Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-misy eo Anivon’ny Fivavahana

Zava-misy eo Anivon’ny Fivavahana

Zava-misy eo Anivon’ny Fivavahana

“MBOLA mino an’Andriamanitra ny olona any Grande-Bretagne, saingy tsy te hanara-dia an’i Kristy”, hoy i Stephen Tirwomwe, mpitondra fivavahana avy any Ouganda. Anisan’ny tsy maty izy, rehefa nampiasa herisetra mba hanafoanana ny fivavahany ny fanjakana tany Ouganda, 20 taona lasa izay. Mitory any amin’ny toerana fialam-boly natokana ho an’ny lehilahy, any Leeds, any Angletera, izy ankehitriny. Manao toriteny folo minitra izy, ary avy eo dia manao lôtô ireo mpihaino azy.

Miady amin’ny tsy firaikan’ny olona amin’ny fivavahana koa ny fikambanana iray vao niforona, antsoina hoe Misiona Anglikanina any Amerika. Izao no tatitra nataony tao amin’ny Internet: “Amin’ny firenena rehetra miteny anglisy, dia i Etazonia izao no tena ahitana olona maro tsy mpivavaka sy tsy miraharaha fivavahana. . . . Isika atỳ Etazonia indray no mila misionera.” Niezaka nitondra fiovana teo anivon’ny fiangonana any Etazonia ilay Misiona, nefa tsy nahavita. Diso fanantenana izy ireo, ka niala tamin’izay nahazatra azy. Miara-miasa amin’ny mpitondra fivavahana any Azia sy Afrika izy ireo izao, mba hanao ny “asa misionera any Etazonia.”

Nahoana anefa no misionera avy any Afrika sy Azia ary Amerika Latinina no miezaka ‘mamonjy ny fanahin’ny olona’ any Eoropa sy Amerika Avaratra, nefa efa milaza azy ho Kristianina ny firenena any?

Iza marina no avotana?

Rehefa nanjanaka ny faritra tany Afrika sy Azia sy Pasifika ary Amerika Atsimo ny Eoropeanina, dia nanaraka azy ireo nandritra ny efajato taona mahery koa ny misionera eoropeanina nafana fo. Ny hitondra ny fivavahany any amin’ireny firenena nolazaina fa mpanompo sampy ireny no tanjon’izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nandefa misionera eran-tany koa ny zanatany amerikanina, izay mihambo ho mpanaraka ny fitsipiky ny Kristianisma. Betsaka noho ny misionera eoropeanina mihitsy aza ny misionera nalefan’izy ireo. Nivadika ny rasa, araka izany.

“Niova toerana ny foibe[n’ny Kristianisma anarana]”, hoy i Andrews Walls, izay mpanorina sy talen’ny Fikambanana Mandinika ny Kristianisma any Afrika sy Azia. Avy tany Eoropa sy Amerika Avaratra ny 80 isan-jaton’ny olona nilaza ho Kristianina, tamin’ny 1900. Avy any Afrika sy Azia ary Amerika Latinina kosa anefa izao ny 60 isan-jaton’izy ireo. Tsy ela izay, dia nisy gazety nilaza toy izao: “Miantehitra amin’ny pretra avy any Philippines sy Inde ireo eglizy katolika any Eoropa.” “Atỳ Amerika kosa, raha misy pretra enina, dia iray amin’ireo no nohafarana avy any ivelany.” Mihevitra ny tenany ho “misionera any amin’ny faritra tsy liana amin’ny fivavahana” ny Afrikanina mpitory ny filazantsara mipetraka any Holandy, izay avy any Ghana ny ankamaroany. Manao ezaka be hanentanana ny olona any Grande-Bretagne koa izao ny mpitory ny filazantsara avy any Brezila. “Lasa mifamadika ny lalan’ireo misionera kristianina”, hoy ny mpanoratra iray.

Efa ampoizina ny hisian’ny fifandirana

Mila andefasana misionera tokoa angamba any amin’ireo tany mihatsy liana amin’ny fivavahana, toa an’i Eoropa sy Amerika Avaratra. Voalaza tao amin’ny gazety iray, ohatra, fa “latsaka ny ampahafolon’ny Kristianina any Ekosy no miangona tsy tapaka.” Mbola vitsy noho izany aza ny any Frantsa sy Alemaina. Nasehon’ny gazety iray hafa fa “ny antsasany latsaka kely amin’ny Amerikanina sy ny ampahadimin’ny Kanadianina no milaza fa miangona tsy tapaka.” Any Philippines kosa anefa, dia maherin’ny roa ampahatelon’ny olona nadinadinina no mandeha miangona. Tahaka izany no zava-misy any amin’ny tany hafa an-dalam-pandrosoana.

Tsara homarihina fa mifikitra kokoa amin’ny foto-pisainana efa nisy hatramin’izay ny mpivavaka any amin’ny Ila Bolantany Atsimo, raha oharina amin’ny mpivavaka any amin’ny Ila Bolantany Avaratra. Nilaza, ohatra, ny Katolika nadinadinina tany Etazonia sy Eoropa, fa mihatsy matoky ny mpitondra fivavahana izy ireo. Tian’izy ireo handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoam-pivavahana ny mpivavaka tsotra, ary mitaky ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izy ireo. Ny Katolika any amin’ny Ila Bolantany Atsimo kosa anefa, dia manaraka tanteraka ny hevitra nijoroan’ny eglizy hatramin’izay, momba ireo raharaha ireo. Ampoizina hisy fifandirana àry any aoriana any, satria mihamaro ny mpanohana ny eglizy any amin’ny Ila Bolantany Atsimo, fa mihena kosa ny any amin’ny Ila Bolantany Avaratra. Hoy i Philip Jenkins, mpahay tantara sy manam-pahaizana momba ny fivavahana: “Rehefa afaka folo na roapolo taona, ny Kristianina any amin’ny Ila Bolantany Atsimo, dia tsy hanaiky hoe tena Kristianina ny any amin’ny Ila Bolantany Avaratra, ary hanao toy izany amin’ny any atsimo koa ny any avaratra.”

Araka izany rehetra izany, dia mitaky valiny tokoa ilay fanontanian’i Walls hoe: “Ahoana no hampiray ny Kristianina any Afrika, Azia, Amerika Latinina, Amerika Avaratra, ary Eoropa, ao amin’ny fivavahana iray ihany, ka samy haneho ny tena finoana izy ireo?” Ahoana no hevitrao? Mbola haharitra ve ny fivavahana eto amin’ity tontolo misara-bazana ity? Inona no fototry ny tena firaisan-tsaina kristianina? Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny omen’ny Soratra Masina momba izany. Manome porofo mazava koa izy io fa misy tokoa ny Kristianina miray saina ankehitriny, ary miroborobo izy ireo.

[Sary, pejy 4]

Lasa hotely fihainoana mozika izao io trano fiangonana io

[Sary nahazoan-dalana]

AP Photo/Nancy Palmieri