Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana ny 1 Korintianina 10:8 no milaza fa 23 000 ny Israelita lavo tao anatin’ny iray andro satria nijangajanga, kanefa 24 000 izy ireo araka ny Nomery 25:9?

Misy antony maromaro mety hanazava ny elanelan’isa omen’ireo andininy roa ireo. Izao ny antony tsotra indrindra: Angamba teo anelanelan’ireo isa roa ireo no tena marina, ka azo noboriborina ho 23 000 na 24 000.

Handinika ny mety ho antony hafa isika. Niresaka momba ny Israelita tany Sitima ny apostoly Paoly, ho ohatra fampitandremana ho an’ireo Kristianina tany Korinto fahiny, izay tanàna nalaza ho naloto fitondran-tena. Nanoratra toy izao izy: “Ary aoka tsy hataontsika fanao ny mijangajanga, toy ny nijangajangan’ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo sy roa alina taminy no lavo tao anatin’ny iray andro.” Ireo maty novonoin’i Jehovah noho ny fijangajangana no noresahin’i Paoly, ka izany no nilazany fa 23 000 no maty.​—1 Korintianina 10:8.

Ny Nomery toko faha-25 kosa dia milaza amintsika fa “niray tamin’i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’i Jehovah.” Noho izany, dia nasain’i Jehovah novonoin’i Mosesy ny “loholona rehetra.” I Mosesy kosa nandidy ny mpitsara mba hanatanteraka io baikon’i Jehovah io. ‘Nitsahatra ny areti-mandringana’ tamin’ny farany, rehefa nanao zavatra haingana i Finehasa, ka namono ilay Israelita nitondra vehivavy midianita tao amin’ny toby. Mifarana toy izao ilay fitantarana: “Izay maty tamin’ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.”​—Nomery 25:1-9.

Mazava fa tafiditra ao amin’ilay isa resahina ao amin’ny Nomery ireo “loholona rehetra” novonoin’ny mpitsara sy novonoin’i Jehovah mivantana. Angamba arivo tamin’ny loholona no novonoin’ny mpitsara, ka izany no naha 24 000 an’ireo maty. Meloka ho “niray tamin’i Bala-peora” ireo loholona sy mpitarika noho izy ireo nijangajanga, na nandray anjara tamin’ireo lanonana, na koa nankasitraka an’izay nanao izany.

Milaza ny boky iray fa mety hidika hoe “manao fifanekena amin’olon-kafa” ilay teny hoe “miray.” Vahoaka vita fanoloran-tena tamin’i Jehovah ny Israelita. Tapaka anefa io fifandraisana io rehefa “niray tamin’i Bala-peora” izy ireo. Niresaka momba ny Israelita, tamin’ny alalan’ny mpaminany Hosea i Jehovah, 700 taona tatỳ aoriana hoe: “Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.” (Hosea 9:10) Mendrika ny hohelohina izay rehetra nanao izany. Koa nampahatsiahy ny zanak’Israely toy izao i Mosesy: “Ny masonareo efa nahita izay nataon’i Jehovah noho ny tamin’i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’i Bala-peora dia naringan’i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.”​—Deoteronomia 4:3.