Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Mitsinjo ny Hoavinareo ve Ianareo?

Ry Tanora, Mitsinjo ny Hoavinareo ve Ianareo?

Ry Tanora, Mitsinjo ny Hoavinareo ve Ianareo?

“Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, . . . dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.”​—JEREMIA 29:11.

1, 2. Inona no fomba fijery samy hafa momba ny fahatanorana?

MIHEVITRA ny fahatanorana ho fotoana tena tsara ny ankamaroan’ny olon-dehibe. Tsaroan’izy ireo ny tanjaka sy ny hafanam-po nananany tamin’izany. Finaritra erỳ izy ireo mitodika ny lasa, satria kely kokoa ny andraikiny fony izy tanora, ary maro ny zavatra nahafinaritra natao. Nivelatra teo anoloan’izy ireo koa ny hoavy manontolo.

2 Raha tanora anefa ianao, dia mety ho hafa mihitsy ny fiheveranao ny fahatanorana. Manahiran-tsaina anao angamba ny fihetseham-ponao sy ny fiovana mitranga eo amin’ny vatanao. Mety hahery koa ny fitaoman’ny namana any am-pianarana. Voatery miady mafy angamba ianao mba tsy hanaiky hidoroka zava-mahadomelina, na hisotro toaka, na haloto fitondran-tena. Maro aminareo koa no miatrika olana satria tsy momba ny atsy na ny aroa, na miatrika zava-tsarotra hafa mifandray amin’ny finoanareo. Mety ho fotoan-tsarotra tokoa ny fahatanorana, kanefa fotoana ahafahanao manomana hoavy sambatra koa. Ahoana àry no hampiasanao izany fotoana izany?

Ankafizo ny fahatanoranao

3. Inona no torohevitra sy fampitandremana nomen’i Solomona ny tanora?

3 Hilaza aminao ny olon-dehibe fa mandalo ihany ny fahatanorana, ary marina ny azy. Tsy ho tanora intsony ianao afaka taona vitsivitsy monja. Koa ankafizo àry izy io dieny izao! Izany no torohevitra nomen’i Solomona Mpanjaka, izay nanoratra hoe: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao.” Nampitandrina ny tanora anefa izy hoe: “Esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy.” Hoy koa izy: “Ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.”​—Mpitoriteny 11:9, 10.

4, 5. Nahoana no hendry ny tanora raha manomana ny hoaviny? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Azonao ve ny tian’i Solomona holazaina? Mba hanazavana izany, dia eritrereto hoe misy tanora nahazo fanomezana sarobidy be, angamba lova. Inona no hataony? Azony atao ny mandanilany foana ny volany mba hampifalifaliana ny tenany, toy ilay zanaka adala ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Lioka 15:11-23) Inona anefa no hitranga rehefa lany ilay vola? Azo antoka fa hanenina izy satria tsy mba nandinika tsara! Eritrereto indray hoe nampiasainy tamim-pahendrena ilay fanomezana, mba hitsinjovana ny hoaviny. Nataony, ohatra, izay hampitomboana ilay vola. Hanenina ve izy rehefa handray ny tombony, satria hoe tsy nandany ny volany rehetra mba hampifalifaliana ny tenany fony izy tanora? Azo antoka fa tsia!

5 Hevero ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahatanoranao, ary izany tokoa no izy. Ahoana no hampiasanao azy io? Azonao atao ny mandanilany foana ny tanjakao sy ny hafanam-ponao rehetra amin’izay irinao, ka tsy hanao afa-tsy izay mahafinaritra anao fotsiny, fa tsy hieritreritra ny hoavy. Tena ho “zava-poana” tokoa anefa ny ‘fahatanoranao sy ny fahatanjahanao’, raha izany no ataonao. Tsy aleo ve manararaotra ny fahatanorana mba hanomanana ny hoavy?

6. a) Inona no toro lalana nomen’i Solomona ny tanora? b) Inona no tian’i Jehovah hatao ho an’ny tanora, ary inona no tokony hataon’ny tanora mba hahazoana izany?

6 Afaka manampy anao hampiasa amim-pahendrena ny fahatanoranao ny toro lalana nomen’i Solomona. Hoy izy: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.” (Mpitoriteny 12:1) Izao no antoky ny fahombiazana: Mihaino an’i Jehovah sy manao ny sitrapony. Nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita fahiny izay tiany hatao ho azy ireo. Hoy izy: “Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, . . . dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.” (Jeremia 29:11) Te hanome anao “fanantenana” sy hoavy sambatra koa i Jehovah. Ho tanteraka izany raha mahatsiaro azy ianao amin’ny ataonao sy ny eritreritrao ary ny fanapahan-kevitra raisinao.​—Apokalypsy 7:16, 17; 21:3, 4.

“Manatòna an’Andriamanitra”

7, 8. Ahoana no anatonan’ny tanora an’Andriamanitra?

7 Nampirisika antsika hahatsiaro an’i Jehovah i Jakoba rehefa nilaza hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) I Jehovah no Mpamorona sy Mpanjaka any an-danitra, ary mendrika ny hivavahana sy handray ny dera rehetra izy. (Apokalypsy 4:11) Na izany aza, dia hanatona antsika izy raha manatona azy isika. Tsy manohina ny fonao ve izany fitiavana sy fiahiany izany?​—Matio 22:37.

8 Misy fomba maromaro azontsika anatonana an’i Jehovah. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: “Mahareta amin’ny vavaka, ka miambena mandrakariva amin’izany, sady asio fisaorana.” (Kolosianina 4:2) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ataovy fahazarana ny mivavaka. Aza mianina fotsiny amin’ny filazana hoe amena, rehefa misolo tena anao amin’ny vavaka ny rainao, na ny Kristianina hafa eo anivon’ny fiangonana. Efa namboraka ny tao am-ponao tamin’i Jehovah ve ianao, ka nilaza taminy izay eritreretinao sy atahoranao ary manahirana anao? Efa nilaza taminy izay zavatra tsy ho sahinao horesahina na amin’iza na amin’iza ve ianao? Mampilamin-tsaina ny vavaka avy amin’ny fo. (Filipianina 4:6, 7) Manampy antsika hanatona an’i Jehovah izany, sady mahatonga antsika hahatsapa hoe manatona antsika izy.

9. Ahoana no ampisehoan’ny tanora fa mihaino an’i Jehovah izy?

9 Misy fomba hafa anatonana an’i Jehovah koa, araka ity voalaza ity: “Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” (Ohabolana 19:20) Mitsinjo ny hoavy tokoa ianao, raha mihaino an’i Jehovah sy mankatò azy. Ahoana no ampisehoanao fa tena mihaino azy ianao? Azo antoka fa manatrika tsy tapaka ny fivoriana kristianina ianao, ary mihaino ny fandaharana atao any. ‘Manaja ny rainao sy ny reninao’ koa ianao, rehefa manatrika ny fianaram-pianakaviana. (Efesianina 6:1, 2; Hebreo 10:24, 25) Mendri-piderana izany. Kanefa ‘manararaotra tsara ny fotoana’ koa ve ianao, mba hanomanana ny fivoriana sy hamakiana tsy tapaka ny Baiboly ary hanaovana fikarohana? Miezaka hampihatra izay vakinao ve ianao, mba hitondrana tena tahaka ny “hendry”? (Efesianina 5:15-17; Salamo 1:1-3) Manatona an’i Jehovah ianao raha izany no ataonao.

10, 11. Inona avy no soa lehibe azon’ny tanora rehefa mihaino an’i Jehovah izy ireo?

10 Nanazava ny zava-kendren’ny bokin’ny Ohabolana ny mpanoratra azy io, ao amin’ny teny voalohany nosoratany. Nilaza izy fa ny tanjon’izy io dia ny mba “hahalalana fahendrena sy fananarana ary hahafantarana ny tenin’ny fahalalana; hahazoana fananarana mampahahendry, dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; hanomezam-pahendrena ho an’ny kely saina ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo.” (Ohabolana 1:1-4) Araka izany, dia hianatra hanao ny fahamarinana sy ny fahitsiana ianao, rehefa mamaky sy mampihatra ny teny ao amin’ny Ohabolana sy ny teny hafa ao amin’ny Baiboly. Ary ho faly i Jehovah satria manatona azy ianao. (Salamo 15:1-5) Ho tsara kokoa ny fanapahan-kevitra raisinao, rehefa miezaka hampitombo ny fahendrenao sy ny fahalalanao ary ny fahaizanao misaina ianao.

11 Sarotra loatra ho an’ny tanora ve ny hanao zavatra amim-pahendrena toy izany? Tsia, satria tanora kristianina maro no mahavita izany. Noho izany, dia manaja azy ireo ny hafa sady ‘tsy manamavo azy noho ny fahatanorany.’ (1 Timoty 4:12) Rariny raha reharehan’ny ray aman-dreniny izy ireo, ary milaza i Jehovah fa mampifaly ny fony ireo tanora ireo. (Ohabolana 27:11) Azon’izy ireo antoka fa mihatra aminy ireto teny ireto, na dia mbola tanora aza izy: “Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; fa misy farany ho an’ny olona tia fihavanana.”​—Salamo 37:37.

Manaova safidy tsara

12. Inona no safidy lehibe iray tsy maintsy ataon’ny tanora, ary nahoana izany no misy vokany maharitra?

12 Fotoana fanaovana safidy ny fahatanorana, ary misy vokany maharitra ny sasany amin’izy ireny. Hisy fiantraikany eo aminao mandritra ny taona maro ny safidy sasany ataonao izao. Ho sambatra sy hahomby ianao raha manao safidy tsara. Mety hanimba tanteraka ny fiainanao kosa anefa ny safidy ratsy. Marina izany raha ny amin’ireto safidy roa tsy maintsy ataonao ireto. Voalohany: Iza no fidinao ho namana? Nahoana izany no zava-dehibe? Satria hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hanjary hitovy amin’izay olona ataontsika namana isika, ka na ho hendry na ho adala. Koa iza amin’ireo no tianao?

13, 14. a) Inona koa no tafiditra amin’ny hoe namana, ankoatra ny olona? b) Inona no hevi-diso tsy tokony hoeritreretin’ny tanora?

13 Fiarahana amin’ny olona angamba no tonga avy hatrany ao an-tsainao, rehefa miresaka namana isika. Marina izany, nefa azo atao hoe fiarahana amin’ny namana koa ny fijerena tele, fihainoana mozika, famakiana boky, fijerena sinema, na fampiasana Internet. Manome fahafaham-po ny fitiavana herisetra sy fitondran-tena maloto ny sasany amin’izy ireny, na mampirisika ny olona hidoroka zava-mahadomelina sy himamo na hanao zavatra hafa mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Raha manao an’ireo ho “namana” àry ianao, dia miaraka amin’ny “adala”, izay mihevitra fa tsy misy i Jehovah.​—Salamo 14:1.

14 Mieritreritra angamba ianao fa matanjaka tsara, satria mandeha mivory sy miara-miasa amin’ny fiangonana. Mety hihevitra àry ianao fa tsy hisy fiantraikany eo aminao ny filma misy herisetra, na ny hira misy feony mahafinaritra na dia tsy mendrika ny Kristianina aza ny tonony. Mieritreritra koa angamba ianao fa tsy hampaninona anao ny manopy maso amin’ny sary vetaveta ao amin’ny Internet. Milaza anefa ny apostoly Paoly fa diso hevitra ianao! Hoy izy: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Mampalahelo fa noho ny fiarahana tamin’ny naman-dratsy toy ireny, dia nanimba ny fahazarana tsara nananany ny tanora kristianina maro, izay nantenaina handroso tsara. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hanalavitra ireny karaza-namana ireny. Raha manao izany ianao, dia hanaraka an’ity torohevitr’i Paoly ity: “Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.”​—Romanina 12:2.

15. Inona no safidy faharoa tsy maintsy ataon’ny tanora, ary inona no olana atrehin’izy ireo mahakasika izany indraindray?

15 Intỳ ny safidy faharoa tsy maintsy ataonao. Tsy maintsy hanapa-kevitra ianao hoe inona no tianao hatao rehefa vita ny fianaranao. Raha mipetraka any amin’ny tany sarotra ahitana asa ianao, dia mety hahatsiaro ho voatery hanaiky avy hatrany izay asa tsara indrindra hitanao. Raha mipetraka any amin’ny tany manan-karena kosa ianao, dia mety hisy asa maro azo isafidianana, ary hanintona be ny sasany amin’izy ireny. Miahy izay hahasoa anao ny mpampianatra anao sy ny ray aman-dreninao, ka mety hampirisika anao hitady asa tsara karama, na mampanan-karena mihitsy aza. Raha manao ny fiofanana ilaina hahazoana izany asa izany anefa ianao, dia mety ho kely sisa ny fotoana azonao anompoana an’i Jehovah.

16, 17. Ahoana no hampiharan’ny tanora ireo andinin-teny eo amin’ny fehintsoratra, mba hahaizany handanjalanja rehefa mifidy asa?

16 Aza hadinoina ny mandinika ny Baiboly, alohan’ny hanapahana hevitra. Mampirisika antsika hiasa ny Baiboly, mba hahafahantsika hamelon-tena. (2 Tesalonianina 3:10-12) Misy zavatra hafa tafiditra koa anefa. Ampirisihinay ianao hamaky ireto andinin-teny ireto: Ohabolana 30:8, 9; Mpitoriteny 7:11, 12; Matio 6:33; 1 Korintianina 7:31; 1 Timoty 6:9, 10. Eritrereto koa hoe ahoana no hampiharan’ny tanora azy ireo, mba hahaizany handanjalanja rehefa mifidy asa izy. Hitanao ve ny fomba fijerin’i Jehovah an’ilay raharaha, rehefa avy namaky an’ireo andinin-teny ireo ianao?

17 Tsy tokony hibahana loatra eo amin’ny fiainantsika ny asa, ka hanjary ho zava-dehibe kokoa noho ny fanompoantsika an’i Jehovah. Raha ampy mba hahazoanao asa ivelomana ny fianarana nataonao tany amin’ny lise, dia tsara izany. Raha mila fiofanana fanampiny kosa ianao, dia tokony hiara-mandinika izany amin’ny ray aman-dreninao. Aza hadinoina mihitsy anefa “izay zava-dehibe kokoa”, dia ny fanompoana an’i Jehovah. (Filipianina 1:9, 10) Aza mamerina ny fahadisoan’i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia. Tsy nankasitraka intsony ny tombontsoam-panompoany izy, ka lasa ‘nitady zavatra lehibe ho an’ny tenany.’ (Jeremia 45:5) Nisy fotoana nanadinoany fa na inona na inona “zavatra lehibe” eto amin’ity tontolo ity, dia tsy hahatonga azy ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany, no sady tsy hahavonjy azy rehefa horavana i Jerosalema. Marina koa izany ankehitriny.

Ankasitraho izay omen’i Jehovah

18, 19. a) Inona no manjo ny ankamaroan’ny mpiara-monina aminao, ary ahoana no tokony ho fiheveranao azy ireny? b) Nahoana no tsy mahatsiaro ho noana ara-panahy ny olona maro?

18 Efa nahita sarin’ankizy mipetraka any amin’ny tany misy mosary ve ianao? Azo antoka fa onena ianao, raha efa nahita azy ireny. Onena toy izany koa ve ianao rehefa mahita ny mpiara-monina aminao? Fa nahoana ianao no tokony halahelo azy ireo? Satria mosarena koa ny ankamaroany. Tratran’ilay mosary nolazain’i Amosa ato amin’ity faminaniana ity izy ireo: “Avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.”​—Amosa 8:11.

19 Marina fa tsy “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra” ny ankamaroan’ireo mosarena ara-panahy ireo. (Matio 5:3) Maro no tsy mahatsiaro ho noana ara-panahy. Misy mihitsy aza mihevi-tena ho voky. Ny mahavoky azy ireo anefa dia ny “fahendren’izao tontolo izao” izay tsy misy vidiny. Tafiditra amin’izany ny fitiavan-karena, ny fanombantombanana ara-tsiansa, ny hevitra samy hafa momba ny fitondran-tena tsara sy ratsy, ary ny zavatra hafa mitovy amin’izany. Misy mihevitra fa lany andro ny fampianaran’ny Baiboly noho izany ‘fahendrena’ maoderina izany. ‘Tsy nahatonga an’izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra anefa ny fahendreny.’ Tsy hanampy anao hanatona an’Andriamanitra izany fahendrena izany. “Amin’Andriamanitra dia hadalana” fotsiny izy io.​—1 Korintianina 1:20, 21; 3:19.

20. Nahoana no hadalana ny manahaka ny olona tsy manompo an’i Jehovah?

20 Tianao ve ny hitovy amin’ireny ankizy mosarena hitanao amin’ny sary ireny? Mazava ho azy fa tsia! Toa te hitovy amin’ireo olona mosarena ara-panahy manodidina azy anefa ny tanora sasany eo anivon’ny fianakaviana kristianina. Mihevitra angamba izy ireny fa tsy manan-java-manahirana sy mankafy ny fiainana, ny tanora eto amin’ity tontolo ity. Hadinony fa lavitra an’i Jehovah izy ireny. (Efesianina 4:17, 18) Hadinony koa ny voka-dratsin’ny mosary ara-panahy. Anisan’izany ny fananana anaka tsy nirina, ny voka-dratsy eo amin’ny vatana sy ny olana hafa ateraky ny fitondran-tena ratsy, ny fifohana sigara, ny fimamoana, ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Lasa tia mikomy sy very fanantenana ary tsy mahalala izay lalan-kizorana eo amin’ny fiainana, ny olona mosarena ara-panahy.

21. Inona no hanampy antsika tsy hanahaka ny toe-tsain’ny olona tsy manompo an’i Jehovah?

21 Rehefa any am-pianarana àry ianao, ka miaraka amin’ireo ankizy tsy mpanompon’i Jehovah, dia aza avela hampiova anao ny toe-tsain’izy ireo. (2 Korintianina 4:18) Misy amin’izy ireo hanamavo ny fahamarinana ara-baiboly. Hampiely hevitra an-kolaka koa ny fampitam-baovao, hilazana fa efa fomba fiaina mahazatra ny manana fitondran-tena ratsy sy mimamo ary miteny ratsy. Aza manaiky izany fitaomana izany. Miaraha foana amin’ireo ‘mitana finoana sy feon’ny fieritreretana madio.’ Aoka ianao “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Timoty 1:19; 1 Korintianina 15:58) Mazotoa amin’ny asa atao any amin’ny Efitrano Fanjakana sy amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manaova ny asan’ny mpisava lalana mpanampy indraindray, na dia mbola mianatra aza ianao. Ho tapa-kevitra kokoa ny hitovy fomba fijery amin’i Jehovah ianao raha manao izany, ary ho mailo foana.​—2 Timoty 4:5.

22, 23. a) Nahoana no tsy azon’ny hafa matetika ny anton’ny safidy ataon’ny tanora kristianina? b) Ampirisihina hanao inona ny tanora?

22 Azo inoana fa tsy ho azon’ny olona sasany ny fanapahan-kevitra raisinao, noho ianao mitovy fomba fijery amin’i Jehovah. Nisy tanora kristianina iray, ohatra, nanan-talenta tamin’ny mozika sady nahazo naoty ambony foana tamin’ny taranja rehetra tany am-pianarana. Rehefa vita ny fianarany, dia niara-niasa tamin’ny rainy, izay mpanadio varavarankely, izy mba hahafahany hanao ilay asa nofidiny. Tsy inona izany fa ny fitoriana ny vaovao tsara manontolo andro, na ny asan’ny mpisava lalana. Tsy azon’ny mpampianatra azy mihitsy ny antony nandraisany izany fanapahan-kevitra izany. Azonay antoka anefa fa mazava aminao ny antony, raha nanatona an’i Jehovah ianao.

23 Eo am-pandinihanao ny fomba ampiasanao ny fahatanoranao, izay sarobidy tokoa, dia ataovy izay ‘hananana harena tsara tahiry, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay ianao dia hihazona mafy ny tena fiainana.’ (1 Timoty 6:19) Aoka ianao ho tapa-kevitra ny ‘hahatsiaro ny Mpanao anao’ amin’ny andro fahatanoranao sy mandritra ny androm-piainanao rehetra. Izany ihany no fomba hananana hoavy sambatra, izay tsy hifarana mandrakizay.

Inona no Fanatsoahan-kevitrao?

• Inona no torohevitra ara-baiboly manampy ny tanora hanomana ny hoaviny?

• Ahoana avy no fomba azon’ny tanora ‘anatonana an’Andriamanitra’?

• Inona avy no fanapahan-kevitra raisin’ny tanora, ka hisy fiantraikany eo amin’ny hoaviny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Holaninao amin’izay mahafinaritra anao fotsiny ve ny tanjakao sy ny hafanam-ponao rehetra?

[Sary, pejy 16, 17]

Mifantoka amin’ny fanompoana foana ny tanora kristianina hendry