Fandresena Tamin’ny Fanatanjahan-tena Fahiny
Fandresena Tamin’ny Fanatanjahan-tena Fahiny
‘MIFEHY tena amin’ny zava-drehetra izay rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana.’ “Raha misy mandray anjara amin’ny lalao . . ., dia tsy hahazo satroboninahitra izy raha tsy nanaraka ny fitsipi-dalao.”—1 Korintianina 9:25; 2 Timoty 2:5.
Nampiavaka ny kolontsaina grika fahiny ny lalao noresahin’ny apostoly Paoly tamin’ireo teny ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ireny fifaninanana ara-panatanjahan-tena ireny sy ny rivo-piainana nanodidina azy ireny?
Nitondra valiny sasantsasany ho an’io fanontaniana io ny fampirantiana momba ny lalao grika fahiny, natao tsy ela izay tao amin’ny Colisée any Roma. Nantsoina hoe Nike—Il gioco e la vittoria (“Nike: Lalao sy Fandresena”) ilay fampirantiana. * Nanome lafin-javatra hoeritreretintsika mahakasika ny fomba fijerin’ny Kristianina ny fanatanjahan-tena koa izy io.
Fanao efa ela ny fanatanjahan-tena
Tsy ny Grika no voalohany nanao fanatanjahan-tena. Nolazalazain’i Homère, poety grika, tany amin’ny taonjato fahavalo
Talohan’i Kristy (T.K.) anefa, fa ry zareo Grika dia nanana toe-tsaina tia nifaninana sy mpanindrahindra ny olona nahay niady sy tia fanatanjahan-tena ary nahery fo. Araka ny nohazavain’ilay fampirantiana, dia nandritra ny fandevenana ireo olo-malaza no nivadihan’ireo fety grika voalohany ho lanonana ara-pivavahana hankalazana ireo andriamanitra. Milaza, ohatra, ny Iliade, haisoratra grika tranainy indrindra nosoratan’i Homère, fa rehefa nanao ny fombafomba fandevenana an’i Patrocle ireo mpiady malaza naman’i Achille, dia napetrak’izy ireo teo amin’ny tany ny fiadiany. Avy eo dia nifaninana izy ireo, nanaporofo ny fahaizany ady totohondry, tolona, nanipy kapila sy lefona, ary nitondra kalesin-tsoavaly.Nisy fety nitovy tamin’izany nanjary nankalazaina eran’i Gresy. Hoy ny bokin’ilay fampirantiana: “Nifanditra lava ny Grika, sady nanana toe-tsaina tia nifaninana. Afaka nampitsahatra vetivety an’izany anefa izy ireo nandritra ireny fifaninanana ara-panatanjahan-tena ireny, noho ny fanajany ireo andriamaniny, ka afaka nifaninana tao anatin’ny filaminana sy ny fihavanana.”
Nisy tanàna maromaro nanjary nihaona tsy tapaka tany amin’ireo toeram-pivavahana, mba hankalaza ny andriamaniny, tamin’ny alalan’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena. Nihanalaza ny efatra tamin’ireny fety ireny, ka lasa fety lehibe fantatry ny Grika rehetra. Ireto avy izy ireo: Ny Olympika sy Nemeanina izay samy natokana ho an’i Zeosy, ny Pytika ho an’i Apollon, ary ny Ismika ho an’i Poséidon. Nisokatra ho an’ny mpifaninana eran’ny tontolo grika ireo lalao ireo. Nisy sorona sy vavaka tamin’izany, sady nisy fankalazana an’ireo andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fifaninanana ara-javakanto sy fanatanjahan-tena niavaka.
Ny tranainy sy nalaza indrindra tamin’ireny fety ireny, dia ilay niforona tamin’ny 776 T.K. ho fankalazana an’i Zeosy, ary natao isaky ny efa-taona, tany Olympie. Ny fety pytika no nalaza nanarakaraka an’izany. Nisy fifaninanana ara-panatanjahan-tena koa izy io, ary natao tany Delphes, teo akaikin’ilay toeram-pivavahana nalaza indrindra fahiny. Ny hira sy ny dihy anefa no tena nasongadina tao, satria hanomezam-boninahitra an’i Apollon, mpanohana ny mozika sy poezia, izy io.
Taranja nifaninanana
Voafetra ny taranja nifaninanana tamin’izany, raha oharina amin’ny ankehitriny, sady ny lehilahy ihany no nandray anjara. Matetika no tsy nisy afa-tsy taranja folo ireo Lalao Olympika fahiny. Nampiseho kely ny momba azy ireny ireo zavatra naseho tao amin’ilay fampirantiana tao amin’ny Colisée, toy ny sarivongana, sarisary, sary mivohitra, ary sary hoso-doko teo amin’ny vazy tanimanga.
Nisy karazany telo ny hazakazaka an-tongotra natao tamin’izany, dia ny indray mihodina ny kianja, na 200 metatra; ny indroa mihodina ny kianja, na 400 metatra; ary ny lavitra ezaka, na 4 500 metatra. Niboridana tanteraka ireo atleta rehefa nihazakazaka na nanao fanazaran-tena. Taranja dimy no nifaninanan’ireo mpilalao tamin’ny pentathlon, dia ny hazakazaka, ny vikin-dava, ny fanipazana kapila sy lefona, ary ny tolona. Nisy ady totohondry ny lalao sasany, na nisy pancrace, izay faritana hoe ilay “fanatanjahan-tena mahery setra nanaovana tolona sy ady totohondry tsy nisy gan-tanana.” Teo koa ny fifaninanana nitondra kalesin-tsoavaly, imbalo nihodina ny kianja. Nisy kodiarana kely io kalesy maivana io, nisokatra ny ao aoriany, ary soavaly lehibe roa na efatra no nitarika azy.
Nahery setra be ny lalao ady totohondry, ary nahafaty mihitsy aza indraindray. Nofonosina hoditra henjana feno vy niranirany ny totohondrin’ireo mpifaninana. Angamba takatrao amin’izany hoe nahoana no tsy nahalala intsony ny tenany teo anoloan’ny fitaratra ny mpifaninana iray antsoina hoe Stratofonte, rehefa avy nanao ady totohondry adiny efatra. Hita amin’ireo sarivongana
tranainy, fa simba be mihitsy ny tarehin’ireo mpanao ady totohondry.Ny tapany ambony amin’ny vatana ihany no azon’ny mpifaninana nohazonina tamin’ny lalao tolona, ka izay voalohany nandavo intelo ny mpifanandrina taminy no nandresy. Tsy toy izany kosa ny pancrace, fa nety daholo izay nohazonina rehetra. Azon’ny mpifaninana natao ny nandaka sy namely totohondry ary nanapitsoka ny vanin-taolana. Ny nanapotsitra maso sy nandrangotra ary nanaikitra ihany no tsy azo natao. Izay tsy hahafahan’ny mpifanandrina hihetsika teo amin’ny tany sy ny hanekeny ho resy no tanjona. Nisy nihevitra fa izany no “tsara indrindra tamin’ireo fampisehoana tany Olympie.”
Ilay lalao famaranana tamin’ny pancrace tamin’ny 564 T.K. tany Olympie, hono, no nalaza indrindra. Voakenda tsy avy niaina i Arrhachion, nefa mbola nahavita nanapitsoka ny rantsantongotry ny mpifanandrina taminy. Nijaly mafy io ka nanaiky ho resy, taloha kelin’ny nahafatesan’i Arrhachion. I Arrhachion efa maty no nambaran’ny mpitsara fa nahazo ny fandresena!
Ny fifaninanana nitondra kalesin-tsoavaly no nalaza indrindra tamin’ireo taranja nifaninanana. Tena tian’ireo olona ambony koa izy io, satria ny tompon’ireo kalesy sy soavaly no natao mpandresy fa tsy ilay nitondra azy. Tsy maintsy nijanona tao amin’ny lalan-kely natokana ho azy ny kalesy tsirairay hifaninana, ka tena sarotra ny fiaingana, ary indrindra koa fa teo amin’ilay tsato-kazo fihodinana terỳ amin’ny faran’ny lalana. Vao mainka lasa tena nahasondriana io taranja be mpitia io, satria nahatonga loza ny fahadisoana kely sy ny tsy fanajana ny fitsipi-dalao.
Loka ho an’ny mpandresy
Hoy ny apostoly Paoly: “Mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka.” (1 Korintianina 9:24) Ny handresy no zava-dehibe indrindra tamin’ireo mpifaninana. Tsy nisy ny laharana faharoa sy fahatelo. Nohazavain’ilay fampirantiana fa ny “Fandresena na ‘Nike’ no tena tanjona farany ho an’ny atleta. Tsy afa-po izy raha tsy nandresy, satria tamin’izany vao tena hita ny toe-batany sy ny toe-tsainy ary ny voninahitry ny tany niaviany.” Voafintina amin’izao tenin’i Homère izao ny toe-tsain’ireo mpilalao: “Nanjary haiko ny ho voalohany foana.”
Zavatra ho famantarana fotsiny no nomena ho lokan’ny mpandresy tamin’ireo lalao lehibe fantatry ny Grika rehetra. Satroboninahitra ravintsara nantsoin’i Paoly hoe “fehiloha mety lo” no nomena azy. (1 Korintianina 9:25) Nisy heviny lehibe anefa ilay loka. Nampiseho ny herin’ny natiora izay nozarainy tamin’ilay mpandresy izany. Nankasitrahan’ireo andriamanitra ilay mpifaninana, satria tapa-kevitra mafy ny handresy. Hita tamin’ilay fampirantiana ny fomba nampisehoan’ireo mpanao sary sokitra sy sary hoso-doko fahiny, ny sarin’i Nike, ilay andriamani-bavy grikan’ny fandresena, nisy elatra, eo am-panolorana satroboninahitra ho an’ny mpandresy. Ny fandresena tao Olympie no zava-bita tsara indrindra teo amin’ny fiainan’ny atleta iray.
Nomena satroboninahitra ravin’olivadia, ny mpandresy tamin’ny Lalao Olympika. Satroboninahitra ravin-kesika kosa ny an’ny Ismika, ravintsara ny an’ny Pytika, ary seleria ny an’ny Nemeanina. Nanolotra vola na loka hafa kosa ny mpikarakara lalao tany an-toeran-kafa, mba hisarihana ireo mpifaninana mahay indrindra. Ny ankamaroan’ireo vazy naseho tao amin’ilay fampirantiana, dia loka azo tany amin’ireo Lalao Panathénées natao tany Athènes, ho fanomezam-boninahitra an’i Athéna andriamani-bavy. Nisy
menaka sarobidy avy any amin’ny faritr’i Attique ireny vazy lehibe ireny, tamin’ny voalohany. Sarin’i Athéna andriamani-bavy sy soratra hoe “loka ho an’izay mifaninana ho an’i Athéna” no teo amin’ny lafiny iray amin’ny anankiray amin’ireo vazy. Ny lafiny iray kosa nisy sarin’ilay taranja nandraisan’ilay atleta anjara, ka nahazoany ny fandresena.Nahafaly ny tao an-tanàna ny niara-nihoby, noho ny fandresen’ireo atletany, ka nahatonga azy ireo ho lasa nalaza be teo amin’ny faritra nisy azy. Nankalazaina tamin’ny filaharam-be ny fiverenan’ireo mpandresy. Nisy sarivongana natsangana mba hanomezam-boninahitra azy ireny. Nomena fiderana natokana ho an’ireo andriamanitra koa izy ireo, dia voninahitra, izay tsy nomena ny olon-tsotra mihitsy. Nihira momba ny herim-pon’izy ireny koa ny poety. Taorian’izany, dia nomena azy ireo ny toeram-boninahitra tany amin’ireo fety ho an’ny besinimaro, sady nomena vola avy tamin’ny volam-bahoaka koa izy ireo.
Atleta sy kianja mitafo
Noheverina ho antony iray lehibe nahatonga ny vahoaka hirotsaka ho miaramila, ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena. Nanana ny kianja mitafony ny tanàn-dehibe grika rehetra, ka ireny no toerana nampiofanana ny tovolahy teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pivavahana. Izao no fomba nanamboarana an’ireny kianja mitafo ireny: Toerana malalaka fanaovana fanazaran-tena no teo afovoany. Nasiana andry sy efitrano mitafo hatao lakilasy sy fitahirizam-boky, avy eo, nanodidina ilay toerana. Ireo tovolahy zanaky ny mpanankarena no tena mpankany amin’ireny toerana ireny, satria tsy nila niasa izy ireny, ka afaka nanokana fotoana ho amin’ny fianarana. Tao koa ireo atleta no nanomana ny tenany ho amin’ireo lalao. Henjana sady naharitra ilay fanazaran-tena, nefa nisy mpanazatra nanampy azy ireo tamin’izany, sady nampifady azy karazan-tsakafo sasany sy firaisana ara-nofo koa.
Nahavariana ny mpitsidika ny nijery ny sarin’ireo atleta fahiny nandritra ilay fampirantiana tao amin’ny Colisée. Kopian’ny sary sokitra grika ny ankamaroan’izy ireny, ary natao nandritra ny Fanjakana Romanina. Nitovy tamin’ny fahalavorariana ara-pitondran-tena ny fahalavorariana ara-batana, araka ny firehan-kevitr’ireo Grika fahiny, sady ny andriana irery ihany no nanana azy. Nampiseho tsara ny filamatra filozofika àry ny hatsaram-bikan’ireny atleta mpandresy ireny. Zavakanto sarobidy kosa no niheveran’ny Romanina an’ireny sary sokitra ireny, ary maro no nandravahana ireo kianja, toerana fandroana, trano tsara tarehy, ary lapa.
Be mpitia foana ny fampisehoana feno herisetra teo amin’ny Romanina. Tamin’ireo taranja nifaninanan’ny Grika naseho tany Roma àry, dia ny ady totohondry sy ny tolona ary ny pancrace no be mpankafy indrindra. Ho fialam-boly fotsiny no antony nijeren’ny Romanina an’ireny fanatanjahan-tena ireny, fa tsy ho fifaninanana teo amin’ny olona mitovy, mba hamaritana ny fahaizan’ny tsirairay. Natao hamolavolana olo-manga, izay ho lasa atleta sy mpiady, ny fanatanjahan-tena tany am-piandohana. Tsy izany intsony no izy, tamin’ny andron’ny Romanina. Navadik’izy ireo ho fampiasan-tena mahasoa na ho fanatanjahan-tena hankafizin’ny matihanina avy amin’ny sarangan’olona ambany kokoa ireny lalao grika ireny, ka lasa be itoviana amin’ireo adin’ny gladiatera.
Ny Kristianina sy ny lalao
Nanana endrika ara-pivavahana ireny lalao ireny, ka izany no anisan’ny nahatonga ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hanalavitra azy ireny. “Inona [tokoa moa] no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” (2 Korintianina 6:14, 16) Ahoana kosa ny amin’ny fanatanjahan-tena ankehitriny?
Mazava ho azy fa tsy natao hankalazana andriamanitra sampy ny fanatanjahan-tena maoderina. Tsy marina ve anefa fa mitovy amin’ny taloha ny fanatanjahan-tena sasany amin’izao andro izao, ka anehoana hafanam-po be toy ny amin’ny fivavahana? Asehon’ny tatitra tato anatin’ny taona faramparany koa, fa mba handresena dia misy atleta vonona ny hampiasa fanafody mampahatanjaka, izay mety hanimba ny fahasalamany na hamono azy ireo mihitsy aza.
Voafetra ihany ny soa entin’ny fampiasan-tena, amin’ny Kristianina. Ny toetra kristianina, dia ilay “toetra miafina ao am-po”, no tena mahasarobidy ny olona eo imason’Andriamanitra. (1 Petera 3:3, 4) Marina fa tsy izay rehetra manao fanatanjahan-tena amin’izao andro izao no manana toe-tsaina tia mifaninana, kanefa betsaka no toy izany. Moa ve ny fiarahana amin’ny olona toy izany hanampy antsika hanaraka ny fananaran’ny Baiboly mba tsy ‘hanao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena’? Sa kosa izany hitarika antsika ho amin’ny “fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, [ary] fisaratsarahana”?—Filipianina 2:3; Galatianina 5:19-21.
Mety hisy herisetra ny fanatanjahan-tena sasany ankehitriny. Tokony hitadidy an’izao teny ao amin’ny Salamo 11:5 izao ianao, raha voasarika handray anjara amin’ny lalao toy ireny: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.”
Tena hahafaly ny fanatanjahan-tena rehefa hatao amim-pahaiza-mandanjalanja. Nilaza mihitsy aza ny apostoly Paoly fa “mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena.” (1 Timoty 4:7-10) Izao anefa no tena tian’i Paoly hasongadina rehefa niresaka momba ny lalao grika izy: Zava-dehibe ny hananana toetra kristianina, toy ny fifehezan-tena sy ny fiaretana. Ny tena tanjona niezahan’i Paoly hotratrarina, dia ny hahazo ilay ‘fehilohan’ny’ fiainana mandrakizay avy amin’Andriamanitra. (1 Korintianina 9:24-27; 1 Timoty 6:12) Namela ohatra tsara ho antsika izy tamin’izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 “Fandresena” no dikan’ilay teny grika hoe Nike.
[Efajoro/Sary, pejy 11]
Mpanao Ady Totohondry eo Am-pakana Aina
Hita eto amin’ity sarivongana halimo vita tamin’ny taonjato fahefatra T.K. ity, ny vokatra mandozan’ny ady totohondry fahiny. Hoy ilay lisitra momba ireo zavatra natao fampirantiana tany Roma mahakasika izany: “Noraisina ho ohatra tsara izay mpanao ady totohondry nahavita niaritra ireo ady nandreraka, nisian’ny ‘ratra ho solon’ny ratra.’” Hoy koa ilay fanazavana: “Nisy ratra vaovao nanampy ny ratra avy tamin’ireo lalao teo aloha.”
[Sary, pejy 29]
Ny fifaninanana nitondra kalesin-tsoavaly no nalaza indrindra tamin’ireo fifaninanana fahiny
[Sary, pejy 30]
Fomba nampisehoan’ireo mpanakanto fahiny an’i Nike, ilay andriamani-bavy grikan’ny fandresena, nisy elatra, eo am-panolorana satroboninahitra ho an’ny mpandresy