Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miantehera Amin’ny Fanahin’Andriamanitra Rehefa Miova ny Fiainanao

Miantehera Amin’ny Fanahin’Andriamanitra Rehefa Miova ny Fiainanao

Miantehera Amin’ny Fanahin’Andriamanitra Rehefa Miova ny Fiainanao

“Ataovy izay rehetra azonao atao mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana.”​—2 TIMOTY 2:15.

1. Inona avy no fiovana mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy?

MIOVA foana ny tontolo misy antsika. Mandroso be ny siansa sy ny teknolojia, ary tena miharatsy fitondran-tena ny olona. Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia tsy maintsy toherin’ny Kristianina ny fanahin’izao tontolo izao, izay manohitra an’Andriamanitra. Miova ity tontolo ity, kanefa misy fiovana koa ny fiainantsika. Mandao ny fahazazana isika, ary mihalehibe. Mety ho lasa mpanankarena isika, na hihamahantra. Mety hiova ny fahasalamantsika, na misy maty ny havantsika. Tsy voafehintsika ny ankamaroan’ireny fiovana ireny, ary mety hiteraka zava-tsarotra vaovao sy olana lehibe. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy izany.

2. Inona avy no fiovana teo amin’ny fiainan’i Davida?

2 Vitsy ny olona nandia fiovana goavana teo amin’ny fiainana toa an’i Davida, zanak’i Jese. Mpiandry ondry izy taloha ary tsy fantatry ny olona, nefa vetivety teo dia lasa olo-malaza teo amin’ny firenena. Voatery nandositra foana izy avy eo, satria nialona azy ny mpanjaka iray ka nanao haza lambo azy. Lasa mpanjaka sy mpandresy i Davida tatỳ aoriana. Nijaly mafy izy noho ny fahotana lehibe nataony. Nisy loza nanjo ny fianakaviany, ary nisara-bazana izy ireo. Lasa nanan-karena izy, ary nihantitra sy nihaosa. Natoky an’i Jehovah sy ny fanahiny foana anefa i Davida nandritra ny androm-piainany, na dia teo aza izany fiovana maro izany. Nanao izay rehetra azony natao izy mba hiseho “eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana”, ka notahiny izy. (2 Timoty 2:15) Afaka mianatra ny fomba niatrehan’i Davida ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany isika, na dia tsy mitovy amin’ny azy aza ny fiainantsika. Tiantsika foana ny hahazo ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra rehefa miova ny fiainantsika, ary afaka manampy amin’izany ny ohatr’i Davida.

Ohatra tsara ny fanetren-tenan’i Davida

3, 4. Zazalahy mpiandry ondry i Davida, ary tsy fantatry ny olona, nefa ahoana no nahatonga azy ho olo-malaza teo amin’ny fireneny?

3 Tsy nisongadina firy i Davida tamin’izy mbola kely, na dia teo anivon’ny fianakaviany aza. Rehefa tonga tany Betlehema i Samoela mpaminany, dia ny fito tamin’ireo zanany lahy valo no nasehon’ny rain’i Davida azy. Nasaina niandry ondry i Davida, faralahy. Izy anefa no nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely. Nantsoina tany an-tsaha àry i Davida. Mitantara toy izao ny Baiboly avy eo: “Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ny rahalahiny; ary ny Fanahin’i Jehovah dia nilatsaka tamin’i Davida hatramin’iny andro iny.” (1 Samoela 16:12, 13) Niantehitra tamin’io fanahy io foana i Davida nandritra ny androm-piainany.

4 Tsy ela dia lasa olo-nalaza teo amin’ny fireneny io zazalahy mpiandry ondry io. Nantsoina izy hikarakara ny mpanjaka sy hitendry mozika ho azy. Novonoiny ho faty i Goliata, ilay mpiady goavam-be sy lozabe, nefa na dia ny miaramilan’ny Israely efa zatra ady aza natahotra ny hifanandrina taminy. Resin’i Davida koa ny Filistinina rehefa natao mpifehy ny miaramila izy. Tiam-bahoaka izy, ka namorona hira niderana azy izy ireo. Taloha kelin’izay, dia nilaza toy izao momba an’i Davida tanora ny mpanolo-tsain’i Saoly Mpanjaka: “Mahay mitendry” lokanga izy, sady ‘lehilahy mahery sy mpanafika ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy.’​—1 Samoela 16:18; 17:23, 24, 45-51; 18:5-7.

5. Inona no afaka nampieboebo an’i Davida, nefa ahoana no ahalalantsika fa tsy izany no nitranga?

5 Toa tao amin’i Davida daholo ny hatsarana rehetra: laza, hatsaran-tarehy, hatanorana, fahaizana mandaha-teny sy mitendry zavamaneno, fahaizana miady, ary ny fankasitrahan’Andriamanitra. Afaka nampieboebo azy ny iray tamin’ireo zavatra ireo, nefa tsy izany no nitranga. Mariho ny valin-tenin’i Davida, rehefa nomen’i Saoly Mpanjaka ho vadiny ny zanany vavy. Tena nanetry tena izy, nilaza hoe: “Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin’ny raiko ao amin’ny Isiraely, no ho vinanton’ny mpanjaka aho?” (1 Samoela 18:18) Hoy ny manam-pahaizana iray momba an’io andinin-teny io: “Te hilaza i Davida fa tsy mendrika azy ilay voninahitra ho tonga vinanton’ny mpanjaka, raha jerena ny fahaizany sy ny saranga nisy azy ary ny razambeny.”

6. Nahoana isika no tokony hianatra hanetry tena?

6 Nanetry tena i Davida, satria niaiky izy fa ambony lavitra noho ny olombelona tsy lavorary i Jehovah amin’ny lafiny rehetra. Gaga izy hoe mba voamarik’Andriamanitra ihany ny olombelona. (Salamo 144:3) Fantany koa fa tsy nisy fahalehibeazana azony, raha tsy nanetry tena i Jehovah ka nanampy sy niaro ary nikarakara azy. (Salamo 18:35) Lesona tsara ho antsika tokoa izany! Tsy tokony hanambony tena mihitsy isika noho ny fahaizantsika sy ny zava-bitantsika ary ny tombontsoam-panompoana ananantsika. Hoy ny apostoly Paoly: “Inona tokoa moa no anananao izay tsy noraisinao? Koa raha nandray tokoa ianao, nahoana no mirehareha toy ny tsy nandray?” (1 Korintianina 4:7) Tsy maintsy mianatra manetry tena sy maneho azy io foana isika, mba hahazoana ny fanahy masin’Andriamanitra sy ny fankasitrahany.​—Jakoba 4:6.

“Aza mamaly faty”

7. Oviana i Davida no afaka namono an’i Saoly Mpanjaka?

7 Tsy nahatonga an’i Davida hiavonavona ny lazany. Nanjary nialona azy kosa i Saoly Mpanjaka, izay tsy nanana ny fanahin’Andriamanitra intsony. Nitady hamono an’i Davida àry izy. Tsy nanao ratsy i Davida, nefa voatery nandositra mba hiarovana ny ainy, ary nanorim-ponenana tany an-tany efitra. Nanenjika foana an’i Davida tany amin’izay nalehany i Saoly Mpanjaka. Niditra tao anaty lava-bato izy indray mandeha, nefa tsy fantany fa efa niafina tao i Davida sy ny namany. Nampirisihin’ny namany àry i Davida mba hanararaotra an’io fotoana io, izay toa fahafahana nomen’Andriamanitra hamonoana an’i Saoly. Alao sary an-tsaina izy ireo ao anaty haizina, mibitsibitsika amin’i Davida hoe: “Izao no andro nolazain’i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tànanao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao.”​—1 Samoela 24:3-7.

8. Nahoana no nifehy tena tsy hamaly faty i Davida?

8 Tsy nanaiky hanisy ratsy an’i Saoly i Davida. Naneho finoana sy faharetana izy, ary naleony nankinina tamin’i Jehovah ilay raharaha. Rehefa nivoaka ilay lava-bato ny mpanjaka, dia niantso azy i Davida hoe: “Jehovah no hitsara ahy sy hianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tànako tsy mba haninona anao.” (1 Samoela 24:13) Fantatr’i Davida fa tsy rariny ny nataon’i Saoly, nefa tsy namaly faty izy. Tsy nanevateva azy koa izy, na nanaratsy azy. Imbetsaka i Davida no nifehy tena tsy hamaly faty. Niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy mba hanitsy ny tsy nety.​—1 Samoela 25:32-34; 26:10, 11.

9. Nahoana isika no tsy tokony hamaly faty raha misy manohitra na manenjika?

9 Mety ho tojo zava-tsarotra toa an’i Davida ianao. Angamba misy mpiara-mianatra, mpiara-miasa, mpianakavy, na olona tsy mitovy finoana aminao, manohitra na manenjika anao. Aza mamaly faty. Miandrasa an’i Jehovah, ary angataho ny fanahiny masina mba hanampy anao. Hampiaiky volana an’ireny olona ireny angamba ny fitondran-tenanao tsara, ka ho lasa mpino izy ireny. (1 Petera 3:1) Na ahoana na ahoana, dia matokia fa hitan’i Jehovah ny manjo anao, ary hanao zavatra izy amin’ny fotoana voatondrony. Hoy ny apostoly Paoly: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’”​—Romanina 12:19.

“Minoa anatra”

10. Ahoana no nahatonga an’i Davida hanota, ary ahoana no niezahany hanafina izany?

10 Nandeha ny fotoana. Lasa mpanjaka nalaza be sy tiam-bahoaka i Davida. Niavaka ny fahatokiany, ary nanao salamo kanto ho fiderana an’i Jehovah izy. Noho izany, dia mety ho tonga ho azy ao an-tsaina ny hoe tsy hanao fahotana lehibe mihitsy ny olona toa azy. Tsy izany anefa no nitranga. Indray andro, dia teo an-tampon’ny lapany ilay mpanjaka, ary nandinika vehivavy tsara tarehy nandro. Nanadihady momba ilay vehivavy izy. Rehefa fantany fa i Batseba no anarany ary lasa tany an’ady i Oria vadiny, dia nasainy nalaina izy ary nanaovany firaisana. Fantany tatỳ aoriana hoe bevohoka i Batseba. Tena ho afa-baraka tokoa izy raha sanatria fantatr’olona izany! Nomelohin’ny Lalàn’i Mosesy ho faty izay olona nanitsakitsa-bady. Nieritreritra angamba ilay mpanjaka fa ho azo afenina ihany ilay fahotana. Nandefa hafatra tany amin’ny tafika àry izy, nandidy an’i Oria hiverina tany Jerosalema. Nanantena i Davida fa hankany amin’i Batseba i Oria ny alin’iny, saingy tsy izany no nitranga. Lany haika i Davida, ka nasainy niverina tany an’ady i Oria, ary nampitondrainy taratasy ho an’i Joaba, mpitari-tafika. Nandidy an’i Joaba ilay taratasy mba handefa an’i Oria ao anatin’ny ady izay hahafaty azy. Nankatò i Joaba, ary maty i Oria. Nalain’i Davida ho vadiny i Batseba, rehefa tsy nisaona intsony.​—2 Samoela 11:1-27.

11. Inona no nolazain’i Natana tamin’i Davida, ary nanao ahoana ny fihetsiny?

11 Toa nahomby ilay tetika, nefa tokony ho fantatr’i Davida fa nibaribary tamin’i Jehovah ny zava-drehetra. (Hebreo 4:13) Teraka ilay zaza, afaka volana maromaro. Nirahin’Andriamanitra ho any amin’i Davida avy eo, i Natana mpaminany. Nitantara tamin’ilay mpanjaka izy fa nisy lehilahy nanan-karena nanana ondry maro be, ary nisy kosa lehilahy nahantra tsy nanana afa-tsy ondry iray, izay tena tiany. Ilay ondrin’io lehilahy io anefa no nalain’ilay mpanankarena sy novonoiny. Nanosika an’i Davida hanitsy izany zavatra tsy ara-drariny izany ilay tantara, nefa tsy nampoiziny fa nisy heviny miafina ilay izy. Nanameloka avy hatrany an’ilay mpanankarena izy. Tezitra mafy izy niteny tamin’i Natana hoe: “Tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany.”​—2 Samoela 12:1-6.

12. Inona no didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Davida?

12 “Hianao no izy”, hoy ilay mpaminany. Nitsara tena i Davida. Azo antoka fa nanjary menatra be sy nalahelo mafy izy, ary nisinda vetivety ny hatezerany. Tsy nahateny izy teo am-pihainoana ilay didim-pitsarana tsy azo ialana avy tamin’i Jehovah. Tsy nisy teny fampiononana. Nanamavo ny tenin’i Jehovah i Davida satria nanao ratsy. Tsy nampamono an’i Oria tamin’ny sabatry ny fahavalo ve izy? Noho izany, dia tsy hiala amin’ny ankohonany ny sabatra. Tsy naka mangingina ny vadin’i Oria ve izy? Hanjo azy koa izany, saingy eny imasom-bahoaka, fa tsy mangingina.​—2 Samoela 12:7-12.

13. Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida rehefa nofaizin’i Jehovah?

13 Tsy mba nanda ny fahadisoany kosa anefa i Davida. Tsy nibedibedy an’i Natana mpaminany izy. Tsy nanome tsiny olon-kafa izy, na nanala tsiny ny nataony. Rehefa naseho azy ny fahotany, dia niaiky izy ka nilaza hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” (2 Samoela 12:13) Hita ao amin’ny Salamo faha-51 ny fijaliany noho ny fahatsiarovan-tena ho meloka, sy ny halalin’ny fibebahany. Nitalaho tamin’i Jehovah izy hoe: “Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.” Nino izy fa tsy ataon’i Jehovah tsinontsinona “ny fo torotoro sy mangorakoraka”, satria Andriamanitra mamindra fo izy. (Salamo 51:11, 17) Mbola niantehitra tamin’ny fanahin’Andriamanitra foana i Davida. Tsy niaro azy tamin’ny voka-dratsin’ny fahotany i Jehovah, nefa namela ny helony.

14. Ahoana no tokony handraisantsika ny famaizan’i Jehovah?

14 Tsy lavorary sy mpanota daholo isika. (Romanina 3:23) Mety hanao fahotana lehibe toa an’i Davida isika indraindray. Toy ny ray be fitiavana manafay ny zanany i Jehovah, ka manitsy izay te ho mpanompony. Tsy mora anefa ny manaiky famaizana, na dia mahasoa aza izany. Mety ‘hampahory’ mihitsy aza izany indraindray. (Hebreo 12:6, 11) Afaka ny hihavana indray amin’i Jehovah anefa isika, raha ‘mino anatra.’ (Ohabolana 8:33) Tsy maintsy manaiky ny fanitsian’i Jehovah sy miezaka hahazo ny fankasitrahany isika, raha te hanana hatrany ny fanahiny.

Aza mametraka fanantenana amin’ny harena tsy azo antoka

15. a) Amin’ny fomba ahoana avy no ampiasan’ny olona ny harenany? b) Naniry hampiasa ny harenany tamin’ny fomba ahoana i Davida?

15 Tsy misy filazana mihitsy hoe olona ambony i Davida, na avy amin’ny fianakaviana nanan-karena. Lasa mpanefohefo anefa izy nandritra ny fanjakany. Araka ny efa fantatrao, dia maro no manangon-karena, na tsy mety afa-po fa mampitombo foana ny harenany, na mandanilany foana izany. Eo koa ny mampiasa ny volany mba hahazoam-boninahitra. (Matio 6:2) Tsy mba izany no nampiasan’i Davida ny harenany. Naniry mafy hanome voninahitra an’i Jehovah izy. Nilaza tamin’i Natana izy fa te hanorina tempoly ho an’i Jehovah mba hametrahana ny fiaran’ny fanekena, izay ‘nitoetra tao anaty lay’ tany Jerosalema. Nahafaly an’i Jehovah ny fikasany, nefa nasainy nilaza taminy i Natana fa i Solomona, zanany lahy, no hanorina azy io.​—2 Samoela 7:1, 2, 12, 13.

16. Inona no fanomanana nataon’i Davida talohan’ny nanorenana ilay tempoly?

16 Nanangona fitaovana hoenti-manatanteraka an’io tetikasa fanorenana io i Davida. Hoy izy tamin’i Solomona: “Nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon’i Jehovah [aho]; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.” Avy tamin’ny fananany manokana no nanomezany talenta volamena 3 000 sy talenta volafotsy 7 000. * (1 Tantara 22:14; 29:3, 4) Tsy ho fisehosehoana akory no nanomezan’i Davida an’izany, fa ho fanehoana finoana sy fandavan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. Fantany ny Loharanon’ny harenany, ka hoy izy tamin’i Jehovah: “Avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” (1 Tantara 29:14) Nanosika an’i Davida hanao izay rehetra vitany mba hampandrosoana ny fivavahana marina ny fahalalahan-tanany.

17. Hazavao fa mihatra amin’ny mpanankarena sy ny mahantra ilay torohevitra ao amin’ny 1 Timoty 6:17-19.

17 Enga anie isika koa hampiasa ny fananantsika mba hanaovana ny tsara. Aza mikatsaka harena, fa aleo kosa mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izany no tena fahendrena sy tena mahasambatra. Hoy i Paoly: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hiavonavona, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika. Anaro koa izy ireny mba hanao soa, sy hanankarena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hihazona mafy ny tena fiainana.” (1 Timoty 6:17-19) Na manan-karena isika na mahantra, dia aoka isika hiantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra sy hanao izay ‘hampanankarena antsika aminy.’ (Lioka 12:21) Tsy misy sarobidy kokoa noho ny fankasitrahan’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.

Misehoa eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana

18. Nahoana no namela ohatra tsara ho an’ny Kristianina i Davida?

18 Nitady ny fankasitrahan’i Jehovah foana i Davida nandritra ny androm-piainany. Nihira toy izao izy: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ny fanahiko.” (Salamo 57:1) Tsy very maina ny fatokisany an’i Jehovah. Ela niainana sy “tratrantitra tsara” izy. (1 Tantara 23:1) Nanao fahadisoana lehibe i Davida, nefa izao no ahatsiarovana azy: Iray amin’ireo Vavolombelon’Andriamanitra maro be naneho finoana niavaka izy.​—Hebreo 11:32.

19. Ahoana no hisehoantsika eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana?

19 Rehefa miova ny fiainanao, dia tsarovy fa afaka manampy sy mampahery ary manitsy anao i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Davida. Nisy fiovana maro koa teo amin’ny fiainan’ny apostoly Paoly, toy ny an’i Davida ihany. Nahatoky hatrany koa anefa izy, satria niantehitra tamin’ny fanahin’Andriamanitra. Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:12, 13) Raha miantehitra amin’i Jehovah isika, dia hanampy antsika hahomby izy. Tiany hahomby isika. Homeny hery hanaovana ny sitrapony isika, raha mihaino sy manatona azy. Ary raha miantehitra hatrany amin’ny fanahin’Andriamanitra isika, dia ho afaka ny ‘hiseho eo anatrehany ho olona ankasitrahana’, ankehitriny sy mandrakizay.​—2 Timoty 2:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Tombanana ho dimy hetsy sy fito tapitrisa tapitrisa FMG eo ho eo ankehitriny ny fanomezan’i Davida.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no hanampy antsika tsy hiavonavona?

• Nahoana isika no tsy tokony hamaly faty?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny famaizana?

• Nahoana no tokony hatoky an’Andriamanitra isika fa tsy ny harena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Niantehitra tamin’ny fanahin’Andriamanitra i Davida sady nitady ny fankasitrahany. Izany koa ve no ataonao?

[Sary, pejy 18]

“Avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao”