Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fankalazana Mahasoa Anao

Fankalazana Mahasoa Anao

Fankalazana Mahasoa Anao

NANOMBOKA fankalazana iray manome voninahitra an’Andriamanitra i Jesosy Kristy, tamin’izy teto an-tany. Io ihany no fety ara-pivavahana nolazainy mivantana hoe tsy maintsy hankalazain’ny mpanara-dia azy. Izany dia ny Sakafo Harivan’ny Tompo, izay antsoina koa hoe Fanasan’ny Tompo.

Alao sary an-tsaina hoe nahita ny zava-niseho tamin’io takariva io ianao. Niara-nivory tao amin’ny efitra iray ambony rihana tao Jerosalema i Jesosy sy ny apostoliny. Hankalaza ny Paska jiosy no nivorian’izy ireo tao. Avy nihinana ny Paska mahazatra izy ireo, izany hoe ny zanak’ondry natsatsika sy ny anana mangidy, ary ny mofo tsy misy lalivay sy ny divay mena. Efa nasaina nandeha i Jodasy Iskariota, ilay apostoly tsy nahatoky, ary tsy ho ela izy dia hamadika ny Tompony. (Matio 26:17-25; Jaona 13:21, 26-30) I Jesosy irery sisa no teo niaraka tamin’ny apostoliny nahatoky 11, anisan’izany i Matio.

Toy izao no nataon’i Jesosy rehefa nankalaza voalohany ny Sakafo Harivan’ny Tompo, araka ny fitantaran’i Matio, vavolombelona nanatri-maso: “Nandray mofo [tsy misy lalivay] i Jesosy. Ary rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso, ka hano. Ity no vatako.’ Nandray kaopy [nisy divay] koa izy, ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: ‘Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity no rako, dia “ny ran’ny fifanekena” izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.’”​—Matio 26:26-28.

Nahoana i Jesosy no nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo? Nahoana izy tamin’izay no nampiasa mofo tsy misy lalivay sy divay mena? Tokony hihinana sy hisotro izany ve ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra? Isaky ny inona no tokony hankalazaina io Sakafo Harivan’ny Tompo io? Tena mahasoa anao ve ny fankalazana azy io?