Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Herim-po toa An’i Jeremia

Manàna Herim-po toa An’i Jeremia

Manàna Herim-po toa An’i Jeremia

“Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.”​—SALAMO 27:14.

1. Inona no fitahiana tondraka ankafizin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

MIAINA ao anatin’ny paradisa ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 11:6-9) Tena miavaka amin’ity tontolo feno korontana ity ny zava-misy eo anivon’ireo Kristianina ireo, noho izy mihavana amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’izy samy izy. (Salamo 29:11; Isaia 54:13) Mitatra io paradisa ara-panahy io. Mandray anjara amin’izany fanitarana izany daholo izay “manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo manontolo.” (Efesianina 6:6) Amin’ny fomba ahoana? Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo sady mampianatra ny olona hanao toy izany koa. Noho izany, dia afaka mandray fitahiana tondraka ao amin’io paradisa io koa ireo olona ireo.​—Matio 28:19, 20; Jaona 15:8.

2, 3. Inona avy no tsy maintsy iaretan’ny tena Kristianina?

2 Mbola miatrika fisedrana foana anefa isika, na dia miaina ao anatin’ny paradisa ara-panahy aza. Mbola tsy lavorary isika, sady mijaly noho ny aretina sy ny fahanterana, ary mety ho faty koa. Hitantsika koa ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny “andro farany.” (2 Timoty 3:1) Mampahory ny olona rehetra ny ady, heloka bevava, aretina, mosary, ary zava-manahirana lehibe hafa. Tsy afa-miala amin’izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah.​—Marka 13:3-10; Lioka 21:10, 11.

3 Ankoatra izany, na dia miaina amim-pilaminana ao anatin’ny paradisa ara-panahy aza isika, dia mbola manohitra mafy antsika ny olona tsy anisan’izy io. Nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tadidio ny teny nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:18-21) Enjehina koa isika ankehitriny. Tsy azon’ny olona ny tena votoatin’ny fivavahantsika, na tsy ankasitrahany. Tsikeraina sy esoina isika, na ankahalaina mihitsy aza, araka ny efa nampitandreman’i Jesosy. (Matio 10:22) Matetika no milaza lainga sy manaratsy antsika ny fampitam-baovao. (Salamo 109:1-3) Miatrika tarehin-javatra sarotra tokoa isika rehetra, ka mety hisy hanomboka ho kivy. Ahoana àry no ahafahana miaritra?

4. Aiza isika no mitady fanampiana mba hiaretana?

4 Hanampy antsika i Jehovah. Izao no nampanoratiny ny mpanao salamo: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19; 1 Korintianina 10:13) Maro amintsika no afaka manamarina fa rehefa matoky tanteraka an’i Jehovah isika, dia omeny hery hiaretana ny zava-tsarotra, na inona izany na inona. Manampy antsika handresy ny fahakiviana sy ny tahotra, ny fitiavantsika azy sy ny fifaliana natao eo anoloantsika. (Hebreo 12:2) Noho izany, dia manohy ny fanompoana foana isika, na dia misy zava-manahirana aza.

Nanatanjaka an’i Jeremia ny Tenin’Andriamanitra

5, 6. a) Iza avy no sasany amin’ireo mpivavaka marina nahavita niaritra? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jeremia rehefa voantso ho mpaminany izy?

5 Faly foana ny mpanompon’i Jehovah nahatoky, na dia tojo zava-tsarotra aza. Nisy tamin’izy ireny niaina nandritra ny fotoana nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’ny olona tsy nahatoky. Anisan’ireny mpivavaka nahatoky ireny i Jeremia sy ny mpiara-belona taminy vitsivitsy ary ny Kristianina voalohany. Voarakitra ao amin’ny Baiboly ireny ohatra ireny mba hampaherezana antsika. Afaka mianatra zavatra betsaka isika, rehefa mandinika izany. (Romanina 15:4) Diniho, ohatra, i Jeremia.

6 Voantso ho mpaminany tany Joda izy, tamin’izy tanora. Tsy asa mora izany. Betsaka no nanompo andriamani-diso. Marina fa nahatoky i Josia, izay nanjaka tamin’ny fotoana nanombohan’i Jeremia ny fanompoany, nefa tsy nahatoky ny mpanjaka rehetra nandimby azy. Tsy nanao ny marina koa ny ankamaroan’ireo nanana andraikitra hampianatra ny vahoaka, dia ny mpaminany sy ny mpisorona. (Jeremia 1:1, 2; 6:13; 23:11) Inona àry no tsapan’i Jeremia rehefa nantsoin’i Jehovah ho mpaminany izy? Natahotra izy! (Jeremia 1:8, 17) Tsaroany fa nilaza izy tamin’ny voalohany hoe: “Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.”​—Jeremia 1:6.

7. Nanao ahoana ny olona tao amin’ny faritanin’i Jeremia, ary nanao ahoana ny fihetsiny nanoloana izany?

7 Tsy nihaino an’i Jeremia ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny faritaniny, ary matetika izy no tojo fanoherana mafy. Namely azy i Pasora mpisorona, indray mandeha, sady namatotra azy tamin’ny boloky hazo. Inona no tsapan’i Jeremia tamin’izay? Hoy izy: “Tsy hanonona Azy [Jehovah] aho na hiteny intsony amin’ny anarany.” Efa nieritreritra toa azy koa angamba ianao indraindray hoe tsy te hanohy intsony. Mariho hoe inona no nanampy an’i Jeremia hanohy ny fanompoany. Hoy izy: “Nefa izany [ny tenin’Andriamanitra na ny hafany] dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” (Jeremia 20:9) Izany koa ve no herin’ny tenin’Andriamanitra eo aminao?

Ny naman’i Jeremia

8, 9. a) Inona no fahadisoana nataon’i Oria, ary inona no vokany? b) Nahoana no kivy i Baroka, ary ahoana no nanampiana azy?

8 Tsy i Jeremia irery akory no nanao ny asan’ny mpaminany. Nana-namana izy, ary azo antoka fa nampahery azy izany. Tsy naneho fahendrena anefa izy ireo indraindray, anisan’izany i Oria. Nampitandrina ny tao Jerosalema sy Joda izy, ‘araka ny teny rehetra nataon’i Jeremia.’ Lasa nitsoaka tany Ejipta anefa izy satria natahotra, rehefa nandidy ny hamonoana azy ho faty i Joiakima Mpanjaka. Tsy nahavonjy azy anefa izany. Nenjehin’ny mpanompon’ilay mpanjaka izy, ka tratrany ary nentiny novonoina tany Jerosalema. Azo inoana fa nanaitra mafy an’i Jeremia izany!​—Jeremia 26:20-23.

9 Naman’i Jeremia koa i Baroka, mpitan-tsorany. Tena nanampy an’i Jeremia i Baroka, nefa tsy nifantoka tsara intsony tamin’ny fanompoany. Nanomboka nitaraina izy hoe: “Idiran-doza aho ity! fa nampian’i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.” Kivy i Baroka, ka nanomboka tsy nankasitraka intsony ny fanompoany. Tsara fanahy taminy anefa i Jehovah, ka nanome azy torohevitra feno fahendrena, ary nanaiky hahitsy izy. Nomena toky izy avy eo fa ho voavonjy rehefa horavana i Jerosalema. (Jeremia 45:1-5) Azo antoka fa nampahery an’i Jeremia ny nahita fa nifantoka indray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah i Baroka!

Nanampy ny mpaminaniny i Jehovah

10. Inona no nampanantenain’i Jehovah an’i Jeremia?

10 Ny tena zava-dehibe dia hoe tsy nanary an’i Jeremia i Jehovah. Takany ny fihetseham-pon’ilay mpaminaniny, ary nomeny ny hery sy ny fanampiana nilainy izy. Rehefa nisalasala ny amin’ny fahaizany, ohatra, i Jeremia teo am-piandohan’ny fanompoany, dia hoy i Jehovah taminy: “Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” Rehefa avy nohazavain’i Jehovah taminy ny asa nanendreny azy, dia hoy izy: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” (Jeremia 1:8, 19) Tena nampahery mihitsy izany! Ary nitana ny teny nataony tokoa i Jehovah.

11. Ahoana no ahalalantsika fa nanampy an’i Jeremia tokoa i Jehovah, araka ny nampanantenainy?

11 Rehefa avy nofatorana tamin’ny boloky hazo sy nesoin’ny vahoaka àry i Jeremia, dia tsy nisalasala izy nilaza hoe: “Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; ho menatra indrindra izy.” (Jeremia 20:11) Mbola nomba an’i Jeremia foana i Jehovah tatỳ aoriana, rehefa nisy nitetika hamono azy. Voavonjy toa an’i Baroka koa izy rehefa noravana i Jerosalema, sady tsy nentina ho babo. Maty na nentina ho babo tany Babylona kosa anefa ireo nanenjika azy sy tsy niraharaha ny fampitandremany.

12. Inona no tokony hotadidintsika, na dia misy antony mahakivy antsika aza?

12 Miaritra fahoriana toa an’i Jeremia koa ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Araka ny efa voalaza tetsy aloha, dia ny tsy fahalavorariantsika ihany no mahatonga ny sasany amin’izany. Ny hafa indray vokatry ny fisafotofotoana eto amin’ity tontolo ity, sy ny ataon’ireo manohitra ny asantsika. Mety hahakivy ireny fahoriana ireny. Mety hanomboka hanontany tena toa an’i Jeremia isika, raha mbola ho afaka hanohy ny fanompoana. Ho kivy tokoa isika indraindray. Mitsapa ny halalin’ny fitiavantsika an’i Jehovah ny fahakiviana. Koa aoka àry isika ho tapa-kevitra ny tsy hamela izany hampiala antsika amin’ny fanompoana azy, toy ny nitranga tamin’i Oria. Aoka kosa isika hanahaka an’i Jeremia, ka hatoky fa hanampy antsika i Jehovah.

Ahoana no handresena ny fahakiviana?

13. Ahoana no anahafantsika an’i Jeremia sy Davida?

13 Niresaka tsy tapaka tamin’i Jehovah Andriamanitra i Jeremia. Namboraka taminy ny fihetseham-pony lalina indrindra izy, sady nitalaho hery taminy. Ohatra tsara tokony hotahafina izany. Niantehitra tamin’io Loharanon-kery io koa i Davida, izay nanoratra hoe: “Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro. Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.” (Salamo 5:1, 2) Asehon’ny tantaram-piainan’i Davida ao amin’ny Baiboly, fa imbetsaka i Jehovah no namaly ny vavaka nataony mba hahazoana fanampiana. (Salamo 18:1, 2; 21:1-5) Tena mampahery koa ny mivavaka amin’i Jehovah sy mamboraka aminy ny ao am-pontsika, rehefa misy zava-manahirana manavesatra antsika na olana toa tsy azo anoharana. (Filipianina 4:6, 7; 1 Tesalonianina 5:16-18) Tsy mandà tsy hihaino antsika mihitsy i Jehovah. Manome toky antsika kosa izy fa ‘hikarakara antsika.’ (1 Petera 5:6, 7) Tsy mety anefa raha mivavaka amin’i Jehovah isika nefa avy eo tsy mihaino izay lazainy akory, sa tsy izany?

14. Nanao ahoana ny herin’ny tenin’i Jehovah teo amin’i Jeremia?

14 Amin’ny fomba ahoana no iresahan’i Jehovah amintsika? Diniho indray izay nataony tamin’i Jeremia. Mpaminany i Jeremia, ka niresaka nivantana taminy izy. Hoy i Jeremia momba ny herin’ny tenin’Andriamanitra teo aminy: “Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.” (Jeremia 15:16) Faly be i Jeremia satria nantsoina tamin’ny anaran’Andriamanitra, ary sarobidy taminy ny teniny. Noho izany, dia dodona ny hitory ny hafatra nankinina taminy izy, toy ny nataon’ny apostoly Paoly.​—Romanina 1:15, 16.

15. Ahoana no handentehana ny tenin’i Jehovah ao am-pontsika, ary inona no tokony hotadidintsika mba hahatonga antsika ho tapa-kevitra ny tsy hangina?

15 Tsy miresaka mivantana na amin’iza na amin’iza i Jehovah ankehitriny. Manana ny teniny voarakitra ao amin’ny Baiboly anefa isika. Noho izany, dia ho ‘fifaliana sy firavoravoan’ny’ fontsika koa ny tenin’Andriamanitra, raha tsy manao kitoatoa ny fianarana ny Baiboly isika sy misaintsaina lalina izay ianarantsika. Amin’izay, dia ho fifaliana lehibe ho antsika ny mitondra ny anaran’i Jehovah, rehefa milaza ny teniny amin’ny olona isika. Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana fa tsy misy olon-kafa manambara ny anaran’i Jehovah eto an-tany. Ny Vavolombelony ihany no manambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina, sy mampianatra ny mpandefitra ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy. (Matio 28:19, 20) Voninahitra tokoa ny antsika! Koa afaka ny hangina fotsiny àry ve isika, rehefa mieritreritra izay nankinin’i Jehovah tamintsika, noho ny fitiavany?

Tandremo ny namana

16, 17. Ahoana no fiheveran’i Jeremia ny namana, ary ahoana no anahafantsika azy?

16 Nilaza zavatra hafa nanampy azy ho be herim-po koa i Jeremia. Hoy izy: “Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tànanao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho.” (Jeremia 15:17) Naleony nitoetra irery toy izay ho voataonan’ny naman-dratsy. Miombon-kevitra aminy isika ankehitriny. Tsy hohadinointsika mihitsy ny fampitandreman’ny apostoly Paoly hoe “ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa”, eny fa na dia ny fahazarana tsara nananantsika hatramin’ny taona maro aza.​—1 Korintianina 15:33.

17 Mety ho voaloton’ny fanahin’izao tontolo izao ny saintsika, raha manana naman-dratsy isika. (1 Korintianina 2:12; Efesianina 2:2; Jakoba 4:4) Aoka àry isika hizatra hampiasa ny fahaizantsika misaina mba hamantarana izay atao hoe naman-dratsy, ka hanalavitra tanteraka azy ireny. (Hebreo 5:14) Raha velona teto an-tany i Paoly ankehitriny, inona no holazainy amin’ny Kristianina mijery filma mampiseho fitondran-tena maloto na herisetra, na mijery fanatanjahan-tena misy herisetra? Inona no torohevitra homeny ny rahalahy izay mifanerasera amin’ny olona tsy fantatra amin’ny alalan’ny Internet? Ahoana no ho fiheverany ny Kristianina iray mandany ora maro hanaovana lalao video na hijerena tele, nefa manao tsirambina ny fianarana samirery?​—2 Korintianina 6:14b; Efesianina 5:3-5, 15, 16.

Aza miala ao amin’ilay paradisa ara-panahy

18. Inona no hanampy antsika hanana finoana matanjaka hatrany?

18 Sarobidy amintsika ny paradisantsika ara-panahy. Tokana aman-tany izy io. Na dia ny tsy mpino aza dia midera ny Kristianina, noho izy ireo mifaneho fitiavana sy fiahiana ary hatsaram-panahy. (Efesianina 4:31, 32) Na izany aza, dia mila mandresy ny fahakiviana isika, indrindra fa amin’izao fotoana izao. Afaka manampy antsika hanana finoana matanjaka hatrany ny namana tsara sy ny vavaka ary ny fanaovana fianarana samirery tsy tapaka. Noho izany, na inona na inona fisedrana mitranga, dia hanana hery hiatrehana izany isika sady hatoky tanteraka an’i Jehovah.​—2 Korintianina 4:7, 8.

19, 20. a) Inona no hanampy antsika hiaritra? b) Natao ho an’iza ny lahatsoratra manaraka, ary iza koa no tokony ho liana amin’izy io?

19 Tsy tokony havelantsika hampitahotra antsika mihitsy ireo mankahala ny hafatra ara-baiboly entintsika, no sady tsy tokony hahatonga antsika hampandefitra ny finoantsika. Toy ireo fahavalo nanenjika an’i Jeremia, dia miady amin’Andriamanitra koa izay miady amintsika. Tsy haharesy izy ireo. Hoy i Jehovah, izay mahery lavitra noho ny fahavalontsika: “Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.” (Salamo 27:14) Ho tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana isika ka tsy ho kivy, raha latsa-paka ao amintsika ny fanantenana an’i Jehovah. Enga anie àry isika hatoky toa an’i Jeremia sy Baroka, fa hijinja isika raha tsy reraka.​—Galatianina 6:9.

20 Kristianina maro no tsy mitsahatra miady amin’ny fahakiviana. Miatrika zava-tsarotra manokana anefa ny tanora. Na izany aza, dia afaka ny hanana hoavy tena tsara izy ireo. Natao ho an’ny tanora eo anivontsika ny lahatsoratra manaraka. Hahaliana ny ray aman-dreny sy ny olon-dehibe rehetra vita fanoloran-tena eo anivon’ny fiangonana koa izy io. Afaka manampy ny tanora mantsy izy ireo amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra omeny ary ny fanampiana mivantana.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no ampoizintsika ny hisian’ny toe-javatra mahakivy, ary any amin’iza isika no tokony hitady fanampiana?

• Ahoana no nandresen’i Jeremia ny fahakiviana, na dia sarotra aza ny asa nanendrena azy?

• Inona no hahatonga ny fontsika ‘hifaly sy hiravoravo’, na dia misy zava-tsarotra aza?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Nihevitra i Jeremia fa tanora loatra sy tsy nahay izy, ka tsy afaka ny ho mpaminany

[Sary, pejy 10]

Fantatr’i Jeremia fa nomba azy “toy ny lehilahy mahery mahatahotra” i Jehovah, na dia nenjehina aza izy