Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Tsara Fanahy eo Anivon’ny Tontolo Masiaka

Miezaha ho Tsara Fanahy eo Anivon’ny Tontolo Masiaka

Miezaha ho Tsara Fanahy eo Anivon’ny Tontolo Masiaka

“Fifaliana amin’ny olona ny [hatsaram-panahiny feno fitiavana, “TV”].”​—OHABOLANA 19:22.

1. Nahoana no mety ho sarotra ny maneho hatsaram-panahy?

TSARA fanahy ve ny fahitanao ny tenanao? Raha izany no izy, dia mety ho sarotra aminao ny miaina eto amin’ity tontolo ity. Marina fa milaza ny Baiboly hoe anisan’ny “vokatry ny fanahy” ny hatsaram-panahy, nefa nahoana no sarotra ny maneho azy io na dia any amin’ny tany milaza azy ho kristianina aza? (Galatianina 5:22) Niresaka ny amin’ny antony iray mahatonga izany ny apostoly Jaona, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nanoratra izy fa misy anjely ratsy fanahy antsoina hoe Satana Devoly mifehy izao tontolo izao manontolo. (1 Jaona 5:19) Nasehon’i Jesosy Kristy fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 14:30) Noho izany, dia mirona hanahaka ilay mpikomy lozabe mifehy azy, ity tontolo ity.​—Efesianina 2:2.

2. Inona no mety hanasarotra ny fanehoana hatsaram-panahy?

2 Mety hisy voka-dratsiny eo amin’ny fiainantsika ny haratsiam-panahin’ny olona. Mety ho ratsy fanahy amintsika, ohatra, ny mpiara-monina feno hasomparana, na ny vahiny miavonavona. Na dia ny namana sy ny mpianakavy amintsika aza dia mety hanao zavatra tsy voahevitra indraindray. Manafintohina koa matetika ny mifanerasera amin’ny olona tsy mahalala fomba sy mifampilelalela ary mifampiteny ratsy. Mety hahatonga antsika hasiaka ny tsy fisian’ny hatsaram-panahy toy izany, ka mety hovaliantsika haratsiam-panahy koa izany. Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny fahasalamantsika mihitsy izany.​—Romanina 12:17.

3. Inona avy no olana lehibe atrehin’ny olona, ka mampihena ny faniriany ho tsara fanahy?

3 Mety ho sarotra amintsika koa ny maneho hatsaram-panahy noho ny toe-piainana mampitebiteby. Mitebiteby, ohatra, ny ankamaroan’ny olona noho ny fandrahonan’ny mpampihorohoro sy ny fanafihan’izy ireo. Ao koa ny manahy sao hampiasa fitaovam-piadiana niokleary na biolojika ny antokon’olona sasany mpanindrahindra firenena. Ankoatra izany, dia olona an-tapitrisa no mihamahantra, ka zara raha mihinana sy mitafy ary mitsabo tena, sady tsizarizary ny tranony. Lasa sarotra ny maneho hatsaram-panahy rehefa toa tsy antenaina hihatsara ny toe-javatra.​—Mpitoriteny 7:7.

4. Inona no fanatsoahan-kevitra diso mety hananan’ny sasany momba ny fanehoana hatsaram-panahy?

4 Mety ho mora amin’ny olona ny hanatsoaka hevitra fa tsy zava-dehibe ny hatsaram-panahy ary mety ho mariky ny fahalemena mihitsy aza izany. Mahatsiaro tena hohararaotin’ny hafa angamba izy, indrindra rehefa ataon’izy ireo tsinontsinona. (Salamo 73:2-9) Manoro antsika ny tokony hatao anefa ny Baiboly, rehefa milaza hoe: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Misy ifandraisana ny fahalemem-panahy sy ny hatsaram-panahy, izay samy vokatry ny fanahy, sady manampy antsika hiatrika zava-tsarotra.

5. Rahoviana no ilaina ny hatsaram-panahy?

5 Tena zava-dehibe amintsika Kristianina ny maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Noho izany, dia tokony hodinihintsika ny fomba anehoana hatsaram-panahy, izay anisan’ny vokatr’izy io. Afaka ny haneho hatsaram-panahy ve isika, na dia feno fahasiahana aza ity tontolo ity? Raha azo atao izany, rahoviana isika no afaka mampiseho fa tsy manaiky hotaomin’i Satana tsy haneho hatsaram-panahy, indrindra rehefa tojo zava-tsarotra? Andeha isika handinika ny fomba anehoana hatsaram-panahy eo anivon’ny fianakaviana, any am-piasana, any am-pianarana, amin’ny mpiara-monina, eny amin’ny fanompoana, ary amin’ny mpiray finoana.

Hatsaram-panahy eo anivon’ny fianakaviana

6. Nahoana no tena zava-dehibe ny hatsaram-panahy eo anivon’ny fianakaviana, ary ahoana no anehoana izany?

6 Tena ilaina ny manana sy mampitombo ny vokatry ny fanahy, mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah sy ny tari-dalany. (Efesianina 4:32) Tena mila mifaneho hatsaram-panahy ny mpianakavy, ary handinika izany isika izao. Tokony hifaneho hatsaram-panahy sy hifampiahy foana ny mpivady isan’andro, ary tokony hanao toy izany koa izy amin’ny zanany. (Efesianina 5:28-33; 6:1, 2) Tokony hiharihary izany hatsaram-panahy izany rehefa mifampiresaka ny mpianakavy. Midika izany fa tokony hanome voninahitra sy hanaja ny ray aman-dreniny ny ankizy, ary tokony hitondra tsara ny zanany ny ray aman-dreny. Aoka ianao ho mailaka hidera, fa tsy ho maika hanameloka.

7, 8. a) Inona no tsy tokony hatao raha te haneho ny tena hatsaram-panahy amin’ny mpianakavintsika isika? b) Nahoana ny fifampiresahana tsara no manamafy ny fatoram-pianakaviana? d) Ahoana no azonao anehoana hatsaram-panahy amin’ny fianakavianao?

7 Raha te ho tsara fanahy amin’ny fianakaviantsika isika, dia mila manaraka ny fananaran’ny apostoly Paoly hoe: “Esory aminareo mihitsy ireto rehetra ireto: Fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta lazain’ny vavanareo.” Tokony hifanaja ny mpianakavy rehefa mifampiresaka isan’andro. Nahoana? Satria tena ilaina ny fifampiresahana tsara mba hampiray tsara sy hahasambatra ny fianakaviana. Raha misy tsy fifankahazoana, dia iezaho halamina ilay olana fa aza mitady hanana ny rariny foana. Sambatra ny mpianakavy rehefa miezaka mafy hifaneho hatsaram-panahy sy fiheverana.​—Kolosianina 3:8, 12-14.

8 Toetra tsara manosika antsika hanao soa amin’ny olona ny hatsaram-panahy. Noho izany, dia mitady fomba hanampiana sy hanehoana fiheverana ny mpianakavintsika isika. Mila miezaka ny ho tsara fanahy ny tsirairay, nefa mila miara-manao izany ezaka izany koa ny rehetra, ka hahatsara laza ny fianakaviana. Hotahin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsara fanahy, izy ireo amin’izay sady hanome voninahitra azy eo anivon’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina.​—1 Petera 2:12.

Hatsaram-panahy any am-piasana

9, 10. Milazà olana mety hipoitra any am-piasana, sy izay fomba azo andaminana azy ireny amin-katsaram-panahy.

9 Noho ny zava-mitranga matetika any am-piasana, dia mety ho sarotra amin’ny Kristianina ny haneho hatsaram-panahy amin’ny mpiara-miasa aminy. Mifaninana ny mpiara-miasa, ka mety hamoy ny asany ny olona iray, rehefa misy mamitaka na manao hafetsifetsena ka manaratsy ny lazany amin’ny mpampiasa azy. (Mpitoriteny 4:4) Tsy mora ny ho tsara fanahy amin’izay fotoana izay. Tokony hotadidin’ny mpanompon’i Jehovah anefa fa matetika ny maneho hatsaram-panahy no fihetsika mety. Tokony hiezaka araka izay azony atao àry izy mba hifankahazo amin’izay olona tsy mora ifandraisana. Mety hanamora izany ny fanehoana fiahiana. Afaka maneho izany angamba ianao, raha marary ilay mpiara-miasa aminao na misy marary ny fianakaviany. Mety hisy vokany tsara eo aminy na dia ny manontany momba ny fahasalamany fotsiny aza. Tokony hiezaka hampisy firaisan-tsaina sy filaminana ny Kristianina raha mbola miankina aminy izany. Hanatsara ny fifandraisana indraindray ny filazana teny maneho fiahiana sy fiheverana.

10 Mety hanery ny mpiasany hanaraka ny heviny ny mpampiasa indraindray. Mety ho tiany handray anjara amin’ny fety fanindrahindram-pirenena na fankalazana hafa tsy araka ny Soratra Masina ny mpiasa rehetra. Mety hifamaly amin’ny mpampiasa azy ny Kristianina, raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany ny handray anjara amin’izany. Mety tsy ho fahendrena amin’izay fotoana izay ny hanazavana amin’ny an-tsipiriany hoe tsy mety ny manao izay tadiavin’ilay mpampiasa. Ny olona tsy mino ny zavatra inoan’ny Kristianina mantsy dia mety hihevitra fa adidy ny mandray anjara amin’ilay fety na fankalazana. (1 Petera 2:21-23) Azonao hazavaina amin-katsaram-panahy angamba ny antony tsy andraisanao anjara amin’izy ireny. Aza maneso azy raha maneso anao izy. Tokony hanaraka izao torohevitra ao amin’ny Romanina 12:18 izao ny Kristianina: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”

Hatsaram-panahy any am-pianarana

11. Nahoana no sarotra amin’ny tanora ny ho tsara fanahy amin’ny mpiara-mianatra aminy?

11 Mety ho tena sarotra amin’ny tanora ny ho tsara fanahy amin’ny mpiara-mianatra aminy. Maniry mafy heken’ny mpiara-mianatra aminy izy ireo matetika. Misy ankizilahy miseho ho mahery setra be mba ho tian’ny mpiara-mianatra aminy, ary mahavita mihetraketraka amin’ny hafa mihitsy aza. (Matio 20:25) Ny hafa indray tia mampidera ny fahaizany any am-pianarana, na amin’ny lafiny fanatanjahan-tena na zavatra hafa. Matetika izy ireo no ratsy fanahy amin’ny mpiara-mianatra aminy, rehefa misehoseho toy izany, satria heveriny fa mahatonga azy ho ambony kokoa noho ny hafa ny fahaizany. Tsy maintsy mitandrina ny tanora kristianina mba tsy hanahaka an’ireny ankizy ireny. (Matio 20:26, 27) Nilaza ny apostoly Paoly fa “ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy” ary “tsy mirehareha, tsy mieboebo.” Manana adidy hanaraka ny torohevitry ny Baiboly àry ny Kristianina rehefa mifampiraharaha amin’ny mpiara-mianatra aminy, fa tsy hanahaka ny ohatra ratsy omen’ireo maneho haratsiam-panahy.​—1 Korintianina 13:4.

12. a) Nahoana no mety ho sarotra amin’ny tanora ny ho tsara fanahy amin’ny mpampianatra azy? b) Iza no azon’ny tanora angatahana fanampiana, rehefa ampirisihina ho ratsy fanahy izy?

12 Tokony ho tsara fanahy amin’ny mpampianatra azy koa ny tanora. Tanora maro anefa no tia mampahasosotra ny mpampianatra azy ireny. Tsy manaja mpampianatra izy ireo, ka mandika ny lalàn’ny sekoly. Heveriny fa mety ny ataony, ary ampitahoriny ny ankizy hafa mba hanaraka ny ataony. Mety hesoiny sy hoteneniny ratsy ny tanora kristianina, rehefa tsy manaiky hanao izany. Mety ho sarotra amin’ny Kristianina ny haneho hatsaram-panahy raha izany no iaretany mandritra ny taom-pianarana. Tadidio anefa fa tena zava-dehibe ny tsy fivadihana amin’i Jehovah. Matokia fa hanampy anao amin’ny alalan’ny fanahiny izy mandritra ireny fotoan-tsarotra ireny.​—Salamo 37:28.

Hatsaram-panahy amin’ny mpiara-monina

13-15. Inona no mety hisakana antsika tsy ho tsara fanahy amin’ny mpiara-monina amintsika, ary inona no azo atao amin’izany?

13 Na aiza na aiza toerana ipetrahanao, na amin’ny trano mitokana izany, na amin’ny trano misy mpanofa maromaro, dia azonao eritreretina ny fomba anehoana hatsaram-panahy sy fiahiana amin’ny mpiara-monina aminao. Tsy mora koa anefa ny manao izany indraindray.

14 Ahoana raha mitsara an-tendrony anao ny mpiara-monina aminao, noho ny fiavianao na ny fivavahanao? Ahoana raha tsy mahalala fomba izy ireo indraindray, na tsy miraharaha anao tsotra izao? Mpanompon’i Jehovah ianao, ka hitondra soa ho anao ny fanehoana hatsaram-panahy araka izay azonao atao. Hiavaka amin’ny hafa ianao, ka tena hitondra dera ho an’i Jehovah, izay fakan-tahaka amin’ny hatsaram-panahy. Iza moa no mahalala, raha mety hiova ilay mpiara-monina aminao, noho ny hatsaram-panahinao? Mety ho lasa mpidera an’i Jehovah mihitsy aza izy.​—1 Petera 2:12.

15 Ahoana no azo anehoana hatsaram-panahy? Afaka manao izany isika, rehefa manana fitondran-tena fakan-tahaka eo anivon’ny fianakaviana, ary rehefa maneho ny vokatry ny fanahy ny mpianakavy rehetra. Mety hahamarika izany ny mpiara-monina. Mety ho afaka hanampy ny mpiara-monina aminao koa ianao indraindray. Tadidio fa ny hoe hatsaram-panahy dia midika hoe fiahiana izay hahasoa ny hafa.​—1 Petera 3:8-12.

Hatsaram-panahy eny amin’ny fanompoana

16, 17. a) Nahoana no ilaina ny hatsaram-panahy rehefa manao fanompoana? b) Ahoana no anehoana hatsaram-panahy amin’ny endri-panompoana samihafa?

16 Tokony hampiavaka ny fanompoana ataontsika Kristianina ny hatsaram-panahy. Tokony ho hita izany rehefa miezaka isika mba hanatratra ny olona any an-tranony sy any am-piasany ary any an-toeran-kafa. Tokony hotadidintsika fa isika dia solontenan’i Jehovah, izay tsara fanahy foana.​—Eksodosy 34:6.

17 Inona no tafiditra amin’ny hoe maneho hatsaram-panahy eny amin’ny fanompoana? Rehefa mitory eny an-dalana, ohatra, ianao dia tsara raha maneho fiheverana ny olona hatoninao sy tsy lava resaka. Feno olona matetika ny sisin’arabe, ka tokony hitandrina ianao mba tsy hanakan-dalana. Aza lava resaka koa rehefa mitory amin’ny mpivarotra. Tadidio fa tsy maintsy mikarakara ny mpividy izy ireny.

18. Hazavao fa tokony ho malina isika raha te haneho hatsaram-panahy eny amin’ny fanompoana.

18 Tokony ho malina isika rehefa mitory isan-trano. Aza mijanona ela be eo am-baravarana, indrindra raha ratsy ny andro. Hitanao ve fa efa tsy andrin’ilay olona izay hahavitan’ny resakao, na sosotra mihitsy aza izy? Miverimberina amin’ilay faritany angamba ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny toerana misy anao. Raha izany no izy, dia aoka ianao haneho fiheverana manokana, ka ho tsara fanahy sy hampiseho fihetsika mahafinaritra foana. (Ohabolana 17:14) Ekeo fa misy antony matoa tsy nihaino anao ilay tompon-trano tamin’io andro io. Tadidio fa hisy rahalahintsika na anabavintsika kristianina hitsidika an’io trano io tsy ho ela. Miezaha mafy ho tsara fanahy, raha mifanena amin’ny olona tsy mahalala fomba ianao. Aza mampiaka-peo na mampiseho endrika sosotra, fa aoka ianao ho tony tsara rehefa miteny. Tsy tokony hihantsy ady amin’ny tompon-trano ny Kristianina tsara fanahy. (Matio 10:11-14) Angamba hihaino ny vaovao tsara io olona io indray andro any.

Hatsaram-panahy any am-pivoriana

19, 20. Nahoana no ilaina ny hatsaram-panahy eo anivon’ny fiangonana, ary ahoana no anehoana izany?

19 Zava-dehibe koa ny anehoana hatsaram-panahy amin’ny mpiray finoana. (Hebreo 13:1) Noho isika anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany, dia tena ilaina ny mifaneho hatsaram-panahy.

20 Raha misy fiangonana roa na maromaro mampiasa Efitrano Fanjakana iray, dia ilaina ny maneho hatsaram-panahy amin’ny fiangonana hafa, ka hanaja azy ireo. Sarotra ny miara-miasa mba handaminana ny ora fivoriana sy ny fanadiovana ary ny fanamboarana, rehefa misy ny fifaninanana. Aoka ianao ho tsara fanahy sy ho be fiheverana, na dia misy tsy fitovian-kevitra aza. Handresy ny hatsaram-panahy amin’izay, ary hitahy anao i Jehovah, noho ianao miahy ny hafa.

Aoka ianao ho tsara fanahy foana

21, 22. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika, araka ny Kolosianina 3:12?

21 Mahakasika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika ny hatsaram-panahy. Tokony ho anisan’ny toetrantsika Kristianina àry izy io. Tokony hataontsika fahazarana ny maneho hatsaram-panahy.

22 Enga anie isika rehetra ho tsara fanahy foana isan’andro, ka samy hampihatra ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po, satria olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina no tiana.”​—Kolosianina 3:12.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no sarotra amin’ny Kristianina ny maneho hatsaram-panahy?

• Nahoana no zava-dehibe ny maneho hatsaram-panahy eo anivon’ny fianakaviana?

• Nahoana no sarotra ny maneho hatsaram-panahy any am-pianarana, sy any am-piasana, ary amin’ny mpiara-monina?

• Ahoana no anehoan’ny Kristianina hatsaram-panahy eny amin’ny fanompoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Manjary miray saina sy miara-miasa ny mpianakavy rehefa samy tsara fanahy

[Sary, pejy 19]

Afaka ny ho tsara fanahy ianao rehefa marary ny mpiara-miasa aminao na ny fianakaviany

[Sary, pejy 20]

Ampian’i Jehovah ireo tsy mitsahatra maneho hatsaram-panahy na dia esoina aza

[Sary, pejy 21]

Fanehoana hatsaram-panahy ny fanampiana mpiara-monina sahirana