Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifantoka Amin’ilay Valisoa ve Ianao?

Mifantoka Amin’ilay Valisoa ve Ianao?

Mifantoka Amin’ilay Valisoa ve Ianao?

TSY mahita tsikelikely ny olona voan’ny areti-maso glaucome, izay anisan’ny tena mahatonga fahajambana. Lasa manjavozavo aloha ny fahitany. Mitatra ihany izany raha tsy voatsabo, ka mety ho jamba tanteraka izy amin’ny farany.

Mety tsy ho tsapantsika akory fa efa miharatsy ny fahitantsika ara-bakiteny. Mety ho izany koa anefa no mitranga amin’ny fahitantsika ara-panahy, izay mbola zava-dehibe lavitra. Koa iankinan’ny aintsika àry ny hoe mifantoka tsara amin’ny raharaha ara-panahy ny masontsika ara-panoharana.

Mifantoha hatrany amin’ilay valisoa

Anisan’ireo ‘zavatra tsy hitan’ny’ masontsika ara-bakiteny ilay valisoa lehibe homen’i Jehovah, dia ny fiainana mandrakizay ho an’izay tsy mivadika aminy. (2 Korintianina 4:18) Mazava ho azy fa ny fitiavana an’Andriamanitra no antony voalohany hanompoan’ny Kristianina azy. (Matio 22:37) Tian’i Jehovah anefa raha tsy andrintsika izay hahazoana an’io valisoa io. Tiany ho tsapantsika fa Ray malala-tanana izy, “sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6) Koa sarobidy amin’ireo tena mahafantatra sy tia an’i Jehovah àry ilay fitahiana nampanantenainy, ary miandry fatratra an’izany izy ireo.​—Romanina 8:19, 24, 25.

Finaritra erỳ ny mpamaky rehefa mahita ny sarin’ny Paradisa an-tany ho avy, aseho amin’itony gazety itony sy amin’ny Mifohaza! Marina fa tsy tena fantatsika hoe hanao ahoana marina ny endrik’ilay Paradisa. Sary hampisehoana ny voalazan’ny Baiboly fotsiny izy ireny, ary miorina amin’ny andinin-teny toy ny Isaia 11:6-9. Hoy anefa ny vehivavy kristianina iray: “Dinihiko tsara ireny sarina Paradisa hitako ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ireny, ary eritreretiko ho tena misy, toy izay fahita ao amin’ny boky ho an’ny mpizaha tany. Alaiko sary an-tsaina hoe miaina ao amin’ilay izy mihitsy aho, sady izany rahateo koa no fanantenako amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.”

Toy izany koa no tsapan’i Paoly momba ny “lokan’ny fiantsoana” azy. Tsy nihevitra azy io ho toy ny zavatra efa azony izy, satria nila nahatoky hatramin’ny farany. ‘Nikely aina foana hanatratra ny teo aloha’ izy. (Filipianina 3:13, 14) Niaritra fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana koa i Jesosy, “noho ilay fifaliana natao teo anoloany.”​—Hebreo 12:2.

Efa nisalasala ve ianao raha ho tafiditra ihany ao amin’ny tontolo vaovao na tsia? Tsara aloha ny tsy matoky tena loatra, satria raha tsy mivadika hatramin’ny farany ihany isika vao hahazo ny lokan’ny fiainana. (Matio 24:13) Afaka manantena an’io valisoa io anefa isika raha manao izay rehetra azontsika atao mba hanaovana izay takin’Andriamanitra. Tadidio fa ‘tsy irin’i Jehovah hisy olona ho ringana, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.’ (2 Petera 3:9) Hampian’i Jehovah ho tonga amin’ny tanjontsika isika, raha matoky azy. Tsy i Jehovah mihitsy no hitady hirika hanilihana an’ireo miezaka amim-pahatsorana hampifaly azy.​—Salamo 103:8-11; 130:3, 4; Ezekiela 18:32.

Manana fanantenana isika noho ny fahafantarana ny fihetseham-pon’i Jehovah amin’ny vahoakany. Zava-dehibe toy ny finoana ny fanantenana. (1 Korintianina 13:13) Midika ho “fiandrasana zavatra tsara”, ilay teny grika nadika hoe “fanantenana” ao amin’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly momba azy io: “Irinay ianareo tsirairay avy mba haneho fahazotoana toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana. Amin’izay dia tsy ho kamo ianareo, fa hanahaka kosa an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.” (Hebreo 6:11, 12) Mariho fa ho azontsika antoka ny hahatanteraka ny fanantenantsika, raha manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana hatrany isika. Ho tanteraka izy io fa ‘tsy mandiso fanantenana’ toy ireo zavatra ampanantenain’ity tontolo ity. (Romanina 5:5) Ahoana àry no hahatonga ny fanantenantsika hazava tsara foana sy tsy hanjavozavo mihitsy?

Ahoana no hanatsarantsika ny fahitantsika ara-panahy?

Tsy afaka mampifantoka ny masontsika amin-javatra roa isika. Toy izany koa ny masontsika ara-panahy. Tsy hifantoka amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra ny mason’ny saintsika, raha mifantoka amin-javatra eto amin’ity tontolo ity. Hihamanjavozavo amintsika ilay tontolo vaovao rehefa mandeha ny fotoana, ary mety tsy ho hitan’ny masontsika intsony mihitsy aza amin’ny farany. Ho zava-doza tokoa izany! (Lioka 21:34) Koa tena zava-dehibe àry ny hananantsika ‘maso tsotra’ hatrany, eny, maso izay mifantoka foana amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy amin’ilay valisoa, dia ny fiainana mandrakizay.​—Matio 6:22.

Tsy mora foana anefa ny mihazona ny maso ho tsotra. Mitana ny saintsika ny olana mahazo antsika isan’andro. Mety hisy ny fanelingelenana, na fakam-panahy mihitsy koa aza. Ahoana àry amin’izay no hifantohantsika hatrany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ilay tontolo vaovao nampanantenainy, nefa koa tsy hanaovantsika tsirambina ny asa hafa tena ilaina? Andeha isika hijery fomba telo.

Ianaro isan’andro ny Tenin’Andriamanitra. Hanampy antsika hifantoka hatrany amin’ny raharaha ara-panahy ny famakiana Baiboly tsy tapaka sy ny fianarana ireo boky sy gazety ara-baiboly. Efa hatramin’ny taona maro angamba isika no nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ilaintsika anefa ny manohy izany. Mila misakafo foana isika mba ho velona, na dia efa betsaka aza ny sakafo lanintsika tamin’ny lasa. Mila sakafo ara-panahy tsy tapaka koa isika, na dia efa mahafantatra tsara ny Baiboly aza. Hazava tsara foana ny fanantenantsika amin’izay, ary hatanjaka koa ny finoantsika sy ny fitiavantsika.​—Salamo 1:1-3.

Ankafizo ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra. Nahoana isika no mila misaintsaina? Roa ny antony. Voalohany, dia ho azontsika tsara izay vakintsika, ary hitombo ao am-pontsika ny fankasitrahantsika azy ireny. Faharoa, tsy hanadino an’i Jehovah sy ny asany mahatalanjona ary ny fampanantenany isika, raha misaintsaina ny teniny. Intỳ misy ohatra: Nanatri-maso ny nampisehoan’i Jehovah ny heriny tsy manam-petra ireo Israelita, rehefa nandao an’i Ejipta niaraka tamin’i Mosesy. Nahatsapa ny fiarovany feno fitiavana koa izy ireo teny an-dalana ho any amin’ilay lovany. Nanomboka nimonomonona sahady anefa izy ireo raha vao tonga teo amin’ilay tany efitra mankany amin’ilay Tany Nampanantenaina, ary hita fa tena tsy nanam-pinoana. (Salamo 78:11-17) Fa nahoana?

Tsy nifantoka intsony tamin’i Jehovah na tamin’ilay fampanantenany mahatalanjona izy ireo, fa nifantoka kosa tamin’izay nilainy teo no ho eo, dia ny fiainana nampiadana sy izay nahafa-po ny nofony. Israelita maro no lasa tsy ampy finoana sy mpimonomonona, na dia nanatri-maso fahagagana maro aza. Hoy ny Salamo 106:13: “Nalaky nanadino ny asan[’i Jehovah] izy ka tsy niandry ny saina hatolony.” Taranaka iray manontolo no tsy tafiditra tao amin’ilay Tany Nampanantenaina, noho io tsy fitandremana tsy azo nalan-tsiny io.

Makà fotoana hisaintsainana àry, rehefa mamaky Baiboly sy boky fianarana Baiboly. Tena zava-dehibe izany mba hahasalama sy hampitombo anao ara-panahy. Rehefa mamaky ny Salamo faha-106 voalaza etsy ambony, ohatra, ianao dia saintsaino ireo toetran’i Jehovah. Mariho fa tena naharitra sy be famindram-po tamin’ireo Israelita izy. Diniho koa fa efa nanao izay azony natao izy mba hanampiana azy ireo ho tody tany amin’ilay Tany Nampanantenaina. Nikomy foana anefa izy ireo. Eritrereto ny alahelo tsapan’i Jehovah rehefa very maina ny famindram-pony sy ny faharetany tamin’io vahoaka tsy nahay nankasitraka io. Rehefa saintsainintsika koa ny andininy faha-30 sy 31, izay miresaka momba ny herim-pon’i Finehasa hanao izay mahitsy, dia matoky isika fa tsy hanadino velively an’ireo tsy mivadika aminy i Jehovah, fa hanome valisoa tondraka ho azy ireo.

Ampiharo ny toro lalan’ny Baiboly. Ny tenantsika mihitsy no hahita fa mandaitra ireo torohevitr’i Jehovah, rehefa arahintsika ny toro lalan’ny Baiboly. Hoy ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Eritrereto ny fahavoazana ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po, ary ara-batana mahazo ny olona maro maloto fitondran-tena. Fahoriana an-taona maro na mandra-pahafatiny mihitsy aza no manjo azy ireny, vokatry ny fanaranam-po amin’ny fahafinaretana mihelina. Tsy mba toy izany kosa ireo mandeha eo amin’ny ‘lalana ety.’ Tsapan’izy ireo sahady ny tsiron’izany hoe miaina ao amin’ny tontolo vaovao izany, ka voatosika hanaraka foana an’io lalan’ny fiainana io izy.​—Matio 7:13, 14; Salamo 34:8.

Mety ho tena sarotra ny manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Rehefa iharam-pitsapana isika, dia mety ho toa manome vahaolana eo no ho eo indraindray ny tsy fanarahana ny Baiboly. Mety halaim-panahy hametraka ilay Fanjakana ho amin’ny toerana faharoa, ohatra, isika rehefa sahirana ara-bola. Mahazo antoka anefa ireo manam-pinoana sy mifantoka hatrany amin’ny raharaha ara-panahy, fa amin’ny farany dia “hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra.” (Mpitoriteny 8:12) Mety hanao asa amboniny tsindraindray ny Kristianina. Aza manahaka an’i Esao mihitsy anefa ka hanao tsinontsinona ny ara-panahy.​—Genesisy 25:34; Hebreo 12:16.

Nohazavain’i Jesosy tsara ny andraikitsika Kristianina. Tokony ‘hikatsaka hatrany ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany’ aloha isika. (Matio 6:33) Hampiseho ny fitiavany amintsika i Jehovah Raintsika raha manao izany isika, ka homeny izay ilaintsika ara-nofo. Tsy tiany ho enta-mavesatra amintsika mihitsy ny fanahiana zavatra efa nolazainy fa homeny antsika. Mitovy amin’ny areti-maso ara-panahy ny fanahiana tafahoatra toy izany. Raha tsy tsaboina izany, dia hihena tsikelikely ny fahitantsika, ka tsy hahita afa-tsy ny zavatra ara-nofo sisa isika, ary mety ho lasa jamba ara-panahy amin’ny farany. Raha tsy miova isika dia ho “fandrika” ho antsika ny andron’i Jehovah. Ho loza tokoa izany!​—Lioka 21:34-36.

Mifantoha hatrany toa an’i Josoa

Manantena an’ilay Fanjakana be voninahitra isika, koa aoka isika hifantoka hatrany amin’izany, ka hametraka ny andraikitra hafa amin’ny toerana tokony hisy azy. Afaka matoky toa an’i Josoa isika fa ho tanteraka ny fanantenantsika, raha zatra mianatra sy misaintsaina hatrany isika, sady manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Hoy i Josoa rehefa nitarika ny Israelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.”​—Josoa 23:14.

Koa enga anie ka hanatanjaka anao ny fanantenana ilay Fanjakana, ary mba ho hita taratra amin’ny fomba fisainanao, sy ny fihetseham-ponao, sy ny fanapahan-kevitrao, ary amin’izay ataonao, fa mahasambatra anao izy io.​—Ohabolana 15:15; Romanina 12:12.

[Sary, pejy 21]

Efa nisalasala ve ianao raha ho tafiditra ihany ao amin’ny tontolo vaovao na tsia?

[Sary, pejy 22]

Tena zava-dehibe ny fisaintsainana rehefa mianatra Baiboly

[Sary, pejy 23]

Mifantoha hatrany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra