Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana any Am-piasan’ny Olona

Fitoriana any Am-piasan’ny Olona

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Fitoriana any Am-piasan’ny Olona

INONA no nampitovy ny apostoly Matio, Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona? Mpanjono i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Teo am-perinasa mihitsy izy ireo no nasain’i Jesosy hoe: “Andao hanaraka ahy.” Tao amin’ny birao famorian-ketra i Matio no nasain’i Jesosy ho tonga mpianany.​—Matio 4:18-21; 9:9.

Mety hahitana fahafaham-po ny mitory amin’ny olona any am-piasany. Nahafantatra izany ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon, ka niara-niezaka nanao io endri-panompoana io. Inona no vokany? Fiverenana mitsidika an’arivony no natao, ary fampianarana Baiboly 250 teo ho eo no natomboka, tao anatin’ny volana vitsivitsy. Jereo ireto fitantarana vitsivitsy ireto.

Nihaona tamina mpitantana hotely fisakafoana ny mpanompo manontolo andro iray. Efa niresaka tamina Vavolombelona tany am-pianarana io lehilahy io, tokony ho 30 taona talohan’io. Nanjary liana tamin’ny Baiboly izy, tamin’izy mbola mpianatra, na dia tsy takany tsara aza izay noresahina taminy. Nahaliana azy indray izay noresahina, ka nanaiky avy hatrany hianatra Baiboly tamin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay * izy. Nanomboka namaky Baiboly samirery koa izy, isaky ny hariva alohan’ny hatoriana.

Nitsidika birao ny mpisava lalana manokana iray. Tsy afaka niresaka taminy an-telefaonina anefa ilay tale, fa ny tovovavy iray nandray ilay telefaonina no nanontany hoe: “Tianao ve ny hiresaka amiko?” Nankany amin’ilay toerana fandraisana olona ilay tovovavy, taorian’ny resaka fohy nifanaovan’izy sy ilay mpisava lalana manokana, ka nilaza fa tiany ny hamaky Baiboly. Nilaza ilay mpisava lalana manokana fa hiverina izy, ary hitondra Baiboly. Teo amin’ny zaridainam-panjakana teo akaiky izy ireo no nanomboka niara-nianatra Baiboly, ny maraina talohan’ny nandehanan’ilay tovovavy niasa.

Tao amin’ny birao iray hafa, dia nisy lehilahy nahita mpiara-miasa nandray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, nefa nanary izany haingana rehefa lasa ilay Vavolombelona. Notantarain’ilay lehilahy tamin’ny vadiny, izay Vavolombelona, ilay fisehoan-javatra, rehefa tafody tany an-trano izy. Nolazainy fa ho nihaino kely ihany izy, fara faharatsiny, raha izy no nomena ireo gazety. Ren’ny zanany vavy izany teniny izany, ka notantarainy tamin’ny Vavolombelona iray mpitory eny amin’ny toeram-piasan-drainy. Nitsidika haingana an’ilay lehilahy tany amin’ny biraony ilay Vavolombelona, ary nanomboka nampianatra Baiboly azy. Tsy ela dia nanomboka nanatrika tsy tapaka ny fivoriana alahady izy.

Mbola andraisan-tsoa hafa koa ny fitoriana any am-piasan’ny olona. Mpitory maro any Japon no manjary mahay manao fiverenana mitsidika eny an-tsena sy any amin’ny orinasa ary any amin’ny birao. Olona maro tsy nitory intsony no hita, tamin’io fomba fitoriana io, ka nanomboka nianatra indray. Tena tsara ny vokatra azo. Vao haingana no nanao tatitra fampianarana Baiboly 108 ny fiangonana iray any afovoan’i Tokyo. Avo roa heny mahery noho ny tamin’ny herintaona io isa io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.