Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Be Voninahitra Noho ny Tendrombohitra Ianao’

‘Be Voninahitra Noho ny Tendrombohitra Ianao’

Ny Hakanton’ny Zavaboarin’i Jehovah

‘Be Voninahitra Noho ny Tendrombohitra Ianao’

TSY hay hadinoina mihitsy ny mitazana ny masoandro miposaka avy eo an-tampon’ny Tendrombohitra Fuji. Mibaliaka avy eny amin’ny faravodilanitra ny masoandro mena midorehitra, ka mampamirapiratra ireo orampanala fotsy sy vatolampy miloko volondavenona. Tonga hatrany amin’ny kilaometatra maro ny alok’ilay tendrombohitra, ary mandrakotra havoana sy lohasaha maro.

“Tsy manan-tsahala” no dikan’ny hoe Fuji. Mahavariana antsika foana ny tendrombohitra manerinerina toy ireny. Mety hahatsiaro tena ho bitika mihitsy aza isika rehefa mahita ny haben’izy ireny! Kanto aoka izany ny tendrombohitra, ka maro no mino fa fonenan’ireo andriamanitra ny tendrony avo indrindra amin’izy ireny, izay mazàna no rakotry ny zavona sy rahona.

I Jehovah, ilay Mpamorona tena mahay anefa, no hany Andriamanitra mahazo dera noho ireny tendrombohitra avo ireny. Izy ihany no “Ilay mamorona ny tendrombohitra.” (Amosa 4:13) Efa ho ny ampahefatry ny tany no feno tendrombohitra. Nisy hery napetrak’Andriamanitra tao anatin’ny tany tamin’izy namorona azy io, ka izany no nampisy ireo tendrombohitra avo sy tandavan-tendrombohitra. (Salamo 95:4) Voalaza, ohatra, fa ny fiakaran’ny vato avy any ambanin’ny tany sy ny fihetsehan’ireo sosona nofon-tany, no nampisy ny tandavan-tendrombohitr’i Himalaya sy Andes.

Tsy fantatsika tsara ny fomba sy ny antony niforonan’ny tendrombohitra. Azo antoka àry fa tsy ho haintsika ny hamaly ireto fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamin’ilay olo-marina atao hoe Joba ireto: “Taiza ary hianao, fony Aho [Jehovah] nanorina ny tany? . . . Teo amin’inona no nanorenana ny vodi-andriny?”​—Joba 38:4-6.

Fantatsika kosa, fa miankina amin’ny tendrombohitra ny fiainantsika. Nantsoina hoe siniben-dranon’ny natiora ny tendrombohitra, satria rano avy amin’ireo loharanony no mameno an’ireo renirano lehibe rehetra. Rano avy any koa no sotroin’ny antsasaky ny mponina eto an-tany. (Salamo 104:13) Milaza ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) fa “avy any an-tendrombohitra ny enina amin’ireo zavamaniry 20 fihinan’ny olona matetika.” Hihatsara indray ny tontolo iainana ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ka “hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.”​—Salamo 72:16; 2 Petera 3:13.

Ny tandavan-tendrombohitra, toa an’i Alpes, any Eoropa, no tonga ao an-tsain’ny olona maro, rehefa miresaka hoe tendrombohitra. Anisan’ny tendrombohitra ao aminy i Civetta, hita eto amin’ny sary. Porofo mahatalanjona ny amin’ny fisian’ny Mpamorona ny tandavan-tendrombohitr’i Alpes. (Salamo 98:8) Midera an’i Jehovah, ilay “mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny” izy io.​—Salamo 65:6. *

Mahatalanjona tokoa ny hakanton’i Alpes. Rakotry ny orampanala ny faritra avo indrindra sy ny faritra mitomandavana ary ny tehezan’izy io. Misy lohasaha sy farihy ary lemaka feno ahitra koa manodidina azy io. I Jehovah no nolazain’i Davida Mpanjaka fa “mampaniry ahitra ny tendrombohitra.”​—Salamo 147:8.

Mety tsy dia hanaitra loatra toa an’ireo tandavan-tendrombohitr’i Alpes ny havoana mitomandavana, tahaka ireto any Guilin, Chine, ireto, nefa tena tsara tarehy koa izy ireny. Mahavariana ny mpitsidika tokoa ny hakanton’ireo vatosokay avo sy maranidranitra manamorona ny Reniranon’i Li. Ny fahitana ny rano madio mangalahala mikoriana eny anelanelan’ireo havoana rakotry ny zavona ireo, dia mety hahatonga ao an-tsaina ilay tenin’ny mpanao salamo hoe: “Mampandeha loharano eny amin’ny lohasaha Izy [Jehovah]; eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny.”​—Salamo 104:10.

Tsy mahagaga raha mahatalanjona antsika ny tendrombohitra. Ekentsika mantsy fa anisan’ireo zavatra tsara avy amin’ny Mpamorona izy ireny. Nomeny antsika amim-pitiavana izy ireny mba hahasoa sy hahafaly antsika olombelona. Tsy be voninahitra toa an’i Jehovah anefa ny tendrombohitra, na dia mety ho goavana aza. Tena ‘be voninahitra noho ny tendrombohitra’ tokoa i Jehovah.​—Salamo 76:4, fanamarihana ambany pejy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004, Martsa/Aprily.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Olona iray isaky ny folo no mipetraka any amin’ny faritra be tendrombohitra. Tsy vato misakana tsy azo resena anefa izany ho an’ireo manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Be atao amin’ny fanompoana ireny mpitory kristianina ireny, eny amin’ireo faritra avo. ‘Akory àry ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena!’​—Isaia 52:7.

Nihira ny mpanao salamo hoe: “Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osi-dia.” (Salamo 104:18) Ny osidia, izay manana tandroka hafakely, no iray amin’ireo biby tsy mora mianjera indrindra amin’ny biby rehetra any an-tendrombohitra. Afaka mandehandeha eny amin’ireo moron-tevana tery kely izy. Toa tsy azo aleha ny fijery ireny toerana ireny. Efa natao hipetraka sy hahay handehandeha eny anefa ny osidia. Anisan’ny mahatonga azy hahavita izany ny firafitry ny kitrony. Afaka mamikitra mafy izy, rehefa mijoro na mandeha eny amin’ny moron-tevana tery, satria afaka misokatra ilay vaky eo amin’ny kitrony. Tena noforonina tamin’ny fomba miavaka tokoa ny osidia!

[Sary, pejy 9]

Tendrombohitra Fuji, any Honshu, Japon