Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana Tsy Ara-potoana Amin’olona Miteny Anglisy any Meksika

Fitoriana Tsy Ara-potoana Amin’olona Miteny Anglisy any Meksika

Fitoriana Tsy Ara-potoana Amin’olona Miteny Anglisy any Meksika

NITORY tsy ara-potoana ny apostoly Paoly tany Atena, teo am-piandrasana ny olona hiara-dia aminy. Hoy ny Baiboly: “Niezaka nandresy lahatra . . . izay sendra hitany teny an-tsena isan’andro [izy].” (Asan’ny Apostoly 17:17) Nitory tsy ara-potoana tamin’ny vehivavy samaritanina iray i Jesosy teo akaikin’ny fantsakana, tamin’izy avy tany Jodia ho any Galilia. (Jaona 4:3-26) Mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra ve ianao, isaky ny afaka manao izany?

Mandray tsara ireo olona miteny anglisy any Meksika, rehefa itoriana tsy ara-potoana. Ao ny mpizaha tany mitsidika toerana fitsangantsanganana. Misy mpianatra vaovao foana eny amin’ny oniversite. Matetika koa ireo vahiny nisotro ronono teto Meksika no hita eny amin’ny zaridainam-panjakana sy hotely fisakafoana. Mailaka ny hanombo-dresaka erỳ izao ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah mahay teny anglisy, raha vao mahita olona toy izany. Ataon’izy ireo izay hiresahana amin’olona hita hoe vahiny, na mahay miteny anglisy. Hojerentsika ny fomba fanaovan’izy ireo an’izany.

Imbetsaka ireo Vavolombelona vahiny mitory amin’ny teny anglisy no manatona vahiny hafa, ary mampahafantatra ny tenany. Anontaniany avy eo ny fiavian’ilay olona. Rehefa mandeha ny resaka, dia anontanian’ilay olona ny zavatra ataon’ilay Vavolombelona eto Meksika, ary amin’izay izy no manomboka miresaka ny finoany. Manompo any amin’izay ilana mpitory miteny anglisy maro kokoa i Gloria, any Oaxaca, ary hitany fa mora ny manombo-dresaka amin’izany fomba izany. Avy nitory tsy ara-potoana tany amin’ny zaridainam-bahoaka izy indray mandeha, ary nanatona azy teny an-dalana ny mpivady iray avy any Angletera. Hoy ilay ramatoa: “Tsy nanampo ny hahita vehivavy mainty hoditra eto Oaxaca mihitsy aho!” Nihomehy anefa i Gloria fa tsy tezitra, ary nanomboka niresaka ny zavatra ataony eto Meksika. Nasain’ilay ramatoa ho any an-tranony i Gloria, mba hiara-misotro kafe. Rehefa avy nifanao fotoana izy ireo, dia nanolotra gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! i Gloria. Nilaza anefa ilay ramatoa fa tsy nino an’Andriamanitra. Namaly i Gloria fa tena tiany ny miresaka amin’olona tsy mino an’Andriamanitra. Tiany koa ny hanome azy an’ilay gazety misy ny lahatsoratra hoe “Ilaina ve ny Toeram-pivavahana?”, satria te hahafantatra ny hevitr’ilay ramatoa momba azy io izy. Noraisiny ilay gazety, sady nilaza izy hoe: “Mahay ianao, raha mahavita mandresy lahatra ahy fa misy Andriamanitra.” Imbetsaka izy ireo taorian’izay no niara-nisotro kafe, sady nanao resadresaka nahaliana. Niverina tany Angletera izy mivady tatỳ aoriana, nefa mbola nitohy tamin’ny alalan’ny ordinatera ny fiaraha-midinika.

Nanomboka niresaka tamin’i Saron, mpianatra avy any Washington, koa i Gloria. Nanao asa an-tsitrapo niaraka tamin’ny vehivavy meksikanina teto Oaxaca izy, satria nilainy mba hamitana ny fianarany tany amin’ny oniversite izany. Nidera ny asa tsara nataon’i Saron i Gloria, ary avy eo izy nilaza ny zavatra nataony teto Meksika. Izay no nahatonga resadresaka nahafinaritra momba ny Baiboly sy ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra, fa tsy ny mahantra ihany. Nilaza i Saron fa toy ny nahatsikaiky ny hoe mbola tsy niresaka tamin’ny Vavolombelona mihitsy izy tany Etazonia, kanefa ny olona anisan’ny tafaresaka taminy voalohany teto Meksika dia Vavolombelon’i Jehovah! Nanaiky hianatra Baiboly i Saron ary nanatrika fivoriana avy hatrany.

Mirohotra mankany amin’ny torapasik’i Meksika ny vahiny, satria mba te hiaina ao anatina paradisa kely. Hararaotin’i Laurel any Acapulco izany mba hanombohan-dresaka. Anontaniany ireo vahiny raha i Acapulco no mitovy amin’ny paradisa kokoa noho ny toerana niavian’izy ireo, sy hoe inona no itiavan’izy ireo an’io toerana io. Hazavainy avy eo fa tsy ho ela dia ho lasa tena paradisa ny tany manontolo. Nisy vehivavy kanadianina nianatra Baiboly, rehefa nanaovany resadresaka toy izany tao amin’ny toeram-piasan’ny veterinera iray. Mety hahomby koa ve io tari-dresaka io, any amin’ny toerana misy anao?

‘Eny an-dalana sy eny an-kalalahana’

Matetika no manomboka eny an-dalana sy eny an-kalalahana ny resaka, rehefa manontany hoe: “Mahay miteny anglisy ve ianao?” Maro ny Meksikanina mahay teny anglisy noho ny asa aman-draharahany, na noho izy efa nipetraka tany Etazonia.

Nisy mpivady Vavolombelona nanatona vehivavy be taona, izay natosiky ny mpitsabo mpanampy tamin’ny seza mikorisa. Nanontanian’izy ireo ilay vehivavy raha nahay niteny anglisy. Nahay, hono, izy satria nipetraka tany Etazonia nandritra ny taona maro. Nandray Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy, na dia mbola tsy namaky azy ireny mihitsy aza. Nolazainy koa fa Consuelo no anarany, ary nomeny ny adiresiny. Nitsidika azy izy ireo, efatra andro tatỳ aoriana. Trano fitaizana ny be antitra tantanan’ny masera no nipetrahany. Sarotra ny nifandray tamin’i Consuelo tamin’ny voalohany. Niahiahy azy mivady mantsy ny masera ka nilaza fa tsy afaka nandray azy ireo i Consuelo. Niangavy mafy an’ireo masera izy mivady mba hampahafantatra an’i Consuelo fa tonga tao izy ireo, ary te hifankahita taminy. Nampandroso azy ireo i Consuelo. Nianatra Baiboly tsy tapaka io vehivavy 86 taona io nanomboka teo, na dia nanakiana aza ireo masera. Nanatrika fivoriana sasany koa izy.

Milaza ny Ohabolana 1:20 hoe: “Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; manandratra ny feony eny an-kalalahana izy.” Mariho ny fisehon’izany tao amin’ny zaridainam-bahoakan’i San Miguel de Allende. Nanatona lehilahy iray efa zokinjokiny izay nipetraka teo ambony dabilio i Ralph, indray maraina. Tena gaga ilay rangahy rehefa notoloran’i Ralph ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary nilazany ny tantarany.

Efa niady tany Vietnam izy, ary voadona mafy ny sainy tamin’izy miaramila. Nahita fatin’olona be dia be mantsy izy, ka nikorontana ara-pihetseham-po. Nesorina tany am-bava ady izy ary naverina tany amin’ny toby. Nasaina nampandro ny fatin’ireo miaramila izy, talohan’ny nandefasana azy ireny tamin’ny sambo nankany Etazonia. Mbola nanonofy ratsy foana izy, 30 taona tatỳ aoriana, sady mbola natahotra. Nivavaka mangina izy tamin’io maraina io mba hahazoany fanampiana, rehefa nipetraka teo amin’ilay zaridainam-bahoaka.

Sady nandray gazety io rangahy io, no nanaiky hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nilaza izy taorian’ilay fivoriana, fa ireo adiny roa nijanonany tao amin’ny Efitrano Fanjakana no nahitany filaminana voalohany, hatramin’izay 30 taona izay. Tapa-bolana fotsiny no nijanonan’io lehilahy io tany San Miguel de Allende, kanefa nianatra Baiboly imbetsaka izy, ary nanatrika ny fivoriana rehetra mandra-pandehany. Natao izay hitohizan’ny fianarany.

Fitoriana tsy ara-potoana any am-piasana sy any am-pianarana

Lazainao amin’ny mpiara-miasa aminao ve fa Vavolombelon’i Jehovah ianao? Manao izany i Adrián, mpampanofa trano ho an’ny mpanao vakansy any Cap San Lucas. Hoy i Judy mpiara-miasa aminy noho izany: “Raha nisy olona nampirisika ahy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah, telo taona talohan’izao, dia ho namaly aho hoe ‘Sanatria izany!’ Te hamaky Baiboly fotsiny aho. Noheveriko fa ‘tsy ho sarotra ilay izy, satria tia mamaky teny aho.’ Tsy nihoatra ny pejy enina akory angamba no vitako, dia efa nila fanampiana aho. Ilay mpiara-miasa tamiko atao hoe Adrián ihany no noheveriko fa afaka nanampy ahy. Tiako ny niresaka taminy, satria izy ihany no mba tsara toetra tao am-piasana.” Nilaza avy hatrany i Adrián fa ho avy any amin’i Judy izy sy Katie, fofombadiny, ary hamaly ny fanontaniany. Nanomboka nampianatra Baiboly azy i Katie, ary tsy ela i Judy dia lasa Vavolombelona vita batisa.

Ahoana ny amin’ny fitoriana tsy ara-potoana any am-pianarana? Nianatra teny espaniola ny Vavolombelona roa, tany amin’ny oniversite. Tsy nianatra izy ireo indray andro, satria nanatrika fivoriambe. Nasaina nitantara tamin’ny teny espaniola ny zavatra nataony tany izy ireo, rehefa tonga. Nanararaotra nitory tamin’izay teny espaniola hainy izy ireo tamin’izay. Tena nahaliana an’i Silvia, mpampianatra azy ireo, ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny teny anglisy izy, ary efa mpitory ny vaovao tsara ankehitriny. Maro amin’ny mpianakaviny koa no mianatra Baiboly. Hoy i Silvia: “Hitako ny zavatra notadiaviko hatramin’izay niainako.” Afaka mahita vokatra tsara tokoa ianao, rehefa mitory tsy ara-potoana.

Fomba hafa azo ampiasaina

Afaka manararaotra mitory koa ianao, raha tia mandray vahiny. Nanao izany i Jim sy Gail, manompo any San Carlos, Sonora. Nitondra ny alikany nitsangantsangana tamin’ny enina ora maraina ny vehivavy iray. Variana izy rehefa nahita ny tokotanin’i Jim sy Gail. Nampandrosoin’izy ireo izy mba hiara-misotro kafe. Efa 60 taona io vehivavy io, kanefa tamin’izay izy vao nandre momba an’i Jehovah sy ny fanantenana fiainana mandrakizay. Natomboka ny fianarana Baiboly.

Tsara fanahy amin’ny vahiny koa i Adrienne. Nisakafo tao amin’ny hotely iray tany Cancún izy indray mandeha. Nisy ankizilahy nanatona azy, ary nanontany raha avy any Kanada izy. Avy any tokoa i Adrienne. Nanazava ilay ankizilahy avy eo fa hanao famelabelarana momba ny Kanadianina ny anabaviny, ka mba te hanampy azy io izy sy ny reniny. Avy eo dia nanatona koa ny renin’ilay ankizilahy, izay nahay niteny anglisy. Rehefa avy namaly ny fanontanian’io ramatoa io momba ny Kanadianina i Adrienne, dia nilaza hoe: “Ny hanampy olona hianatra Baiboly no tena nahatongavako eto. Mahaliana anareo ve izany?” Nanaiky ilay ramatoa. Efa folo taona no tsy nandehanany tany am-piangonana intsony ary niezaka nianatra Baiboly samirery izy. Nomeny an’i Adrienne ny adiresiny sy ny nomeraon’ny telefaoniny, ary natomboka ny fianarana Baiboly.

“Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao”

Ho afaka hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona zara raha nandre, na tsy nandre azy io mihitsy ianao, raha manararaotra ny fahafahana rehetra. Nasain’ny Vavolombelona iray nipetraka teo akaikiny, ny vahiny mpivady, tany Zihuatanejo, satria feno be ilay toeram-pisakafoana. Efa nitety faritra maro tamin’ny sambo nandritra ny fito taona io mpivady io. Nanakiana ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nitsidika azy ireo tany amin’ny sambony ilay anabavy taorian’izay, ary nanasa azy ireo tany an-tranony. Nandray gazety 20 mahery sy boky 5 izy ireo, ary nanome toky fa hifandray tamin’ny Vavolombelona rehefa tonga tany amin’ny seranana nanaraka.

Nahita fianakaviana nanan-janaka tsara tarehy kely i Jeff sy Deb, tao amin’ny toeram-pisakafoana iray tany Cancún. Rehefa nilaza tamin’ilay tompon-janaka izy ireo fa nahafatifaty ilay ankizikely, dia nasain’ireo olona ireo hiara-mihinana pizza taminy izy ireo. Avy any Inde ilay fianakaviana, ary mbola tsy nandre momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, sady mbola tsy nahita ny bokintsika koa. Nandray boky sy gazety izy ireo.

Nisy zavatra toy izany koa tany Mujeres, nosy iray tazana avy eny amin’ny morontsirak’i Yucatán. Nisy mpivady vao sinoa nangataka an’i Jeff mba haka sary azy ireo. Nanaiky izy. Rehefa nitoriany izy ireo dia nilaza fa mbola tsy nahita na nandre momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, na dia efa nipetraka tany Etazonia nandritra ny 12 taona aza! Nahafinaritra ny resaka taorian’izay. Nasain’i Jeff nitady Vavolombelona izy ireo, rehefa tafaverina any aminy.

Afaka manararaotra mitory koa ianao, raha misy fisehoan-javatra manokana ao amin’ny toerana misy anao. Nitsidika ny filoha meksikanina tao amin’ny toeram-piompiany, any Guanajuato, ny filohan’i Etazonia. Mpanao gazety avy any amin’ny vazan-tany efatra no tonga nitatitra izany. Nanararaotra izany ny fianakaviana Vavolombelona iray, ka nitory tamin’ny teny anglisy. Tena tsara ny vokatra. Tonga tany, ohatra, ny mpanao gazety iray izay efa nitatitra ny fizotran’ny ady, toy ny tany Kosovo, sy Koweït, ary ny maro hafa. Nisy nitifitra ny mpiara-miasa taminy iray, ary maty teo am-pofoany. Rehefa nahafantatra momba ny fitsanganana amin’ny maty izy, dia nisaotra an’Andriamanitra sady nanganohano ny ranomasony. Izay vao fantany fa misy zava-kendrena ny fiainana. Nilaza izy fa tsy hohadinoiny mihitsy ilay vaovao tsara momba ny fitsanganana amin’ny maty, na dia tsy ho hitany intsony aza ilay mpivady Vavolombelona.

Tsy fantatra ny vokatr’ilay fitoriana amin’ny ankapobeny, araka ny hita tamin’ireo fitantarana ireo. Nilaza anefa i Solomona mpanjaka hendry hoe: “Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.” Hoy koa izy: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.” (Mpitoriteny 11:1, 6) Mazotoa àry ‘manipy ny haninao’ eny ambonin’ny rano maro ary ‘mamafaza voa’ be dia be, toa an’i Paoly sy Jesosy, ary ireo Vavolombelona miteny anglisy any Meksika.