Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Atao ve ny Sitrapon’Andriamanitra?

Efa Atao ve ny Sitrapon’Andriamanitra?

Efa Atao ve ny Sitrapon’Andriamanitra?

“Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”​—Matio 6:10.

TSIRAVINA i Julio sy Christina nahita ny zanany efatra maty kilan’ny afo. Nodonin’ny mpamily mamo iray ny fiarany, ka nirehitra. Voavonjy tamin’ilay afo i Marcos, 9 taona, zanak’izy ireo fahadimy. May anefa ny vatany ka lasa nitondra takaitra izy. Vonton’alahelo ny rainy. Nampionona ny tenany sy ny fianakaviany izy tamin’ny filazana fa “izay no sitrapon’Andriamanitra, ka na tsara izany na ratsy dia tokony hanaiky izany isika.”

Mitovitovy amin’izany ny fihetsiky ny olona, rehefa mitranga ny loza toy ireny. ‘Raha mahery sy miahy antsika Andriamanitra’, hoy izy ireo, ‘dia tsy maintsy misy soa entin’ireny zava-nitranga ireny, na dia saro-takarina aza izany.’ Mitovy hevitra amin’izany ve ianao?

Ny tenin’i Jesosy ao amin’ilay vavaka voalaza etsy ambony, matetika no mahatonga ny olona hihevitra fa sitrapon’Andriamanitra daholo izay mitranga, na tsara na ratsy. Misy miantso an’io vavaka io, hoe Vavaka Nampianarin’i Tompo. Efa atao any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra, sa tsy izany? Ka tsy toy ny manaiky ve isika fa sitrapon’Andriamanitra izay mitranga eto an-tany, rehefa mivavaka hoe “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao?”

Betsaka no misalasala ny amin’izany. Toa mampiseho izany, araka ny hevitr’izy ireo, fa tsy mihontsina amin’ny fihetseham-pon’ny olombelona noforoniny Andriamanitra. ‘Ahoana no hahafahan’ny Andriamanitra be fitiavana iray haniry zavatra mahatsiravina ho an’ny olona tsy manan-tsiny?’, hoy ny fanontanian’izy ireo. ‘Mba inona no lesona azo tsoahina avy amin’ireny loza ireny?’ Izany koa angamba no tsapanao.

Hoy i Jakoba mpianatra, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, momba izany: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Tsy avy amin’Andriamanitra ny zava-dratsy. Mazava araka izany fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny zava-drehetra mitranga eto an-tany amin’izao fotoana izao. Ny Soratra Masina koa dia miresaka ny amin’ny sitrapon’ny olona, ny sitrapon’izao tontolo izao, ary ny sitrapon’ny Devoly koa aza. (Jaona 1:13; 2 Timoty 2:26; 1 Petera 4:3) Manaiky ve ianao fa tsy voatery ho sitrapon’ilay Ray be fitiavana any an-danitra, izay nitranga tamin’ny fianakavian’i Julio sy Christina?

Koa inona àry no tena tian’i Jesosy holazaina, rehefa nampianatra ny mpianany izy mba hivavaka hoe: ‘Hatao anie ny sitraponao?’ Fangatahana amin’Andriamanitra mba hisalovana amin’ny toe-javatra manokana fotsiny ve io vavaka io? Sa nampianatra antsika i Jesosy mba hangataka zavatra sarobidy sy tsara kokoa, dia fiovana iray azon’ny rehetra antenaina? Andeha hojerentsika bebe kokoa izay lazain’ny Baiboly momba izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Fiara: Dominique Faget-STF/AFP/Getty Images; ankizy: FAO photo/B. Imevbore