Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitondra Fitahiana Maro Be ny Zavatra Kely Nafoinay

Nitondra Fitahiana Maro Be ny Zavatra Kely Nafoinay

Tantaram-piainana

Nitondra Fitahiana Maro Be ny Zavatra Kely Nafoinay

NOTANTARAIN’I GEORGE SY ANN ALJIAN

Tsy nampoizinay mivady mihitsy hoe hampifangaro ny teny hoe “mpampianatra” sy “totozy” izahay, indray andro any. Tsy noeritreretinay mihitsy koa hoe hianatra hampiasa tarehin-tsoratra hafakely izahay, na dia efa 60 taona mahery aza, mba hifampiresahana amin’olona avy any Extrême-Orient. Izany anefa no nataonay sy Ann tamin’ny faramparan’ireo taona 1980. Mamelà anay hitantara hoe tamin’ny ahoana no nitondra fitahiana maro be ho anay ireo zavatra kely nafoinay nandritra ireo taona.

ARMENIANINA ny fianakaviako, ary mpivavaka tao amin’ny Eglizy Armenianina aho. Katolika i Ann, ary samy nampandefitra ny finoanay izahay roa, rehefa nivady tamin’ny 1950. Fito amby roapolo taona aho tamin’izay, ary 24 taona i Ann. Tao ambony rihana, tamin’ny trano iray fanadiovana akanjo izahay no nipetraka, tany amin’ny Tanànan’i Jersey, Etazonia. Efa-taona teo ho eo tamin’izay no nanokafako an’io toerana fanadiovana akanjo io.

Nividy trano tsara tarehy nisy efitrano fatoriana telo izahay tamin’ny 1955, tany Middletown, any New Jersey. Teo amin’ny 60 kilaometatra teo ho eo ny elanelan’io trano io sy ny toeram-piasako, ary niasa tany enina andro isan-kerinandro aho. Tara be foana aho vao tafody ny alina. Nametraka boky ara-baiboly tsindraindray tany am-piasako ny Vavolombelon’i Jehovah, ary izay ihany no mba nifandraisako tamin’izy ireo. Tena nahaliana ahy ny namaky ireny boky ireny. Nihalalina ny fanajako ny Baiboly, na dia ny asako aza no nandany ny ankamaroan’ny fotoanako sy tena nifantohan’ny saiko.

Tsy ela dia fantatro fa nandefa lahateny ara-baiboly ny radio Tilikambo Fiambenana, na WBBR, tamin’ny fotoana nitondrako fiara nandeha niasa sy niverina. Nohenoiko tsara ireny lahateny ireny, ary nitombo ny fahalianako, hany ka nangataka an’ireo Vavolombelona aho mba hitsidika ahy. Tonga nitsidika anay tany an-trano i George Blanton, tamin’ny Novambra 1957, ary nanomboka nampianatra Baiboly ahy.

Tafaray ao amin’ny fivavahana marina ny fianakavianay

Ahoana no fahitan’i Ann an’izany rehetra izany? Aoka izy no hilaza ny heviny.

“Nanohitra mafy an’ilay fianarana avy hatrany aho. Nataoko foana izay hampiato ny fianaran’i George ny Baiboly, hany ka nanapa-kevitra ny hianatra tany an-toeran-kafa izy. Izany foana no nataony nandritra ny valo volana. Nanomboka nanatrika ny fivoriana alahady tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa izy, nefa io ihany no mba andro tsy niasany. Fantatro tamin’izay fa tena zava-dehibe taminy ny fianarany. Mbola ray sy vady tsara foana anefa izy, ary lasa tsaratsara kokoa aza, hany ka nanomboka niova ny fihetsiko. Rehefa nanadio latabatra tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny aho indraindray, ka tsy nisy nahita, dia nalaiko ny Mifohaza! navelan’i George nipetrapetraka teny, ary novakiko. Nisy fotoana koa namakian’i George tamiko lahatsoratra sasany tamin’ny Mifohaza!, izay tsy nifandray mivantana tamin’ny foto-pinoana, kanefa nanasongadina foana ny Mpamorona.”

“Nalaiko ilay gazety napetrak’ilay zanakay lahy kely roa taona teo ambonin’ny latabatra teo akaikin’ny fandriako, indray hariva izay. Niara-nianatra tamin’ny Anadahy Blanton i George tamin’izay ka mbola tsy tao an-trano. Niresaka momba ny fanantenan’ny maty ilay gazety. Nanomboka novakiko ilay izy, na dia efa vizana aza aho. Vao maty mantsy ny renibeko, ary tena kivy aho. Avy hatrany dia azoko tsara ilay fahamarinana ara-baiboly. Hay tsy mijaly any ho any ny maty, ary mbola ho velona indray izy ireny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ho avy. Vetivety teo dia tafapetraka mahitsy tsara teo am-pandriana aho, may erỳ namaky sy nanipika ireo hevitra tiako haseho an’i George, rehefa tafaverina avy tamin’ny fianarany Baiboly izy.”

“Tena gaga ny vadiko ary toy ny olon-kafa no fijeriny ahy, satria nanohitra be aho tamin’izy niala tao an-trano. Nafana fo erỳ tamin’ilay fahamarinana mahatalanjona vao nianarako anefa aho teo! Mbola tsy natory izahay taorian’ny misasakalina fa nanao resaka ara-baiboly ihany. Nohazavain’i George tamiko ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny tany. Nanontaniako izy tamin’iny alina iny raha azo natao tao an-trano ny fianarany Baiboly, mba hahafahako hianatra koa.”

“Nasain’ny Anadahy Blanton nanatrika ny fianaranay ny ankizy. Nihevitra anefa izahay fa kely loatra izy ireo, satria vao roa sy efa-taona. Nasehon’ny Anadahy Blanton anay anefa ny Deoteronomia 31:12, izay milaza hoe: ‘Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, hihainoany sy hianarany.’ Nankasitrahanay izany toromarika izany, ary nataonay mihitsy aza izay hanomezan’ny zanakay valin-teny nandritra ny fianarana. Niara-nanomana ireo valin-teny izahay, nefa tsy nilaza tamin’izy ireo mihitsy izay tokony hoteneniny. Heverinay fa nanampy ny zanakay hanaraka ny fahamarinana izany. Isaoranay foana ny Anadahy Blanton noho ny tari-dalana nomeny, ka nahatonga anay mianakavy handroso teo amin’ny ara-panahy.”

Olana nitaky famoizana zavatra sasany

Tafaray sy niara-nianatra Baiboly izahay, nefa nisy olana vaovao tsy maintsy natrehinay. Lavitra be no nisy ny toeram-piasako, ka matetika aho no tsy tafody alohan’ny tamin’ny sivy alina. Koa tsy afaka nanatrika fivoriana afa-tsy ny alahady àry aho. Nanatrika ny fivoriana rehetra ary nanao fandrosoana tsara i Ann, tamin’izany. Te hanatrika ny fivoriana rehetra koa aho, ary te hitarika fianaram-pianakaviana mahomby. Fantatro anefa fa nisy zavatra sasany tsy maintsy nafoiko. Tapa-kevitra ny hampihena ny ora fiasako àry aho, na dia mety hamoizako clients sasany aza izany.

Nety tsara ilay fandaharana. Toy ny maha zava-dehibe ny fivoriana dimy tany amin’ny Efitrano Fanjakana ihany no niheveranay ny fianaram-pianakaviana. Fivoriana fahenina no niantsoanay an’izy io. Nataonay tamin’ny andro sy ora voafaritra tsara tao anatin’ny herinandro izany, dia ny alarobia tamin’ny valo alina. Niteny toy izao indraindray ny iray taminay, taorian’ny sakafo hariva, rehefa ho vita iny ny sasa vilia: “Kely sisa dia ho tonga ny fotoan’ny ‘fivoriana’ ô!” Natombok’i Ann ilay fianarana raha tara aho, ary notohiziko avy hatrany rehefa tonga aho.

Anisan’ny nampahatanjaka sy nampiray anay mianakavy koa ny fiaraha-namaky ny andinin-teny ho an’ny andro isa-maraina. Nanahirana anay anefa ny nanao io fandaharana io. Samy nanana ny ora fifohazany mantsy izahay rehetra. Nidinidinika momba izany izahay, ka nanapa-kevitra fa samy hifoha amin’ny ora mitovy, hisakafo maraina amin’ny enina sy sasany, ary hiara-mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro. Tena nahasoa anay io fandaharana io. Nifidy ny hanompo tao amin’ny Betela ireo zanakay lahy, rehefa nihalehibe. Tsapanay fa nanampy azy ireo teo amin’ny ara-panahy ireny fiaraha-midinika isa-maraina ireny.

Nitaky famoizan-javatra ireo tombontsoam-panompoana taorian’ny batisa

Natao batisa tamin’ny 1962 aho. Namidiko avy eo ilay toerana fanadiovana akanjo, rehefa avy niasa tao nandritra ny 21 taona aho, ary nitady asa teo amin’ny manodidina anay aho. Amin’izay dia ho akaikin’ny fianakaviako aho ka ho afaka hiara-manompo an’i Jehovah izahay. Nanokatra ny lalana ho amin’ny tombontsoam-panompoana maro izany. Ny hanaovanay rehetra ny fanompoana manontolo andro no zava-kendrenay. Teo am-piandohan’ireo taona 1970 izany no nanomboka, rehefa lasa mpanompo manontolo andro, na mpisava lalana maharitra, i Edward, zanakay lahimatoa, raha vao vitany ny fianarany tany amin’ny lise. Lasa mpisava lalana koa i George zanakay, tatỳ aoriana kely, ary tsy ela dia nanaraka azy i Ann. Tena nampahery ahy izy telo mianaka rehefa nitantara izay zavatra hitany teny amin’ny fanompoana. Nodinihinay mianakavy izay azonay natao mba hanatsorana ny fiainanay, amin’izay aho ho afaka hanompo manontolo andro koa. Nanapa-kevitra ny hivarotra ny tranonay izahay. Nipetraka tao amin’io trano io nandritra ny 18 taona izahay, ary tao koa no nanabeazanay ny zanakay. Tena tianay ny tranonay, kanefa nitahy ny fanapahan-kevitray hivarotra azy io i Jehovah.

Nasaina hiasa tao amin’ny Betela i Edward tamin’ny 1972, ary i George tamin’ny 1974. Nalahelo azy ireo izahay sy Ann, nefa tsy nieritreritra mihitsy izahay hoe aleo ihany izy mipetraka any akaikinay sy manambady ary miteraka. Faly kosa aza izahay fa nanompo an’i Jehovah tany amin’ny Betela ny zanakay. * Ekenay ny voalazan’ny Ohabolana 23:15, manao hoe: “Anaka, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.”

Nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana izahay

Mbola nanohy ny asan’ny mpisava lalana maharitra izahay, rehefa lasa tany amin’ny Betela izy mirahalahy. Nisy taratasy voarainay anefa tamin’ny 1975, nanasa anay hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany amin’ny faritany iray tsy nisy tompony, tany Clinton, any Illinois. Tena tsy nampoizinay ilay izy! Tsy maintsy niala tany New Jersey izahay, na dia akaiky an’i New York, toerana misy ny zanakay aza izy io, sady toerana misy ny havana aman-tsakaizanay. Toy ny fanendrena avy tamin’i Jehovah anefa no nandraisanay an’ilay izy, ka nafoinay izany rehetra izany mba handraisanay fitahiana fanampiny.

Nanomboka nanao fivoriana tao amin’ny tranom-pokonolona tany Carlyle, any Illinois, izahay, volana maromaro taorian’ny niasanay tao amin’ilay faritany tsy nisy tompony. Te hanana toerana raikitra azo nivoriana anefa izahay. Nahita toerana iray nisy trano kely dia kely azonay nohofana, ny rahalahy iray sy ny vadiny. Nodiovinay tanteraka ilay izy, anisan’izany ny ivelany sy ny kabine, ary novanay ho toerana kely azo nivoriana. Tadidinay tsara ilay soavaly nitsirika matetika teo am-baravarankely, satria liana te hahafantatra ny zavatra nataonay tao am-pivoriana!

Niforona ny Fiangonana Carlyle, rehefa nandeha ny fotoana, ary faly izahay nandray anjara tamin’izany. Nanampy anay i Steve sy Karil Thompson, mpivady tanora mpisava lalana, izay tonga koa mba hiasa ilay faritany. Nijanona tany nandritra ny taona maromaro ry Thompson, ary avy eo nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana. Notendrena ho misionera tany Afrika Atsinanana izy ireo avy eo, ary nanao asa fitetezam-paritany tany.

Tsy ela dia feno olona ilay toerana kely nivorianay, ka nila efitrano nalalaka kokoa izahay. Ilay rahalahy teo an-toerana sy ny vadiny indray no nahita vahaolana. Nividy toerana iray mendrika kokoa hanaovana Efitrano Fanjakana izy ireo. Faly erỳ izahay rehefa nasaina hitokana ny Efitrano Fanjakana vao naorina tany Carlyle, taona vitsivitsy tatỳ aoriana! Nahazo tombontsoa hanao ny lahateny fitokanana aho. Tena nahafinaritra sy fitahiana avy amin’i Jehovah ny asa nanendrena anay tany.

Saha vaovao ho anay

Nahazo fanendrena vaovao ho any Harrison, any New Jersey, izahay tamin’ny 1979, ary nanompo 12 taona tany. Nanomboka fampianarana Baiboly tamina vehivavy sinoa iray izahay tany, ary lasa nisy Sinoa maro hafa koa nianatra. Renay avy eo fa nisy mpianatra sy fianakaviana sinoa an’arivony nipetraka tao amin’ny faritaninay. Nampirisihina àry izahay hianatra teny sinoa. Nandany fotoana izahay isan’andro mba hianarana ilay fiteny. Vokatr’izany anefa, dia nitarika fampianarana Baiboly nahafinaritra maro tamin’ireo Sinoa teo amin’ny faritaninay izahay.

Nisy toe-javatra nampihomehy maro niainanay nandritra ireny taona ireny, indrindra rehefa niezaka niteny sinoa izahay. Indray andro, raha tokony ho nampahafantatra ny tenany ho “mpampianatra” Baiboly i Ann, dia nilaza hoe “totozy” Baiboly. Tena mitovy ireo teny ireo. Nitsiky ilay tompon-trano ary niteny hoe: “Mandrosoa ianao. Mbola tsy niresaka tamina totozy Baiboly mihitsy aho.” Tena mbola sahirana izahay mampiasa ilay fiteny.

Notendrena ho any amin’ny faritra hafa tany New Jersey izahay avy eo, ary afaka nanohy niasa tamin’ny faritany be Sinoa. Nasaina nifindra tany Boston, any Massachusetts, izahay tatỳ aoriana. Efa nisy antoko-mpitory sinoa nandroso tsara tao amin’io faritany io nandritra ny telo taona teo ho eo. Nanana tombontsoa niara-niasa tamin’io antoko-mpitory io izahay nandritra ireo fito taona farany, ary faly nahita azy lasa fiangonana tamin’ny 1 Janoary 2003.

Fitahiana noho ny fananana fiainana feno fahafoizan-tena

Lazain’ny Malakia 3:10 fa nanasa ny vahoakany hitondra fanatitra sy sorona i Jehovah, mba handrotsahany fitahiana tondraka ho azy ireo. Nialanay ilay asa izay tena nahaliana ahy, ary namidinay ny tranonay izay tena tianay. Nahafoy zavatra maro hafa koa izahay. Kely anefa izany raha ampitahaina amin’ireo fitahiana azonay.

Nandrotsaka fitahiana tondraka taminay tokoa i Jehovah! Afa-po izahay mahita ireo zanakay nandray ny fahamarinana, ary faly afaka manao ny fanompoana manontolo andro izay mamonjy aina. Hitanay koa fa tena mikarakara anay i Jehovah. Tena nitondra fitahiana maro be ny zavatra kely nafoinay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Mbola manompo amim-pahatokiana any amin’ny Betela izy ireo. I Edward sy Connie vadiny any Patterson, ary i George sy Grace vadiny any Brooklyn.

[Sary, pejy 25]

Louise sy George Blanton, miaraka amin’i Ann, 1991

[Sary, pejy 26]

Efitrano Fanjakana any Carlyle, notokanana tamin’ny 4 Jona 1983

[Sary, pejy 27]

Miaraka amin’ilay fiangonana vaovao miteny sinoa any Boston

[Sary, pejy 28]

Miaraka amin’i Edward, Connie, George, ary Grace