Nanampy Azy Handresy Fakam-panahy ny Baiboly
Nanampy Azy Handresy Fakam-panahy ny Baiboly
Betsaka ny fakam-panahy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, ka lasa tsy mora ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Mety ho sarotra, ohatra, ny manaraka ilay fitsipika hoe: “Mandosira ny fijangajangana.”—1 Korintianina 6:18.
Niasa tamin’ny kompania lehibe tany Polonina ny Vavolombelon’i Jehovah iray antsointsika hoe Sebastien. Tsy maintsy niady mafy izy mba tsy hivadika.
Nanjary fantatry ny mpiara-niasa taminy fa Vavolombelon’i Jehovah i Sebastien. Nankasitraka ny fahazotoany niasa sy ny toetra tsarany ny mpampiasa azy, ka nanome azy tombontsoa isan-karazany. Voatery nanatrika fivoriana nahakasika ny asany koa izy tatỳ aoriana, kanefa nisy fialam-boly ratsy tamin’ireny fivoriana ireny.
Tsy ela dia nanomboka nisalasala i Sebastien. “Fantatry ny mpampiasa ahy fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Izany no nahatonga azy hatoky ahy sy hanankina andraikitra amiko. Mety ho very ny asako raha tsy mandray anjara amin’ilay fialam-boly aho. Sarotra anefa izao ny mitady asa. Ary raha manatrika fotsiny aho fa sy mandray anjara e?”
Nanjary fantatr’i Sebastien fa nisy zavatra hafa koa nantenaina taminy. Nasaina nikarakara ireo vahiny izy, ka nasaina nitady ankizivavy hanao firaisana amin’izy ireo mandritra ny alina. Inona no hataony?
Nohazavain’i Sebastien tamin’ny mpampiasa azy indray izay voalazan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena maloto. Tsy ela dia nanjary nazava fa tsy nety taminy ny asany, ary na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy niala tamin’izany izy. Nahita asa hafa saingy kely karama kokoa izy, kanefa tsy misy fakam-panahy. Manana feon’ny fieritreretana madio izy izao.
Inona no hataonao raha misy olona mampirisika anao hanana fitondran-tena ratsy na hanala tsiny izany? Vonona ny hanao fiovana lehibe ve ianao? Izany no nataon’i Josefa voatantara ao amin’ny Baiboly, araka ny Genesisy 39:7-12.