Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tanteraho Tsara ny Fanompoanao”

“Tanteraho Tsara ny Fanompoanao”

“Tanteraho Tsara ny Fanompoanao”

“Ataovy lavorary ny fanompoanao.”​—2 TIMOTY 4:5, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

1, 2. Na dia mpitory ny vaovao tsara aza ny Kristianina rehetra, inona no takin’ny Soratra Masina amin’ny anti-panahy?

MPITORY ilay Fanjakana ve ianao? Raha eny, dia isaory i Jehovah Andriamanitra noho izany tombontsoa lehibe izany. Anti-panahin’ny fiangonana ve ianao? Tombontsoa fanampiny avy amin’i Jehovah izany. Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana anefa fa tsy ny fianarana vitantsika, na ny fahaizantsika mandaha-teny, no mahatonga antsika hahay hitory na hahay hiandraikitra ny fiangonana. I Jehovah no mahatonga antsika ho ampy fahaizana hanao fanompoana. Manana tombontsoa ho mpiandraikitra koa ny lehilahy sasany eo anivontsika, satria mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina.​—2 Korintianina 3:5, 6; 1 Timoty 3:1-7.

2 Mpitory ny vaovao tsara ny Kristianina rehetra vita fanoloran-tena, nefa ny anti-panahy indrindra no tokony ho fakan-tahaka eo amin’ny fanompoana. Voamarik’Andriamanitra sy Kristy ary ny Vavolombelon’i Jehovah hafa, ny anti-panahy “izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana.” (1 Timoty 5:17; Efesianina 5:23; Hebreo 6:10-12) Tokony hahasoa ny fiangonana foana izay ampianarin’ny anti-panahy, araka ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty mpiandraikitra hoe: ‘Ho avy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy, fa hivily kosa ho amin’ny tantara tsy marina. Fa ianao kosa, aoka ianao ho mailo foana amin’ny zava-drehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.’​—2 Timoty 4:3-5.

3. Inona no tokony hatao mba tsy hanimba ny fahasalamana ara-panahin’ny fiangonana ny fampianaran-diso?

3 Mba hahazoana antoka fa tsy misy fampianaran-diso manimba ny fahasalamana ara-panahin’ny fiangonana, dia tsy maintsy manaraka ity torohevitr’i Paoly ity ny anti-panahy: ‘Aoka ianao hahafehy tena amin’ny zavatra rehetra, ataovy lavorary ny fanompoanao.’ (2 Timoty 4:5, DIEM) Tokony ‘hanatanteraka tsara ny fanompoany’ tokoa ny anti-panahy. Tsy maintsy mamita tsara izany izy, na mandavorary izany. Miantsoroka tsara ny andraikiny rehetra ny anti-panahy, izay manatanteraka tsara ny fanompoany. Tsy manao tsirambina mihitsy izy, na hoe zara raha manao. Mahatoky ny lehilahy toy izany, na dia amin-javatra madinika aza.​—Lioka 12:48; 16:10.

4. Inona no hanampy antsika hanatanteraka tsara ny fanompoana?

4 Tsy voatery foana hitaky fotoana bebe kokoa ny hoe manatanteraka tsara ny fanompoantsika. Ny fampiasana tsara ny fotoana kosa no tena ilaina. Hanampy ny Kristianina rehetra, ny fahaiza-mandanjalanja sy fanaovan-javatra tsy tapaka. Mba hanompoana bebe kokoa eny amin’ny saha, dia ilain’ny anti-panahy ny mandamina tsara ny fandaharam-potoanany, ary ilainy koa ny mamantatra hoe inona no zavatra azo ankinina amin’ny hafa sy ny fomba anaovana izany. (Hebreo 13:17) Mazava ho azy fa tsy maintsy mandray anjara mivantana koa ny anti-panahy mendri-kaja, ka hanao toa an’i Nehemia izay nirotsaka mihitsy tamin’ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema. (Nehemia 5:16) Tokony hitory tsy tapaka an’ilay Fanjakana koa ny mpanompon’i Jehovah rehetra.​—1 Korintianina 9:16-18.

5. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanompoana?

5 Mahafaly tokoa ny asa nanirahana antsika, dia ny fitoriana ilay Fanjakana efa tafaorina any an-danitra! Azo antoka fa ankamamintsika ny tombontsoa hitory ny vaovao tsara manerana ny tany onenana, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14) Mampahery antsika ireto tenin’i Paoly ireto, na dia tsy lavorary aza isika: ‘Manana izany harena izany [na ny fanompoana] ao anaty vilany tany izahay, mba ho avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy avy aminay.’ (2 Korintianina 4:7) Afaka manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba azony ekena isika, nefa tsy hahavita izany raha tsy noho ny hery sy fahendrena omeny.​—1 Korintianina 1:26-31.

Manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra

6. Inona no maha samy hafa ny Israely ara-nofo sy ny Israely ara-panahy?

6 Niresaka ny amin’ny Kristianina voahosotra i Paoly rehefa nilaza hoe Andriamanitra no “nahatonga anay ho ampy fahaizana mba ho tonga mpanompon’ny fifanekena vaovao.” Nisy zavatra roa nampifanoherin’ilay apostoly: Natao tamin’ny Israely ara-panahy ny fifanekena vaovao, ary i Jesosy Kristy no mpanelanelana, fa natao tamin’ny Israely ara-nofo kosa ny fifaneken’ny Lalàna, ary i Mosesy no mpanelanelana. Nilaza koa i Paoly fa tsy afa-nibanjina ny tavan’i Mosesy ny Israelita, satria namirapiratra be ny tavany rehefa nidina avy tao amin’ny tendrombohitra Sinay izy, sady nitondra ireo vato nisy ny Didy Folo. Nisy zava-nitranga ratsy kokoa anefa tatỳ aoriana, satria ‘donto ny fisainan’izy ireo’, ary nisy lamba nanarona ny fony. Esorina anefa io lamba io raha misy ny fiverenana amin’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Niresaka ny amin’ny fanompoana nomena an’ireo ao anatin’ny fifanekena vaovao i Paoly avy eo. Hoy izy: “Tahaka ny fitaratra, dia manome taratry ny voninahitr’i Jehovah amin’ny tava tsy misarona isika rehetra.” (2 Korintianina 3:6-8, 14-18; Eksodosy 34:29-35) Manana tombontsoa hanome taratry ny voninahitr’i Jehovah koa ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy ankehitriny.​—Jaona 10:16.

7. Ahoana no ahafahan’ny olona manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra?

7 Ahoana no ahafahan’ny olona tsy lavorary manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra, nefa tsy misy afaka mahita ny tavany ka ho velona? (Eksodosy 33:20) Tsy i Jehovah ihany no be voninahitra, fa eo koa ilay fikasany hanamarina ny zony hitondra amin’ny alalan’ilay Fanjakany. Ny fahamarinana mifandray amin’io Fanjakana io dia anisan’ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra”, izay nanomboka notorin’ireo nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. (Asan’ny Apostoly 2:11) Afaka nanatanteraka tsara ny fanompoana nankinina taminy izy ireo, noho ny fitarihan’ny fanahy masina.​—Asan’ny Apostoly 1:8.

8. Tapa-kevitra ny hanao inona i Paoly teo amin’ny fanompoana?

8 Tapa-kevitra i Paoly fa tsy hamela na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka tsara ny fanompoany. Hoy izy: ‘Tsy kivy izahay, satria manana izany fanompoana izany, araka ny famindram-po naseho taminay. Efa nialanay ny zava-mahamenatra afenimpenina, ka tsy mandeha amin-kafetsena na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay. Mampiseho miharihary ny fahamarinana kosa izahay ka izany no mahatonga anay ho tsara laza amin’ny feon’ny fieritreretan’ny olona rehetra, eo imason’Andriamanitra.’ (2 Korintianina 4:1, 2) Aharihary ny fahamarinana ary miely eny rehetra eny ny fahazavana ara-panahy, noho “izany fanompoana izany”, araka ny nilazan’i Paoly azy.

9, 10. Ahoana no ahafahantsika manome taratry ny voninahitr’i Jehovah?

9 Nanoratra toy izao i Paoly momba ny Loharanon’ny hazavana ara-bakiteny sy ara-panahy: “Andriamanitra no niteny hoe: ‘Aoka ny hazavana hamirapiratra avy ao amin’ny haizina.’ Ary mamirapiratra ao am-ponay Andriamanitra mba hanazava ny fonay amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, izay fahalalana be voninahitra. Eny, hanazava ny fonay amin’ny alalan’ny tarehin’i Kristy izy.” (2 Korintianina 4:6; Genesisy 1:2-5) Noho isika nomena ny tombontsoa tsy hay tombanana ho mpanompon’Andriamanitra, dia aoka isika hadio hatrany ka ho tahaka ny fitaratra, izay manome taratry ny voninahitr’i Jehovah.

10 Ny olona ao anaty haizina ara-panahy dia tsy afaka mahita ny voninahitr’i Jehovah sy ny taratr’izany avy amin’i Jesosy Kristy, ilay Mosesy Lehibe. Mahazo ny fahazavana be voninahitra avy amin’ny Soratra Masina kosa anefa isika mpanompon’i Jehovah, ary manome taratr’izy io mba hiantefany any amin’ny hafa. Mila ny fahazavana avy amin’Andriamanitra ireo olona anaty haizina ara-panahy, raha tsy te ho ringana. Nodidian’i Jehovah Andriamanitra hampamirapiratra ny fahazavana ao anatin’ny haizina isika ho voninahiny, ary tena faly sy mazoto isika mankatò izany.

Aoka hamirapiratra ny fahazavanao rehefa mampianatra Baiboly

11. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fampamirapiratana ny fahazavantsika, ary inona no fomba iray anaovana izany?

11 Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy takona afenina ny tanàna eo an-tampon-tendrombohitra. Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika famarana fa eo amin’ny fitoeran-jiro, mba hanazava an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hamirapiratra toy izany eo anatrehan’ny olona koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.” (Matio 5:14-16) Mety hahatonga ny olona hanome voninahitra an’Andriamanitra ny fitondran-tenantsika tsara. (1 Petera 2:12) Ahafahantsika mampamirapiratra ny fahazavantsika koa ireo lafiny maro samihafa amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara. Ny iray amin’ireo zava-kendrentsika lehibe indrindra dia ny hahomby rehefa mitarika fampianarana Baiboly, mba hanomezana taratry ny fahazavana ara-panahin’ny Tenin’Andriamanitra. Fomba tena lehibe hanatanterahana tsara ny fanompoantsika izany. Inona àry no hanampy antsika hitarika fampianarana Baiboly, izay hanohina ny fon’ireo mitady ny fahamarinana?

12. Inona no ifandraisan’ny vavaka sy ny fitarihana fampianarana Baiboly?

12 Asehontsika fa tena maniry hitarika fampianarana Baiboly isika, rehefa mivavaka amin’i Jehovah momba izany. Asehon’izany koa fa takatsika hoe zava-dehibe ny manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra. (Ezekiela 33:7-9) Azo antoka fa hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, sy hitahy ny ezaka mafy ataontsika amin’ny fanompoana. (1 Jaona 5:14, 15) Tsy mivavaka mba hahita olona ampianarina ny Baiboly fotsiny anefa isika. Rehefa nahazo mpianatra isika, dia mivavaka sy misaintsaina momba izay tena ilain’ilay olona koa. Hanampy antsika hahomby izany, isaky ny mitarika ilay fampianarana isika.​—Romanina 12:12.

13. Inona no hanampy antsika hahomby rehefa mitarika fampianarana Baiboly?

13 Raha tiantsika ny hahomby, dia tsy maintsy miomana tsara isika isaky ny hitarika fampianarana amin’ny olona iray. Raha mihevi-tena ho tsy mahay isika, dia tena mety hanampy ny fandinihana ny fomba fitarihan’ny mpiandraikitra Fianarana Boky ny lesona dinihina isan-kerinandro. Azontsika atao koa indraindray ny miaraka amin’ny mpitory mahita vokatra tsara amin’ny fampianarana Baiboly. Mazava ho azy anefa fa ny fihetsika sy ny fomba fampianatr’i Jesosy Kristy no tena tokony hodinihintsika akaiky.

14. Ahoana no hanohinana ny fon’ny mpianatra ny Baiboly?

14 Nahafinaritra an’i Jesosy ny nanao ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra sy niresaka momba azy. (Salamo 40:8) Nalemy fanahy izy, sady nahavita nanohina ny fon’ireo nihaino azy. (Matio 11:28-30) Aoka àry isika hiezaka mafy hanohina ny fon’ny olona ampianarintsika Baiboly. Mba hanaovana izany, dia mila miomana foana isika isaky ny hampianatra an’ilay olona, sady mieritreritra ny toe-javatra misy azy. Aoka hatao hoe tena zava-baovao aminy ny Baiboly. Mety hila handresy lahatra azy àry isika fa marina izy io. Raha izany no izy, dia ho voatery hamaky andinin-teny maro aminy isika, ary hanazava izany.

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny hevitry ny fanoharana

15, 16. a) Ahoana no anampiana ny mpianatra iray raha tsy azony ny fanoharana ao amin’ny Baiboly? b) Inona no azontsika atao raha mampiasa fanoharana sarotra amin’ny mpianatra Baiboly ny bokintsika?

15 Mety hisy mpianatra Baiboly tsy hahazo ny hevitry ny fanoharana sasany ao amin’ny Soratra Masina. Mety ho tsy azony, ohatra, ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe apetraka eo ambony fitoeran-jiro ny jiro. (Marka 4:21, 22) Niresaka ny amin’ny jiro fahiny, nisy lahin-jiro, i Jesosy. Napetraka teo ambony fitoerany manokana ny jiro toy izany, ary nanazava ny tao an-trano. Ilaina angamba ny hanaovana fikarohana momba izany ao amin’ny bokintsika, mba hanazavana ilay fanoharan’i Jesosy. * Ho afa-po tokoa anefa ianao, rehefa niomana tsara ka takatr’ilay mpianatra Baiboly ny fanazavanao sady ankasitrahany!

16 Mety hampiasa fanoharana sarotra amin’ny mpianatra Baiboly sasany, ny bokintsika. Makà fotoana hanazavana izany amin’ilay olona, na manaova fanoharana hafa mamoaka ilay hevitra. Manantitrantitra angamba ilay boky fa zava-dehibe ny fananana vady mifanentana tsara amin’ny tena sy ny ezaka mirindra, mba hahombiazan’ny fanambadiana. Mba hanazavana izany, dia mety hampiasa izao fanoharana izao ilay boky: Olon-droa mampiseho hakingana, ka samy misavilivily eny ambony eny. Avy eo, dia avotsotry ny iray tampoka ny tanany, ary ilay namany no antenainy handray azy eny am-panidinana. Raha sarotra ny fanoharana toy izany, dia azo atao ny mampiasa an’izao mba hanazavana fa ilaina ny hananana vady mifanentana tsara amin’ny tena sy ny ezaka mirindra: Mpiasa mifanipitsipy baoritra rehefa mampidina entana avy amin’ny sambo.

17. Inona no ianarantsika avy amin’i Jesosy, rehefa jerena ny fanoharana nataony?

17 Mila miomana mialoha angamba isika, raha te hanome fanoharana hafa. Asehontsika amin’izany anefa fa tena miahy ilay mpianatra isika. Nampiasa fanoharana tsotra i Jesosy mba hanazavana zavatra sarotra. Hita izany tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, ary asehon’ny Baiboly fa nisy vokany tsara teo amin’ny mpihaino azy ny fampianarany. (Matio 5:1–7:29) Nampiseho faharetana i Jesosy rehefa nanome fanazavana, satria tena niahy ny olona izy.​—Matio 16:5-12.

18. Inona no ampirisihana hataontsika momba ireo andinin-teny voalaza fotsiny ao amin’ny bokintsika?

18 ‘Hiezaka handresy lahatra’ ny olona, amin’ny alalan’ny “Soratra Masina” isika, raha miahy azy ireo. (Asan’ny Apostoly 17:2, 3) Mba hanaovana izany, dia mila mianatra sy mivavaka isika, ary mampiasa tsara ny boky omen’ny “mpanompo mahatoky.” (Lioka 12:42-44) Misy andinin-teny maro, ohatra, ao amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Ny toko sy andininy misy azy ao amin’ny Baiboly fotsiny no voalaza eo indraindray, satria tsy ampy ny toerana. Zava-dehibe ny hamakiana sy hanazavana ny sasany amin’ireny andinin-teny ireny, fara faharatsiny, mandritra ny fianarana. Mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy ny fampianarantsika, ary manan-kery lehibe izy io. (Hebreo 4:12) Sariho ho amin’ny Baiboly ny sain’ilay olona isaky ny mianatra, ary mampiasà andinin-teny maro ao amin’ny fehintsoratra. Ampio ilay mpianatra hahita izay lazain’ny Baiboly momba ny foto-kevitra iray na fitondran-tena iray. Ezaho aseho aminy ny fomba handraisany soa rehefa mankatò an’Andriamanitra izy.​—Isaia 48:17, 18.

Mametraha fanontaniana mampisaintsaina

19, 20. a) Nahoana isika no tokony hampiasa fanontaniana hahalalana ny fomba fihevitr’ilay mpianatra? b) Inona no tokony hatao raha ilaina hodinihina bebe kokoa ny foto-kevitra iray?

19 Nanampy ny olona hieritreritra, ny fahaizan’i Jesosy nampiasa fanontaniana. (Matio 17:24-27) Raha haintsika ny mametraka fanontaniana tsy mahasanganehana an’ilay olona nefa ahalalana ny fomba fiheviny, dia mety ho hita amin’ny valin-teniny ny heviny momba ny foto-kevitra iray. Mety ho hitantsika fa mbola misy tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny heviny. Mety hino izy, ohatra, fa telo izay iray Andriamanitra. Milaza ny toko faha-3 amin’ny boky Fahalalana fa tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “Trinite” na “Andriamanitra telo izay iray.” Mampiasa andinin-teny maro ilay boky mba hampisehoana fa samy hafa i Jehovah sy Jesosy, ary tsy olona ny fanahy masina fa hery ampiasain’Andriamanitra. Mety ho ampy ny mamaky sy manazava ireo andinin-teny ao. Ahoana anefa raha ilaina ny fanazavana fanampiny? Azo atao angamba ny manokana fotoana handinihina tsara an’io foto-kevitra io amin’ny fianarana manaraka, izany hoe, aorian’ny fianarana mahazatra. Azo ampiasaina ny boky hafa, toy ilay bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Aorian’izay, dia azontsika tohizina indray amin’ny boky Fahalalana ny fianarana.

20 Aoka hatao hoe tsy nampoizintsika na nandiso fanantenana antsika ny valin-tenin’ilay mpianatra. Raha mahakasika ny fifohana sigara ilay resaka, na zavatra hafa mety hanafintohina azy, dia mety hilaza aminy isika fa azo resahina amin’ny manaraka izany, fa aleo tohizina ny fianarana. Afaka mitady fanazavana efa nivoaka isika mba hanampiana azy handroso, satria fantatsika fa mbola mifoka sigara izy. Sady miezaka hanohina ny fon’ilay mpianatra isika no mivavaka mba hanampian’i Jehovah azy handroso ara-panahy.

21. Inona no mety hitranga raha ampifanarahintsika amin’izay tena ilain’ilay mpianatra ny fomba fampianatsika?

21 Tsy isalasalana fa ho haintsika ny hampifanaraka ny fomba fampianatsika amin’izay tena ilain’ilay mpianatra, raha miomana tsara sy ampian’i Jehovah isika. Mety ho afaka hanampy azy ho tena tia an’Andriamanitra isika, rehefa mandeha ny fotoana. Mety ho vitantsika koa ny hanampy azy hanaja sy hankasitraka ny fandaminan’i Jehovah. Mahafinaritra erỳ rehefa miaiky ny mpianatra Baiboly fa ‘tena eo amintsika tokoa Andriamanitra’! (1 Korintianina 14:24, 25) Enga anie àry isika hahomby rehefa mitarika fampianarana Baiboly, ary hanao izay rehetra azontsika atao mba hanampiana ny olona ho tonga mpianatr’i Jesosy.

Harena tokony hankamamina

22, 23. Inona no ilaina mba hanatanterahana tsara ny fanompoantsika?

22 Tsy maintsy miantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra isika, raha te hanatanteraka tsara ny fanompoantsika. Niresaka momba ny fanompoana tamin’ny Kristianina voahosotra tahaka azy i Paoly, ka nilaza hoe: ‘Manana izany harena izany ao anaty vilany tany izahay, mba ho avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy avy aminay.’​—2 Korintianina 4:7.

23 Toy ny vilany tany mora vaky isika, na anisan’ny voahosotra na anisan’ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Afaka manome antsika ny hery hanatanterahana ny asa nanirahana antsika anefa i Jehovah, na inona na inona zava-tsarotra manjo antsika. (Jaona 16:13; Filipianina 4:13) Aoka àry isika hatoky tanteraka an’i Jehovah, sy hankamamy ny fanompoantsika izay toy ny harena, eny, hanatanteraka tsara ny fanompoantsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 18 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanatanterahana tsara ny fanompoany?

• Ahoana no hanatsarana ny fampianarana Baiboly ataontsika?

• Inona no hataonao raha misy fanoharana tsy takatry ny mpianatra Baiboly, na mila fanazavana fanampiny momba ny foto-kevitra iray izy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Mampianatra ny fiangonana sy mampiofana ny mpiray finoana aminy eny amin’ny fanompoana, ny anti-panahy

[Sary, pejy 18]

Fomba iray hamirapiratan’ny fahazavantsika ny fahombiazantsika eo amin’ny fampianarana Baiboly