Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Eksodosy

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Eksodosy

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Eksodosy

TANTARA marina momba ny nanafahana an’ireo nandevozina teo ambany fitondrana jadona ny bokin’ny Eksodosy. (Eksodosy 1:13) Tantara mampientam-po momba ny fahaterahan’ny firenena iray koa izy io. Anisan’ny mampiavaka azy io, ireo fahagagana mahatalanjona sy lalàna tena tsara ary fanorenana ny tranolay. Izany, raha fintinina, no hitantsika ao amin’ny bokin’ny Eksodosy.

I Mosesy, mpaminany hebreo, no nanoratra ny Eksodosy. Tantarainy ao ny zavatra niainan’ny Israelita nandritra ny 145 taona, izay nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Josefa tamin’ny 1657 T.K., ka hatramin’ny nahavitan’ny tranolay tamin’ny 1512 T.K. Tsy zava-mahaliana ara-tantara fotsiny anefa izy io, fa anisan’ny tenin’Andriamanitra, na hafatra ho an’ny olombelona mihitsy, satria “velona sy mahery.” (Hebreo 4:12) Tena misy heviny ho antsika àry io boky io.

‘NANDRE NY FITARAINANY ANDRIAMANITRA’

(Eksodosy 1:1–4:31)

Nitombo haingana be ny isan’ny taranak’i Jakoba tany Ejipta, ka namoaka didy nampanao azy ireo ho andevo ny mpanjaka. Nandidy ny hamonoana ho faty ny zazalahy kely israelita rehetra mihitsy aza i Farao. Tsy niharan’izany i Mosesy, zazalahy kely telo volana, izay natsangan’ny zanakavavin’i Farao. Notezaina tao amin’ny ankohonan’ny mpanjaka i Mosesy, nefa niandany tamin’ny fireneny izy, ka namono Ejipsianina iray, tamin’izy 40 taona. (Asan’ny Apostoly 7:23, 24) Voatery nandositra izy ka nankany amin’ny tany Midiana. Nanambady izy tany, ary lasa mpiandry ondry. Rehefa teo amin’ilay hazo nirehitra tamin’ny fomba mahagaga i Mosesy, dia nirahin’i Jehovah izy mba hiverina tany Ejipta ary hanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozana. Voatendry ho mpitondra teniny i Arona rahalahiny.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:1—Nahoana no lazaina hoe mpisorona i Jetro? Mpisorona ho an’ny fianakaviany ny raim-pianakaviana, taloha. Miharihary fa raim-pianakaviana teo amin’ny foko iray an’ny Midianina i Jetro. Angamba nahafantatra ny fivavahana tamin’i Jehovah ihany ny Midianita, satria taranak’i Abrahama avy amin’i Ketora izy ireo.​—Genesisy 25:1, 2.

4:11—Inona no tiana hambara amin’ny hoe ‘mampahamoana sy mampaharenina ary mampahajamba’ i Jehovah? Efa nahatonga olona ho jamba sy moana i Jehovah, nefa tsy izy no tompon’andraikitra amin’ny kilema ara-batana rehetra toy ireny. (Genesisy 19:11; Lioka 1:20-22, 62-64) Vokatry ny fahotana nolovana izy ireny. (Joba 14:4; Romanina 5:12) Azon’Andriamanitra atao anefa ny milaza hoe mampahamoana sy mampaharenina ary mampahajamba izy, satria avelany hisy izany.

4:16—Inona no dikan’ny hoe “ho solon’Andriamanitra” ho an’i Arona i Mosesy? Nisolo tena an’Andriamanitra i Mosesy. Lasa toy ny hoe “Andriamanitra” ho an’i Arona àry izy, ary i Arona kosa no mpitondra teniny.

Lesona ho antsika:

1:7, 14Nanampy ny vahoakany nampahorina tany Ejipta i Jehovah. Tohanan’i Jehovah toy izany koa ny Vavolombelony ankehitriny, na dia iharan’ny fanenjehana mafy aza izy ireo.

1:17-21Tsaroan’i Jehovah isika, ary ‘hasoaviny.’—Nehemia 13:31.

3:7-10Ren’i Jehovah ny fitarainan’ny vahoakany ary manao zavatra izy.

3:14. Tena vitan’i Jehovah ny manatanteraka ny fikasany. Afaka matoky àry isika, fa hotanterahiny ireo fanantenantsika miorina amin’ny Baiboly.

4:10, 13Tena tsy natoky ny fahaizany mandaha-teny i Mosesy, na dia efa nanome toky azy aza Andriamanitra fa hanampy azy. Nitalaho tamin’Andriamanitra àry izy mba haniraka olon-kafa hiresaka tamin’i Farao. Mbola nampiasa an’i Mosesy anefa i Jehovah, ary nanome azy ny fahendrena sy tanjaka nilaina mba hanatontosana ny asa nanendrena azy. Tsy hifantoka amin’ny tsy fahaizantsika isika, fa hitoky amin’i Jehovah kosa, ka hanatanteraka amim-pahatokiana ny fitoriana sy fampianarana asaina ataontsika.​—Matio 24:14; 28:19, 20.

AFAKA NOHO IREO FAHAGAGANA MAHATALANJONA

(Eksodosy 5:1–15:21)

Niseho teo anatrehan’i Farao i Mosesy sy Arona, ary nangataka taminy mba hamela ny Israelita hankalaza fety ho an’i Jehovah tany an-tany efitra. Nanda mafy ilay mpitondra ejipsianina. Nampiasain’i Jehovah i Mosesy mba hahatonga ireo loza nifanesy. Taorian’ny loza fahafolo, vao navelan’i Farao handeha ny Israelita. Nanenjika mafy azy ireo indray anefa izy sy ny miaramilany, taoriana kelin’izay. Nanokatra lalana teo amin’ny Ranomasina Mena anefa i Jehovah, ary namonjy ny vahoakany. Maty an-drano ny Ejipsianina satria nandrakotra azy ireo ilay ranomasina.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

6:3—Inona no tiana hambara amin’ny hoe tsy mbola fantatr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ny anaran’Andriamanitra? Nampiasa ny anaran’Andriamanitra izy ireo, sady nahazo fampanantenana avy tamin’i Jehovah. Mbola tsy takany na hitany anefa hoe i Jehovah no ilay nahatonga ireny fampanantenana ireny ho tanteraka.​—Genesisy 12:1, 2; 15:7, 13-16; 26:24; 28:10-15.

7:1—Nahoana i Mosesy no lazaina fa ‘Andriamanitra ho an’i Farao’? Nomen’Andriamanitra hery sy fahefana teo amin’i Farao i Mosesy, ka tsy nila natahotra an’io mpanjaka io.

7:22—Taiza no nahazoan’ireo mpisorona ejipsianina rano tsy voaova ho ra? Mety ho rano nalaina avy teo amin’ny Reniranon’i Nil, talohan’io loza io, no nampiasainy. Toa azo natao koa ny nahazo rano madio, rehefa nihady lavadrano teo amin’ny tany mando akaikin’ilay renirano.​—Eksodosy 7:24.

8:22, 23—Nahoana i Mosesy no nilaza fa fady tamin’ny Ejipsianina ny fanatitry ny Israely? Biby maro no nivavahana tany Ejipta. Ny firesahana momba ny fanaovana azy ireny ho fanatitra àry, dia nanamafy ny antony tokony hamelana ny Israelita handeha lavitra mba hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah.

12:29—Ny voalohan-teraka rehetra ve no novonoina? Ny lahy ihany no tafiditra tamin’ilay hoe voalohan-teraka. (Nomery 3:40-51) Lahimatoa i Farao nefa tsy novonoina, satria nanana ankohonana izy. Ny lahimatoa tao amin’ny fianakaviana no maty niharan’ny loza fahafolo, fa tsy ny raim-pianakaviana.

12:40—Firy taona no nipetrahan’ny Israelita tany amin’ny tany Ejipta? Tafiditra amin’ireo 430 taona resahina eo, ny fotoana lanin’ny zanak’Israely tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana. Niampita ny Reniranon’i Eofrata mba ho any Kanana, i Abrahama (75 taona), tamin’ny 1943 T.K. (Genesisy 12:4) Lasa àry ny 215 taona, nanomboka teo ka hatramin’ilay fotoana nidiran’i Jakoba (130 taona) tany Ejipta. (Genesisy 21:5; 25:26; 47:9) Midika izany fa 215 taona koa no lanin’ny Israelita tany Ejipta.

15:8—Nivaingana toy ny gilasy ve ny rano teo amin’ny Ranomasina Mena izay nolazaina fa “nandry”? Ny matoanteny hebreo nadika hoe “nandry” dia midika hoe nifintina na tonga narihitra. Nampiasaina tamin’ny ronono mandry io teny io, ao amin’ny Joba 10:10. Tsy voatery hidika hoe nivaingana toy ny gilasy àry ny hoe nandry. Tsy maintsy ho nisy resaka hatsiaka be koa, raha tena nangatsiaka be ilay “rivotra mahery avy any atsinanana” lazain’ny Eksodosy 14:21, ka ho afaka nampivaingana ny rano. Nivaingana toy ny gilasy no fahitana ny rano, satria tsy nisy zavatra taza-maso nihazona azy.

Lesona ho antsika:

7:14–12:30. Tsy fifanandrifian-javatra fotsiny akory ireo Loza Folo, fa efa nolazaina mialoha, sady nifanaraka tsara tamin’izay voalaza. Asehon’izany mazava tsara fa voafehin’ny Mpamorona ny rano, ny tara-masoandro, ny bibikely, ny biby hafa, ary ny olona. Asehon’izany koa, fa hain’Andriamanitra ny mahatonga loza ho an’ny fahavalony sady miaro ny mpivavaka aminy.

11:2; 12:36. Mitahy ny vahoakany i Jehovah. Nataony azo antoka fa hahazo valisoa izy ireo noho ny asa mafy nataony tany Ejipta. Olona afaka izy ireo no niditra tao amin’ilay tany, fa tsy babo an’ady handevozina akory.

14:30. Matoky isika fa hanafaka ireo mpivavaka aminy i Jehovah, mandritra ilay “fahoriana lehibe” ho avy.​—Matio 24:20-22; Apokalypsy 7:9, 14.

NANDAMINA FIRENENA IRAY MANAIKY AZY HO MPITONDRA FARA TAMPONY I JEHOVAH

(Eksodosy 15:22–40:38)

Nitoby teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita, roa volana mahery taorian’ny nanafahana azy tany Ejipta. Teo no nandraisany ny Didy Folo sy ireo lalàna hafa, nanaovany fifanekena tamin’i Jehovah, ary nahatongavany ho firenena manaiky an’i Jehovah ho mpitondra fara tampony. Nandany 40 andro tany an-tendrombohitra i Mosesy, mba handraisana ireo toromarika momba ny fivavahana marina sy ny fanorenana ny tranolain’i Jehovah, dia ilay tempoly azo nafindrafindra. Nanao ombilahikely volamena ny Israelita teo am-piandrasana azy, ary nivavaka tamin’izy io. Romotry ny hatezerana i Mosesy rehefa nidina ka nahita izany. Novakivakiny ireo takela-bato roa nomen’Andriamanitra azy. Nananika ilay tendrombohitra indray i Mosesy, ary nomena takelaka vaovao, rehefa avy nahazo ny sazy mendrika azy, ireo mpanao ratsy. Natomboka ny fanorenana ny tranolay raha vao tafaverina izy. Vita tamin’ny faran’ny taona voalohany nanafahana ny Israely io tranolay miavaka io sy ny kojakojany rehetra, ka natsangana. Avy eo, dia nofenoin’i Jehovah ny voninahiny ilay izy.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

20:5—Nahoana no lazaina fa “mamaly ny heloky ny ray” amin’ireo taranaka ho avy i Jehovah? Tsaraina araka ny fitondran-tenany sy ny fihetsiny ny olona iray, rehefa tonga olon-dehibe izy. Nanjary nanompo sampy anefa ny firenen’Israely ka nizaka ny vokany, izy sy ireo taranany tatỳ aoriana. Nahatsapa ny vokatr’izany, na dia ireo Israelita nahatoky aza. Nampahasarotra ny fitoerany ho tsy mivadika ny fivadiham-pinoan’ilay firenena.

23:19; 34:26—Inona no hevitr’ilay hoe “aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny”? Fanaon’ny mpanompo sampy, hono, ny mahandro zanak’osy (na zanaka biby hafa) amin’ny rononon-dreniny mba hampisy orana. Natao ho sakafon’ny zanany ny rononon-dreny. Habibiana koa ny fandrahoana zanaka biby amin’ny rononon-dreniny, satria tokony ho sakafony ilay ronono. Nanampy ny vahoakan’Andriamanitra hangoraka io lalàna io.

23:20-23—Iza ilay anjely resahina eto, ary nahoana no lazaina fa “ao aminy” ny anaran’i Jehovah? Azo inoana fa i Jesosy talohan’ny nahatongavany ho olombelona io anjely io. Nampiasaina mba hitari-dalana ny Israelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina izy. (1 Korintianina 10:1-4) Ao amin’i Jesosy ny anaran’i Jehovah, satria mitana toerana lehibe eo amin’ny fanandratana sy ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy izy.

32:1-8, 25-35—Nahoana i Arona no tsy voasazy noho ny nanamboarany an’ilay ombilahikely volamena? Tsy nanaiky an’ilay fanompoan-tsampy i Arona. Toa niaraka tamin’ny Levita hafa izy, tatỳ aoriana, rehefa niandany tamin’Andriamanitra sy nanohitra an’ireo tsy nanaiky an’i Mosesy izy ireo. Nampahatsiahivin’i Mosesy ny vahoaka taorian’ny namonoana ireo olo-meloka, fa nanao fahotana lehibe izy ireo. Midika izany fa ankoatra an’i Arona, dia nisy hafa koa nahazo ny famindram-pon’i Jehovah.

33:11, 20—Ahoana no nitenenan’Andriamanitra “nifanatrika” tamin’i Mosesy? Manondro resaka ifanaovan’ny mpinamana io teny io. Niresaka tamin’ilay nisolo tena an’Andriamanitra i Mosesy, ary nolazain’io tamin’i Mosesy kosa ireo toromarika avy tamin’i Jehovah. Tsy nahita an’i Jehovah anefa i Mosesy, satria ‘tsy misy olona mahita an’Andriamanitra ka ho velona.’ Tsy niresaka mivantana tamin’i Mosesy i Jehovah. Milaza ny Galatianina 3:19 fa ‘nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely ny lalàna, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray.’

Lesona ho antsika:

15:25; 16:12. Mikarakara tsara ny vahoakany i Jehovah.

18:21. Tsy maintsy ho lehilahy mahay, matahotra an’Andriamanitra, mendri-pitokisana, ary tsy tia tena koa, ireo rahalahy voatendry ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina.

20:1–23:33. I Jehovah no Mpanome Lalàna lehibe indrindra. Rehefa nankatò ny lalàny ny Israelita, dia nilamina tsara ny fanompoany, ary nahita fifaliana izy ireo. Manana fandaminana tena tsara i Jehovah ankehitriny. Ho sambatra sy hilamin-tsaina isika raha miara-miasa amin’izy io.

Tena mahakasika antsika izy io

Inona no ahariharin’ny bokin’ny Eksodosy momba an’i Jehovah? Miresaka an’i Jehovah ho Mpamelona be fitiavana sy Mpanafaka tsy manam-paharoa ary Mpanatanteraka ny fikasany io boky io. Izy koa no ilay Andriamanitra mandamina ny vahoakany hanaiky azy ho Mpitondra Fara Tampony.

Hanohina lalina ny fonao izay ianaranao avy amin’ny Eksodosy, rehefa manomana ny Sekolin’ny Fanompoana ianao, ka manao ny famakiana Baiboly isan-kerinandro. Hahatakatra ny hevi-dalina fonosin’ny andalan-teny sasany ianao, raha mandinika izay voalaza eo amin’ilay hoe “Valin’ny fanontaniana ara-baiboly.” Ho hitanao koa ny fomba andraisan-tsoa avy amin’ireo toko asaina vakinao mandritra ny herinandro, eo ambanin’ilay hoe “Lesona ho antsika.”

[Sary, pejy 24, 25]

Nirahin’i Jehovah i Mosesy, mba hanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozana

[Sary, pejy 25]

Asehon’ireo Loza Folo fa voafehin’ny Mpamorona, ny rano, ny tara-masoandro, ny bibikely, ny biby hafa, ary ny olona

[Sary, pejy 26, 27]

Nalamin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy ny Israelita, ka tonga firenena manaiky azy ho Mpitondra Fara Tampony