Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Ahoana no Hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Ahoana no Hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

NANOME tsipiriany momba ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo i Paoly, apostoly kristianina, ka nanoratra hoe: “Noraisiko tamin’ny Tompo ilay natolotro anareo koa: Fa tamin’ilay alina hamadihana azy, dia nandray mofo i Jesosy Tompo. Ary rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ka hoy izy: ‘Ity no vatako izay omena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.’ Toy izany koa no nataony ny amin’ny kaopy rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy. Ary hoy izy: ‘Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro amin’izy ity ianareo.’ Fa isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny.”​—1 Korintianina 11:23-26.

Milaza i Paoly fa nankalaza voalohany ny Sakafo Harivan’ny Tompo i Jesosy, “tamin’ilay alina hamadihana azy.” I Jodasy Iskariota no namadika sy nanolotra azy tamin’ireo mpitondra fivavahana Jiosy, izay nanery ny Romanina hamantsika an’i Kristy tamin’ny hazo fijaliana. Ny alin’ny alakamisy 31 Martsa taona 33, no natao ilay sakafo. Maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy ny tolakandron’ny zoma 1 Aprily. Manomboka amin’ny takariva iray ka hatramin’ny ampitso takariva anefa ny andro iray amin’ny kalandrie jiosy. Nitranga tao anatin’ny andro iray ihany àry, izany hoe ny 14 Nisana taona 33, ny Sakafo Harivan’ny Tompo sy ny nahafatesan’i Jesosy Kristy.

Tokony ‘hanao izany hatrany ho fahatsiarovana’ an’i Jesosy, ireo olona mihinana ny mofo sy misotro ny divay. (1 Korintianina 11:24) Antsoina koa hoe Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ilay Sakafo Harivan’ny Tompo.

Nahoana no tsarovana ny nahafatesan’i Jesosy?

Ny valin’izany dia miankina amin’ny fahatakarana hoe nahoana no zava-dehibe io fahafatesana io. Izy no mpanohana lehibe indrindra ny zon’i Jehovah hitondra. Ny fahafatesany no nanaporofoany fa mpandainga i Satana, rehefa nilaza fa fitiavan-tena fotsiny no anompoan’ny olona an’Andriamanitra. (Joba 2:1-5; Ohabolana 27:11) ‘Nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro’ koa i Jesosy, rehefa maty tamin’ny naha olona lavorary. (Matio 20:28) Rehefa nanota tamin’Andriamanitra mantsy i Adama, dia nafoiny ny fiainan’olombelona lavorary sy ny fahafahana hiaina mandrakizay. “Lehibe tokoa” anefa “ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao [ny olombelona], ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Marina koa fa “fahafatesana no karama omen’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.”​—Romanina 6:23.

Mifandray amin’ny fanehoam-pitiavana roa lehibe indrindra àry ny fahafatesan’i Jesosy Kristy: Ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah tamin’ny olona tamin’ny nanomezany ny Zanany, ary ny fitiavana feno fahafoizan-tena nasehon’i Jesosy ho an’ny olona tamin’ny namoizany ny fiainan’olombelona nananany. Manasongadina ny maha zava-dehibe an’ireo fanehoam-pitiavana roa ireo ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Niantefan’izany fitiavana izany isika. Tsy tokony hasehontsika àry ve fa mankasitraka izany isika? Fomba iray hampisehoana izany ny fahatongavana amin’ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo.

Ny dikan’ilay mofo sy divay

Nampiasa mofo sy divay mena i Jesosy, rehefa nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Nandray mofo i Jesosy, ary “rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ka hoy izy: ‘Ity [mofo ity] no vatako izay omena ho anareo.’” (1 Korintianina 11:24) Tsy maintsy notapahina ilay mofo mba hozarazaraina sy hohanina. Toa mofo mikarepoka vita tamin’ny lafarinina sy rano izy io, ary tsy nasiana lalivay na leviora. Midika ho fahotana mantsy ny lalivay ao amin’ny Soratra Masina. (Matio 16:11, 12; 1 Korintianina 5:6, 7) Tsy mpanota i Jesosy, koa sorona ho vidim-panavotana nety tsara ho an’ny olona ny vatany lavorary. (1 Jaona 2:1, 2) Mety tsara àry raha tsy asiana lalivay ilay mofo mifanitsy amin’ny vatan’i Kristy tsy nisy ota!

Nisaotra an’Andriamanitra koa i Jesosy ny amin’ny divay mena tsy nisy fangarony. Ary hoy izy: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako.” (1 Korintianina 11:25) Mifanitsy amin’ny ran’i Jesosy ny divay mena tao anatin’ilay kaopy. Ny ran’ny omby sy osy natao sorona no nampanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny firenen’Israely, tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy. Toy izany koa, fa ny ran’i Jesosy izay nalatsaka tamin’ny fahafatesany, no nampanan-kery ny fifanekena vaovao.

Iza no tokony hihinana sy hisotro?

Mila fantarina tsara aloha ny momba an’ilay fifanekena vaovao sy ireo andaniny tafiditra amin’izy io, izay isika vao afaka milaza hoe iza no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana. Hoy ny Baiboly: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda . . . Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. . . . Havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.”​—Jeremia 31:31-34.

Azo atao ny manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah Andriamanitra noho io fifanekena vaovao io. Misy antokon’olona lasa vahoakany, ary izy kosa lasa Andriamanitr’izy ireo. Voasoratra ao an-tsainy sy ao am-pony ny lalàn’i Jehovah. Na ireo tsy anisan’ny Jiosy voafora aza, dia afaka miditra ao amin’ilay fifanekena vaovao amin’Andriamanitra. (Romanina 2:29) Fikasan’Andriamanitra, hoy i Lioka mpanoratra ny Baiboly, ny ‘hihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo ho an’ny anarany.’ (Asan’ny Apostoly 15:14) Milaza ny 1 Petera 2:10 hoe ‘tsy firenena izy ireo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.’ Antsoin’ny Soratra Masina hoe “Israelin’Andriamanitra” izy ireo, izany hoe Israely ara-panahy. (Galatianina 6:16; 2 Korintianina 1:21) Fifaneken’i Jehovah Andriamanitra amin’ny Israely ara-panahy àry ilay fifanekena vaovao.

I Jesosy mihitsy koa anefa, dia nanao fifanekena hafa tamin’ny mpianany, ny alina farany niarahany tamin’izy ireo. “Manao fifanekena aminareo aho”, hoy izy, “toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:29) Fifanekena ny amin’ilay Fanjakana io. Olona tsy lavorary 144 000 no nampidirina tamin’io fifanekena ny amin’ilay Fanjakana io. Ho mpanjaka sady mpisorona hiaraka amin’i Kristy izy ireo, rehefa hatsangana ho any an-danitra. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-4) Ireo olona nanaovan’i Jehovah Andriamanitra an’ilay fifanekena vaovao àry, dia nanaovan’i Jesosy Kristy ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana koa. Ireo ihany no manana zo hihinana ny mofo sy hisotro ny divay amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo.

Manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ireo olona ireo sady mpiara-mandova amin’i Kristy, ka mahazo mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana. Ahoana no hahafantaran’izy ireo an’izany? Manazava i Paoly hoe: “Ny fanahy masina sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka àry isika, dia mpandova koa, izany hoe, mpandova an’Andriamanitra tokoa nefa mpiara-mandova amin’i Kristy, raha miara-miaritra aminy isika mba homem-boninahitra miaraka aminy koa.”​—Romanina 8:16, 17.

Mampiasa ny fanahiny masina na ny hery ampiasainy Andriamanitra mba hanosorana an’ireo ho mpiara-mandova amin’i Kristy. Mahazo antoka àry izy ireo fa mpandova an’ilay Fanjakana. Mahatonga an’ireo Kristianina voahosotra hanantena ny ho any an-danitra izany. Tsapan’izy ireo ho mihatra aminy izay rehetra lazain’ny Baiboly momba ny fiainana any an-danitra. Vonona koa izy ireo hamoy ny zava-drehetra mifandray amin’ny fiainana eto an-tany, anisan’izany ny fiainana eto sy ny fifandraisana rehetra amin’olona. Fantatr’ireo Kristianina voahosotra fa tena ho tsara be ny fiainana ao amin’ny paradisa eto an-tany, nefa tsy manantena hiaina ao izy ireo. (Lioka 23:43) Tsy miova mihitsy ny fanantenan’izy ireo hiaina any an-danitra. Tsy hevi-diso ara-pivavahana no mahatonga izany, fa ny asan’ny fanahin’Andriamanitra. Manana zo hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana àry izy ireo.

Ahoana raha tsy mahazo antoka tsara ny olona iray hoe tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao sy ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana izy? Ahoana koa raha tsy mahazo porofo avy amin’ny fanahin’Andriamanitra izy hoe mpiara-mandova amin’i Kristy? Amin’izay, dia tsy mety raha mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana izy. Tena ho tezitra Andriamanitra raha misy olona tsy nantsoina akory, nefa sahy milaza hoe nantsoina ho mpanjaka sady mpisorona any an-danitra.​—Romanina 9:16; Apokalypsy 22:5.

Isaky ny inona izy io no ankalazaina?

Tokony hankalazaina isan-kerinandro na angamba isan’andro ve ny nahafatesan’i Jesosy? Tamin’ny Paska i Kristy no nankalaza voalohany ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ary tamin’io andro io izy no novonoina tsy ara-drariny. Fahatsiarovana ny nanafahana ny Israely tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina ny Paska, ary indray mandeha isan-taona ihany izy io no natao, isaky ny 14 Nisana. (Eksodosy 12:6, 14; Levitikosy 23:5) Indray mandeha isan-taona ihany koa àry, fa tsy isan-kerinandro na isan’andro, no tokony hahatsiarovana ny nahafatesan’i “Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.” (1 Korintianina 5:7) Manahaka izay nataon’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Kristianina, rehefa mankalaza azy io.

Inona àry no dikan’ny tenin’i Paoly hoe: “Isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny”? (1 Korintianina 11:26) Te hilaza izy hoe isaky ny mihinana ny mofo sy misotro ny divay ny Kristianina voahosotra, dia manambara ny finoany ny soron’i Jesosy ho vidim-panavotana.

Hankalaza ny nahafatesan’i Kristy ireo Kristianina voahosotra, “mandra-piaviny.” Hatao foana io fankalazana io mandra-piavin’i Jesosy hanangana ny mpanara-dia azy voahosotra ho zavaboary ara-panahy mandritra ny “fanatrehany”, ka handraisany azy ireo any an-danitra. (1 Tesalonianina 4:14-17) Izany dia mifanaraka amin’ny tenin’i Kristy tamin’ny apostoly nahatoky 11, hoe: “Raha handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo ho any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.”​—Jaona 14:3.

Nahoana izy io no mahasoa anao?

Tsy maintsy mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny fahatsiarovana ve, vao mandray soa amin’ny soron’i Jesosy ka hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany? Tsia. Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy ny hevitra hoe tsy maintsy hihinana ny mofo sy hisotro ny divay ireo olona matahotra an’Andriamanitra, toa an-dry Noa, Abrahama, Saraha, Isaka, Rebeka, Josefa, Mosesy, ary Davida, rehefa hatsangana eto an-tany. Tsy maintsy mino an’Andriamanitra sy Kristy anefa izy ireo sy izay rehetra maniry hiaina mandrakizay eto an-tany, ary tsy maintsy mino koa ny soron’i Jesosy ho vidim-panavotana, izay nomen’i Jehovah. (Jaona 3:36; 14:1) Tsy maintsy maneho finoana toy izany koa ianao mba hahazoana fiainana mandrakizay. Ny fanatrehanao ny fankalazana ny nahafatesan’i Kristy fanao isan-taona, dia hampahatsiahy anao an’izany sorona lehibe izany, sady hampitombo ny fankasitrahanao azy io.

Nanantitrantitra ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy ny apostoly Jaona, rehefa nilaza hoe: “Manoratra aminareo momba izany aho, [ry voahosotra namako], mba tsy hanotanareo. Raha misy anefa sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina. Izy no sorona fampihavanana noho ny fahotantsika, nefa tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao manontolo koa.” (1 Jaona 2:1, 2) Afaka milaza ireo voahosotra, fa fampihavanana manarona ny fahotan’izy ireo ny soron’i Jesosy. Sorona ho an’ny fahotan’izao tontolo izao koa anefa izy io, ka afaka mahazo fiainana mandrakizay ny olombelona mankatò!

Ho tonga hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ve ianao ny 4 Aprily 2004? Hankalaza azy io any amin’ny toeram-pivoriany ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Handre lahateny ara-baiboly tena mahaliana ianao raha tonga any. Hampahatsiahivina anao amin’izay, fa nanao zavatra be dia be ho antsika i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Hahasoa amin’ny lafiny ara-panahy koa ny fiarahana amin’ireo olona manaja lalina an’Andriamanitra sy Kristy ary ny soron’i Jesosy ho vidim-panavotana. Io fotoan-dehibe io dia mety tena hanamafy ny fanirianao hahazo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra, izay hahazoana fiainana mandrakizay. Aza avela hisy hahasakana anao àry. Tongava amin’io fankalazana mankahery io, izay manome voninahitra sy mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra.

[Sary, pejy 5]

Mifandray amin’ny fanehoam-pitiavana roa lehibe indrindra ny fahafatesan’i Jesosy

[Sary, pejy 6]

Mifanitsy tsara amin’ny vatan’i Jesosy tsy nisy ota sy ny ra nalatsany, ilay mofo tsy misy lalivay sy ny divay