Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ataovy ny Asan’ny Mpitory ny Vaovao Tsara”

“Ataovy ny Asan’ny Mpitory ny Vaovao Tsara”

“Ataovy ny Asan’ny Mpitory ny Vaovao Tsara”

“Aoka ianao ho mailo foana amin’ny zava-drehetra . . . ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara.”​—2 TIMOTY 4:5.

1. Inona no asa nanirahan’i Jesosy ny mpanara-dia azy?

AMBARA eran-tany ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany. Tontosa izany satria zava-dehibe amin’ny vahoakan’Andriamanitra vita fanoloran-tena, ilay asa nanirahan’i Jesosy Kristy ny mpanara-dia azy. Hoy izy: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’​—Matio 28:19, 20.

2. Inona no toromarika azon’i Timoty, izay mpiandraikitra? Ahoana no fomba anatanterahan’ny mpiandraikitra ankehitriny ny fanompoany?

2 Zava-dehibe tamin’ny mpianatr’i Jesosy voalohany io asa io. Izao, ohatra, no fampirisihan’ny apostoly Paoly an’i Timoty, izay mpiandraikitra toa azy: “Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.” (2 Timoty 4:5) Manatanteraka ny fanompoany ny mpiandraikitra ankehitriny, rehefa mazoto mitory ilay Fanjakana sy mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Ny mpiandraikitra Fianarana Boky, ohatra, dia manana tombontsoa mahafaly ho loha laharana amin’io asa io sy hampiofana ny hafa. Nanatontosa ny andraikiny hitory ny vaovao tsara i Paoly, sady nampiofana ny hafa teo amin’ny fanompoana.​—Asan’ny Apostoly 20:20; 1 Korintianina 9:16, 17.

Mpitory ny vaovao tsara nazoto tamin’ny andro fahiny

3, 4. Inona no zavatra niainan’i Filipo, mpitory ny vaovao tsara?

3 Nalaza ho nazoto nitory ny vaovao tsara ny Kristianina voalohany. Jereo, ohatra, i Filipo. Anisan’ireo ‘fito lahy tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena’ izy, ary voafidy hizara ara-drariny ny sakafo isan’andro ho an’ny mpitondratena, dia ireo vehivavy kristianina niteny hebreo sy niteny grika tany Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 6:1-6) Taorian’io fanompoana manokana io, dia niely noho ny fanenjehana ny Kristianina rehetra, afa-tsy ny apostoly, ka nankany Samaria i Filipo. Nitory ny vaovao tsara izy tany, ary nahazo hery avy tamin’ny fanahy masina mba hamoaka demonia, sy hanasitrana ny kilemaina sy ny nalemy. Maro ny Samaritanina nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka natao batisa. Rehefa ren’ny apostoly tany Jerosalema izany, dia nirahiny hankany ny apostoly Petera sy Jaona, mba handraisan’ny mpino vao vita batisa ny fanahy masina.​—Asan’ny Apostoly 8:4-17.

4 Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra i Filipo avy eo, mba hihaona tamin’ilay tandapa etiopianina teny an-dalana ho any Gaza. Nohazavain’i Filipo tsara taminy ny faminanian’i Isaia, ka nino an’i Jesosy Kristy sy natao batisa io “olona ambony teo ambany fahefan’i Kandasy mpanjakavavin’ny Etiopianina” io. (Asan’ny Apostoly 8:26-38) Taorian’izay, dia nankany Asdoda i Filipo, ary avy eo tany Kaisaria, sady “nitory ny vaovao tsara tamin’ny tanàna rehetra” teny an-dalana. (Asan’ny Apostoly 8:39, 40) Ohatra tsara tokoa izy teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara!

5. Inona no tena nahafantarana ny zanakavavin’i Filipo?

5 Mbola nazoto nanompo tany Kaisaria foana i Filipo, afaka 20 taona teo ho eo. “Nanan-janakavavy virjiny efatra naminany” izy, fony i Paoly sy Lioka nivahiny tao an-tranony. (Asan’ny Apostoly 21:8-10) Azo antoka fa nahazo fampiofanana tsara teo amin’ny lafiny ara-panahy ireo zanany ireo, sady nazoto nitory, ary naminany mihitsy aza. Ankehitriny, dia mety hisy vokany tsara eo amin’ny ankizy koa ny fahazotoan’ny ray aman-dreny eo amin’ny fitoriana. Ho voatosika hazoto hitory ny vaovao tsara mandritra ny androm-piainany izy ireo.

Mpitory ny vaovao tsara mazoto ankehitriny

6. Inona no fahombiazana azon’ny mpitory ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany?

6 Nilaza toy izao i Jesosy Kristy tao amin’ilay faminaniana lehibe momba ny androntsika sy ny fotoan’ny farany: “Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” (Marka 13:10) Ho tonga ny farany rehefa ho voatory “manerana ny tany onenana” ny vaovao tsara. (Matio 24:14) Maro no lasa mpino rehefa nitory ny vaovao tsara i Paoly sy ny olon-kafa tamin’ny taonjato voalohany. Lasa nisy fiangonana àry tany amin’ny faritra maro nanerana ny Fanjakana Romanina. Nitory ny vaovao tsara niaraka tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny ny anti-panahy voatendry teo anivon’ireny fiangonana ireny, sady nanitatra hatraiza hatraiza ny asa fitoriana. Nitombo sy nandresy hatrany ny tenin’i Jehovah tamin’izany andro izany. Toy izany koa ankehitriny, satria an-tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah mitory ny vaovao tsara. (Asan’ny Apostoly 19:20) Anisan’ireo mpidera falifaly an’i Jehovah ireo ve ianao?

7. Inona no ataon’ny mpitory ilay Fanjakana ankehitriny?

7 Maro amin’ireo mpitory ilay Fanjakana no manararaotra ny fahafahana handray anjara bebe kokoa amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ankehitriny. An’arivo no manao ny asa misionera, ary ana hetsy no mpisava lalana maharitra sy mpanampy, izany hoe mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Miasa tsara koa ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy, izay mazoto mitory ilay Fanjakana! Mahazo fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah tokoa ny vahoakany rehetra, rehefa manompo azy amim-piraisan-kina sy mitory ny vaovao tsara.​—Zefania 3:9.

8. Inona ilay asa fanisiana marika atao ankehitriny, ary iza no manao izany?

8 Nankinin’Andriamanitra tamin’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy ny andraikitra hitory ny vaovao tsara eran-tany. Manampy azy ireo hanatontosa izany ny ‘ondry hafan’i’ Kristy, izay tsy mitsaha-mitombo. (Jaona 10:16) Misy faminaniana milaza fa toy ny fanisiana marika ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana atao ankehitriny, io asa mamonjy aina io. Haringana tsy ho ela ny ratsy fanahy. Mandra-pahatongan’izany, dia tena voninahitra tokoa ny manambara ny fahamarinana mamonjy aina amin’ny mponin’ny tany!​—Ezekiela 9:4-6, 11.

9. Ahoana no azo anampiana ny vaovao eo amin’ny fanompoana?

9 Azo inoana fa afaka manampy ny vaovao eo anivon’ny fiangonana isika, raha efa elaela no mpitory ny vaovao tsara. Mety ho azontsika asaina hiaraka amintsika eny amin’ny fanompoana izy ireny indraindray. Ampirisihina ireo anti-panahy hanao izay rehetra azony atao mba hampaherezana ny mpiray finoana aminy. Tena manampy ny hafa hazoto hitory ny vaovao tsara sy hahita vokatra, ny ezaka mafy ataon’ny anti-panahy manetry tena.​—2 Petera 1:5-8.

Fitoriana isan-trano

10. Inona no ohatra navelan’i Kristy sy ny mpanara-dia azy voalohany teo amin’ny fanompoana?

10 Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, mpitory ny vaovao tsara. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fanompoan’i Kristy sy ny apostoliny: ‘Lasa nitety tanàna sy vohitra i Jesosy, ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary niaraka taminy ny roa ambin’ny folo lahy.’ (Lioka 8:1) Ary ahoana ny amin’ireo apostoly? Rehefa avy nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33 izy ireo, dia ‘tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.’​—Asan’ny Apostoly 5:42.

11. Inona no nataon’i Paoly rehefa nanao fanompoana izy, araka ny Asan’ny Apostoly 20:20, 21?

11 Nazoto nitory ny vaovao tsara ny apostoly Paoly, ka afaka nilaza tamin’ny anti-panahy tany Efesosy hoe: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.” ‘Nampianatra isan-trano’ i Paoly, kanefa olona efa mpanompon’i Jehovah ve no notsidihiny, na olona efa mpino no nanaovany fitsidihan’ny mpiandry? Tsia, satria manazava izy hoe: “Nanome fanazavana feno tamin’ny Jiosy sy ny Grika aho, momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika.” (Asan’ny Apostoly 20:20, 21) Amin’ny ankapobeny, dia tsy mila ampianarina momba ny “fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika” ireo efa nanolo-tena ho an’i Jehovah. Nampiofanin’i Paoly hitory isan-trano àry ireo anti-panahy tany Efesosy, tamin’izy nampianatra ny tsy mpino momba ny fibebahana sy ny finoana. Nanaraka ny modely navelan’i Jesosy izy tamin’izany.

12, 13. Inona no nataon’ny vahoakan’i Jehovah momba ny zony hitory, araka ny Filipianina 1:7?

12 Mety ho sarotra ny mitory isan-trano. Sosotra, ohatra, ny olona sasany rehefa tonga eo am-baravarany isika, mba hitondra ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Tsy te hanorisory ny olona isika. Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly anefa ny fitoriana isan-trano, ary manao azy io isika, satria tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. (Marka 12:28-31) Mba ‘hiarovana sy hanamafisana orina araka ny lalàna’ ny zontsika hitory isan-trano, dia nampiakatra raharaha maro tany amin’ny fitsarana isika, anisan’izany ny Fitsarana Tampony any Etazonia. (Filipianina 1:7) Saika nanome rariny antsika foana io fitsarana io. Mampiseho tsara izany ity didim-pitsarana ity:

13 “Fomba tranainy be fampiasan’ny misionera mpitory ny filazantsara ny fizarana trakta ara-pivavahana, ary azo lazaina hoe efa hatramin’ny andro nisian’ny fanontam-pirinty mihitsy aza. Io fomba io no hery lehibe ho an’ny fivavahana maro, nandritra ny taona maro nifandimby. Sekta maro no mampiasa betsaka an’io fomba fitoriana ny filazantsara io ankehitriny. Mitory ny Filazantsara any an-tranon’ny olona an’arivoarivony izy ireo, ary mitsidika olona mba hitaomana azy hanaraka ny finoany. . . . Mitovy amin’ny fotoam-pivavahana any am-piangonana sy ny toriteny eny ambony polipitra io asa ara-pivavahana io, araka ny Fanitsiana Voalohany [ny Lalàm-panorenan’i Etazonia].”​—Murdock miady amin’i Pennsylvania, 1943.

Nahoana no mbola mitory foana?

14. Inona no mety ho vokatry ny fanompoantsika eo amin’ny olona?

14 Misy antony maro tokony hitoriana isan-trano. Miezaka hamboly ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly isika, isaky ny mitory. Ary miezaka hanondraka izany isika, rehefa miverina mitsidika an’ilay tompon-trano. Mety hisy vokany tsikelikely amin’ilay olona izany, satria hoy i Paoly: “Izaho namboly, Apolosy nanondraka, fa Andriamanitra no tsy nitsahatra nampitombo.” (1 Korintianina 3:6) Koa aoka àry isika ‘hamboly sy hanondraka’ hatrany, ary hatoky fa i Jehovah no ‘hampitombo.’

15, 16. Nahoana isika no miverimberina mitsidika ny olona any an-tranony?

15 Mitory ny vaovao tsara isika, satria tandindomin-doza ny ain’ny olona. Afaka mamonjy ny tenantsika sy ireo mihaino antsika isika, rehefa mitory. (1 Timoty 4:16) Ho malaina hanampy olona iray ve isika, raha fantatsika fa tandindomin-doza ny ainy? Azo antoka fa tsia! Koa satria aina no vonjena, dia miverimberina mitsidika ny olona any an-tranony isika. Miovaova foana ny toe-javatra. Nisy fotoana angamba sahirana ny olona iray ka tsy nihaino, nefa mety ho vonona hihaino ny hafatry ny Baiboly izy amin’ny fotoana hafa. Mety hihaona amin’ny olon-kafa ao anatin’ilay fianakaviana isika, ary mety hitarika ho amin’ny fiaraha-midinika ara-baiboly izany.

16 Tsy ny toe-javatra misy ilay tompon-trano ihany no mety hiova, fa ny fihetsiny koa. Mety hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, ohatra, ny olona iray mijaly satria nisy maty ny havany. Irintsika ny hampionona azy, sy hanampy azy hahatsapa fa mila an’Andriamanitra izy, ary hampiseho aminy ny fomba anatonana azy.​—Matio 5:3, 4.

17. Inona no tena antony lehibe indrindra hitoriantsika?

17 Ny faniriantsika hampahafantatra ny anaran’i Jehovah anefa no tena antony lehibe indrindra hitoriantsika isan-trano, sy handraisantsika anjara amin’ny endri-panompoana hafa. (Eksodosy 9:16; Salamo 83:18) Mahafa-po tokoa ny asa fitoriantsika rehefa lasa mpidera an’i Jehovah ny olona tia ny rariny sy ny hitsiny! Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora,— samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.”​—Salamo 148:12, 13.

Mahasoa antsika tsirairay ny mitory ny vaovao tsara

18. Inona no soa raisintsika rehefa mitory ny vaovao tsara isika?

18 Be dia be ny soa azontsika tsirairay rehefa mitory ny vaovao tsara isika. Manampy antsika hanetry tena ny mitory ny vaovao tsara isan-trano, indrindra rehefa tsy raisina tsara isika. Mba hahombiazana amin’ny asa fitoriana, dia ilaintsika ny manahaka an’i Paoly, izay ‘tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra, mba hisy olona hovonjeny.’ (1 Korintianina 9:19-23) Manampy antsika hahay handanjalanja ny fanompoana. Manaraka ity torohevitr’i Paoly ity isika, rehefa miantehitra amin’i Jehovah sy mifidy tsara ny teny holazaintsika: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.”​—Kolosianina 4:6.

19. Hazavao ny fomba anampian’ny fanahy masina ny mpitory ny vaovao tsara.

19 Mahatonga antsika hiantehitra amin’ny fanahy masin’Andriamanitra koa ny fitoriana ny vaovao tsara. (Zakaria 4:6) Lasa misongadina eo amin’ny fanompoantsika kosa avy eo ny vokatr’izy io, toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Galatianina 5:22, 23) Misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olona izany, satria ny fanekena ny fitarihan’ny fanahy dia manampy antsika haneho fitiavana, ho falifaly, hanana fiadanan-tsaina, hahari-po sy ho tsara fanahy, hanao soa sy haneho finoana, ary halemy fanahy sy hifehy tena, eo am-panambarana ny vaovao tsara.

20, 21. Inona avy no fitahiana ho azontsika raha variana mitory ny vaovao tsara isika?

20 Anisan’ny fitahiana azontsika koa ny fahaiza-miara-miory amin’ny hafa. Tsy hanao sahala amin’ireo mpanome torohevitra eo amin’ity tontolo ity isika, rehefa ilazan’ilay olona itoriana ny manjo azy, toy ny aretina, tsy fananana asa na olana ao an-tokantrano. Mampiseho aminy andinin-teny mampahery sy mampionona kosa isika. Ahintsika ireo olona hajambaina eo amin’ny lafiny ara-panahy nefa toa tia ny rariny. (2 Korintianina 4:4) Ary tena mahafaly mihitsy ny manome fanampiana ara-panahy an’ireo olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’​—Asan’ny Apostoly 13:48.

21 Manampy antsika hifantoka amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa ny fitoriana tsy tapaka ny vaovao tsara. (Lioka 11:34) Tena mahasoa tokoa izany, satria raha tsy izany dia mety halaim-panahy hikatsaka harena isika, araka izay fahita eto amin’ity tontolo ity. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Jaona hoe: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray, satria ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:15-17) Tsy ho tia an’izao tontolo izao isika, raha variana mitory ny vaovao tsara sy be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.​—1 Korintianina 15:58.

Manangòna harena any an-danitra

22, 23. a) Inona no harena angonin’ny mpitory ny vaovao tsara? b) Hanampy antsika hanao inona ny lahatsoratra manaraka?

22 Mitondra soa maharitra ny fahazotoana mitory ilay Fanjakana. Nampiseho izany i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Aza manangona harena ho anareo etỳ an-tany intsony, izay misy bibikely sy harafesina manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Fa manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Fa izay misy ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”​—Matio 6:19-21.

23 Enga anie isika tsy hitsahatra hanangona harena any an-danitra, satria fantatsika fa tsy misy voninahitra lehibe kokoa noho ny hoe Vavolombelona misolo tena an’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony. (Isaia 43:10-12) Mety hahatsapa toa an’ity vehivavy kristianina maherin’ny 90 taona ity isika, rehefa manatanteraka ny asa nanirahana antsika mpanompon’Andriamanitra. Izao no nolazainy momba ireo taona maro nanompoany an’Andriamanitra: “Misaotra an’i Jehovah foana aho noho izy nanaiky ahy ho mpanompony nandritra izay taona maro izay, na dia teo aza ny fahalemeko. Mivavaka mafy aho mba ho izy no Raiko be fitiavana mandrakizay.” Azo antoka fa tiantsika hatao tsara ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, raha ankamamintsika toy izany koa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Hanampy antsika hahita ny fomba hanatanterahana tsara ny fanompoantsika, ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tokony hanao ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara?

• Inona no azo lazaina momba ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, fahiny sy ankehitriny?

• Nahoana isika no mitory isan-trano?

• Inona no soa raisinao rehefa manao ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Misy mpitory ny vaovao tsara falifaly toa an-dry Filipo sy ny zanany vavy koa ankehitriny

[Sary, pejy 14]

Inona no soa raisinao rehefa mitory ny vaovao tsara?