ny fianakavian’izy ireo avy, samy manompo an’i Jehovah miaraka aminay mivady. Nomen’i Jehovah fiainana mahafa-po sy misy dikany aho. Tsy nisy tsy tanteraka ny faniriako.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Efajoro, pejy 27]

Fandaharana Ara-potoana Izay Namatsy An’ireo Rahalahy

Niteraka korontana, fikomiana, fandikan-dalàna, ary herisetra, ny fankahalana teo amin’ireo foko tany amin’ny faritra avaratra sy atsinanan’i Nizeria, teo antenatenan’ireo taona 1960. Tojo zava-tsarotra ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izany fisehoan-javatra izany. Tapa-kevitra ny tsy homba ny atsy na ny aroa tamin’ilay fifandonana mantsy izy ireo. Roapolo teo ho eo ny Vavolombelona novonoina, ary namoy ny fananany ny maro hafa.

Nisaraka tamin’ilay fanjakana federaly ireo fanjakana tany amin’ny faritra atsinanan’i Nizeria tamin’ny 30 Mey 1967, ka nanangana ny Repoblikan’i Biafra. Nampiasaina ny tafika federaly ka natao fahirano tanteraka ny faritra atsinanana. Ra mandriaka sy ady an-trano no nitranga taorian’izany.

Lasibatra ny Vavolombelon’i Jehovah tany Biafra noho izy ireo tsy momba ny atsy na ny aroa. Nasiaka ny lahatsoratra an-gazety ary nampirisika ny olona hanohitra azy ireo. Nataon’i Jehovah anefa izay hahazoan’ny vahoakany sakafo ara-panahy. Tamin’ny fomba ahoana?

Voatendry hiasa tany Eoropa ny mpiasam-panjakana iray teo am-piandohan’ny taona 1968, ary ny iray hafa tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Biafra. Samy Vavolombelona izy mirahalahy ireo. Io asan’izy mirahalahy io ihany no hany nampifandray an’i Biafra tamin’ny any ivelany. Nanolo-tena hanao ilay asa nampidi-doza ireo Vavolombelona roa ireo, dia ny fampidirana sakafo ara-panahy any Biafra. Nanampy tamin’ny fandefasana fanampiana ho an’ireo rahalahy sahirana koa izy ireo. Afaka nanohy an’io fandaharana tena nilaina io izy mirahalahy nandritra ny ady, izay nifarana tamin’ny 1970. Hoy ny iray taminy tatỳ aoriana: “Nihoatra noho izay nety ho azon’olombelona nokarakaraina iny fandaharana iny.”

[Sary, pejy 23]

Tamin’ny 1956

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’i Joel sy Samuel zanakay lahy, tamin’ny 1965

[Sary, pejy 26]

Fitahiana tokoa ny hoe manompo an’i Jehovah ny mpianakavy!

[Sary, pejy 27]

Manompo eto amin’ny sampan’i Nizeria izao izahay sy i Christiana