Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manakana ny Fitiavana Kristianina ve ny Tsy Fanaovana Politika?

Manakana ny Fitiavana Kristianina ve ny Tsy Fanaovana Politika?

Manakana ny Fitiavana Kristianina ve ny Tsy Fanaovana Politika?

NY HOE Kristianina dia tsy midika fotsiny hoe mamaky Baiboly sy mivavaka ary manao hira isan’alahady. Midika ho fanaovan-javatra ho an’Andriamanitra sy ny olona izany. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka isika tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela, fa amin’ny atao ary amin’ny fahamarinana.’ (1 Jaona 3:18) Tena niahy ny hafa i Jesosy, ary te hanahaka azy ny Kristianina. Nampirisika mafy ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly mba “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Korintianina 15:58) Inona anefa izany asan’ny Tompo izany? Anisan’izany ve ny fanandramana hanova ny fitantanana ny fitondram-panjakana ho tombontsoan’ny mahantra sy ny ory? Izany ve no tian’i Jesosy holazaina?

Tsy nety nitsabaka tamin’ny politika na niandany na tamin’iza na tamin’iza i Jesosy, na dia nampirisihin’ny olona hanao izany aza. Nanda izy rehefa nomen’i Satana fahefana eo amin’ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao. Tsy nety niady hevitra momba ny fandoavan-ketra koa izy, ary niala rehefa nisy vahoaka naka azy hatao ho mpanjaka. (Matio 4:8-10; 22:17-21; Jaona 6:15) Tsy nanakana azy tsy hanasoa ny hafa anefa ny tsy fanaovany politika.

Izay hitondra soa maharitra ho an’ny olona no nifantohan’i Jesosy. Nitondra fanamaivanana vetivety izy rehefa namahana olona dimy arivo sy nanasitrana ny marary, fa ny fampianarany no nitondra soa maharitra ho an’ny olombelona. Tsy mpikarakara asa fanasoavana no nahafantarana azy fa “Mpampianatra” tsotra fotsiny. (Matio 26:18; Marka 5:35; Jaona 11:28) Hoy izy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.”​—Jaona 18:37.

Zavatra tsara kokoa no torin’izy ireo

Tsy tsangan-kevitra politika ny fahamarinana notorin’i Jesosy. Nifototra tamin’ilay Fanjakana izay hotantanany kosa izy io. (Lioka 4:43) Any an-danitra io fitondram-panjakana io, ary hisolo toerana ny fitondran’olombelona rehetra, sy hitondra fiadanana maharitra ho an’ny olombelona. (Isaia 9:5, 6; 11:9; Daniela 2:44) Io Fanjakana io àry no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Tsy haneho fitiavana bebe kokoa ve isika raha mitory izany fanantenana azo antoka izany, toy izay hampirisika ny hafa hatoky ny olombelona? Hoy ny Baiboly: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny.” (Salamo 146:3-5) Koa tsy naniraka ny mpianany hitory ny fomba hanatsarana ny fitantanana ny fitondram-panjakana àry i Jesosy. Naleony kosa nampianatra azy ireo hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.”​—Matio 10:6, 7; 24:14.

Koa izany àry ilay “asan’ny Tompo” nanirahana ny Kristianina. Takina amin’ny olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fifankatiavana. Noho izany, dia ho vitan’io Fanjakana io ny hanafoana ny fahantrana, ary hotsinjarainy araka ny tokony ho izy ny fananan’ny olombelona. (Salamo 72:8, 12, 13) Vaovao tsara tena mendrika ny hotorina tokoa izany.

Voalamina mba hanao io “asan’ny Tompo” io any amin’ny tany 235, ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Manaja ny fitondram-panjakana rehetra izy ireo, ho fanarahana ny didin’i Jesosy. (Matio 22:21) Ankatoaviny koa anefa ity teniny ho an’ny mpanara-dia azy ity: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao.”​—Jaona 15:19.

Tsy nanao politika intsony ny olona sasany, rehefa nandalina ny Baiboly. Nilaza toy izao ny mpanao politika italianina iray anisan’ny Fikambanana Katolika, izay manara-maso ny fiangonana: “Nanao politika aho satria nihevitra fa tokony hisy olona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny politika sy ny sosialy eo amin’ny fiaraha-monina.” Niala tsy ho ben’ny tanàna izy, ary nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra, niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nohazavainy ny antony tsy ahombiazan’ny ezaka ataon’ny mpanao politika, na dia tso-po aza izy ireo. Hoy izy: “Iaraha-mahita ny fiainan’ny zanak’olombelona. Nisy tokoa olo-mendrika nanandrana nanatsara ny fiaraha-monina, saingy tsy nahomby ny ezaka amim-pahatsorana nataon’izy ireo satria maro loatra ny olon-dratsy.”

Tsy manao politika ny Kristianina marina mba hitoriana ilay hany fanantenana ho an’ny olombelona. Tsy manakana azy tsy hanampy ny hafa anefa izany. Manampy ireo ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo mba hanova ny toe-tsaina ratsy ananany, hanaja fahefana, hanatsara ny fiainam-pianakaviany, ary hanana fomba fijery voalanjalanja momba ny harena. Ny mbola zava-dehibe kokoa anefa dia hoe manampy ny olona hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mahasoa ny fiaraha-monina misy azy ny mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Ankoatra izany anefa, dia ampian’izy ireo ny olona hatoky fitondram-panjakana iray tena misy, izay hitondra fiadanana maharitra ho an’izay rehetra tia an’Andriamanitra. Afaka manome fanampiana izay mitondra soa maharitra indrindra amin’izao fotoana izao ny Kristianina, noho izy ireo tsy manao politika.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Mpanao Politika Lasa Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra

Nahare an’ireo pretra tany Belém, any Brezila, niresaka momba ny tolona ataon’ny Eglizy ho an’ny mahantra, i Átila tamin’izy mbola kely. Nahafinaritra azy ny nandre fa tsy hijaly intsony ny olombelona rehefa afaka kelikely. Lasa niaraka tamin’antokon’olona mpanao fihetsiketsehana ara-politika àry izy. Nianatra nitarika ny olona hanao filaharam-be sy hanohitra ny fitondrana izy.

Nahafinaritra an’i Átila koa anefa ny nampianatra ireo ankizy teo anivon’ilay antokon’olona, ka nampiasainy tamin’izany ilay boky hoe Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. * Miresaka momba ny fitondran-tena tsara sy ny fankatoavana fahefana io boky io. Nahatonga azy hanontany tena izany hoe nahoana ireo manohana ny tolona ataon’ny Eglizy ho an’ny mahantra no tsy manaraka ny fitsipi-pitondran-tena tsara nomen’i Jesosy. Nahoana koa izy ireo no manadino ireo ampahorina rehefa mahazo fahefana. Tsy niaraka tamin’ilay antokon’olona intsony izy. Tonga nandondòna tao aminy ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana, ary niresaka taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ela dia nianatra Baiboly izy. Nianarany koa ny tena vahaolana amin’ny fahorian’ny olombelona.

Nanatrika seminera katolika momba ny fivavahana sy ny politika i Átila tamin’izany fotoana izany. “Fomba fijery roa momba ny zavatra iray ihany ireo”, hoy ny fanazavan’ireo mpampianatra. Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa i Átila. Hafa mihitsy ny zavatra hitany tany! Tsy nisy nifoka sigara, na nisotrosotro, na nanao vazivazy maloto tany. Tapa-kevitra ny hiara-mitory tamin’izy ireo izy, ary tsy ela dia vita batisa. Fantany izao hoe nahoana no tsy tena mitondra vahaolana ny tolona ataon’ny Eglizy ho an’ny mahantra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 6]

Afaka manampy ny hafa ny Kristianina na dia tsy manao politika aza