Nanova Tanteraka An’i Eoropa ny Fifaneken’i Westphalie
Nanova Tanteraka An’i Eoropa ny Fifaneken’i Westphalie
“MAHALANA dia mahalana vao mba misy solontenam-panjakana Eoropeanina, tafavory maro be toy izao.” Tamin’ny Oktobra 1998 no nilaza ireo teny ireo i Roman Herzog, izay efa Prezidàn’ny Repoblika Federalin’i Alemaina. Ireto avy no anisan’ny teo, tamin’izy nanao io lahateny io: mpanjaka efatra, mpanjakavavy efatra, printsy roa, andrian-dehibe iray, ary prezidà maromaro. Ny Filan-kevitra Eoropeanina no nikarakara an’io fihaonam-be io, ary io no zava-niseho niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’i Alemaina, tato anatin’ireo 50 taona farany. Inona anefa no anton’io fivoriana io?
Feno 350 taona tamin’ny Oktobra 1998 ny Fifaneken’i Westphalie. Matetika no mitondra fiovana lehibe eo amin’ny tantara ny fifanekem-pihavanana. Izany tokoa no izy raha ny amin’ny Fifaneken’i Westphalie. Nifarana ny Ady Telopolo Taona rehefa nosoniavina io fifanekena io tamin’ny 1648, ary niforona ny kontinantan’i Eoropa, izay misy ireo fanjakana mahaleo tena ankehitriny.
Nihozongozona ny fahefana tranainy
Ny Eglizy Katolika Romanina sy ny Empira Romanina no tena nifehy an’i Eoropa, nandritra ny Moyen Âge. Faritany an-jato nanana velarana samihafa no tao amin’io fanjakana lehibe io. Eo amin’ny misy an’i Aotrisy, Repoblika Tseky, faritra atsinanan’i Frantsa, Alemaina, Soisa, Belzika, Luxembourg, Holandy, ary tapany sasany amin’i Italia ankehitriny no nisy azy io. Nantsoina hoe Empira Romanina Masin’ny Firenena Alemà izy io, satria i Alemaina no faritany lehibe indrindra tao aminy. Printsy no nanjaka tamin’ny faritany tsirairay. Katolika ilay Emperora, ary avy tamin’ny fianakaviana Habsbourg, avy any Aotrisy. Nifehy tanteraka an’i Eoropa àry ny Eglizy Katolika, noho ny fahefan’ny papa sy noho ny fanjakana nitondra.
Nihozongozona anefa izany nandritra ny taonjato faha-16 sy faha-17. Betsaka mantsy no sosotra, satria nanampatra ny fahefany ny Eglizy Katolika. Nanantitrantitra ny fiverenana indray ho amin’ny fitsipiky ny Baiboly, ny mpitondra fanavaozana toa an’i Martin Luther sy Jean Calvin. Maro no nanohana an’i Luther sy Calvin, ka nipoitra ny Fanavaozana Protestanta sy ireo fiangonana Protestanta. Nizara telo ny finoana tao amin’ilay fanjakana noho ny Fanavaozana: Katolika, Loteranina, ary Kalvinista.
Tsy nifampatoky mihitsy ny Katolika sy ny Protestanta, hany ka niforona ny Fikambanana Protestanta sy ny Vondrona Katolika, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-17. Niditra tao amin’ny Fikambanana ny printsy sasany, fa tao amin’ny Vondrona kosa ny hafa. Nihahenjana ny tady tany Eoropa, indrindra fa tao amin’ilay fanjakana lehibe, ka na zavatra kely fotsiny aza dia efa ampy hiteraka korontana tsy roa aman-tany. Nitranga tokoa izany tamin’ny farany, ary nanomboka ilay ady naharitra 30 taona.
Pitik’afo nahakila an’i Eoropa
Nanandrana nandresy lahatra an’ireo Habsbourg Katolika ny Protestanta, mba hampitombo ny fahalalahana ara-pivavahana. Vao mainka anefa izany nihena, ary nisy fiangonana Loteranina roa nakatona tany Bohême (Repoblika Tseky), teo antenatenan’ny 1617 sy 1618.
Tohina ny hambom-pon’ireo andriana Protestanta ka nidiran’izy ireo an-keriny ny lapa iray tany Prague, nosamboriny ny tompon’andraikitra Katolika telo, ka natsipiny avy teny am-baravarankely ambony rihana. Io pitik’afo io no nandoro tanteraka an’i Eoropa.Raikitra àry ny ady, na dia samy noheverina ho nanara-dia an’i Jesosy Kristy, Ilay Andrian’ny Fiadanana aza, ireo anisan’ireo fivavahana ireo. (Isaia 9:5) Rava ny Fikambanana rehefa nomontsanin’ny Vondrona nandritra ilay Ady teo An-tendrombohitra Fotsy. Nisy andriana Protestanta koa novonoina teny an-tsenan’i Prague. Nanerana an’i Bohême dia nalaina an-keriny ny fananan’ireo Protestanta tsy nety niova finoana, ka nozaraina tamin’ny Katolika. Resahin’ny boky Ady sy Fandriampahalemana Tany Eoropa Tamin’ny 1648 (alemà), fa “iray tamin’ireo famindram-pananana goavana indrindra nitranga tany Eoropa afovoany” io zava-nitranga io.
Nivadika ho ady mba hahazoana ny fahefana eran-tany io adin’ny samy mpivavaka tany am-boalohany io. Nandray anjara tamin’izy io i Danemark, Frantsa, Holandy, Espaina, ary Soeda, nandritra ireo 30 taona nanaraka. Tia vola sy liam-pahefana ireo mpitondra Katolika sy Protestanta, ka matetika no nitady izay handrombahana ny fahefana ara-politika sy hahazoana tombony ara-barotra. Nosokajina ho ambaratonga maromaro ny Ady Telopolo Taona, izay samy nampitondraina ny anaran’ireo fanjakana nifanandrina. Boky maro no manasokajy azy io ho ambaratonga efatra: Ny Adin’ny Bohême sy Palatine, Adin’i Danemark sy Saxe Atsimo, Adin’i Soeda, ary Adin’i Frantsa sy Soeda. Saika tao amin’ny faritry ny fanjakan’ny Empira Romanina Masina avokoa no nitrangan’ireo.
Poleta sy basy ary tafondro no fiadiana tena nampiasaina tamin’izany, ary i Soeda no tena mpamatsy an’ireny. Ny Katolika sy ny Protestanta no nifanandrina, ary niantsoantso ireo miaramila hoe “Masina Maria” na hoe “Momba Antsika Andriamanitra.” Nandroba an’izay sendra azy ireo miaramila, rehefa namakivaky an’ireo faritany alemà. Nentiny tamin’ny fomba nahatsiravina koa izay tratrany, na miaramila io na olon-tsotra. Nivadika ho habibiana ilay ady. Izany dia tena mifanohitra amin’ilay faminanian’ny Baiboly hoe: “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”—Mika 4:3.
Ankizy maro tany Alemaina no nitombo tao anatin’ny ady, ary efa ela no nangetaheta fandriampahalemana ireo vahoaka tofoka sy leo. Toa azo nantenaina ihany ny fandriampahalemana raha nahita marimaritra iraisana ireo mpitondra. Nihanibahan-toerana tamin’ilay ady ny politika, ka tsy nisy naha adin’ny mpivavaka azy io intsony tamin’ny farany. Mahatsikaiky fa olona ambony tao amin’ny Fiangonana Katolika ihany no nahatonga izany.
Mampihatra ny fahefany ny Kardinaly Richelieu
Kardinaly Richelieu no anaram-boninahitra nentin’i Armand-Jean du Plessis. Praiminisitra
frantsay koa izy nanomboka tamin’ny 1624 ka hatramin’ny 1642. Ny hahatonga an’i Frantsa ho fanjakana matanjaka indrindra no tanjony, ka nezahiny ny hampihena ny fahefan’ireo Katolika namany, izany hoe ny Habsbourg. Inona no nataony? Nomeny vola hividianana fiadiana ireo Protestanta niady tamin’ny Habsbourg tany Alemaina, Danemark, Holandy, ary Soeda.Nalefan’i Richelieu niady koa ny tafika frantsay tamin’ny 1635, ary io no voalohany nanaovana izany. Nohazavain’ny boky Ho Ela Velona Anie ny Fandriampahalemana! (alemà) fa “tsy adin’ny mpivavaka intsony ny Ady Telopolo Taona tamin’ny farany. . . . Ny handrombaka ny fahefana tampony tany Eoropa indray no lasa tanjona.” Adin’ny Katolika sy ny Protestanta ilay izy tamin’ny voalohany. Lasa niara-dia tamin’ny Protestanta anefa izao ny Katolika sasany, mba hiady tamin’ny Katolika hafa. Efa narefo àry ny Vondrona Katolika nanomboka tamin’ny fiandohan’ireo taona 1630, ary rava tanteraka izy io tamin’ny 1635.
Fifanekem-pihavanana tany Westphalie
Nanjaka tany Eoropa ny asan-jiolahy, ny vonoan’olona, ny fametavetana, ary ny aretina. Nihananiry fandriampahalemana ny olona, rehefa samy nahatsapa fa toa tsy hisy hivoaka ho mpandresy amin’ilay ady. Milaza koa ilay boky Ho Ela Velona Anie ny Fandriampahalemana! fa “niaiky ihany ireo andriana mpitondra, tamin’ny faramparan’ireo taona 1630, fa tsy ny fampiasan-kery ara-tafika intsony no hahatratrarany ny tanjony.” Samy naniry fandriampahalemana ny rehetra. Ahoana anefa no hahatongavana amin’izany?
Nifanaraka ny Emperora Ferdinand III avy amin’ny Empira Romanina Masina, sy ny Mpanjaka Louis XIII avy any Frantsa, ary ny Mpanjakavavy Christina avy any Soeda, fa tokony hivory ny ankolafin-kery rehetra mba hanao fifanekem-pihavanana. Toerana roa no nofidina dia i Osnabrück sy Münster, samy any Westphalie, provansy alemà. Nanelanelana tsara ny renivohitr’i Soeda sy Frantsa ireo toerana ireo ka izay no nifidianana azy. Solontena 150 teo ho eo, sy mpanolo-tsaina maro, no tonga tany nanomboka tamin’ny 1643. Nivory tany Münster ny Katolika, ary tany Osnabrück kosa ny solontena protestanta.
Nalahatra arakaraka ny voninahiny aloha ireo solontena, ary nalamina koa ny toerana hipetrahan’ny tsirairay sy ny fizotran’ny fivoriana. Natomboka avy eo ny fifampiraharahana, ka iraka no nalefa hitatitra ny tolo-kevitra naroson’ny andaniny sy ny ankilany. Vita ihany ny fifanekena hampitsaharana ny ady, dimy taona tatỳ aoriana, na dia nitohy ihany aza ny ady tao anatin’izany fotoana izany. Betsaka ny antontan-taratasy momba ny Fifaneken’i Westphalie. Iray amin’ireny ilay nosoniavin’ny Emperora Ferdinand III sy i Soeda, tany Osnabrück. Ny iray hafa kosa nosoniavin’io emperora io ihany sy i Frantsa, tany Münster.
Nankalazaina tetsy sy teroa io vaovao momba ny fifanekem-pihavanana io, arakaraka ny niparitahany. Nandravaka ny lanitry ny tanàna maro ny afomanga, tsy nisy farany ny feon-dakolosim-piangonana, nidobodoboka ny tafondro ho mariky ny fankalazana, ary nihira teny an-dalam-be ny vahoaka. Afaka nanantena fandriampahalemana maharitra ve anefa i Eoropa?
Haharitra ve ny fandriampahalemana?
Ny fiandrianam-pirenena no fototry ny Fifaneken’i Westphalie. Midika izany fa neken’ireo rehetra nanao sonia ny tsy hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny firenen-kafa. Teo no nahaterahan’i Eoropa ankehitriny, izay misy firenena mahaleo tena. Nahazo tombony tamin’ilay fifanekena ny firenena sasany, fa tsy mba toy izany kosa ny hafa.
I Frantsa no nomena ny fahefana lehibe indrindra, ary nahazo fahaleovan-tena koa i Holandy sy Soisa. Tsy mba nandray soa tamin’
ilay fifanekena kosa ny faritany sasany tany Alemaina, izay rotidrotiky ny ady. Firenen-kafa no nanapa-kevitra ny momba ny hoavin’i Alemaina. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Saika lasan’i Frantsa sy Soeda ary Aotrisy avokoa ny fahefana rehetra, ka niankina tamin’izy ireo ihany no mety hahazoana na hamoizan’ny andriana alemà ny fananany.” Tsy natambatra ho firenena ireo faritany samihafa tany Alemaina, fa vao mainka aza nozarazaraina toy ny taloha. Nisy faritra sasany aza, nomena hanjakan’ny mpitondra avy tany an-tany hafa. Anisan’ireny ny faritra nisy an’ireo renirano lehibe indrindra any Alemaina, dia ny Rhin sy Elbe ary Oder.Samy nekena avokoa ny fivavahana Katolika sy Loteranina ary Kalvinista. Tsy nahafaly ny rehetra izany. Nanohitra mafy an’io fifanekena io ny Papa Innocent X, ary nilaza fa tsy manan-kery izy io. Tsy niova firy anefa ny zava-nisy nandritra ireo telonjato taona nanaraka. Tsy nalalaka avy hatrany ny fifidianan’ny tsirairay ny fivavahany, nefa nizotra ho amin’izany ny toe-javatra.
Namarana ny Ady Telopolo Taona ilay fifanekena, ary nifarana teo ny ankamaroan’ny fifankahalana. Io no ady goavana farany nifanandrinan’ny mpivavaka tany Eoropa. Nisy ady ihany tatỳ aoriana, saingy antony ara-politika sy ara-barotra indray no nahatonga azy ireny. Tsy hoe tsy tafiditra tamin’ireo fifankahalana tany Eoropa intsony koa akory ny fivavahana. Nisy soratra hoe “Momba Antsika Andriamanitra” ny fehikibon’ireo miaramila alemà nandritra ireo Ady Lehibe roa, ary nifamono ny samy Katolika sy ny samy Protestanta, nandritra ireo ady nahatsiravina ireo.
Niharihary fa tsy nitondra fandriampahalemana naharitra ny Fifaneken’i Westphalie. Tsy ho ela kosa ireo olombelona mankatò dia hahita izany. Hampiasa ny Fanjakan’ny Mesia, izany hoe ny an’i Jesosy Kristy zanany, i Jehovah Andriamanitra, mba hitondra fiadanana maharitra. Hampiray ny olona ilay hany fivavahana marina rehefa eo ambanin’io fitondrana io, fa tsy hampizarazara azy. Tsy hisy handeha hiady noho ny antony ara-pivavahana na noho ny antony hafa intsony. Ho toy inona moa ny fanamaivanana rehefa hifehy tanteraka ny tany manontolo io Fanjakana io, ka “tsy hanam-pahataperana” ny fiadanana!—Isaia 9:5, 6.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Adin’ny Katolika sy ny Protestanta ilay izy tamin’ny voalohany, nefa avy eo niara-dia tamin’ny Protestanta ny Katolika sasany, mba hiady tamin’ny Katolika hafa
[Teny notsongaina, pejy 22]
Niantsoantso ireo miaramila nankany an’ady hoe “Masina Maria” na “Momba Antsika Andriamanitra”
[Sary, pejy 21]
Kardinaly Richelieu
[Sary, pejy 23]
Sary tamin’ny taonjato faha-16, mampiseho ny fifandirana teo amin’i Luther sy Calvin ary ny papa
[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]
Avy amin’ny boky Spamers Illustrierte Weltgeschichte VI
[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]
Fifandiran’ireo mpitondra fivavahana: Avy amin’ny boky Wider die Pfaffenherrschaft; sarintany: The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck