Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Notapahin’i Ehoda ny Ziogan’ny Fampahoriana

Notapahin’i Ehoda ny Ziogan’ny Fampahoriana

Notapahin’i Ehoda ny Ziogan’ny Fampahoriana

TANTARA tena marina izy ity ary miresaka ny herim-po sy paikady iray. Telo arivo taona lasa izay no nitrangany. Manomboka toy izao ilay fitantarana: “Nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah indray ny Zanak’Isiraely, ary Jehovah nampahery an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, hiady amin’ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy. Dia nampiangona ny taranak’i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. Dia nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, valo ambin’ny folo taona ny Zanak’Isiraely.”​—Mpitsara 3:12-14.

Tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana sy ny Ranomasina Maty no nisy ny faritanin’ny Moabita. Niampita ilay renirano anefa izy ireo, ary nibodo ny faritra nanodidina an’i Jeriko, ilay “tanàna be rofia”, ka nampanompo ny Israely. (Deoteronomia 34:3) I Eglona, ‘lehilahy natavy be’, no mpanjakan’i Moabita, ary efa ho roapolo taona izy no nanery ny Israelita handoa hetra ho azy. Navesatra tamin’ny Israelita sy nanambany azy ireo izany. (Mpitsara 3:17) Nanome fahafahana ny zanak’Israely hamono an’ilay mpanjaka lozabe anefa io fitakiana hetra io.

Hoy ilay fitantarana: “Nitaraina tamin’i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’i Gera, avy amin’ny taranak’i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana [hetra] ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, ny Zanak’Isiraely.” (Mpitsara 3:15) Tsy maintsy nataon’i Jehovah azo antoka fa i Ehoda no ho voafidy hanolotra ilay hetra. Tsy voalaza na efa nanao izany izy taloha na tsia. Ny fomba nanomanan’i Ehoda tamim-pitandremana ny fihaonany tamin’i Eglona sy ny paikady nampiasainy dia toa milaza fa efa fantany ihany ny lapan’i Eglona, sy ny zavatra nampoiziny ho hita tany. Nety tsara tamin’ilay tetik’ady nomanin’i Ehoda ny naha kavia azy.

Lehilahy kilemaina sa mpiady?

Amin’ny teny hebreo, ny hoe “kavia” dia midika hoe ‘mikainkona na kilemaina na voafatotra ny tanana havanana.’ Midika ve izany fa kilemaina i Ehoda, angamba nisy takaitra ny tanany havanana? Diniho izay lazain’ny Baiboly momba ireo kavia ‘fitonjato lahy nofantenana’ avy tamin’ny fokon’i Benjamina. Hoy ny Mpitsara 20:16 momba azy ireo: “Samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.” Azo inoana fa noho izy ireo mpiady kinga no nifidianana azy ireo. Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa ny olona havanana amin’ny fampiasana ny tanany roa no atao hoe “kavia.”

Nalaza tamin’ny fananany lehilahy kavia tokoa ny fokon’i Benjamina. Miresaka momba azy ireo toy izao ny 1 Tantara 12:1, 2: “Isan’ny lehilahy mahery mpanampy amin’ny ady ireo sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka.” Milaza ny boky iray fa azon’izy ireo natao ny nanana izany fahaizana izany, tamin’ny “famatorana ny sandry havanan’ny ankizy madinika, na ny ‘tanany havanana’, sy ny fanazarana azy ireo hampitombo ny hakingan’ny tanany havia.” Matetika ireo fahavalon’ny Israely no nampiofanina mba hiady tamin’ny miaramila kavanana, hany ka raha sendra miaramila kavia izy, dia nety ho very maina ilay fiofanana azony.

‘Teny mangingina’ ho an’ny mpanjaka

Ny zavatra nataon’i Ehoda voalohany dia ny nanomana “sabatra roa lela” fohy, izay ho azony afenina tsara ao anatin’ny akanjony. Angamba efa nampoiziny fa hosavana izy. Matetika teo amin’ny havia no nasiana ny sabatra, mba ho mora tamin’ireo kavanana ny nanatsoaka azy haingana. Kavia anefa i Ehoda ka nanafina ny fiadiany “tao amin’ny fehin-kibony ambanin’ny akanjo fiadiany, . . . teny am-balahany ankavanana”, toerana izay nety tsy hosavan’ny miaramilan’ny mpanjaka. “Nitondra ny hetra ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba” àry i Ehoda, ary tsy nisy fanakantsakanana.​—Mpitsara 3:16, 17.

Tsy resahin’ny Baiboly izay zava-nitranga voalohany tao an-dapan’i Eglona. Milaza fotsiny izy hoe: “Rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.” (Mpitsara 3:18) Nanolotra an’ilay hetra i Ehoda, nanatitra an’ireo nitondra azy io lavidavitra ny fonenan’i Eglona, ary niverin-dalana rehefa avy nandefa azy ireo. Nahoana? Mba hiaro azy ve no niarahan’ireo olona ireo taminy, sa mba ho fahalalam-pomba, sa tamin’ny naha mpitondra an’ilay hetra fotsiny? Ary tiany ho amin’ny toerana azo antoka ve izy ireo talohan’ny hanatanterahany ny paikadiny? Na inona na inona anefa antony, dia niverina irery tamin-kerim-po i Ehoda.

“Nony tonga teo amin’ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy [Ehoda], dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô.” Tsy hazavain’ny Soratra Masina izay nataony mba hihaonana indray tamin’i Eglona. Tsy tokony ho niahiahy ve ny mpiambina? Nihevitra ve izy ireo fa tsy natahorana hampidi-doza ny tompon’izy ireo ny Israelita iray? Nety ho nahatonga azy ireo hihevitra ve ny fahatongavan’i Ehoda irery, fa namadika ny mpiray tanindrazana taminy izy? Na ahoana na ahoana, dia nangataka ny hihaona mitokana tamin’ny mpanjaka i Ehoda, ary nekena izany.​—Mpitsara 3:19.

Mitohy toy izao ilay fitantarana avy amin’ny fanahy masina: “Ehoda nanatona [an’i Eglona], raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao.” Tsy hafatra am-bava avy tamin’Andriamanitra akory no noresahin’i Ehoda. Ny hampiasa ny sabany no tao an-tsainy. Angamba nanantena hafatra avy tamin’i Kemosy andriamaniny ny mpanjaka, ka “nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianana.” Nalain’i Ehoda haingana ny sabany ary natsatony tamin’ny kibon’i Eglona. Toa tsy nisy nitsivalana teo amin’ny fitazonana ilay sabatra, ka “difotra mbamin’ny zarany, ka voasaron’ny taviny ny lelan-tsabatra, . . . ary niboroaka teo amin’ny vodiny izany.”​—Mpitsara 3:20-22.

Tsy nananosarotra ny fandosirana

Tsy naka fotoana hampidirana ny sabany i Ehoda fa “nivoaka teo amin’ny lavarangana . . . ka nandrindrina ny varavaran’ny trano ka nanidy azy tao. Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiatsiahana izy angaloha.”​—Mpitsara 3:23, 24.

Inona ilay lazaina eto hoe “lavarangana” nivoahan’i Ehoda? Milaza ny boky iray fa “tsy fantatra izay tena [heviny amin’ny teny hebreo]”, kanefa “toa manondro ‘andry mitafo’, na ‘lalantsara’ ilay izy.” Nohidian’i Ehoda avy any anatiny ve ny varavarana, ary avy eo nivoaka tamin’ny lalan-kafa izy? Sa nalainy tamin’ny fatin’ilay mpanjaka ny lakile ka nohidiany avy tany ivelany? Avy eo dia nivoaka moramora nandalo teo amin’ny mpiambina ve izy, toy ny hoe tsy nisy na inona na inona? Tsy lazain’ny Soratra Masina ny momba izany. Na inona na inona anefa fomba nampiasain’i Ehoda, dia tsy niahiahy avy hatrany ny mpanompon’i Eglona rehefa nahita ny varavarana nihidy. Noheverin’izy ireo fa ‘niavela’ ny mpanjaka.

Nandositra i Ehoda, raha mbola nitaredretra ny mpanompon’ny mpanjaka. Niantso ny mpiray firenena taminy izy avy eo, ary nilaza hoe: “Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tànanareo ny Moabita fahavalonareo.” Nanararaotra ny fitana i Ehoda sy ny lehilahy niaraka taminy, ka tsy namela ireo Moabita tsy nisy mpitarika hiampita ho any amin’ny tanindrazany. Koa “namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’izany andro izany [ny Israelita], samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. Dia resin’ny tànan’ny Isiraely ny Moabita tamin’izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.”​—Mpitsara 3:25-30.

Lesona azontsika ianarana

Ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Ehoda dia mampianatra antsika fa misy voka-dratsiny ny fanaovana izay ratsy eo imason’i Jehovah. Manampy ireo mibebaka sy miverina aminy anefa izy.

Tsy noho ny hakingany, na noho ny tsy fahaizan’ny fahavalony no nahombiazan’ny tetik’i Ehoda. Tsy miankina amin’ny olombelona ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. Nanohana azy Andriamanitra, ka izany no tena nahombiazany. Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra hanafaka ny vahoakany mantsy izy. Nataon’Andriamanitra ho mpitsara i Ehoda, “ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany.”​—Mpitsara 2:18; 3:15.