Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona ilay zava-nitranga ao amin’ny Eksodosy 4:24-26, ary ny ain’iza no notandindomin-doza?

Izao no nitranga tamin’i Mosesy sy Zipora vadiny ary Gersoma sy Eliezera zanany lahy, raha teny an-dalana ho any Ejipta izy ireo: “Nony tany an-dàlana tao amin’ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy. Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ny fandatsahan-dra hianao. Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin’ny fandatsahan-dra hianao, noho ny fora.” (Eksodosy 4:20, 24-26) Misy fanazavana sasany ihany omen’ny Baiboly, na dia tsy mora azo aza ireo andininy ireo, ary tsy azo antoka tanteraka ny tena hevitr’izy ireo.

Tsy tena faritan’ilay fitantarana hoe ny ain’iza no notandindomin-doza. Afaka manatsoaka hevitra anefa isika fa tsy ny ain’i Mosesy ilay izy, satria vao avy nirahin’Andriamanitra hitarika ny Israelita hivoaka an’i Ejipta izy. (Eksodosy 3:10) Toa sarotra ny hino fa nikasa hamono azy ny anjelin’Andriamanitra, raha teny an-dalana hanatanteraka an’ilay iraka izy. Tsy maintsy ho ny ain’ny iray tamin’ireo zanany lahy àry izany. Izao no ambaran’ilay lalàna momba ny famorana, izay nomena an’i Abrahama talohan’izay: “Ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.” (Genesisy 17:14) Toa nanao tsirambina i Mosesy ka tsy noforany ny zanany lahy, ary izany no saika namonoan’ny anjelin’i Jehovah an’io zanany io.

Rehefa nanandrana nanitsy ilay fahadisoana i Zipora ka namora ny zanany, tongotr’iza no nokasihiny tamin’ilay hoditra nesoriny? Ilay anjelin’i Jehovah no afaka namono ilay zaza tsy voafora. Mazava ho azy àry, fa ny tongotr’ilay anjely no nokasihiny tamin’ilay hoditra, mba hanaporofoany fa efa narahina ilay fifanekena.

Hafakely ilay tenin’i Zipora hoe: “Vady azo amin’ny fandatsahan-dra hianao.” Inona no asehon’izy io momba an’i Zipora? Nekeny ny hifandray akaiky tamin’i Jehovah, satria nankatoaviny izay notakin’ny fifanekena momba ny famorana. Izao koa no hita avy tamin’ilay fifaneken’ny Lalàna nataon’ny Israelita tatỳ aoriana: Misy fifandraisana toy ny an’ny mpivady eo amin’ireo manao fifanekena, ka azo atao amin’izay ny mihevitra an’i Jehovah ho lehilahy vady, ary ilay andaniny mifanaiky aminy no vadiny. (Jeremia 31:32) Toa nampiseho ny fankatoavany an’izany àry i Zipora, rehefa niantso an’i Jehovah (tamin’ny alalan’ilay anjely nisolo tena azy) hoe “vady azo amin’ny fandatsahan-dra.” Toy ny hoe nanaiky handray ny toeran’ny vehivavy vady izy tao amin’ilay fifanekena momba ny famorana, ary i Jehovah no vadiny. Na ahoana na ahoana, dia tsy notandindomin-doza intsony ny ain’ny zanany satria nanao zavatra hentitra mba ho fankatoavana izay notakin’Andriamanitra izy.