Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hivavaka Amin’ny Anjely ve Isika mba Hanampiany Antsika?

Tokony Hivavaka Amin’ny Anjely ve Isika mba Hanampiany Antsika?

Tokony Hivavaka Amin’ny Anjely ve Isika mba Hanampiany Antsika?

METY ve ny mivavaka amin’ny anjely amin’ny fotoan-tsarotra? Betsaka no mihevitra hoe mety. Milaza toy izao tokoa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): ‘Mivavaka amin’ny anjely ny olona, nefa mba hahafahan’izy ireo hanelanelana antsika amin’Andriamanitra fotsiny.’ Tokony hivavaka amin’ny anjely ve isika mba hanelanelanany antsika amin’Andriamanitra?

Ny anaran’ny anjelin’Andriamanitra mahatoky roa ihany no resahina ao amin’ny Teniny, dia ny an’i Mikaela sy Gabriela. (Daniela 8:16; 12:1; Lioka 1:26; Joda 9) Ny filazana ireo anarana ireo ao amin’ny Baiboly dia mampiseho amintsika fa zavaboary ara-panahy manana anarana ny anjely tsirairay, fa tsy hery tsy manana ny maha izy azy akory. Nisy anjely hafa tsy nety nilaza ny anarany. Tsy nety nilaza ny anarany, ohatra, ilay anjely nitsidika an’i Jakoba, rehefa nanontaniana. (Genesisy 32:29; Mpitsara 13:17, 18) Tsy misy lisitry ny anaran’ireo anjely ao amin’ny Baiboly, mba hisakanana ny olombelona tsy haneho fiheverana tafahoatra azy ireny.

Anisan’ny asan’ny anjely ny fampitana ny hafatr’Andriamanitra amin’ny olombelona. Ny teny hebreo sy grika tany am-boalohany nadika hoe “anjely” dia midika ara-bakiteny hoe “mpitondra hafatra.” Tsy natao ho mpanelanelana anefa izy ireo, izany hoe hitondra ny vavaky ny olombelona ho eo amin’ny seza fiandrianan’ilay Avo Indrindra. Efa nanapa-kevitra Andriamanitra fa hatao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany, ny vavaka atao aminy. Hoy mantsy i Jesosy: “Omen’ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo aminy amin’ny anarako.”​—Jaona 15:16; 1 Timoty 2:5.

Tsy ho sahirana loatra mihitsy i Jehovah Andriamanitra, ka hoe tsy afaka hihaino antsika rehefa manatona azy araka ny mety isika. Manome izao toky izao ny Baiboly: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.”​—Salamo 145:18.