Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandroso ny Asan’ilay Fanjakana any Liberia na eo aza ny Ady

Mandroso ny Asan’ilay Fanjakana any Liberia na eo aza ny Ady

Mandroso ny Asan’ilay Fanjakana any Liberia na eo aza ny Ady

EFA folo taona mahery izao no nisian’ny ady an-trano any Liberia. Tafatsofoka tao Monrovia renivohitra ireo mpikomy, teo antenatenan’ny 2003. Maro tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah no voatery nitsoa-ponenana, ary indraindray dia nanao izany matetika. Imbetsaka koa no norobaina ny fananan’izy ireo.

Mampalahelo fa olona an’arivony no maty nandritra ilay ady tao an-drenivohitra. Anisan’izany ny rahalahy iray sy ny anabavy iray. Inona no nataon’ireo rahalahy hafa mba hiatrehana ilay zava-tsarotra, ary ahoana no nanampiana azy ireo?

Fanampiana an’ireo sahirana

Nanao fandaharana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Liberia, mba hanampiana an’ireo sahirana nandritra ilay fotoan-tsarotra. Nomena sakafo sy izay tena nilaina tao an-trano ary fanafody izy ireo. Nanjary sarotra ny nahita sakafo rehefa nofehezin’ireo mpikomy ny seranam-piaramanidina. Efa nampoizin’ny sampana izany fisehoan-javatra izany ka efa nomaniny ireo zavatra tena nilain’ireo Vavolombelona roa arivo, izay nandositra tany amin’ireo Efitrano Fanjakana nanerana ilay tanàna. Notsinjarain’ireo rahalahy ny sakafo, mba haharitra mandra-pisokatr’ilay seranam-piaramanidina indray. Nandefa fanafody tamin’ny fiaramanidina ny sampan’i Belzika sy Sierra Leone, ary nandefa akanjo ny sampan’i Grande-Bretagne sy Frantsa.

Tsy kivy anefa ireo rahalahy fa falifaly foana, na dia nampamoy fo aza ny toe-javatra. Nampiseho tsara ny nolazain’ny ankamaroan’izy ireo ny fanamarihana nataon’ny rahalahy iray, izay intelo nitsoa-ponenana. Hoy izy: “Izao ange ilay toe-piainana torintsika e! Miaina amin’ny andro farany isika.”

Fandraisana ny vaovao tsara

Tsara dia tsara foana ny vokatra azon’ny Vavolombelona eny amin’ny saha, na dia misafotofoto be aza ilay firenena. Nahatratra 3 879 ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny Janoary 2003, ary nitarika fampianarana Baiboly 15 227 izy ireo tamin’ny Febroary.

Mailaka mandray ny vaovao tsara ny olona. Ohatra amin’izany izay nitranga tany amin’ny tanàna kely iray any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Liberia. Nisy fiangonana iray nanao fandaharana mba hankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tany amin’ny tanànan’i Bewahn. Dia an-tongotra adiny dimy avy eo amin’ny toeram-pivoriana mahazatra an’ilay fiangonana no misy azy io. Nomena fanasana aloha ny ben’ny tanànan’i Bewahn, izay ireo rahalahy vao nanasa ny mponina hanatrika ilay Fahatsiarovana. Rehefa voarain’io ben’ny tanàna io anefa ilay fanasana dia noraisiny ny Baiboliny ary lasa nitsidika ny olona izy. Novakiny tamin’izy ireo ny andinin-teny tao amin’ilay fanasana, ary nampirisihiny izy ireo hanatrika ny Fahatsiarovana. Efa vita àry ilay asa rehefa tonga tany ireo mpitory! Tonga nanatrika ny Fahatsiarovana niaraka tamin’ny vadiny roa sy ny zanany ilay ben’ny tanàna. Nisy 27 ny mpanatrika tamin’ny fitambarany. Niala tamin’ny Fiangonana Metodista ilay ben’ny tanàna nanomboka tamin’izay, ary nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Nanome tany hanorenana Efitrano Fanjakana koa izy.

Niova fihetsika

Nisy vokany tsara koa ny fitondran-tenan’ireo rahalahy satria nahatonga olona sasany hanaiky ny fahamarinana. Diniho ny amin’ny lehilahy iray atao hoe Opoku. Nisy mpisava lalana manokana nihaona taminy teny am-pitoriana ary nanolotra azy Ny Tilikambo Fiambenana. Nisy lahatsoratra nahaliana azy tao amin’ilay gazety, nefa tsy nanam-bola izy. Nomen’ilay rahalahy azy ilay gazety, rehefa avy nohazavainy fa tsy itakiana sarany izy io, ary nanaiky hiverina hitsidika azy izy. Nanontanian’i Opoku toy izao ilay mpisava lalana, rehefa tonga nitsidika azy: “Fantatrao ve aho? Mahafantatra ahy ny ankamaroan’ny namanareo any Harper. Nandroaka ny zanakareo tany am-pianarana aho taloha!” Nohazavainy fa talen’ny lise iray izy tamin’izany, ary nanenjika ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah satria tsy nety nanangan-tsaina izy ireo.

Intelo i Opoku no nahamarika fa tena Kristianina maneho fitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahatonga azy handinika indray ny fomba fiheviny izany. Voalohany, dia nahita Vavolombelona nikarakara ny mpiara-mivavaka taminy narary be izy. Nataon’izy ireo mihitsy aza izay hahafahany hitsabo tena tany amin’ny firenena iray teo akaiky. Noheverin’i Opoku hoe “olona ambony” teo amin’ny Vavolombelona ilay narary, hay Vavolombelona tsotra ihany. Ny faharoa dia nandritra ireo taona 1990, tamin’izy mpitsoa-ponenana tany Côte d’Ivoire. Nangetaheta izy indray andro, ka nividy rano tamina tovolahy iray. Tsy nisy afa-tsy vola vaventy tany aminy, nefa ilay tovolahy tsy nanana madinika hamerenana. Nomeny azy fotsiny àry ilay rano. Nanontany an’i Opoku toy izao ilay tovolahy, rehefa nanolotra ilay rano: “Araka ny hevitrao, ho afaka hifanome zavatra ve ny olona toa antsika izao indray andro any, kanefa tsy hila vola ho takalony?” Azon’i Opoku an-tsaina fa Vavolombelon’i Jehovah ilay tovolahy, ary izany tokoa no izy. Nampiaiky azy ny fahalalahan-tanana sy ny hatsaram-panahin’io rahalahy io. Farany, rehefa nanaiky hanome azy gazety maimaim-poana ilay mpisava lalana, dia niaiky i Opoku fa diso ny fomba fijeriny ny Vavolombelona ka tokony hovany. Nandroso teo amin’ny fianarany ny Baiboly izy, ary efa mpitory tsy vita batisa izao.

Mbola miaina amin’ny toe-javatra tena sarotra foana ny rahalahy any Liberia. Matoky an’Andriamanitra anefa izy ireo, ary mitory hatrany ny vaovao tsara momba ny toe-piainana tsara hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ny asa mafy sy ny fitiavana asehon’izy ireo ho an’ny anarany.​—Hebreo 6:10.

[Sarintany, pejy 30]

(Jereo ny gazety)

MONROVIA

[Sary, pejy 31]

Manome fanampiana ara-panahy sy ara-nofo ho an’ireo sahirana ny vahoakan’i Jehovah mandritra ny fotoan-tsarotra