Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

Inona no porofo fa nanana rahalahy sy anabavy i Jesosy?

Milaza izany ny Baiboly ao amin’ny Matio 13:55, 56 sy Marka 6:3. Ilay teny grika hoe “rahalahy” hita eo amin’ireo andinin-teny ireo, dia ilazana fatoram-pianakaviana, ka tsy maintsy olona mpiray tam-po, na olona iray reny na iray ray ihany no heviny. (Gazety Katolika Mivoaka Isan-telo Volana, anglisy, Janoary 1992)​—15/12, pejy 3.

Inona no endrika vaovao isehoan’ny ady, ary inona matetika no mahatonga izany?

Ady an-trano ny ankamaroan’ireo ady nampahory ny olombelona, tao anatin’ireo taona faramparany. Ny olona iray firenena ihany no mifamely amin’izy io. Ny fankahalana ny olona avy amin’ny firazanana na foko sasany, ny tsy fitovian’ny finoana, ny tsy rariny, ary ny korontana politika no mahatonga azy io. Eo koa ny hetahetam-pahefana sy ny fitiavam-bola.​—1/1, pejy 3, 4.

Ahoana no ahalalantsika fa tsy nasain’i Jesosy haverin’ny Kristianina tsianjery ilay vavaka modely?

Nanome io vavaka modely io i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Naveriny ny hevi-dehibe tao amin’izy io, herintaona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana. (Matio 6:9-13; Lioka 11:1-4) Tsara homarihina fa tsy naveriny daholo ny teny rehetra tao amin’ilay vavaka. Mampiseho izany fa tsy nasainy haverina tsianjery izy io.​—1/2, pejy 8.

Taiza ilay voromailala no nahita an’ilay ravin’oliva nentiny tao amin’ny sambo fiara, taorian’ny Safodrano?

Tsy fantatsika ny hafanan’ny rano tamin’ny Safodrano sy ny sira tao anatiny. Fantatra anefa fa mbola mitsiry ny hazo oliva, na dia efa avy nokapaina aza. Mety ho tsy maty nandritra ny Safodrano àry ny sasany, ka nitsiry indray avy eo.​—15/2, pejy 31.

Ahoana no nahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Biafra sakafo ara-panahy, rehefa natao fahirano io faritra io, nandritra ny ady an-trano tany Nizeria?

Voatendry hiasa tany Eoropa ny mpiasam-panjakana iray, ary ny iray hafa tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Biafra. Samy Vavolombelona izy mirahalahy ireo. Nanolo-tena hanao ilay asa nampidi-doza izy ireo, dia ny fampidirana sakafo ara-panahy any Biafra. Nahazo sakafo ara-panahy foana àry ny rahalahy maro mandra-pahatapitry ny ady tamin’ny 1970.​—1/3, pejy 27.

Inona no vokatry ny Fifaneken’i Westphalie, ary nahoana no tafiditra tamin’izy io ny fivavahana?

Noho ny Fanavaozana, dia nizara telo ny finoana tao amin’ny Empira Romanina Masina: Katolika, Loteranina, ary Kalvinista. Niforona ny Fikambanana Protestanta sy ny Vondrona Katolika, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-17. Niady avy eo ireo fivavahana roa ireo tany Bohême. Nivadika ho ady mba hahazoana fahefana eran-tany izany tatỳ aoriana. Nitady izay handrombahana ny fahefana ara-politika sy hahazoana tombony ara-barotra ireo mpitondra katolika sy protestanta. Nisy fifanekem-pihavanana natao ihany tamin’ny farany tany Westphalie, provansy alemà. Voasonia ny Fifaneken’i Westphalie, dimy taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny 1648, ka izany no namarana ny Ady Telopolo Taona. Niforona ny kontinantan’i Eoropa, izay misy ireo fanjakana mahaleo tena ankehitriny.​—15/3, pejy 20-23.

Inona no dikan’ilay isa 666, izay marika na anaran’ilay “bibidia”?

Voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 13:16-18 io marika io. Manondro ny fitondram-panjakan’olombelona ilay bibidia. “Isa nataon’olombelona” ilay isa eo aminy. Midika izany fa tsy lavorary toy ny olombelona koa ny fitondram-panjakana. Ilay isa 6 ampiana 60 ampiana 600, dia manondro fa tena misy lesoka be izy io eo imason’Andriamanitra. Ireo olona mivavaka sy mankalaza ny fitondram-panjakan’olombelona, na mitady famonjena any aminy, no manana io marika io.​—1/4, pejy 4-7.