Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy Natahotra An’Andriamanitra Sady Nazoto Niasa i Rebeka

Vehivavy Natahotra An’Andriamanitra Sady Nazoto Niasa i Rebeka

Vehivavy Natahotra An’Andriamanitra Sady Nazoto Niasa i Rebeka

AOKA hatao hoe afaka mifidy vady ho an’ny zanakao lahy ianao. Olona manao ahoana no hofidinao? Inona no toetra tianao hananany? Olona tsara tarehy, manam-pahaizana, tsara fanahy, ary mazoto miasa ve no tadiavinao? Sa toetra hafa ankoatra an’ireo aloha no tadiavinao aminy?

Niatrika io zava-manahirana io i Abrahama. Nampanantena i Jehovah fa amin’ny alalan’i Isaka, zanany, no hitahiana ny taranany. Efa antitra i Abrahama tamin’izay, nefa mbola mpitovo ny zanany lahy. (Genesisy 12:1-3, 7; 17:19; 22:17, 18; 24:1) Handray fitahiana miaraka amin’i Isaka izay vehivavy ho vadiny sy ny taranak’izy ireo. Koa nampitady vady mety ho an’i Isaka àry Abrahama. Tsy maintsy mpanompon’i Jehovah koa izy io. Tsy maintsy nitady tany an-toeran-kafa i Abrahama, satria tsy nisy vehivavy nanompo an’i Jehovah tany Kanana. I Rebeka no voafidy tamin’ny farany. Ahoana no nahitana azy? Vehivavy tia an’Andriamanitra ve izy? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelany?

Fitadiavana vehivavy mendrika

Naniraka an’i Eliezera, lehiben’ny mpanompony, ho any Mezopotamia i Abrahama, mba hitady vady ho an’i Isaka. Tany amin’ny havany, izay mpanompon’i Jehovah, ihany no nanirahany azy. Tena zava-dehibe izany ka nasainy nianiana i Eliezera fa tsy haka vady kananita ho an’i Isaka. Tsara homarihina io fanantitranteran’i Abrahama io.​—Genesisy 24:2-10.

Nitondra ny ramevany folo teo amin’ny fantsakana iray i Eliezera, rehefa tonga teo amin’ny tanàna nisy ny havan’i Abrahama. Alao sary an-tsaina ange izay nitranga e! Takariva tamin’izay, ary nivavaka toy izao i Eliezera: “Indro, mijanona eto anilan’ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areho kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao.”​—Genesisy 24:11-14.

Fantatry ny vehivavy rehetra teo amin’io toerana io fa mahalany rano be dia be (hatramin’ny 100 litatra) ny rameva iray main’ny hetaheta. Tsy maintsy ho vonona ny hiasa mafy mihitsy àry ny vehivavy iray matoa manolo-tena hanovo rano ho an’ny rameva folo. Ho hitan’ireo mpitazana amin’izay fa tena matanjaka, manana faharetana, manetry tena, ary tsara fanahy amin’ny olona sy ny biby izay vehivavy manao izany.

Inona no nitranga? “Raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina . . .; ary nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho. Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.”​—Genesisy 24:15-18.

Mendrika ny ho vadin’i Isaka ve i Rebeka?

Zafin’ny rahalahin’i Abrahama i Rebeka, ary sady tsara tarehy izy no tsara toetra. Tsy nihafahafa tamin’ny vahiny izy, nefa naneho fanajana koa. Nomeny rano i Eliezera rehefa nangataka taminy. Efa fanaon’ny olona ihany izany, satria mariky ny fahalalam-pomba. Ahoana ny amin’ilay zavatra faharoa nangatahin’i Eliezera tamin’ny vavaka?

Hoy i Rebeka: “Misotroa, tompokolahy.” Tsy izany ihany anefa no nolazainy, fa hoy ihany izy: “Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.” Nihoatra noho izay tokony ho nataony no nataony. “Naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin’ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ny ramevany rehetra izy.” Tena nazoto niasa izy. “Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina”, araka ilay fitantarana.​—Genesisy 24:19-21.

Niankohoka i Eliezera, ka nisaotra an’i Jehovah, rehefa fantany fa havan’i Abrahama ilay zazavavy. Nanontany izy raha misy toerana hatoriany sy ireo miaraka aminy, ao an-tranon’ny rainy. Nanaiky i Rebeka, ary avy eo nihazakazaka nankany an-trano hilaza ny vaovao momba ireo vahiny.​—Genesisy 24:22-28.

Rehefa avy nihaino an’i Eliezera i Labana, anadahin-dRebeka, sy Betoela rainy, dia hitan’izy ireo fa fitarihan’i Jehovah mihitsy ilay izy. Tena natao ho an’i Isaka mihitsy Rebeka. Hoy izy ireo “Ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin’ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’i Jehovah.” Ahoana hoy i Rebeka? Rehefa nanontaniana izy raha handeha avy hatrany, dia namaly tamin’ny teny tokana tamin’ny teny hebreo midika hoe “handeha aho.” Tsy noterena hanambady an’i Isaka izy. Nilaza mazava i Abrahama fa afaka tamin’ny fianianany i Eliezera raha ‘tsy mety miaraka aminy ny vehivavy.’ Hitan-dRebeka koa anefa fa fitarihan’i Jehovah ilay izy. Nandao ny fianakaviany avy hatrany àry izy mba hanambady lehilahy iray mbola tsy hitany mihitsy. Hita tamin’ny fahasahiany nanapa-kevitra fa nanana finoana niavaka izy. Tena mendrika ny ho vadin’i Isaka tokoa izy!​—Genesisy 24:29-59.

Nisalobona i Rebeka rehefa nihaona tamin’i Isaka, mba hampisehoana fa nanaiky azy izy. Naka azy ho vady i Isaka, ary tia azy izy, noho ny toetra tsarany.​—Genesisy 24:62-67.

Zanakalahy kambana

Momba nandritra ny 19 taona teo ho eo i Rebeka. Nanana anaka izy tamin’ny farany. Nijaly be anefa izy, satria nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony, ka nitaraina tamin’Andriamanitra izy. Afaka manao toy izany koa isika rehefa iharam-pahoriana be. Nihaino an-dRebeka i Jehovah, ary nanome toky azy. Ho tonga renin’ny firenena roa izy, ka “ny zokiny hanompo ny zandriny.”​—Genesisy 25:20-26.

Tsy ireo teny ireo ihany angamba no nahatonga an-dRebeka ho tia kokoa an’i Jakoba, zanany faralahy. Tsy mitovy izy roa lahy. “Tsara fanahy” i Jakoba. Tsy niraharaha zava-masina kosa i Esao, satria natakalony sakafo indray mihinana tamin’i Jakoba ny maha zokiny azy, dia ny zony handova ny fampanantenan’Andriamanitra. Hita koa ny tsy fitiavan’i Esao zava-masina, rehefa nanambady vehivavy hetita roa izy. Tena nampahory ny ray aman-dreniny tokoa izany.​—Genesisy 25:27-34; 26:34, 35.

Fitadiavana fitahiana ho an’i Jakoba

Tsy milaza ny Baiboly raha fantatr’i Isaka ny hoe tsy maintsy hanompo an’i Jakoba i Esao. Na ahoana na ahoana, dia samy nahafantatra i Rebeka sy Jakoba fa natao ho an’i Jakoba ny fitahiana. Nanao zavatra avy hatrany i Rebeka, rehefa reny fa nikasa hitso-drano an’i Esao i Isaka, raha mitondra ho an-drainy hanim-py avy tamin’ny biby nohazaina izy. Mbola nanana fahatapahan-kevitra sy zotom-po toy ny taloha ihany i Rebeka. ‘Nasainy’ naka zanak’osy roa i Jakoba, mba hikarakarany hanim-py ho an’ny vadiny, araka ilay tiany. Tsy maintsy mody nanao hoe Esao i Jakoba tamin’izay fotoana izay mba hahazoana tso-drano. Tsy nety anefa i Jakoba satria raha fantatry ny rainy mantsy ilay fitaka, dia hanozona azy izy! Nikiry ihany i Rebeka. Hoy izy: “Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao.” Nanao ilay hanim-py àry izy. Nataony koa izay itovian’i Jakoba tamin’i Esao, ary nasainy nankany amin’i Isaka vadiny izy avy eo.​—Genesisy 27:1-17.

Tsy voalaza ny antony nanaovan-dRebeka izany. Maro no manameloka ny zavatra nataony, tsy mba toy izany kosa anefa ny Baiboly. Tsy nanameloka azy ihany koa i Isaka rehefa nahafantatra fa i Jakoba no nahazo ilay fitahiana. Mbola nitso-drano an’i Jakoba ihany aza izy. (Genesisy 27:29; 28:3, 4) Fantatr’i Rebeka izay nolazain’i Jehovah mialoha momba ny zanany. Koa nanao zavatra àry izy mba hahazoana antoka fa hahazo ilay fitahiana tokony ho azy i Jakoba. Tena nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah izany.​—Romanina 9:6-13.

Nasaina nankany Harana i Jakoba

Nampandamòka ny fikasan’i Esao i Rebeka, rehefa nampandositra an’i Jakoba, mandra-pahafaky ny fahatezeran’ny rahalahiny. Nangata-dalana tamin’i Isaka izy mba handefasana an’i Jakoba. Tsy nolazainy anefa hoe tezitra tamin’i Jakoba i Esao. Hainy tsara kosa ny nilaza tamin’ny vadiny fa manahy izy sao hanambady vehivavy kananita i Jakoba. Izany no nahatonga an’i Isaka hilaza tamin’i Jakoba mba tsy hanambady vehivavy kananita, sy handefa azy ho any amin’ny havan-dRebeka mba hahitany vady matahotra an’Andriamanitra. Tsy voalaza raha mbola nifankahita i Rebeka sy i Jakoba, kanefa nitondra soa be dia be ho an’ny firenen’ny Israely tatỳ aoriana ny zavatra nataony.​—Genesisy 27:43–28:2.

Manosika antsika hidera an-dRebeka ny zavatra fantatsika momba azy. Tena tsara tarehy izy, kanefa ny fahatahorany an’Andriamanitra no tena nampiavaka azy. Izany no toetra tian’i Abrahama hananan’ny vinantony. Azo inoana fa nihoatra noho ny nantenain’i Abrahama ny toetra tsara hafa nananan’ilay vinantony. Nanam-pinoana sy herim-po izy rehefa nanaraka ny fitarihan’Andriamanitra. Nazoto sy tsy nanambony tena, ary nahay nandray vahiny koa izy. Tokony hanahaka ireo toetrany ireo ny vehivavy kristianina rehetra. Tian’i Jehovah hanana ireo toetra ireo ny vehivavy tena fakan-tahaka.