Tsy Maintsy Tia Hatsaram-panahy ny Vahoakan’Andriamanitra
Tsy Maintsy Tia Hatsaram-panahy ny Vahoakan’Andriamanitra
“Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia [hatsaram-panahy, “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”] ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.”—MIKA 6:8.
1, 2. a) Nahoana no tsy tokony hahagaga hoe takin’i Jehovah ny hanehoan’ny vahoakany hatsaram-panahy? b) Inona avy no fanontaniana mendrika hodinihintsika?
ANDRIAMANITRA tsara fanahy i Jehovah. (Romanina 2:4; 11:22) Azo antoka fa tena nankasitraka izany i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany! Afaka nankafy ny zavaboary be dia be nanodidina azy, izy ireo tao amin’ny saha Edena. Nanaporofo izany fa tsara fanahy tamin’ny olona tokoa Andriamanitra. Mbola tsara fanahy amin’ny rehetra foana izy, na dia amin’ireo tsy mahay mankasitraka sy ratsy fanahy aza.
2 Afaka maneho ny toetran’Andriamanitra ny olona, satria noforonina tahaka ny endriny. (Genesisy 1:26) Tsy mahagaga àry raha takin’i Jehovah ny hanehoantsika hatsaram-panahy. Milaza ny Mika 6:8 (TV) fa tsy maintsy “tia hatsaram-panahy” ny vahoakan’Andriamanitra. Inona anefa no atao hoe hatsaram-panahy? Inona no ifandraisan’izy io amin’ny toetran’Andriamanitra hafa? Nahoana no lozabe sy masiaka ny ankamaroan’ny olona eto an-tany, nefa afaka maneho hatsaram-panahy ny olombelona? Nahoana isika Kristianina no tokony hiezaka ny ho tsara fanahy?
Inona no atao hoe hatsaram-panahy?
3. Inona no dikan’ny hoe hatsaram-panahy?
3 Ny hatsaram-panahy dia ny fiahiana izay hahasoa ny hafa. Aseho amin’ny alalan’ny asa fanampiana sy ny teny voahevitra tsara izy io. Ny hoe tsara fanahy dia midika hoe manao soa, fa tsy manisy ratsy olona. Ny olona tsara fanahy dia sariaka, malemy paika, mangoraka, ary mahay mifandray amin’ny olona. Malala-tanana sy mihevitra ny hafa izy. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.” (Kolosianina 3:12) Toetra tokony hotafin’ny tena Kristianina tsirairay àry ny hatsaram-panahy.
4. Nahoana no lazaina fa i Jehovah no voalohany naneho hatsaram-panahy tamin’ny olona?
4 I Jehovah Andriamanitra no voalohany naneho hatsaram-panahy. Nilaza i Paoly fa rehefa ‘naseho ny hatsaram-panahy sy ny fitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika’, dia “novonjeny isika tamin’ny alalan’ny fampandroana izay nitondra fiainana ho antsika sy tamin’ny alalan’ny fanavaozan’ny fanahy masina.” (Titosy 3:4, 5) ‘Ampandroan’Andriamanitra’ na dioviny amin’ny ran’i Jesosy ny Kristianina voahosotra, izany hoe avelany handray ny soa entin’ny soron’i Kristy. Havaozina amin’ny alalan’ny fanahy masina koa izy ireo, ka lasa “zavaboary vaovao” na zanak’Andriamanitra ateraky ny fanahy. (2 Korintianina 5:17) Anehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy sy fitiavana koa ny “vahoaka be”, izay ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.’—Apokalypsy 7:9, 14; 1 Jaona 2:1, 2.
5. Nahoana no tokony ho tsara fanahy ireo tarihin’ny fanahin’Andriamanitra?
5 Anisan’ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra na ny hery ampiasainy koa ny hatsaram-panahy. Hoy i Paoly: ‘Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra an’ireo.’ (Galatianina 5:22, 23) Koa tsy tokony ho tsara fanahy àry ve ireo tarihin’ny fanahin’Andriamanitra?
Tsy fahalemena ny tena hatsaram-panahy
6. Rahoviana no fahalemena ny hatsaram-panahy, ary nahoana?
6 Misy olona mihevitra fa fahalemena ny hatsaram-panahy. Heveriny fa tsy maintsy hentitra be sy tsy mahalala fomba mihitsy ny olona indraindray, vao hita hoe manana ny maha izy azy. Raha ny marina anefa, dia maneho ny tena hatsaram-panahy sady manalavitra ny hatsaram-panahy diso toerana ny olona manana ny maha izy azy. Anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny tena hatsaram-panahy, ka tsy mora milefitra manoloana ny fitondran-tena ratsy, na minia tsy miraharaha izany. Fahalemena kosa anefa ny hatsaram-panahy diso toerana, izay mahatonga ny olona hanala tsiny ny fanaovan-dratsy.
7. a) Porofoy fa nilefitra loatra i Ely. b) Nahoana no tsy maintsy mitandrina ny anti-panahy mba tsy haneho hatsaram-panahy diso toerana?
7 Eritrereto, ohatra, ny nataon’i Ely mpisoronabe teo amin’ny Israely. Tsy nofaiziny i Hofinia sy Finehasa, zanany lahy, izay mpisorona tao amin’ny tabernakely. Efa voafaritry ny Lalàn’Andriamanitra ny ampahany amin’ny sorona natokana ho azy ireo, nefa tsy nianina tamin’izay izy mirahalahy. Nasainy nangataka hena manta tamin’ilay olona nanao fanatitra ny zatovony, talohan’ny nandoroana ny sabora teo amin’ny alitara. Nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo am-baravaran’ny tranolay koa ireo zanakalahin’i Ely ireo. Tsy nesorin’i Ely tamin’ny asany anefa i Hofinia sy Finehasa, fa noteneniny moramora fotsiny. (1 Samoela 2:12-29) Tsy nahagaga raha ‘nahalana ny tenin’i Jehovah tamin’izany andro izany.’ (1 Samoela 3:1) Tsy maintsy mitandrina àry ny anti-panahy mba tsy haneho hatsaram-panahy diso toerana amin’izay nanao fahadisoana, ka mety hampidi-doza ny fahasalamana ara-panahin’ny fiangonana. Ny hoe maneho ny tena hatsaram-panahy dia tsy midika hoe minia tsy miraharaha ny teny sy fihetsika ratsy mandika ny fitsipik’Andriamanitra.
8. Ahoana no nanehoan’i Jesosy ny tena hatsaram-panahy?
8 Tsy naneho hatsaram-panahy diso toerana mihitsy i Jesosy Kristy, ilay Modelintsika. Tsy nisy toa azy raha ny amin’ny fanehoana tena hatsaram-panahy. ‘Tia ny vahoaka izy’, ohatra, ‘satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo.’ Tsy nisalasala nanatona an’i Jesosy ny olona tso-po. Nentiny tany aminy mihitsy aza ny zanak’izy ireo. Eritrereto ny hatsaram-panahy sy fangoraham-po nasehon’i Jesosy tamin’izy ‘namihina ireo zaza ka nitso-drano azy.’ (Matio 9:36; Marka 10:13-16) Tsara fanahy i Jesosy, nefa tsy nampandefitra izay mahitsy teo imason’ilay Rainy any an-danitra izy. Tsy nanala tsiny ny faharatsiana mihitsy izy. Nomen’Andriamanitra herim-po izy hanalana sarona ny fihatsaram-belatsihin’ireo mpitondra fivavahana. Araka ny Matio 23:13-26, dia naveriny imbetsaka ny hoe: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!”
Ny hatsaram-panahy sy ny toetra tsara hafa
9. Inona no ifandraisan’ny hatsaram-panahy amin’ny fahari-po sy ny fanaovan-tsoa?
9 Misy ifandraisana amin’ny toetra hafa vokarin’ny fanahin’Andriamanitra ny hatsaram-panahy. Eo anelanelan’ny “fahari-po” sy ny
“fanaovan-tsoa” no misy azy io. Mampiseho hatsaram-panahy tokoa ny olona iray rehefa maneho fahari-po. Maneho faharetana izy na dia amin’ny olona tsy tsara fanahy aza. Misy ifandraisana amin’ny fanaovan-tsoa koa ny hatsaram-panahy, satria matetika ny olona tsara fanahy no manampy ny hafa. Azo adika hoe “fanaovan-tsoa” indraindray ilay teny grika nadika hoe “hatsaram-panahy” ao amin’ny Baiboly. Gaga be mihitsy ny mpanompo sampy nahita ny Kristianina voalohany naneho an’io toetra io, hany ka nantsoin’izy ireo hoe “olona miavaka noho ny hatsaram-panahy” ny mpanara-dia an’i Jesosy, araka ny nolazain’i Tertullien.10. Hazavao ny ifandraisan’ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana.
10 Mifandray koa ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana. Hoy i Jesosy momba ny mpanara-dia azy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Ary izao no nolazain’i Paoly momba an’io fitiavana io: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy.” (1 Korintianina 13:4) Mifandray koa ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana araka ilay teny hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana”, izay hita matetika ao amin’ny Soratra Masina. Mandika azy io hoe “famindrampo” ny Fandikan-teny Protestanta. Ny fitiavana tsy mivadika no mahatonga an’io hatsaram-panahy io. Tsy midika fotsiny hoe firaiketam-po ilay teny hebreo nadika hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana”, fa milaza hatsaram-panahy izay mahatonga ny olona iray hifikitra amim-pitiavana amin-javatra na olona, mandra-pahatanteraky ny zava-kendrena mifandray amin’io zavatra na olona io. Miseho amin’ny fomba maro samy hafa ny hatsaram-panahy feno fitiavan’i Jehovah. Hita izany, ohatra, rehefa manafaka sy miaro ny olony izy.—Salamo 6:4; 40:11; 143:12.
11. Inona no atokisantsika noho i Jehovah maneho hatsaram-panahy feno fitiavana?
11 Misarika ny olona ho amin’i Jehovah ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. (Jeremia 31:3) Rehefa mila afahana na ampiana ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky, dia fantany fa haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminy tokoa izy. Azon’izy ireo antoka izany. Afaka mivavaka sy matoky toa an’ilay mpanao salamo àry izy ireo hoe: “Fa raha izaho kosa, dia ny [hatsaram-panahinao feno fitiavana, TV] no itokiako; ho faly amin’ny famonjenao ny foko.” (Salamo 13:5) Afaka matoky tanteraka an’Andriamanitra ny mpanompony, satria maharitra ny fitiavany. Matoky izy ireo fa “Jehovah tsy mba hanary ny olony, ary ny lovany tsy hafoiny.”—Salamo 94:14.
Nahoana no lozabe ny ankamaroan’ny olona?
12. Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ny fitondrana mampahory?
12 Misy ifandraisana amin’izay nitranga tao amin’ny saha Edena ny valin’izany. Nanjary tia tena sy niavonavona ny anjely iray taoriana kelin’ny namoronana ny olona, ka nanao tetika mba ho lasa “mpitondra an’izao tontolo izao.” Nahomby tokoa ilay tetika saingy lasa mpitondra tena mampahory izy. (Jaona 12:31) Satana Devoly no lasa anaran’io filohan’ny mpanohitra an’Andriamanitra sy ny olona io. (Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9) Taoriana kelin’ny namoronana an’i Eva, dia niharihary fa nitetika ny ho mpitondra hifaninana amin’i Jehovah, ilay mpitondra tsara fanahy, i Satana. Nanomboka àry ny fitondrana ratsy rehefa nifidy ny hahaleo tena i Adama, ka nanda tanteraka ny fitondran’Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny. (Genesisy 3:1-6) Tsy nahaleo tena anefa i Adama sy Eva raha ny marina, fa lasa nofehezin’ny Devoly, ilay mpitondra tia tena sy miavonavona.
13-15. a) Inona avy no vokatry ny nandavana ny fitondrana marin’i Jehovah? b) Nahoana no lozabe ny ankamaroan’ny olona?
13 Inona no vokany? Noroahina avy tao amin’ilay faritra paradisa teto an-tany i Adama sy Eva. Tsy afa-nipetraka tao amin’ilay zaridaina maitso mavana nisy zavamaniry sy voankazo nahasalama intsony izy ireo, fa niatrika zava-tsarotra tany ivelan’ny saha Edena. Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: “Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy.” Ny hoe voaozona ny tany dia midika fa ho sarotra Genesisy 3:17-19; 5:29.
be ny hamboly azy io. Tsapan’ny taranak’i Adama tsara fa voaozona ny tany sady naniry tsilo. Izany no nahatonga an’i Lameka, rain’i Noa hiresaka ny amin’ny ‘fisasaran’ny tanan’izy ireo noho ny tany izay voaozon’i Jehovah.’—14 Tsy nilamin-tsaina intsony koa i Adama sy Eva fa nijaly. Hoy Andriamanitra tamin’i Eva: “Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” Namono an’i Abela rahalahiny i Kaina, lahimatoan’i Adama sy Eva, tatỳ aoriana.—Genesisy 3:16; 4:8.
15 ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy’, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 5:19) Manana toetra ratsy toy ilay mpitondra azy ihany ity tontolo ity, anisan’izany ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Tsy mahagaga àry raha feno halozana sy hasiahana ity tany ity! Hiova anefa izany. Manome antoka antsika i Jehovah fa ny hatsaram-panahy sy ny fangoraham-po no hanjaka eo ambany Fanjakany, fa tsy ny halozana sy ny fahasiahana.
Hanjaka ny hatsaram-panahy eo ambany fitondran’Andriamanitra
16. Nahoana no hampiavaka ny fitondran’Andriamanitra tantanan’i Kristy Jesosy ny hatsaram-panahy, ary inona no adidintsika noho izany?
16 Takin’i Jehovah sy ilay Mpanjaka voatendriny, dia i Kristy Jesosy, ny hahafantarana ny vahoakany ho olona tsara fanahy. (Mika 6:8, TV) Efa nasehon’i Jesosy antsika fa hampiavaka ny fitondrany ny hatsaram-panahy. (Hebreo 1:3) Hita izany tamin’ny teny nolazainy rehefa nalany sarona ny mpitondra fivavahan-diso, izay nampitondra enta-mavesatra ny vahoaka. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30) Be dia be ny mpitondra, na ara-pivavahana io na tsia, no mampitondra enta-mavesatra ny olona noho ireo lalàna tsy misy farany ataony, sy ireo asa ampanaoviny azy ireo, nefa tsy anehoany fankasitrahana akory izy ireo. Mifanaraka amin’izay ilain’ny mpanara-dia azy sy ny fahaizan’izy ireo anefa ny zavatra takin’i Jesosy. Mora entina sy mamelombelona tokoa ny ziogany! Tsy voatosika ny ho tsara fanahy toa azy koa ve isika?—Jaona 13:15.
17, 18. Nahoana isika no matoky fa ho tsara fanahy ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra sy ireo solontenany eto an-tany?
17 Tsy mitovy amin’ny fitondran’olombelona mihitsy ny fitondran’Andriamanitra, araka ny nasongadin’i Jesosy tamin’ny apostoliny. Hoy ny Baiboly: “Nifanditra mafy koa izy ireo [na ny mpianany] momba ny hoe iza no noheverina ho lehibe indrindra teo aminy. Fa hoy izy tamin’ireo: ‘Ny mpanjakan’ny firenena manjakazaka aminy, ary izay manana fahefana eo aminy dia atao hoe Mpanao soa. Fa tsy tokony ho tahaka izany ianareo. Fa izay lehibe indrindra eo Lioka 22:24-27.
aminareo no aoka ho toy ny zandriny indrindra, ary izay mitarika ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibe kokoa: ilay mandry mitehina ila hisakafo sa ilay manompo? Tsy ilay mandry mitehina ila ve? Fa izaho dia mpanompo teo aminareo.’”—18 “Manjakazaka” amin’ny vahoaka sy mitady anaram-boninahitra ny mpitondra olombelona mba hampisehoana ny fahalehibeazany. Heveriny mantsy fa mahatonga azy ho ambony kokoa noho ny vahoakany izany. Nilaza anefa i Jesosy fa izay miezaka mafy hatrany hanompo ny hafa no tena lehibe. Tsy maintsy miezaka hanetry tena sy ho tsara fanahy toa an’i Kristy, ireo rehetra hiara-manjaka aminy any an-danitra sy ireo solontenany eto an-tany.
19, 20. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny halehiben’ny hatsaram-panahin’i Jehovah? b) Ahoana no anahafantsika ny hatsaram-panahin’i Jehovah?
19 Handinika torohevitra hafa feno fitiavana nomen’i Jesosy isika. Mba hampisehoana ny halehiben’ny hatsaram-panahin’i Jehovah, dia hoy izy: “Raha izay tia anareo no tianareo, inona no fahamendrehanareo amin’izany? Na ny mpanota aza mantsy mba tia an’izay tia azy koa. Raha izay manisy soa anareo no asianareo soa, inona tokoa moa no fahamendrehanareo amin’izany? Na ny mpanota aza ange manao toy izany koa e! Raha mampisambo-bola tsy misy zanany amin’izay antenainareo hamerina ianareo, inona no fahamendrehanareo amin’izany? Na ny samy mpanota aza mifampisambo-bola tsy misy zanany, mba hiverenan’ny volany. Mifanohitra amin’izany kosa fa tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva, mampisambora vola tsy misy zanany, ary aza manantena valiny. Amin’izay dia ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, satria izy tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy. Mamindrà fo hatrany, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.”—Lioka 6:32-36.
20 Tsy mitady valiny na manantena tambiny ny hatsaram-panahin’Andriamanitra. Tsy mitaky na inona na inona koa izy io. Tsara fanahy i Jehovah ka “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45; Asan’ny Apostoly 14:16, 17) Manahaka an’ilay Raintsika any an-danitra isika, ka sady tsy manisy ratsy ny olona tsy mahay mankasitraka, no manao soa aminy koa, eny fa na dia amin’ireo manohitra antsika aza. Rehefa tsara fanahy isika, dia mampiseho amin’i Jehovah sy Jesosy fa irintsika ny hiaina eo ambany Fanjakan’Andriamanitra, rehefa haneho hatsaram-panahy sy toetra tsara hafa ny olona rehetra.
Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy?
21, 22. Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy?
21 Tena zava-dehibe ny anehoan’ny Kristianina marina hatsaram-panahy. Porofo izany fa manana ny fanahin’Andriamanitra isika. Manahaka an’i Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy koa isika rehefa tsara fanahy. Fepetra takina amin’ireo te ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra koa izany. Tsy maintsy tia hatsaram-panahy sy mianatra maneho azy io àry isika.
22 Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anehoana hatsaram-panahy eo amin’ny fiainantsika andavanandro? Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
Ahoana no Havalinao?
• Inona no atao hoe hatsaram-panahy?
• Nahoana no lozabe sy masiaka ny ankamaroan’ny olona eto an-tany?
• Ahoana no ahalalantsika fa hanjaka ny hatsaram-panahy eo ambany fitondran’Andriamanitra?
• Nahoana no mila maneho hatsaram-panahy ny olona te hiaina eo ambany Fanjakan’Andriamanitra?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Miezaka ny ho tsara fanahy amin’ny andian’ondry ny anti-panahy
[Sary, pejy 15]
Azo antoka fa haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpanompony i Jehovah rehefa tojo fotoan-tsarotra izy ireo
[Sary, pejy 16]
Tsara fanahy i Jehovah ka mampiposaka ny masoandro sy mandrotsaka ny orana amin’ny rehetra