Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy Betsaka ny Baiboly Iray Misy Fiteny Maro

Nanampy Betsaka ny Baiboly Iray Misy Fiteny Maro

Nanampy Betsaka ny Baiboly Iray Misy Fiteny Maro

NIOVA be ny fomba fanontana ny Baiboly, tamin’ny 1455 tany ho any, rehefa namoaka ny Baiboly vita pirinty voalohany i Johannes Gutenberg. Lasa mora kokoa ny nampiely ny Baiboly noho izy io tsy natao dikan-tanana intsony. Tsy sarotra ny nanao pirinty Baiboly maro, ary kely kokoa ny vola lany. Tsy ela dia ny Baiboly no boky niely indrindra eran-tany.

Tamin’ny teny latinina ny Baiboly navoakan’i Gutenberg. Hitan’ireo manam-pahaizana tany Eoropa anefa fa nilaina ny Baiboly azo nitokiana sy tamin’ny fiteny tany am-boalohany, dia ny hebreo sy grika. Ny Vulgate tamin’ny teny latinina ihany anefa no dikan-teny neken’ny Eglizy Katolika, na dia tsy tomombana teo amin’ny lafin-javatra roa lehibe aza izy io. Tsy azon’ny ankabeazan’ny olona tamin’ny taonjato faha-16, mantsy ny teny latinina, ary betsaka koa ny fahadisoana nampidirin’ireo mpanao kopia ny Vulgate, nandritra ireo arivo taona mahery nisiany.

Nila Baiboly tamin’ny fiteny tany am-boalohany ireo mpandika teny sy manam-pahaizana. Nila Baiboly nazava kokoa tamin’ny teny latinina koa izy ireo. Tamin’ny 1502 àry, dia tapa-kevitra ny hamoaka Baiboly kopia iray monja ho azy ireo ny kardinaly Jiménez de Cisneros, mpanolo-tsaina ara-politika sy ara-pivavahan’i Isabelle I, mpanjakavavin’i Castille (Espaina). Nantsoina hoe Polyglotte de Complute izy io. Nanan-kevitra ny hamoaka Baiboly iray misy fiteny maro i Cisneros. Tamin’ny teny hebreo sy grika ary latinina ny ampahany lehibe indrindra tamin’izy io, ary nisy ampahany tamin’ny teny aramianina. Mbola sehatr’asa vaovao ny teknikan’ny fanaovana pirinty tamin’izany fotoana izany, ka ho dingana lehibe ny fahavitan’io Baiboly misy fiteny maro io.

Nividy boky tranainy maro nosoratan-tanana tamin’ny teny hebreo i Cisneros, talohan’ny nanombohany an’ilay asa goavana. Nisy betsaka tamin’ireny tany Espaina. Nanangona hafa tamin’ny teny grika sy latinina koa izy. Avy tamin’ireo rehetra ireo no nakany ny lahatsoratra fototra ho an’ilay Baiboly. Nankinin’i Cisneros tamin’ny manam-pahaizana vitsivitsy novoriny tao amin’ny Oniversite vaovaon’i Alcalá de Henares, ny fanatontosana ny asa. Anisan’ny nangatahina mba hanampy koa i Érasme avy any Rotterdam, izay manam-pahaizana malaza momba ny teny, saingy nolaviny ilay fanasana.

Asa goavana ilay izy, ka nila folo taona ireo manam-pahaizana vao nahavita azy. Efa-taona fanampiny koa no nilaina tamin’ny fanaovana pirinty. Tetsy an-danin’izany dia betsaka koa ny olana ara-teknika, satria tsy nanana lohavỳ misy litera hebreo sy grika ary aramianina ny fanaovam-pirinty tany Espaina. Nankinin’i Cisneros tamin’i Arnaldo Brocario, mpanao pirinty nalaza tany Espaina àry, ny fanamboarana lohavỳ ho an’ireo teny ireo. Natomboka ihany ny fanaovana pirinty tamin’ny 1514. Vita tanteraka ireo boky enina ny 10 Jolay 1517, efa-bolana monja taorian’ny nahafatesan’ilay kardinaly. Navaivay indrindra ny Inquisition tany Espaina tamin’izany fotoana izany nefa nahagaga fa eninjato teo ho eo tamin’ilay boky no vita tanteraka. *

Ny fomba nandaminana ny asa

Betsaka ny fanazavana hita amin’ny pejy tsirairay amin’io Baiboly misy fiteny maro io. Ao amin’ireo fitambaram-boky efatra voalohany ny Soratra Hebreo. Ny lahatsoratry ny Vulgate no eo amin’ny tsanganana afovoany. Eo amin’ny sisiny iray kosa ny lahatsoratra amin’ny teny hebreo, ary eo amin’ny sisiny iray hafa ny amin’ny teny grika, izay voadika isan’andalana amin’ny teny latinina. Misy fanazavana tsotsotra momba ny fototry ny teny hebreo maro koa ny sisin’ny pejy. Eo amin’ny tapany ambany amin’ny pejy tsirairay kosa no misy ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly, ary nampidirin’ireo mpampanonta tao koa ny Targum an’i Onkelos (filazana amin’ny fomba hafa ny lahatsoratr’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly amin’ny teny aramianina), sy ny dikany amin’ny teny latinina.

Tsanganana roa kosa no nandaharana ny pejin’ny Soratra Grika, ao amin’ilay boky fahadimy. Amin’ny teny grika ny tsanganana iray, ary amin’ny teny latinina nadika avy tamin’ny Vulgate ny iray hafa. Nasiana litera kely mitovy koa ny teny grika tsirairay sy ny teny nandikana azy amin’ny latinina, mba hanampiana ny mpamaky. Io Baiboly io izay amin’ny teny grika no fitambaran’ireo Soratra Grika na “Testamenta Vaovao” vita voalohany indrindra. Tsy ela dia namoaka iray hafa toa an’io koa i Érasme.

Nitandrina fatratra ireo manam-pahaizana rehefa nitsara ny tsipelin-teny tamin’io boky fahadimy io, ka 50 monja ny fahadisoana hita tao. Izany no ilazan’ny mpitsikera maoderina fa tsara noho ny soratra grika nalaza nataon’i Érasme izy io. Tsy mena-mitaha tamin’ireo sora-tanana tranainy koa ny tarehin-tsoratra grika tranainy ao amin’izy io. Hoy i R. Proctor, ao amin’ny boky iray momba ny fanaovana pirinty ny teny grika tamin’ny taonjato faha-15: “Voninahitra ho an’i Espaina ny hoe izy no voalohany nanao pirinty an’io soratra grika io, ary tsy isalasalana fa izy io no vita tsara indrindra amin’ireo natao hatramin’izay.”

Nanampy tamin’ny fianarana ny Baiboly ny boky fahenina tamin’izy io, satria ireto avy no hita tao: diksionera hebreo sy aramianina, dikan’ireo anarana amin’ny teny grika sy hebreo ary aramianina, fitsipi-pitenenana hebreo, ary fanondroana teny ho an’ilay diksionera hebreo sy aramianina amin’ny teny latinina. Tsy mahagaga raha nosokajina ho “anisan’ny zava-bita niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny fanaovana pirinty sy ny siansa momba ny Soratra Masina”, io Baiboly iray misy fiteny maro io.

Nanantena i Cisneros fa “hiverina ho zava-mahaliana indray ny Soratra Masina”, noho izy io. Tsy niriny anefa ny hahazoan’ny olona rehetra azy io. Nihevitra izy fa “tsy tokony hampahafantarina ny olon-tsotra mihitsy ny Tenin’Andriamanitra.” Ninoany koa fa “tokony ho ireo fiteny tranainy telo izay navelan’Andriamanitra hosoratana teo amin’ny hazo fijalian’ny Zanany ihany no handikana ny Soratra Masina.” * Izany no tsy nampidirana ny teny espaniola tao.

Tsy nitovy tamin’ny dikan-teny tany am-boalohany ny Vulgate

Tsy nitovy hevitra avokoa ireo manam-pahaizana nandika an’ilay Baiboly iray misy fiteny maro, raha ny amin’ny fomba nanaovana azy io. Ilay manam-pahaizana espaniola fanta-bahoaka atao hoe Antonio de Nebrija * no nampiandraiketina ny fijerena indray ny lahatsoratry ny Vulgate, izay nampidirina tao. Hitan’i Nebrija fa tokony hampitahaina tamin’ny lahatsoratra hebreo sy aramianina ary grika tany am-boalohany ny Vulgate, na dia io Baiboly nosoratan’i Jérôme io ihany aza no dikan-teny nahazoan-dalana ho an’ny Katolika. Niriny mantsy ny hanitsy ireo fahadisoana niharihary tao amin’ny kopian’ny Vulgate izay nisy tamin’izany fotoana izany.

Tian’i Nebrija hampitovina tamin’ny dikan-teny tany am-boalohany ny Vulgate, ka nampirisika an’i Cisneros izy hoe: “Tokony harehitra indray ireo fanilo roan’ny fivavahantsika, dia ny teny hebreo sy grika, ary tokony hovalian-tsoa izay manolo-tena hanao an’io asa io.” Hoy koa ny soso-keviny: “Tokony hojerena ny soratra grika tany am-boalohany, isaky ny tsy mitovy ny nandikana azy amin’ny teny latinina ao amin’ny Testamenta Vaovao. Toy izany koa fa tokony hijery ny soratra hebreo tany am-boalohany isika raha misy tsy fitoviana ny dikan-teny latinina, na ny soratra latinina sy ny grika izay nandikana ny Testamenta Taloha.”

Ahoana no navalin’i Cisneros? Mazava ny heviny ao amin’ny sasin-tenin’ilay Baiboly misy fiteny maro. “Nataonay teo anelanelan’ny Synagoga [soratra hebreo] sy ny Eglizy Tatsinanana [soratra grika] ny dikan-teny latinina nataon’i Jérôme ilay nohasoavina, tahaka ireo mpangalatra roa lahy nahantona teo anilan’i Jesosy izay mampiseho ny Eglizy Katolika.” Tsy navelan’i Cisneros àry i Nebrija hanitsy ny Vulgate latinina mba hifanarahan’izy io tamin’ny dikan-teny tany am-boalohany. Naleon’i Nebrija niala tamin’ilay tetikasa, toy izay hametaka ny anarany tao amin’ny fandikan-teny diso.

Comma Johanneum

Mbola nanjaka ihany ny lovantsofina tamin’ny fotoana sasany, na dia azo lazaina ho dingana lehibe tamin’ny famoahana Baiboly mitovy amin’ny tany am-boalohany aza ny Baiboly iray misy fiteny maro natao tao Alcalá de Henares. Nohindrahindraina be ny Vulgate ka nahatsiaro tena ho voatery nanitsy ny soratra grika sasany amin’ny “Testamenta Vaovao” ireo mpanonta, mba hitoviany tamin’io fandikan-teny latinina io. Ny mifanohitra tamin’izany anefa no tokony ho nataony. Iray amin’ireny andinin-teny diso ireny ilay atao hoe comma Johanneum. * Tsy hita tamin’ny soratra grika voalohany mihitsy izy io, ka miharihary fa nampidirina taonjato maro taorian’ny nanoratan’i Jaona ilay taratasiny. Tsy hita ao amin’ny Vulgate latinina voalohany koa izy io. Nesorin’i Érasme tao amin’ny “Testamenta Vaovao” grika izay nataony àry ireo teny nasisika ireo.

Tsy sahin’ireo mpanonta an’ilay Baiboly misy fiteny maro ny nanova andinin-teny efa tao amin’ny Vulgate hatramin’ny taonjato maro. Tsy nesorin’izy ireo tao amin’ny soratra latinina àry ilay andinin-teny diso, ary nadikany tao amin’ny soratra grika koa izany mba hampitovy ny tsanganana roa.

Fototra ho an’ny fandikan-teny vaovao

Na dia ilay Baiboly iray misy fiteny maro sy ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo aza no misy ny Soratra Grika vita pirinty voalohany, dia tsy arakaraka izany ny hasarobidiny. Ny “Testamenta Vaovao” nataon’i Érasme no nanjary fototry ny Soratra Grika (ho an’ny fandikan-teny maro amin’ny teny hafa). Ny an’ny Soratra Hebreo-Aramianina * kosa, dia avy amin’ny soratra hebreo ao amin’ny Baiboly iray misy fiteny maro. Ny soratra hebreo ao amin’io Baiboly iray misy fiteny maro io no tena nampiasain’i William Tyndale, rehefa nandika ny Baiboly ho amin’ny teny anglisy izy.

Nanana anjara lehibe teo amin’ny fampandrosoana ny fahalalana ny Baiboly àry, ny asan’ireo manam-pahaizana namoaka ilay Baiboly iray misy fiteny maro. Tamin’ny fotoana naha maro ny olona liana tamin’ny Baiboly tany Eoropa no namoahana azy io, ka nandrisika ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny azon’ny besinimaro izany. Niharihary fa anisan’ny nanana anjara betsaka tamin’ny fanatsarana sy fikajiana ny soratra grika sy hebreo izy io. Izany rehetra izany dia mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra hoe ‘voazaha toetra amin’ny memy [na madio] ny tenin’i Jehovah’, ary “ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.”—Salamo 18:30; Isaia 40:8; 1 Petera 1:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Eninjato no vita pirinty tamin’ny taratasy, ary enina tamin’ny hoditra. Nisy vitsivitsy natao mitovy bika tamin’ilay Baiboly voalohany misy fiteny maro navoaka tamin’ny 1984.

^ feh. 12 Hebreo sy grika ary latinina.​—Jaona 19:20.

^ feh. 14 I Nebrija no noheverina ho nisava lalana an’ireo manam-pahaizana espaniola mpandinika momba ny literatiora sy ny teny (manam-pahaizana tsy miankina). Namoaka ny boky voalohany momba ny fitsipi-pitenenana castillan izy tamin’ny 1492. Telo taona taorian’izay dia tapa-kevitra ny tsy handinika afa-tsy ny Soratra Masina izy mandra-pahafatiny.

^ feh. 18 Hita ao amin’ny Baiboly sasany ilay andinin-teny diso ao amin’ny 1 Jaona 5:7 hoe: ‘any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka.’

^ feh. 21 Misy fitantarana momba ny asan’i Érasme ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1983, pejy 7-10.

[Sary, pejy 29]

Kardinaly Jiménez de Cisneros

[Sary nahazoan-dalana]

Biblioteca Histórica. Universidad Complutense de Madrid

[Sary, pejy 30]

Antonio de Nebrija

[Sary nahazoan-dalana]

Biblioteca Histórica. Universidad Complutense de Madrid

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

Biblioteca Histórica. Universidad Complutense de Madrid