Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Hatao etỳ An-tany ny Sitrapon’Andriamanitra

Rehefa Hatao etỳ An-tany ny Sitrapon’Andriamanitra

Rehefa Hatao etỳ An-tany ny Sitrapon’Andriamanitra

EFA niaina niaraka tamin’ny Rainy tany an-danitra i Jesosy, ka izany no nampianarany ny mpianany hivavaka hoe: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10; Jaona 1:18; 3:13; 8:42) Nisy fotoana nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra daholo izay rehetra nitranga tany an-danitra sy tetỳ an-tany, talohan’ny naha olombelona an’i Jesosy. Nahafinaritra tokoa tamin’izany fotoana izany, sady nahavitana zavatra betsaka nahafa-po.​—Ohabolana 8:27-31.

Ny anjely no noforonin’Andriamanitra voalohany, dia ireo “mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny . . . Mpanompony izay manao ny sitrapony” izy ireo. (Salamo 103:20, 21) Afaka miteny sy manao izay tiany ve ny anjely tsirairay? Eny. “Nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra”, fony noforonina ny tany. (Joba 38:7) Nahafaly azy ireo ny fikasan’Andriamanitra sady nekeny matoa nihoby izy ireo.

Nanomana ny tany ho fonenan’ny olombelona Andriamanitra rehefa avy namorona azy io. Farany, dia namorona ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany izy. (Genesisy toko 1) Mendrika ny hohobina koa ve izany? Hoy ny Soratra Masina: “Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany”, eny tsy nisy tsininy sy lavorary.​—Genesisy 1:31.

Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny ray aman-drenintsika voalohany sy ny taranany? Tena tsara koa io fikasany io, araka ny Genesisy 1:28 hoe: “Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” Mba hanatanterahana io fikasana mahatalanjona io dia tokony hiaina mandrakizay ireo ray aman-drenintsika voalohany sy ny taranany. Tsy nisy resaka loza, tsy rariny, alahelo, na fahafatesana mihitsy tamin’izany.

Natao tany an-danitra sy tetỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Nahita fifaliana lehibe izay rehetra nanao ny sitrapony. Kanefa inona no nitranga?

Tsy nampoizina fa nisy nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra. Olana azo vahana tsara izany, saingy nitaky fotoam-pijaliana lava be. Nanjary nisafotofoto tamin’ny olona àry hoe inona marina no sitrapon’Andriamanitra ho azy ireo. Samy iharan’izany fijaliana izany isika rehetra. Fa inona izany fanoherana izany?

Ny fikasan’Andriamanitra nandritra ny fotoam-pikomiana

Nahita hevitra ny “zanak’Andriamanitra” ara-panahy iray mba hisakanana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny sitrapony ho an’ny olona. Nitady ny tombontsoany io anjely io. Arakaraka ny nieritreretany izany no nahitany fa azo atao ilay izy sady vao mainka nanintona azy. (Jakoba 1:14, 15) Nihevitra angamba izy fa voatery hanaiky ny fahefany Andriamanitra, raha vitany ny mitarika ny mpivady voalohany hihaino azy. Nieritreritra izy fa tsy handringana azy ireo Andriamanitra, satria toy ny tsy mahatanteraka ny fikasany izy raha manao izany. Ho voatery hampifanaraka ny fikasany amin’izany kosa Andriamanitra, ka hanaiky ny toerana tanan’io zanany ara-panahy io, izay nanjary hankatoavin’ny olombelona. Nety mihitsy ny niantsoana azy io tatỳ aoriana hoe Satana, izay midika hoe “Mpanohitra.”​—Joba 1:6.

Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny faniriany i Satana, ka nanatona an’i Eva. Nampirisihin’i Satana izy hahaleo tena sy tsy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy izy taminy: “Tsy ho faty tsy akory hianareo. . . . Ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:1-5) Neken’ilay vehivavy ny teniny satria noheveriny fa hanome fahafahana azy, sady hanatsara ny fiainany. Nampirisihin’i Eva hanaraka azy koa ny vadiny, tatỳ aoriana.​—Genesisy 3:6.

Tsy izany anefa no sitrapon’Andriamanitra ho azy mivady. Fanirian’izy ireo manokana izany, ary nahatsiravina ny vokany. Efa nilazan’Andriamanitra izy ireo fa ho faty, raha tsy mankatò. (Genesisy 3:3) Tsy noforonin’Andriamanitra hanana fiainana tsara kanefa tsy miankina aminy ny olombelona. (Jeremia 10:23) Lasa tsy lavorary koa izy ireo, ary hamindra izany sy ny fahafatesana amin’ny taranany. (Romanina 5:12) Tsy azon’i Satana sakanana izany.

Hanova mandrakizay ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona sy ny tany ve izany toe-javatra izany? Tsia. (Isaia 55:9-11) Nampipoitra fanontaniana nitaky valiny anefa izany: Afaka ny ‘ho tahaka an’Andriamanitra tokoa ve ny olona, ka hahalala ny tsara sy ny ratsy’, araka ny nolazain’i Satana? Izany hoe afaka manapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy, na izay mahasoa sy manimba antsika, ve isika amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, raha omena fotoana ampy? Mendrika ny hankatoavina tanteraka ve Andriamanitra satria ny fitondrany no tsara indrindra? Mendrika ny harahina tanteraka ve ny sitrapony? Ahoana no hamalianao an’ireo fanontaniana ireo?

Iray ihany no fomba azo amaliana ireo fanontaniana ireo eo anatrehan’ny zavaboary manan-tsaina rehetra. Avela hanana fahaleovan-tena ireo mitady izany, ary ho hita eo raha hahomby na tsia. Tsy ho voavaly ireo fanontaniana ireo raha naringana fotsiny izy ireo. Hamaha ilay olana ny fanomezana ny olombelona izany fahaleovan-tena izany mandritra ny fotoana ampy. Hiharihary mantsy amin’izay ny vokatr’izany. Nasehon’Andriamanitra fa izany no fomba hamahany ilay olana, rehefa nilaza izy fa hanan-janaka i Eva. Ary izany koa no mahatonga antsika hisy ankehitriny!​—Genesisy 3:16, 20.

Tsy midika anefa izany fa hamela ny olombelona sy ilay zanany ara-panahy mpikomy hanao izay rehetra tiany hatao Andriamanitra. Mpanjaka eo amin’izao rehetra izao foana izy, ary mbola hotanterahiny ny fikasany. (Salamo 83:18) Nataony nazava tsara izany rehefa nilaza mialoha izy fa hanorotoro ny atidoha nikotrika ilay fikomiana sy hanafoana ny voka-dratsiny rehetra. (Genesisy 3:15) Koa efa hatramin’ny voalohany àry ny olombelona no nampanantenaina fanamaivanana.

Tsy nanaiky ny fitondran’Andriamanitra ny ray aman-drenintsika voalohany sy ny taranany tatỳ aoriana. Voatery manery ny olombelona hanaraka ny sitrapony foana Andriamanitra, raha tsy tiany hitanty ny voka-dratsin’ny fanapahan-keviny izy ireo. Toy ny hoe tsy mamela azy ireo hahaleo tena anefa izy, raha manao izany.

Mazava ho azy fa afaka mifidy ny fitondran’Andriamanitra ny tsirairay. Afaka mianatra ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olombelona sy manaraka izany akaiky araka izay azo atao, izy ireo, dieny izao. (Salamo 143:10) Hiatrika zava-manahirana foana anefa izy ireo mandra-pilamin’ilay olana momba ny fahaleovan-tena tanteraka notadiavin’ny olombelona.

Efa hita sahady ny vokatry ny safidin’ny olombelona, teo am-piandohan’ny tantarany. Namono an’i Abela rahalahiny i Kaina, ilay lahimatoan’ny fianakavian’olombelona, “satria ratsy ny nataony, fa marina kosa ny nataon’ny rahalahiny.” (1 Jaona 3:12) Tsy izany no sitrapon’Andriamanitra, satria nampitandrina azy izy, ary avy eo nanasazy azy. (Genesisy 4:3-12) Nifidy ny hitondra tena araka izay tiany i Kaina, araka ny tolo-kevitr’i Satana. Noho izany dia ‘avy amin’ilay ratsy’ izy. Manao toy izany koa ny olona sasany.

“Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza”, 1 500 taona mahery taorian’ny nisian’ny olombelona. (Genesisy 6:11) Nilaina ny nanao zavatra hentitra mba hiarovana ny tany tsy ho simba. Koa nandefa safodrano naneran-tany àry Andriamanitra. Narovany anefa ilay hany fianakaviana marina niaina tamin’izany, dia ry Noa mivady, ary ny zanany lahy sy ny vadin’izy ireo avy. (Genesisy 7:1) Taranak’izy ireo isika rehetra.

Nanome tari-dalana an’ireo tena maniry hahafantatra ny sitrapony Andriamanitra, hatramin’ny andron’i Noa. Nisy lehilahy nahatoky nasainy nanoratra ny teniny ho an’ireo nitady ny tari-dalany. Hita ao amin’ny Baiboly izany teniny izany. (2 Timoty 3:16) Navelany hifandray aminy sy ho tonga namany mihitsy ny olombelona, noho ny fitiavany azy ireo. (Isaia 41:8) Nomeny ny hery nilainy koa izy ireo mba hiaretana ireo fisedrana mafy nianjady tamin’ny olombelona nandritra izay an’arivo taonany tsy niankinany tamin’Andriamanitra izay. (Salamo 46:1; Filipianina 4:13) Tena velom-pankasitrahana noho izany fanampiana izany tokoa isika!

‘Hatao anie ny sitraponao’ rehetra

Mbola tsy nanatanteraka ny sitrapony rehetra ho an’ny olombelona Andriamanitra. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (2 Petera 3:13) Te hilaza ireo teny an’ohatra ireo fa hisy fitondram-panjakana vaovao izay hitondra ny olombelona, sy fitambaran’olona vaovao eo ambanin’io fitondram-panjakana io.

Nampiasa teny mazava kokoa ny mpaminany Daniela, rehefa nanoratra hoe: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; . . . Ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44) Milaza mialoha io faminaniana io fa hifarana ny rafitr’ity tontolo tsy mahomby ity, ka hosoloan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Vaovao tsara tokoa re izany! Ho avy ny fotoana hanadinoana tanteraka ny ady sy ny fitiavan-tena izay mahatonga ny tany ho feno herisetra sy ho simba indray.

Rahoviana izany no ho tanteraka? Nanontany toy izao ny mpianatr’i Jesosy: “Rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Toy izao ny ampahany tamin’ny valin-tenin’i Jesosy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”​—Matio 24:3, 14.

Efa fantatry ny olona rehetra fa atao eran-tany ny asa fitoriana ankehitriny. Mety ho efa hitanao izany teo amin’ny manodidina anao. Nanoratra toy izao ilay mpampianatra antsoina hoe Charles Braden, ao amin’ilay bokiny hoe Mino koa Izy Ireo (anglisy): “Nameno ara-bakiteny ny tany tamin’ny fitoriany ny Vavolombelon’i Jehovah. . . . Tsy nisy fivavahana na dia iray aza eran-tany nampiseho zotom-po sy fikirizana toy ny Vavolombelon’i Jehovah, raha ny amin’ny fiezahana hampiely ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.” Mazoto mitory io vaovao tsara io any amin’ny tany maherin’ny 230 sy amin’ny fiteny 400 eo ho eo izy ireo. Tanterahina maneran-tany amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany io asa efa nambara mialoha io. Anisan’ny porofo izany, fa efa manakaiky izao ny fotoana hanoloana ny fitondran’olombelona amin’io Fanjakana io.

Io Fanjakana nasain’i Jesosy notorintsika io no noresahiny ao amin’ilay vavaka modely nampianariny. Hoy izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Io Fanjakana io tokoa no fitaovana ampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany na ny sitrapony ho an’ny olombelona sy ny tany.

Inona no dikan’izany? Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4: “Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana [aho], nanao hoe: ‘Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’” Hatao etỳ an-tany sy any an-danitra tokoa ny sitrapon’Andriamanitra rehetra amin’izay. * Te hanana anjara amin’izany ve ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 26 Raha irinao ny hahafantatra misimisy kokoa ny amin’io Fanjakan’Andriamanitra io, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao, na manorata amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 amin’ity gazety ity.

[Sary, pejy 5]

Mitondra loza ny tsy fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra